Dinika tamin'ny tanora. Mba omeo fampaherezana izahay.

1. niryna ( 25/04/2007 10:52)
Rehefa nandalo teto dago aho dia nanana hetaheta ny hitoriteny sy hampianatra ary hifampizara ny zava-misy mahazo ny tanora.Hisaorako ny Tompo izany fa tsy vitan'ny fitorianteny sy ny fanavotana ny fanahin'ireo namana ,havana ary mpiara-belona ihany no nataoko fa ny fijoroako vavolombelona tamin'ny fiangonana vitsivitsy ihany koa.Nanana faniriana ny hizara vatomamy ho an'ireo mahantra lavitra ihany koa aho sy ny hitory ny fisian'Atra ary dia tanteraka koa izany sady niampy ny fandehanana tany an-tsekoly ihany koa izay hetahetako kanefa dia nisy mpampianatra niangavy ahy ho any an-tsekoliny ary tanteraka ihany koa ny faniriako.Mbola niangavay ihany ilay mpampianatra ny hiverina ao amin'ny kilasiny hafa iray.Vita soa amantsara izany.Ny Tompo no hisaorako satria hetahetako io ary dia notanterahany.
Maro ireo tanora mijaly ary manana olana ara-piainana eo amin'ny ray amandreny.Manaja ny ray sy ny reninao io dia tahotra mahazo ny tanora ary tsy misy maharatsy azy.
répondu par niryna le 04/05/2007 06:06
2. niryna ( 26/04/2007 04:58)
Maro ireo tanora mijaly ary manana olana ara-piainana eo amin'ny ray aman-dreny.Manaja ny ray sy ny reninao io dia tahotra mahazo ny tanora ary tsy misy maharatsy azy.
Anisany olana mipetraka eo amin'izy ireo ny fisarahan'ny rar,ny fahaditran'ny rar,ny tsy fisian'ny vola,ny tsy fahavitan'ny fianarana ka latsa no nahazo na dia nanao izay herin'ny aza izy ireo.Ny hamamoana,ny famonoana vady sy ny fampirafesana atao.Ireo dia anisany olana mianjady eo amin'ny tanora ary misy fiantraikany eo amin'ny fahatanorany izany.


3. diamondra27 ( 26/04/2007 09:01)
io aloha raha tsy misy toerana fanabeazana any antoerana de tsy mety e!

ny tiako lazaina de zao: tokony hisy olona afaka mi's'OQP ireo tanora ireo (toerana +Educateurs sy Educatrices) de mi s'organiser zavatra atao eo izy e!
ny gasy tia bol be de manaova recrytements sy projets de asio compétition sns
manaraka izany de raha manana local de manaova cyber café fa variana ao ny tanora @ity internet ity
manaraka izany dia ao koa ny fampianarana baiboly azo atao tsara (concours versets bibliques , hira masina etc...)
be de be fa saingy tsy any an-toerana ny tena de tsy afaka mikofoka e!
de asaivo manao voyages koa ry zareo e!(récompense)
Ento manao sorties toy ny ataon'ny Croix rouge sy tily & mpanazava ireny (une semaine ohatra)

Manararaotra etoana milaza fa manana guide aho mety hitondra olona te -hizaha toerana any dago raha mety @ projet-nareo le izy.
4. niryna ( 26/04/2007 13:05)
diamondra>misaotra betsaka tamin'ny toro-hevitra.
Nandalo fotsiny aho ka mba te-hanavotra ireo havana sy namana tanora.Nisy fampianarana tao an-trano ary dia samy namoaka ny tao am-pony daholo ny ankizy.Tsy dokotera aho kanefa kosa manana fahasoavana mahay mandresy lahatra sy manampy ny maro araka izay kely fantatro.Rehefa samy nilaza ny olana teo aminy ny tsirairay dia samy naha tafavoaka ny zavatra nankarary azy daholo ary dia bongo-maso sy nirarakopana ny fisotroana rano.Voaraiko ampeo daholo izany ary nasaiko nohenoin'ny vadiko,heno hatramin'ny rano mikoriana matetika ilay feo.Ny tiako ho tenenina dia maro ny olana mianjady ny tanora ka mila vahaolana hainga sy moramora kanefa mety ahaomby.Ireo voalazan'i diamondra ireo dia marina ary misy aza ankizy tiany hidirana daholo izay zavatra rehetra hamonoany ny eritreriny.

5. diamondra27 ( 26/04/2007 16:19)
ka raha vao tsy misy mi s'OQP reo de lasa manaonao foana e! inona aza ny distraction-ny eo

Ravalo nefa milaza ny hanampy ny tanora mihintsy ka mba asaivo manao projet matotra ny any @ tanàna de mangataka fanampiana any e!

lasa mifoka rongony sy sigara ary misotro toana ary mivaro-tena fotsiny 'reo refa tsy misy mpiahy.
6. niryna ( 27/04/2007 05:45)
Nahavariana ahy tokoa fa saika lasa mpisotro toaka ny ankabeazan'ny tanora vao mivady kely fotsiny:cry:Asa na kely dia nanambady na ny fiainana no manery azy ireo na ny namana fa tena mampalahelo.Ny fahaizana mamela eloka no tena zavatra sy dingana iray lehibe hoantsika na indrindra ho an'ny tanora.Ny fanaovana valifaty dia tsy ahitana tombotsoa mihitsy.
7. diamondra27 ( 27/04/2007 08:49)
fitaovana ampiasain'ny devoly io toaka io

jereo tsara le kalavavy nangataka ny lohan'ny jaona;
mamo be tsisy otrizany le mpanjaka de niteniteny foana : we inona no angatahinao fa omeko anao
efa lasa ny vava vao nanenina:inona tsony no azo atao, trop tard...

DE mbola manjaka ihany izany ankehitriny @ hendriny hafa

ra mamo be enao , na tsy mamono vady aza de mampijaly ny vadinao satria mitaintain-dava izy aminao, vady malalany ianao nefa de tsy afa-manoatra izy , impuissante na de manao ze afany aza
Refa mitaintain-dava ny iafarany de mety harary fo sns... de ho faty tampoka eo maheno vaovao.

Lazao fa tsy marina ndray zany ry zareo be revy a!

Atao ahoana fa ny fiainana sarotra, de ao no everana ahitàna le fahononana et après refa misava le toaka toa tsy tadidy akory ze natao omaly sy ze resaka natao (tena zay le we promesse d'ivrogne)


aza manambady mamolava hoy lay hira e!
8. niryna ( 27/04/2007 19:45)
diamondra >misaotra.Misy antony matetika ny mahatonga ny olona hanaonaoa foana.Hoy aho tamin'ireny tanora misotro toaka ireny hoe isaky ny mampiditra ilay toaka ao ambavanao ianao dia manome vahana ny satana foana.Fanariana dia sy famoizam-po no antony iray mahatonga ny olona hisotro toaka.Misy olana ao amin'ny fiainany ka tsy hitany izay amahana azy na tsy zakany ilay olana dia anisany iray koa io.Nahita olona aho voafitaka tamin'ny fanambadiany ary tsy te-hisaraka ilay vadiny izy kanefa tsy zakany sy tsy mamela ilay vadiny izy dia ny fisotroan-toaka no nataony setriny.Isaky ny mamo dia mitanisa ny nataon'ny vadiny foana izy hono.Mampalahelo e.Araka ny teniko ombieny ombieny dia ny famelan-keloka ihany no lalana iray mahomby hanome fampaherezana ireo tanora.Ray maditra? Hivavahana sy mangataka amin'Atra ny hamonjy ny ainy.Mety ho lavitra ny ezaka saingy rehefa mba nanao izay ho hafanao ianao dia efa dingana iray izay.Na inona na inona ny olana mipetraka eo amintsika na tanora na antitra ny manankim-po amin'Atra no lalana iray tsara indrindra sy mahomby.Nahomby tamin'ny hafa io dia mino aho mety ahomby ho antsika ihany koa.Mety tsy mino ianao?Lalan-kafa indray atao raha izany.Ny fahaizana mamela olona dia tsy ho voatery ho mpivavaka ianao.
9. diamondra27 ( 28/04/2007 11:23)
marina daholo ireo voalazanao ireo tsy misy kianina.

Fa raha miara-miaina @olona misotro toaka ianao de ianao koa no lasa alohany eo raha tsy mahatanty, lasa tiako lazaina dia kivy alohany, noho izany de aleo misorona.

misy ny croix bleue any dago, ngah tsy mba mamonjy an'ireny le ankizy refa tsy tiany ny tezaina ara-pilazantsara.

Ny toaka anie tsy maninoa raha misotro amiko fa zany hoe: le tafahoatra no tsy mety e!
10. niryna ( 01/05/2007 12:01)
diamondra>misaotra indray .
Mbola maro ihany ny zavatra mianjady amintsika na tanora na antitra fa ny mianatra mizaka ilay izy no iray ihany koa.na inona na inona no vokany dia tsy atao hamoizam-po izany.Io mantsy ny solution haingana ho an'ny olona kanefa io no tena zava-doza indrindra.Hoy ilay tanora iray hoe ny hamono tena no tonga tao antsaiko voalohany tamin'izao bevohoka kanefa mbola ni-sipa izy sy ilay tovolahy.Raha tsy hanambady azy hono ilay tovolahy dia hamonontena hono izy,soa ihany fa nivady ry zareo kanefa ny anatra nomeko azy mba tsy ataony intsony amin'ny sisa dia ny hoe tsy tokony hiverina ao an-tsainy intsony izany teny izany hisarihana ilay vadiny na ny olon-kafa satria raha mpivavaka ianao dia lasa any amin'ny afobe satria mamono olona ianao(tenenao) raha tsia
moa dia ianao no maty fa ny hafa mifaly amin'ny fiainana eo:roll:
Nisy indray iray nilaza fa hoe rehefa tonga tao an-tsainy io dia ny soratra masina no nisisika tao an-dohany hoe ny fahafatesana no tambin'ny ota ka tokony ho toerina hoy izy izany ota izany mba tsy ho faty aho fa tsy hanaiky azy fotsiny,tsy ratsy ilay eritreritra kely tao aminy:P
11. diamondra27 ( 03/05/2007 21:26)
e e e zay le chantage tsy tiko

ary toa isika 2 rery akia no miresaka eto fa aiza ny namana tsy mba miteny sa tsy mahita fomba fanabeazana lazaina?:oops::oops:
12. niryna ( 04/05/2007 06:06)
diamondra27:

e e e zay le chantage tsy tiko

ary toa isika 2 rery akia no miresaka eto fa aiza ny namana tsy mba miteny sa tsy mahita fomba fanabeazana lazaina?:oops::oops:

Mety mbola variana daholo angamba aky a:roll:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.171