Enjeho ny mpitondra fa aza ny vahoaka no kitihana

1. Jeankely ( 25/04/2007 08:39)
Araka ny hiaraha mahalala dia marobe ny vahoaka tsy mifidy ary tsy vao izao io fa efa hatramin'ny niverenan'ny President Didier Ratsiraka dia betsaka no tsy nifidy. Sahirana ary mitady izay hanina haniny ny vahoaka ary mahafantatra tsara fa be ny mpanao politika fetsifetsy sy mpamitaka. Noho izany, raha azo atao avaho miavaka ny fanenjehana ny mpitondra izay tsy hidiranay vahoaka sy ny fitanisana lava ny fahorianay vahoaka. Izay mahafantatra ny zavatra hiainanay fa tsy miandry anareo mpanana aty andafy hamisavisa ny fahantranay akory. Resaky ny samy panao politika tsy hidiran'ny vahoaka. Aza sarasarahina ny sain'ny vahoaka fa ny ady ao africa sy ny sisa aza tsy hita izay hamahana azy. Mijanona ary mahazoa fiadanana sy harenabe any andafy any ianareo fa aza ampiadiana antrano izahay.
répondu par Jeankely le 29/04/2007 03:48
2. pimaso ( 25/04/2007 09:02)
Jeankely > azafady ahitsiko kely, rehefa tonga any andafy anie tsy hoe miadana à 100% e! ny valeur ny devise no ambony fa ny rythme henjana be! tsy misy olona afaka mandanindany fotoana izany, mankaleo be aza ny mamangy olona any raha ela loatra fa ry zareo miasa foana dia ianao irery no miandry trano ao,
aleoko aloa miaina aty M/car raha izaho manokana e! aty afaka manana mpiasa mpanampy na dia eo aza ny hataon'ny mpanao politika araka ny teneninao
ny toe-tsaina sisa no hatsaraina dia lasa izao e!
mitady ho tendankanina ny mpitondra dia izay no mahasahirana ny vahoaka,
"And justice for all..."
;-)
jayms hetfield
3. 147 ( 25/04/2007 10:48)
isika marina no mifamaly eto ,fa marina ny an'i jeankely ry zalahy a!mangetaheta isika dia ndeha hitondra ny anjara-birikitsika e!
4. lamie ( 25/04/2007 11:29)
enjehina aona moa ny fitondrana?firy taona zay niharetana teto zay koa zao vao hanenjika?ary taiza no misy firenena hiarina ao anatin'ny taona vitsivitsy?ny lovàna t@ fanjakana teo aloha aza mbola mandrevorevo ?izay atsangana toa mivarina daolo?ny kely sisa nananana simba, lo,potika, rava!nofinofy no azo atao aloha zao e!
5. lamie ( 25/04/2007 11:32)
sa hanongam-panjakana?inona no hevitra?ary raha hanenjika ny mpitondra aza, afaka hanao inona?isika no aoka hifanaja e!samia manaja ny maha-malagasy antsika!
6. Jeankely ( 25/04/2007 12:08)
Misaotra tompoko. Izao tsy anisany mpanejika fitondrana ary tsy manana fahaizana hitondra aho ka tsy misy tombotsoa ho ahy ny handrava ny fitondrana. Saingy nahintsiko fotsiny ny ataon'ny mpanoratra sasany mitanisa ny fahantran'ny Malagasy rehefa tia hanozongozona fitondrana. Izao tsy mpiaro ny fitondrana fa kosa izay lalana hapetraka dia manaja izany aho ary izaho aza mba variana amin'ity fahafahana miteny (Right of speech)izay tena malalaka ahafahana miteniteny foahatany. Izay hitaritana ny tanora hitia ny TANINDRAZANY no tokony zahavina fa tsy ny hanakivy azy. Matoa nahavita dingana ireo firenena natao hoe "Four Gang" na hoy koa ry zalahy parantsay hoe "Dragon du Sud" tsy minafanikvy sy mifanaratsy fa samy miezaka. Ny sehatra tsy miankina (Privat Sector) manana ny andraikiny ary ny Fanjakana manana ny asany. Samy mikofoka fa tsy mifanaratsy ary rehefa mivoaka ianao ka fantatry ny olona hoe Malagasy dia i Madagasikara no resahiny fa tsy ny fanananao sy ny maha-ambony sy avo anao. Koa asakasak'izay faly anaratsy ny TANY NIAVIANY. Izahay tsy ny mpitondra no handraindrainay fa i MADAGASIKARA ary hatramin'ny faran'ny fofonainay io.
7. lamie ( 25/04/2007 12:27)
ary ny mahagaga dia ireo tsy eto an-teorana ihany no be vava,mampiady ny malagasy an!tsy misy fanaperana eto antany fa ny fitondrana koa anie hifandimbiasana e!adala izay mieritreritra hitondra mandrakizay!
8. nathie86 ( 25/04/2007 14:23)
Eny eh tsy ny vahoaka no diso @ ankapobeany fa reraky ny fiainana nefa kosa misy ihany ireo zay efa ratsy saina sy manimba sain'olona mitarika azy @ zvt hanimba. Ireny olona ireny dia enjehana tsara mintsy ka( vahoaka iany reny)
9. salmo1 ( 25/04/2007 14:44)
Mandehana mijery fiverenany baolina kitra any Côte divoara. De asivo soratra fanakianana ny mpitondra eo @ kianja de menatra ledala @ firenena ivelany rehetra, de io izy no raisina.

oh fotsiny.

Ra8 miala tany, tsy misy hilaivan'azy, mpamitaka ny vahoaka, mpanagadra ny politika tsy mahalala ny demokrasia fa miteniteny fôna sy manaobao fôna.
10. lamie ( 25/04/2007 16:09)
hafahafa koa zany lazain'i salmo zany!tsy azoko fa azavao hoe!
11. fijo ( 25/04/2007 21:54)
ka salmo no mlilaza zavatra ve hazava e:-D:-D
12. nathie86 ( 26/04/2007 07:13)
fijo:

ka salmo no mlilaza zavatra ve hazava e:-D:-D

:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D

13. bazylou ( 26/04/2007 19:51)
ka izano nametraka ilay mpitondra teo anefa ??,
14. Fiffi ( 26/04/2007 20:46)
fijo:
ka salmo no mlilaza zavatra ve hazava e:-D:-D
f'ita hoa eh ! :-D:-D:-D:-D:-D


15. Jeankely ( 27/04/2007 03:34)
bazylou:

ka izano nametraka ilay mpitondra teo anefa ??,



Ny fahitako azy dia manao resaka tsy mitombona ity bazylou ity ary mivadika amin'ny resaka nolazainy teo aloha. Mba vakio ny zavatra avy nosoratanao tompoko raha mihevitra tokoa fa nahazo fisainana ampy any andafy ianao. Ery aloha ianao milaza fa nangalabato ny mpitondra ary be ny tsy nifidy. Avy eo indray ianao mametraka fanontaniana hoe iza no mametraka azy teo. Izany hoe tianao hamarinina fa ny vahoaka. Izahay vahoaka tsy manenjika an'ireo nahazo fahafahana mandeha andafy mihintsy aoka ho fantatrao izany. Na aiza na aiza hitadiavana dia mety avokoa ary tsy misy vahoaka manaratsy olona lasa andafy fa rehefa tonga antanidrazana aza ireo olona ireo hajaina sy omena voninahitra ambony mihintsy. Koa aza anaovanao resaka hafahafa ny vahoaka bazylou. "You are not the right person who can discuss, even your idea you don't have the hability to follow its process". Even you can speak french it's good for you to come back to school and improve your analysis.
16. botrabotra ( 27/04/2007 07:22)
rabazil indray tsy mahagaga ry jeankely a!ary marina fa tsy misy miteny azy raha manohana izay tiany izy fa ny hafa manohana izay tiany kianiny mafy.:-D:-D:-D
17. paris10 ( 27/04/2007 15:15)
bazylou::lol::lol::lol::lol::lol:
18. niryna ( 27/04/2007 18:46)
salmo1:

Mandehana mijery fiverenany baolina kitra any Côte divoara. De asivo soratra fanakianana ny mpitondra eo @ kianja de menatra ledala @ firenena ivelany rehetra, de io izy no raisina.

oh fotsiny.

Ra8 miala tany, tsy misy hilaivan'azy, mpamitaka ny vahoaka, mpanagadra ny politika tsy mahalala ny demokrasia fa miteniteny fôna sy manaobao fôna.


:roll::roll:;-)
19. Jeankely ( 28/04/2007 03:43)
Miarahaba anao niryna. Ny demokrasia moa amin'ny sasany fahafahana miteniteny foana na mitarika any amin'izay ahavery ny vahoaka. Izaho mba ivelany Madagasikara koa amin'izao fotoana izao, saingy misy diso fihevitra tamin'io demokrasia io. Ny dikan'io dia mazava be fa izay lanin'ny vahoaka no arahina. Na tianao na tsy tianao dia iny no lany ary rehefa vita ny fifidianana dia iraisana iny lany iny. Tsy afaka mandroso haingana i Madagasikara satria heverin'ny sasany fa rehefa tsy lany ny azy dia potehina daholo izay azo potehina, ravana izay azo ravana ary atao izay tsy ahavitan'izay mitondra inoninona. Ny tena izy anefa ary asa marary saina angamba ny sasany na maizina ampototry ny mazava ka lasa andafy vao mitapy. Ny mpanohitra izany manome lesona tsara nohon'ny ataon'ny mpitondra ary manome vahaolana haingana hampandroso. Ny dikan'ny fitokonana dia hanatsarana fa tsy fandravana fotsiny izao. Misy tsy nazava io ka tokony hitarina misimisy any ampianarana.
20. bazylou ( 28/04/2007 23:10)
o ra jeankely ataovy alemana na japonay fa io no milay . Rehefa tsy nanohitra ianao dia manaiky ny zavatra nataony ianao izany!! = ianao no fositra nametraka azy teo!!! aza miala bala fa ianao ihany no nirevy azy e!!
Mba inona ary no tian'ilay botrabotra holazaina amin'ny ity fehezan-teny mifanipaka be ????:?::?:
"" ka araho izay lazainy rajeankely a!! izahay anie tsy namotika fa ny rivotra no nitondra ny vato naoavana ilay lalana nizitiana e!! efa vita ny famotehana tatezana.
TOKONY HIVERINA ANY MADAGASIKARA IANAO RAJEANKELY
FA sao lasa mpitory demokrasia fopla any zamerika any!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1381