Ilay vehivavy nitaingina bibidia (2)
1. lapino
(
16/04/2007 12:14)
Iza marina izy io ?
Ny zavatra tsy dia azoko dia hoe : marina foana ve ny hoe vehivavy = fiangonana ao amin'ny baiboly ?
Raha vakiana manko ny Apokalypsy toko 17 sy 18, dia voasoratra ao hoe : tanàna io vehivavy io, dia i Babylona. Izany hoe voalaza tsara ny anarany eo.
Ny tsy azoko kely dia hoe : tanàna izy mipetraka amin'ny mpanjaka (fa tsy mpanjaka no mipetraka amin'ny tanàna). Ary mpanjaka fito ipetrahany daholo, izay fotoana samihafa no nisy azy.
Ilay tanàna tangoron-trano-n'i Babylona anefa fantatsika fa efa rava, ary tany Iran tany no nisy azy fahizay. Tsy ilay tanàna ara-jeografika anefa no izy satria :
- mbola mipetraka amin'ny mpanjaka faha-6 izy amin'ny fotoana nanoratan'i Jaona, ary mbola hisy faha-7 koa aza sy ilay bibidia ho fanimbalony
- kanefa ilay vohitr'i Babylona dia efa talohan'izany no rava. (ahitsio aho raha diso eo)
Fa inona izany no tena mamaritra ny identité-n'i Babylona io?
Misy miteny hoe irony fikambanana miafina irony io Babylona io, dia ny franc maçonnerie e, illuminati e, sns ... Ka asa raha misy ifandraisany amin'ilay anarany hoe "ZAVA-MIAFINA" io na tsia (17:5). Dia miverina amin'ilay resaka "maîtres du monde" ndremande izay.
Misy indray no miteny fa i Eoropa io. Eo dia misy ifandraisany amin'ny resaka mytolojia, fa i Eoropa hono dia vehivavy nitaingina omby, izay i Zeus ihany mpanjakan'ireo andriamanitra. Kanjo nentiny tany anaty rano dia naolany. Ary mbola marika entin'i Eoropa mitambatra io izao ilay sary vehivavy mitaingina omby.
Misy ny miteny fa ny fiangonana katolika io Babylona io. Misy koa no miteny hoe ny silamo io. Kanefa, tanàna hoy ilay anjely, fa tsy fiangonana; sady ilay Babylona efa nisy efa ela talohan'ny nanoratana ny apokalypsy sady efa nipetrahany ireo mpanjaka dimy efa lavo.
Ka mba iza loatra ary io, mba hahafahana miala aminy, araka ilay hoe : "Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy." (18:4)

répondu par ikaretsaka le 20/04/2007 12:38
2. ikaretsaka
(
16/04/2007 12:21)
lapino:
Tsy ilay tanàna ara-jeografika anefa no izy
nanontany an'Andriamanitra sa i Joany angaha ianao no tonga de nahafahanao nitompo teny fatratra?:wink:
3. lapino
(
16/04/2007 12:24)
za teo:
Tsy ilay tanàna ara-jeografika anefa no izy satria :
- mbola mipetraka amin'ny mpanjaka faha-6 izy amin'ny fotoana nanoratan'i Jaona, ary mbola hisy faha-7 koa aza sy ilay bibidia ho fanimbalony
- kanefa ilay vohitr'i Babylona dia efa talohan'izany no rava. (ahitsio aho raha diso eo)
4. lapino
(
16/04/2007 12:29)
Ikaretsaka > tsy mitompo teny fantatra mihitsy aho amin'ireo resaka rehetra ireo, fa mametra-panontaniana aza :!:
Ka raha misy diso, misy doute, sns ... dia avoiro soa aman-tsara
(Dia mba vakio ilay toko anankiroa ireo 17 sy 18 @ apokalypsy)

6. lapino
(
16/04/2007 12:49)
Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : ny amin'ny andro iainantsika izao, mbola any ve izy io, manjaka amin'ny tany, sa efa tonga ve ilay fitsarana azy ?
Raha ilay voalohany, dia iza marina izy io mba hialana aminy ?
Raha ilay faharoa, dia oviana ary izany ilay fitsarana azy no nitranga ?

7. prime
(
16/04/2007 13:54)
Tena fampianarana feno mihitsy ny momba ny faminaniana voalaza ao amin'ny bokin'ny apokalipsy... ary mifampiankina aminy avokoa manomboka any amin'ny bokin'ny genesisy ka hatrany amin'ny boky johanika rehetra, indrindra moa ny boky apokalipsy manontolo...
Sarotra ny itondràna fanazavàna eto amin'ity lohahevitra iray ity satria tsara miverina lavitra tsy hatrany amin'ny tantara fotsiny fa hatrany amin'ireo boky faminaniana apokaliptika rehetra ao amin'ny testamenta taloha... ary mampifandray izany amin'ny zava-nisy tamin'ny nanoratana ny boky apokalipsy araka an'i Jaona ka mandrak'izao fotoana itenenana izao satria mbola mitohy ny tantara... nefa dia voambara ao amin'io boky farany io avokoa izany rehetra izany...

8. ikaretsaka
(
16/04/2007 14:26)
namaky ahy dia tonga tany @ 21,14
dia ahoana indray ny momban'io?
io izany ilay hoe apostolika sa akory?
dia ahoana indray ny momban'io?
io izany ilay hoe apostolika sa akory?
9. lapino
(
16/04/2007 14:48)
prime > eny, saingy tsy dia mahavaly an'ilay fanontaniana ny tenin'i prime. Kanefa, aiza daholo ny boky faminaniana apokaliptika ao amin'ny testamenta taloha mba hasiana maso indray ?
Ika > momba ny Jerosalema vaovao ilay toko 24. Tsy azoko ny fifandraisany amin'ilay size.
Raha ny satriko izao, dia ho fantatra mazava ny hoe :
Iza marina io Babylona io ?
ps: mba ampiasao voambolana tsotra na mba hazavao fa tsy mazava tsara ilay hoe : "johanika" sy "apostolika"

10. ikaretsaka
(
16/04/2007 15:14)
lapino> namaky an'ilay izy za de nitohy de tonga tany ka..de gaga fotsiny hoe naninona io le vehivavy nitaingina bibidia io nandeha aloha..ary @ 17 sy 18
de ary ndray misy hoe vatofototra 12 ary @ 21 ?

11. majesty
(
17/04/2007 04:48)
Ny vehivavy ao @ soratra masina = fiangonana
ohatra,ilay vehivavy mitafy masoandro = fiangonana mitafy an'i Kristy
ilay vehivavy janga = babilôna = fiangonana manohitra an'i Kristy
Ary ny nahatonga an'ilay teny hoe "rava,rava,babilôna lehibe..." faminaniana ny aharavan'ny fiangonana izay miady hanohitra ny lalan'i Kristy
Marina ny voalazan'i prime fa ny bokin'ny Apokalipsy dia mifampiankina betsaka amin'ny boky hafa ao @ soratra masina raha tsy hilaza afa tsy ny bokin'i Daniela sy Ezekiela sy Ezra ...sns,noho izany mba ahafahana mahalala izay heviny dia tsy maintsy mila mianatra azy io hatrany @ toko voalohany ka hatrany amin'ny toko farany indrindra,izay marihina fa tsy ho vita eto ny fanazavana azy!

12. lapino
(
17/04/2007 09:59)
majesty:Io no ataoko hoe marina ve ? Tsy voasoratra manko io, fa interprétation ... ka fampifanandrifiana fotsiny ve io sa tena izay ?
Ny vehivavy ao @ soratra masina = fiangonana
ohatra,ilay vehivavy mitafy masoandro = fiangonana mitafy an'i Kristy
ilay vehivavy janga = babilôna = fiangonana manohitra an'i Kristy
ilay vehivavy mitafy masoandro ohatra : fiangonana mitafy an'i Kristy tokoa ve io? Dia niteraka an'i Kristy ihany izy avy eo anefa.
Misy miteny izao hoe io vehivavy mitafy masoandro io, dia ny firenen'i Isiraely, miaraka amin'ilay kintana 12 an'izy 12 mirahalahy; ka ny masoandro izay notafiany dia Andriamanitra momba azy hatramin'izay. Ny volana izay eo ambanin'ny tongony, tsy fantatro. Ary ny zazalahy izay naterany, izay efa hanjaka sy hanapaka amin'ny tehim-by, dia Jesosy Kristy.
ilay vehivavy janga lehibe, dia Babylona. Tanàna hoy izy fa tsy fiangonana. Na tanàna na fiangonana tsy maninona ary, dia iza no tanàna na fiangonana izay mipetraka amin'ny mpanjaka 5 talohan'i Jaona sy 1 tamin'ny fotoanany ary 1 aorian'i Jaona ?
Ilay fanazavana ataonareo ho lavabe, ahoana no fomba hahazoana an'io fanazavana io ? Aiza daholo ny boky ao amin'ny baiboly miresaka momba an'izany ? Misy rohy ve any ohatra ?
13. ikaretsaka
(
17/04/2007 15:23)
majesty > fa ny tsy azoko koa.. ilay fiangonana na tanana dia misy vato fototra 12!
jereo ny 21.14
israely io sa ny apostoly?? samy 12 manko ireo !
jaona iza no tiany lazaina amin'io?
ilay vehivavy nitafy masoandro ange efa fantatra fa i masina maria e, ko iza ary no niteraka an'i jesoa afa tsy izy raha araka ny "voasoratra"?

14. lapino
(
18/04/2007 11:28)
Ika > resaka samihafa ilay toko 21 sy ilay resaka vehivavy mitafy masoandro. Ilay any amin'ny toko 21 dia resaka Jerosalema vaovao, ary voalaza tsara ao ilay hoe anaran'ny apostoly 12.
Fa ilay kintana 12 amin'ny satroboninahitr'ilay vehivavy kosa indray dia tsy voateny hoe iza ireo.
Ohatra ny tsy mety ihany ny hilazana fa i Maria io vehivavy io, satria izy ve izany nisatro-boninahitra ny apostoly 12 ? Dia tamin'ny oviana izy no nenjehin'ny dragona ? sns ...

15. ikaretsaka
(
18/04/2007 12:28)
Lapino: Amiko aloha mazava tsara hoe iza ilay dragona manenjika azy hatr@ zao!:wink: tsy ilay mi douter ny maha Renin'Andriamanitra sy ny mampa misy lanjany azy ?
16. prime
(
18/04/2007 14:02)
lapino:... Miaiky aho fa tsy mahavaly loatra ka ialàko tsiny raha tsy mahafapo fa manoro aho hoe tsara kokoa ny mianatra ifotony satria tsy ampy raha forum toy izao no ianarana ny hevi-dehibe toy itony... dia avelao ary aho aloha hanao fikarohana kely dia hanome rohy rehefa misy...
eny, saingy tsy dia mahavaly an\'ilay fanontaniana ny tenin\'i prime. Kanefa, aiza daholo ny boky faminaniana apokaliptika ao amin\'ny testamenta taloha mba hasiana maso indray ?
17. prime
(
18/04/2007 14:21)

19. lapino
(
20/04/2007 11:41)
ikaretsaka:Dia io ataon'i Ika ho ilay dragona io ve nahararaka ny ampahatelon'ny kintana eny amin'ny lanitra ?