Ny "fahafatesan'i Jesoa"

1. rakaroka ( 06/04/2007 21:20)
Isan'ny "état de Dieu" tsy azoko mihitsy ny hoe
natolotra ho sorona ny zanany! Tena marina e.N'inn n'inn fahotan'ny olombelona raha Izy koa no nanao hoe "aza mamono olona!" tsy tokony iala avy Aminy ny hevitra sahala @ izany, rahateo tsy voatery hihevitra anie ny olona fa izany no "geste d'amour
Goavana indrindra". Porofo misy teny hoe : "maty foana Kristy!". Dia nitodika @ Atra noho izany tokoa ve ny ankamaroan'olona ?....Hafahafa raha izany monja no antony vao hitia an'Atra!
répondu par prime le 17/04/2007 14:00
2. cutie ( 06/04/2007 21:30)
ka zao le izy ry rakaroka a
mifamadika le izy, tsy we hitia anTRa, fa Atra no tia antsika.
De zay ny antony @le fahafatesan'i jesoa:lol: ( raha mpino)
3. ikaretsaka ( 06/04/2007 22:18)
rakaroka:
Dia nitodika @ Atra noho izany tokoa ve ny ankamaroan'olona ?Hafahafa raha izany monja no antony vao hitia an'Atra


cutie:
mifamadika le izy, tsy we hitia anTRa, fa Atra no tia antsika.
De zay ny antony @le fahafatesan'i jesoa ( raha mpino)
!marina ny an'i cutie> saingy bedebe no tsy mahazo an'io:-*
4. prime ( 07/04/2007 05:45)
cutie> =D=D=D
5. Fiffi ( 07/04/2007 06:29)
Lehibe tokoa ny fitiavan'Jesoa antsika....ka na ny famonoana azy aza de nekeny.....ary noho ny fahontan'ny olombelona koa ny namonoana azy...
6. prime ( 07/04/2007 06:48)
Tsy Andriamanitra nanolotra ny Zanany ihany no tena tokony banjinina tao anatin'ny fanetren-tena nataon'i Kristy fa ny olombelona nandevozin'ny ota ihany koa ary meloka teo imason'Andriamanitra... Io mihitsy nefa no tsy eken'ny maro...
7. rakaroka ( 07/04/2007 09:01)
prime:

Tsy Andriamanitra nanolotra ny Zanany ihany no tena tokony banjinina tao anatin'ny fanetren-tena nataon'i Kristy fa ny olombelona nandevozin'ny ota ihany koa ary meloka teo imason'Andriamanitra... Io mihitsy nefa no tsy eken'ny maro...

"fanetren-tena" ?...Maro mihitsy no tsy mitonona izany fa dia mandavorary
fotsiny ny fiainana, eto anefa zary lasa hoe i Jesoa no nanao izao sy izary, raha tsy misy Azy dia tsy misy fiainana, Izy ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana fa ny sisa dia ...(nul) daholo...Tena izany mihitsy ny endrky ny fitoriana ankehitriny .
D'accord aho raha toa raha toa sur le "champs" babao ota aho dia iny i Jesoa tamy
nihazakazaka namonjy ahy, ary maty noho izany izy. Fa déjà Mbola tsy teraka akory aho no efa novonoina izy. Donk tsy hitako ny hifandraisan'izany?...
Ny tsy azon'ny mpino ieto mihitsy dia nisy lay églizy "temple solaire" iny izao, tsiravina daholo ny olona satria dia "fahafatesana koa no nivoitra tao abatiny:
Ka ilay fijery tsy hoe misy "partialité" hoe rehefa Jesoa no atao sorona dia eken'ny fanahy ary raha ny hafa dia heloka donk mitanila izany ilay fijery amin(izay: hoe Jesoa irery ihany no "considérable au monde?.... Izany hoe notre monde: y compris ny passé, présent, avenir se réduit en Jésus...Or ce n'est pas vrai du tout....
8. booboo ( 07/04/2007 10:03)
fa inn lé vrai ?

Aleo rangah zà hanana fijery mitanila eny foana fa tsy quoi : na handatsa-drà firy litatra aza tsy mahasolo ny dikan'ny nanombohana an'i Jesosy zany amiko.Tsy nijanona t@ fanagliavana azy ny raha fa mbola nitsangana izy avy teo. Donky amiko raha tsy maty sy tsy nitsangana dé tsisy dikany mihitsy lé fiainako e ...velombelom-poana ouz lé ranamana zay :°)
9. rakaroka ( 07/04/2007 10:40)
booboo:

fa inn lé vrai ?

Aleo rangah zà hanana fijery mitanila eny foana fa tsy quoi : na handatsa-drà firy litatra aza tsy mahasolo ny dikan'ny nanombohana an'i Jesosy zany amiko.Tsy nijanona t@ fanagliavana azy ny raha fa mbola nitsangana izy avy teo. Donky amiko raha tsy maty sy tsy nitsangana dé tsisy dikany mihitsy lé fiainako e ...velombelom-poana ouz lé ranamana zay :°)


Tahaka ny miteny hoe rehefa akimpiko ny masoko dia "tsy misy ianareo:-D:-D:-D:-D
10. ikaretsaka ( 07/04/2007 14:15)
Za koa aloha mitovy amin'ny booboo amin'ilay hoe na Ra firy litatra ara no lasaka teo.. tsisy lilil raha tsy nitsangana izy e.
11. cutie ( 07/04/2007 19:13)
fanetren-tena" ?...Maro mihitsy no tsy mitonona izany fa dia mandavorary
fotsiny ny fiainana, eto anefa zary lasa hoe i Jesoa no nanao izao sy izary, raha tsy misy Azy dia tsy misy fiainana, Izy ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana fa ny sisa dia ...(nul) daholo...Tena izany mihitsy ny endrky ny fitoriana ankehitriny .
D'accord aho raha toa raha toa sur le "champs" babao ota aho dia iny i Jesoa tamy
nihazakazaka namonjy ahy, ary maty noho izany izy. Fa déjà Mbola tsy teraka akory aho no efa novonoina izy. Donk tsy hitako ny hifandraisan'izany?...
Ny tsy azon'ny mpino ieto mihitsy dia nisy lay églizy "temple solaire" iny izao, tsiravina daholo ny olona satria dia "fahafatesana koa no nivoitra tao abatiny:
Ka ilay fijery tsy hoe misy "partialité" hoe rehefa Jesoa no atao sorona dia eken'ny fanahy ary raha ny hafa dia heloka donk mitanila izany ilay fijery amin(izay: hoe Jesoa irery ihany no "considérable au monde?.... Izany hoe notre monde: y compris ny passé, présent, avenir se réduit en Jésus...Or ce n'est pas vrai du tout....

question tsy misy valiny io :-D raha mbola ato @ resaka finoana njy no manontany an'io fa efa hain-jy ihany ny havalin'ny kristiana @io :lol:
12. soanja ( 07/04/2007 23:24)
Ny ahy indray dia hoe zava-poana ny zava-drehetra raha tsy nandefa ny Fanahy Masina hidina eo anivontsika Izy hankahery antsika sy hanoro lalana antsika.
Ny olombelona mantsy amiko na mahita aza tsy mahatsapa. Firfiry tokoa moa ny zavatra hitan'ny maso nefa tsy manaitra no sady tsy raharahaina.
Fa ny Fanahy ao anaty kosa no hanova ny lalanao sy hampahitsy anao satria io no Mpitari-dalana mankany aminy. Io ilay tsapa avy ao anaty mivoaka ety ivelany! Asan'ny fanahy. Sambatra aho fa miaraka amiko lalandava Izy na amin'ny sarotra na mora.
13. Salut ( 08/04/2007 00:42)
Rakaroka:
"Tsy misy manana fitiavana lehibe indrindra noho izay mahafoy ny ainy ho an'izay tiany". Tenin'i Kristy izany ary tsy teny fotsiny fa notanterahany hatramin'ny farany. Ny fanolorany ny ainy dia sady fankatoavana ny Ray no fitiavana antsika olombelona.

Misy fomba hafa tokoa azo anehoana fitiavana saingy izay no nofidian'i Kristy, satria izay no farafitiavana.

Isan'ny "état de Dieu" tsy azoko mihitsy

ce n'est pas vrai du tout....

Isany zavatra mahavarina ahy ny zavatra soratanao satria izao: ny voalohany dia ambaranao fa tsy azonao MIHITSY, nefa avy eo dia sahinao ny manamafy fa tsy marina. Raha ny lojika no jerena dia tsy marina ny fitsaranao satria zavatra tsy fantatra no lazaina fa diso. Ka izao no soso-kevitra mba arosoko ho anao: Maka saina samirery mba mandinika izay lazain'ny olona sy lazain'Andriamanitra mba hahazoanao azy. Tsy mety loatra mantsy ny mikombona amin'ny hevitry ny tena, ianao koa misora-tena ho rakaroka ka karohy ny marina e! Manaova Paka finaritra e. Ho aminao anie ny fahasoavan'i Kristy
14. kiranil ( 08/04/2007 04:16)
Isan'ny "état de Dieu" tsy azoko mihitsy ny hoe
natolotra ho sorona ny zanany!


Tsotra ilay izy ::

Romana 6:23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.


Raha vao tafiditra teto an-tany ny ota dia nitarika ny fahafatesana izany, na hoe fisarahana @ Andriamanitra. Ary izay no nahatongavan'i Jesosy Kristy dia ny ho faty noho ny fahotantsika.

Satrai raha miresaka heloka dia miresaka famelankeloka koa izany::


...fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka Hebreo 9:22


Io dia milaza hoe :: TSY MAINTSY MISY RA ALATSAKA VAO MISY NY FAMELAN-KELOKA.

Talohan'ny nahatongavan'i Jesosy Kristy dia manao fanatitra alatsa-dra @ famonoana zanak'ondr ny mpisorona, fa rehefa tonga Jesosy Kristy (ilay tena Zanak'ondrin'Andriamanitra) dia Izy no nanolotra ny tenany sy ny rany ho sorona noho ny fahotantsika. Ary ampy tanteraka io fanatritra nataon'i Jesosy io fa tsy hanampiana ary tsy hanalana.

"tsy niditra Izy [Jesosy kristy] mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;

fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.

Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,

dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.



Fehiny:: Ny fahafatesan'i Jesosy Kristy teo @ toeranao sy rany izay natolony teo @ hazo fijaliana irery ihany no nataonan'Andrimanaitra hanantoanana Azy fa tsy misy hafa.

Misoatra.
15. ikaretsaka ( 08/04/2007 06:13)
tena samy manana ny inoany sy ny fi interpreteny oo "soratra" masina io tokoa rehefa samy raisina isan'andalana ka:roll:
16. rakaroka ( 08/04/2007 15:13)
[quote=Salut]

Isan'ny "état de Dieu" tsy azoko mihitsy

ce n'est pas vrai du tout....


. Isany zavatra mahavarina ahy ny zavatra soratanao satria izao: ny voalohany dia ambaranao fa tsy azonao MIHITSY, nefa avy eo dia sahinao ny manamafy fa tsy marina. Raha ny lojika no jerena dia tsy marina ny fitsaranao satria zavatra tsy fantatra no lazaina fa diso.

Ny "conseil d'amie" dé aza zatra manao copie coller"
tahaka ny fanaon'ny mpino maro hoe "zavatra tsy mi-colle no ampifanohiziny...ivereno ny size eto fa tsy mitohy avy hatrany ireo hevitra ireo. Ny fomba mpanao izany no mahavariana!
Ka izao no soso-kevitra mba arosoko ho anao: Maka saina samirery mba mandinika izay lazain'ny olona sy lazain'Andriamanitra mba hahazoanao azy. Tsy mety loatra mantsy ny mikombona amin'ny hevitry ny tena,

:?::?:Tsy azoko ny tianao resahina maka saina samirery hoy ianao ka tsy hevitry ny tena ihany 'ngaha no voahevitra @ izany?....
ianao koa misora-tena ho rakaroka ka karohy ny marina e!

Bien sur atao inn moa saina raha tsy ampiasaina hikarohana?...Ka na mampikaroka ianao na tsia
ny saina natao hikarika ny marina foana ...
Manaova Paka finaritra e. Ho aminao anie ny fahasoavan'i Kristy


Misaotra dia miarahaba noho ny Paka ny rehetra:
Ho velona sy hitoetra ary hamiratra à traversn'ny tsi1/1 tsy an-kanavaka koa anie ny "hazavan'ilay Ray namorona antsika !:idea:
17. rakaroka ( 08/04/2007 15:26)

Tsotra ilay izy ::

Romana 6:23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Azafady indrindra fa tena tsy azoko mihitsy marina e
....Misy "état de "conception"" et d'évolution no fahitako azy. Ny voambary na hazo sns koa misy "etat"
antsoina hoe maty fa tsy misy manao hoe nanota ireny.
Ny fahafatesam-panahy fa tsy vatana loatra no tambin'ny ota voalaza eto amiko!
Izay aloha ny fijeriko azy e
Raha vao tafiditra teto an-tany ny ota dia nitarika ny fahafatesana izany, na hoe fisarahana @ Andriamanitra. Ary izay no nahatongavan'i Jesosy Kristy dia ny ho faty noho ny fahotantsika
.
remise en question GOAVANA BBBBBbbe amiko ity filazana ity satria na i Jesoa en personne aza tsy nampianatra izany kosa ka: tadidiko mihitsy izy nampianatra lafin-javatra maron'ny fiainana tahaka ny hoe "izay mino ahy ny asa ataoko no ataony koa"
ka raha résumé-na hoe ho faty ny asany dia "ho faty koa izany no takiany @ mpino?

18. booboo ( 08/04/2007 16:03)
ngaha vita teo @ fahafatesany fotsiny ny raha ? Nitsangana avy teo. Voa beeeeeeeeeeeeeeeeeee ny kristianina raha vitan'ny résumé hoe "maty ny asany " ny raha lé !

Tôko ngaha tsy hoe efa gli niaraka taminy teo ambonin'ilay hazo iny aby ny raha t@ Izy maty e ? donky tsisy antony tokony hiantonan'ny "mpino" eo ambony hazo tsony ! Manana safidy fotsiny avy teo hanaiky @ fo sy ny vava hoe "Mino an'Atra ray tsitoha mpanao ny lanitra sy ny tany, ary mino an'i Jesoa Kristy zanany lahy tokana et bla bla bla" iny.

19. Rasiligaoma ( 08/04/2007 16:26)
ka ny an-dry zareo ry Booboo Vita eo @ Ra latsaka ny tantara an
20. booboo ( 08/04/2007 16:28)
sanguinaire kounkou zany fin-na zistoira an-dreo zany ...tsy happy end mitsy :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3173