Ho avy hangataka vola aty Allemagne indray ra8

1. saho ( 30/03/2007 13:27)
Mahagaga fa tena mangataka vola foana ny mpitondra any mada kanefa ny vahoaka madinika tsy mahatsapa izany hoe misy fanampiana izany fa midangana foana ny vidim-piainana...

Be dia be ny olona mandry fotsy @ izao fotoana izao

Manaonao foana @ ity MAP ity kanefa tsy zakan'ny fahaizam-bahoaka misy izany fa ny ho hanina anio aza mbola tadiavina...tena izay no vidin'ilay MAP, Malagasy Antoky ny Pauvrete angamba no filaza azy

Maninona raha atao izay hahafahana manao ny famokarana ho be vokatra @ izay sady be ny vokatra no mora ny vidim-bokatra...tokony any @ resaka Agro no atao izay hahombiazana @ fambolena mamokatra 300% toy izay ity MAP ity...jereo fa b d b indray no ho fatin'ny hanohanana...
Ny malagasy mbola tsy mahay izany atao hoe vahoaka productif izany, mahay ny aloha mahay ny ao aoriana toy ny tanalahy manana ny masony mijery...
Ho very ny malagasy maro an'isa raha izao no mitohy

Mazotoa ary dia mivavaka ho antsika rehetra ny namana e!
répondu par vale le 02/04/2007 07:54
2. Fiffi ( 30/03/2007 15:09)
heu.....ny mahagaga ahy fotsiny de marina aloha fa hoe misy ny olana etsy sy eroa....misy ny fangatahana eran-tany ho fanampiana ny traboina normale io satria firenena iza no tsy manao an'io ?

Fa ny tena mahagaga de zao: ny olona aty ivelany foana no mahita an'zao sy zao : hoe tsy mety zao sy zao....ny olona any an-toerana nefa tsy mahita an'zany loatra ....eny na de hoe mafy aza ny fiainana...
3. kally ( 30/03/2007 18:38)
Ka ny ankaroan'ny olona any an-toerana na variana mitolona amin'ny fiainana ka tsy mahara-baovao intsony, na tanora fanahy loatra ka variana mijery feu de l'amour sy pazzapa, ka tsy maharaka e! soa fa misy vitsivitsy maharaka akaiky ihany kah.:cry:
4. Fiffi ( 30/03/2007 19:40)
ny zavatra tsara de aleo ny any an-toerana no hilaza zay fandehany any fa na de manara-baovao aza ny aty ivelany tsy aharaka an'zareo any an-toerana mihintsy !
5. bazylou ( 30/03/2007 19:52)
reveo fa nareo no fidy azy e:-D:-D:-D
6. Fiffi ( 31/03/2007 21:38)
fa aiza kay ny olana raha mangataka aza izy ? rehefa tsy nivoaka ny paosinao de tsy hitako hoe aiza ny olana ?
7. kally ( 01/04/2007 13:00)
Fiffi:

ny zavatra tsara de aleo ny any an-toerana no hilaza zay fandehany any fa na de manara-baovao aza ny aty ivelany tsy aharaka an'zareo any an-toerana mihintsy !



Tsy voafetra intsony ny fanaraham-baovao noho ny fisian'ny internet sy ny telefaonina. Betsaka ny zava-dehibe indrindra ny ara-pôlitika tsy araky ny any an-toerana fa ny mpanaraka avy ety ivelany no mahita ny fiaingany. Zavatra mifameno ireo fa tsy ferana hoe avy any ivelany ihany na any an-toerana ihany.Sady araky ny nolazaiko hoe variana ny eo an-toerana indraindray.
8. Rainimaharavo ( 01/04/2007 14:05)
:oops:f'angaha moa tsy efa nisy ny fangatahana hatramin'ny repoblika voalohany?:oops::?:
9. saho ( 01/04/2007 18:14)
Fiffi>ny tsikera tsy maintsy atao mba hanatsarana ny zava-misy fa hafa ny olona zatra manao oui lava ary iny foana no efa nahavoa hatr@ izay...
Na vola avy aiza iny na vola avy aiza avy aty Allemagne misy vola mivoaka mankany mada foana...
Tsotra resaka politika daholo ny fiainana ary maharaka izany ny aty ivelany indrindra ny fiainana misy ao mada...
Angaha ianao ry Fiffina tsy mahazaka critique...
Hainao ve izany atao hoe volam-bahoaka izany...

Sady volambahoaka avy eto Allemagne no hanomezana fanampiana toa an'ny mada fa tsy hoe vola anao manokana akory...
Mba mahaiza manakatra lavitra fa ny anao toa tsy tonga lavitra ny tongotrao...satria nahoana mety hoe mandainga angamba na misy ahiahinao manokana ahazoanao tombotsoa fa tsy ho an'ny daholo be...

Mahaiza miady ry malagasy miray hina fa aza avela sarahin'ny sasany toa ny fasika...
Izahay aloha dia miray @ malagasy mahantra lava tsy manana ny hohanina na dia miasa isan'andro aza ny atao hoe mpiasa tsotra dia tapitry ny trosa ny vola karama iray volana satria lafo be ny fiainana fa ianao angamba ry Fiffina tsy ao anatin'ny daholo be e

Aleo hitsikera izay hitsikera fa efa patsa iray tsy omby vava hoy ny Ntaolo ny zava-misy @ izao fotoana izao...
10. Fiffi ( 01/04/2007 18:32)
heu....za aloha tsy Fiffina an ! heu....tsy mandaha ny tsikera koh zah an ! fa....ozy zah hoe ny zavatra tena tsara angamba de aleo ireo namana any an-toerana no mba hilaza ny zavatra miseho any satria ny zavatra voalazan'ny gazety ange ka heu.....ohatran'ny tsy de marina foana eh ! bdb ny namana avy any dago de raha mba ry zareo ozy zah no mba milaza ny zavatra miseho any ? :roll::roll::roll:
11. karinah ( 01/04/2007 22:26)
Rainimaharavo:

:oops:f'angaha moa tsy efa nisy ny fangatahana hatramin'ny repoblika voalohany?:oops::?:
mahagaga ry "ravo" a!..

bazylou> ny fahantrana efa kakay hatrany am-boalohany, mba misy ihany ny zavatra tsara vitan'ny fitondrana ra8, nyfananganana dispensaire maimaim-poana, ho an'ny sarambam-be-mbahoaka, zaho aloha mahita hoe tsara ny fitondrana ra8, satria ny hanohanan'ny vahoaka efa nahazatra fony faha 30 tona lasa, tsy maintsy mba hasiana ny fiovana rah ate hivoatra, ze adala ihany no to aan-drainy, ka asa!

..mangataka oy ny namana etsy ambony; tsy hitako ny olana aloha e, angaha moa m/kara tsy firenena an-dalam-pandrosoana koa voafetra ny hoe tsy hanatsotra ny tanany @ firenena hafa...


12. bazylou ( 01/04/2007 23:25)
dia tsy misy hafa tsy ny mialokaloka ao anatin'izany hoe firenn andalam-pandrosoana dia tsy maintsy mangataka izany ve?? izany ve no argimantanareo e??
FA taiza ary zanak'iza ianao no sahy milaza fa gratos ireny dispensaire natsangany ireny??? izahay tsy mino e!! deba koa anie nahavita dispensaire sy akanin jaza gratos e!! ary nisy koa ny tsaky pop gratos!! ka inn
OLONA TSY MISY HAZON DAMOSINA NY ANAREO SY NY MPITONDRANY FATSY MISY HAINY HAF TSY NY HATAKA HATRANY NO HAINY!!:-D:-D:roll::roll::-P:-P
13. kally ( 02/04/2007 07:53)
Noho ny tohin'ny ratsy vitan'ny teo aloha dia mifafa ny kihony daholo ny taranaka rehetra taty aoriana. Iza moa no nametraka an'ilay Raika lahy taloha iry teo? Tsy i Ravalo no nampisy ny fahantrana.Ekeko fa amin'ny toerana misy antsika izao tsy maintsy miankin-doha @ any ivelany ny gasy. Ny fanampiana anefa tadidio fa tsy nomena fotsiny tsy arak'ilay anarany hoe "fanampiana" fa henjana be ny takalony.
Omeko tsiny koa anefa ny fanjakana ankehitriny amin'ny lafiny iray satria be dia be ny hetra tokony azo takiana ao Madagasikara nefa firifiry amin'ireo olona tokony handoa hetra no tsy mandoa ny hetrany no sady tsy misy mpitaky koa!:twisted:
Ary rehefa tsy Ravalo moa ho iza indray? Ny sisa mpifanandrina taminy toa tsy nisy azo noraisina daholo!!!
14. vale ( 02/04/2007 07:54)
bazylou< tsy hoe zany ny argimanta ra8, fa rehefa tsy mahavita tena tsy maintsy zay ny fandéhany, ho aiza am, ty trosa be miavovona, oh ftsn reto: ny rova may, mila vola be tsy toko tsy forohana, ny tetezana izay mba kely hananana, misy manapoka bomba rehefa fifidianana,.................., de tsy ahiko aloha fa tsy hitako zay hanomezana tsiny raha hoe mangataka ny fitondrana ra8, ngah fidiny...!!:^):^):^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7953