satana

1. simplex ( 15/03/2007 22:01)
adihevitra momba an'i satana:

* misy fiangonana na eglizy na tsy haiko ze mety ho anarany an'i satana ve?

* misy baiboly kely misy ny doctrine na constitution fondamentale, misy ny fampianarana an'i satana ve?

* Lery ve manana pouvoir autonome tsy voafehin'A/tra. Ra tsia, in ny antony hisiany sy tsy hanafoanan'A/tra azy?

* Ny fanjakan'ny satana, afobe na ze anarany any anti-paradisa: tena mijaly tokoa ve ny fanahy any sa hoe ahoana? azo hiafiana ihany? misy ve aloha io e?

adihevitra misokatra hoan'ny rehetra. Na baibolista na tsy baibolista, na satanista na tsia, na antikrista na tsia, na silamoista na tsia, na tsy mpinoista na tsia.

Tsara ho fantatra ireo mba hahalalana ny tena marina @ i satana. Tena ratsy tokoa ve lery? d aona ny fika hakana tombony aminy?
Ny tena fika eto d ny mba hahazoana an'le politika optimale hahazoana tombony eto antany sy @ tena paradisa.
Mety poinsa ve le hoe atao ny revy aloha fa mibebaka be refa vita?

:-*:-*

répondu par prime le 19/03/2007 09:48
2. fijo ( 15/03/2007 22:05)
za aloha dia sady tsy mino an'andriamanitra no tsy mino ny satana.
fantatro kosa fa misy ny sekta satanika.izay fomba fiasany sy fisehony no tsy haiko
3. LazaDaddy ( 15/03/2007 23:59)
simplex:
* misy fiangonana na eglizy na tsy haiko ze mety ho anarany an'i satana ve?
Eny, i Kristy dia manambara fa misy ny "synagogan'i Satana".
simplex:
* misy baiboly kely misy ny doctrine na constitution fondamentale, misy ny fampianarana an'i satana ve?
@ maha Satana mpamitaka azy dia tsy manana ny azy manokana izy fa ny Tenin'Andriamanitra no disoiny na anesorany na ampiany, na koa toheriny tsotra ho tsy Tenin'Andriamanitra mba tsy andraisan'ny olona an'ilay Fahamarinana.
simplex:
* Lery ve manana pouvoir autonome tsy voafehin'A/tra. Ra tsia, in ny antony hisiany sy tsy hanafoanan'A/tra azy?
Tsia, Andriamanitra dia TSITOHA. Angamba mety diso ilay hoe "tsy ho foanan'Andriamanitra" i Satana", saingy ilay fotoana ahatongavana amin'izay no tsy fantatsika. Ny Baiboly dia manambara fa na i Satana aza dia mahafantatra fa fohy dia fohy sisa ny "androny".
simplex:
* Ny fanjakan'ny satana, ...: tena mijaly tokoa ve ny fanahy any sa hoe ahoana? azo hiafiana ihany? misy ve aloha io e?
Araka ny Tenin'Andriamanitra dia misy ny afobe ary tena fijaliana, fitomaniana sy fikatroha-nify tokoa ny any. Saingy tsara ho marihina tsy ny afobe akory no fanjakan'i Satana fa ity izao tontolo izao misy antsika ity.


=> Anisan'ny fitaka aparitak'i Satana ny fitenenana fa tsy misy izy =))


4. cutie ( 16/03/2007 01:50)
Araka ny Tenin'Andriamanitra dia misy ny afobe ary tena fijaliana, fitomaniana sy fikatroha-nify tokoa ny any. Saingy tsara ho marihina tsy ny afobe akory no fanjakan'i Satana fa ity izao tontolo izao misy antsika ity.

lol
5. ikaretsaka ( 16/03/2007 01:59)
6. cutie ( 16/03/2007 02:05)
efa ato anatin'ny afobe daholo zany tsika ry ikaretsaka :-D:-D:-D:-D
7. LazaDaddy ( 16/03/2007 02:15)
cutie:
efa ato anatin'ny afobe daholo zany tsika ry ikaretsaka :-D:-D:-D:-D
diso famaky anie indry izany e :) tandremo mihomehy tena :)
LazaDaddy:
tsy ny afobe akory no fanjakan'i Satana fa ity izao tontolo izao misy antsika ity
Ny afobe tsy fanjakan'i Satana :), Izao tontolo izao no fanjakan'i Satana mandra-pahatapitra ny "androny" :)


8. ikaretsaka ( 16/03/2007 02:15)
ka izay no mampome ahy anie e
9. cutie ( 16/03/2007 02:19)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 16-03-2007 03:15:35
Lohateny : Re : satana
Hoy i cutie:
efa ato anatin'ny afobe daholo zany tsika ry ikaretsaka
diso famaky anie indry izany e tandremo mihomehy tena
Hoy i LazaDaddy:
tsy ny afobe akory no fanjakan'i Satana fa ity izao tontolo izao misy antsika ity
Ny afobe tsy fanjakan'i Satana , Izao tontolo izao no fanjakan'i Satana mandra-pahatapitra ny "androny"

mba mahgaga zany
iza no nilaza taminao fa ty zao tontolo zao ty no fanjakan'ny satana :-D:-D:-D:-D
10. cutie ( 16/03/2007 02:21)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 16-03-2007 03:15:42
Lohateny : Re : satana
ka izay no mampome ahy anie e

hita koa
manodina resaka njay i LD:-D:-D:-D:-D
11. soanja ( 16/03/2007 02:23)
simplex:

adihevitra momba an'i satana:

* misy fiangonana na eglizy na tsy haiko ze mety ho anarany an'i satana ve?

* misy baiboly kely misy ny doctrine na constitution fondamentale, misy ny fampianarana an'i satana ve?

* Lery ve manana pouvoir autonome tsy voafehin'A/tra. Ra tsia, in ny antony hisiany sy tsy hanafoanan'A/tra azy?

* Ny fanjakan'ny satana, afobe na ze anarany any anti-paradisa: tena mijaly tokoa ve ny fanahy any sa hoe ahoana? azo hiafiana ihany? misy ve aloha io e?

adihevitra misokatra hoan'ny rehetra. Na baibolista na tsy baibolista, na satanista na tsia, na antikrista na tsia, na silamoista na tsia, na tsy mpinoista na tsia.

Tsara ho fantatra ireo mba hahalalana ny tena marina @ i satana. Tena ratsy tokoa ve lery? d aona ny fika hakana tombony aminy?
Ny tena fika eto d ny mba hahazoana an'le politika optimale hahazoana tombony eto antany sy @ tena paradisa.
Mety poinsa ve le hoe atao ny revy aloha fa mibebaka be refa vita?

:-*:-*




Misaotra an'i Simplex nitondra ny adihevitra.

Raha amin'ny zavatra efa niainana sy nohadihadina ary nakana tsoa-kevitra dia ny Imperialism sy ny Communism ary ny Mafia no mitondra ny anaran'i Satana amiko, zany hoe azo atao hoe fiangonany/egliziny/religion-ny raha ohatra ka amin'ny sehatra fikambanana no ijoroany.
Manana ny bokiny tokoa ireo ary mahalaza ny zavatra kendreny sy takiany ary ny hampijoroany fa izy no Tsy Toha.
Tsy mino aho hoe vitan'Andriamanitra ny hamotika azy eto ambonin'ny tany satria ity tany ity no fanjakany saingy vitan'Andriamanitra kosa ny mampivily ny olony tsy hamonjy izany.
Ny aorian'ny fahafatesana dia mbola vinavina daholo. Mino anefa aho fa ny fanahy nanaiky hanaraka ny fitondran'i Satana dia tsy hanana fitoniana mandrakizay. Alohan'ny hahafatesany ireo olona ireo dia hanana fijaliana ara-tsaina tsy roa aman-tany ary mitohy mankany amin'ny fahafatesana izany fanahy tsy mety maty sady mijaly izany. Io amiko ilay AFOBE na Hell fa tsy ilay lazain'i baiboly (afo mirehitra tsy mety maty sy ny fikotrohanify de le demony lava rambo misy tandroka) sns izay sarisary kanefa raisin'i Mpino sasany ho tena izy. Noho izany dia misy ny tokoa ny tsy mankany Am-paradisa izay fiombonana amin'Andriamanitra: Fanahy tony sy manana fandriampahalemana mandrakizay.



12. LazaDaddy ( 16/03/2007 02:24)
cutie:
mba mahgaga zany
iza no nilaza taminao fa ty zao tontolo zao ty no fanjakan'ny satana:-D:-D:-D:-D
Tsy voatery hino an'izany ianao rehefa tsy mino, fa izaho dia mino ny fahamarinan'ny Teny REHETRA voarakitra ao @ Baiboly. Ary tsy mino fotsiny ihany fa mahita ny fahamarinany miseho tsikelikely :)
13. soanja ( 16/03/2007 02:27)
Toy izao ny fisehon'i asan'i Satana eto anivontsika:

Ny filazana fa izy dia Ambony noho ilay Andriamanitra namorona azy sy nanome azy ny Fanahy Mpankahery, ary nametraka azy tamin'ity tontolo ity.
-Ny zavamahadomelina rehetra, izay mitondra fijaliana sy fahasimbana ny zanakolombelona ary mitarika fisavoritahana.
-Ny fanimbana ny mahaolombelona amin'ny lafiny rehetra: fanaovana zavatra tafahoatra loatra ka tsy mitondra soa olona manakaiky anao, ny vatana sy ny fanahy ary ny saina.
-Ny fanimbana ny tontolo iainana, indrindra ka niniana ny fanovana azy.
-Ny fanararaotana na ankolaka na ankarihary ny zaza sy ny ankizy ary ny tsy manantsiny rehetra.
-Ny Fanambakana namana amin'ny fomba rehetra sy fitaritana azy amin'ny faharatsiana sy fahantrana ary fijaliana.
-Ny fanaparitahana hevitra mampiady sy mampisarantsaraka ary mamafy fankahalana ny hafa.
- Mankahala ny zavaboarin'Andriamanitra ka mikaroka sy mamorona ary manao izay hamotehana azy.
-Ny Fitiavan-tena be loatra ka tsy mitondra soa ny hafa sy ny tontolo iainana.
-Ny tsy fitsinjovana ny ho avy fahasambarana miaraka amin'i Andriamanitra nefa mahafantatra sy minia tsy manao izany fitoniana izany, izay mampiray anao amin'ilay Avo indrindra.

14. ikaretsaka ( 16/03/2007 03:05)
hay ve.. neveriko hoe efa mikotro nify sy tsy mitsahatra mitomany isika.. dia tsy tsapako loatra izany raha tsy indraindray.
izaho koa na tsy mitovy finoana amin'i soanja dia ireo koa no hitakitako fa fiasany..
fa tsy fanjakany
15. niryna ( 16/03/2007 05:01)
16. lapino ( 16/03/2007 08:54)
Mazava ny fanazavan'i LazaDaddy. Hamafisiko ity teny ity, fa ohatra ny hoe misy tsy mahazo :
LD:
tsy ny afobe akory no fanjakan'i Satana fa ity izao tontolo izao misy antsika ity.
Jereo ange ny baiboly :wink: fa :
- "andrianan'izao tontolo izao" no filazan'i Jesosy azy
- tamin'ny naka fanahy an'i Jesosy i Satana, dia nentiny teny amin'ny toerana avo Izy nampisahoany an'izao tontolo izao, ka nolazainy fa azy daholo ireo

Izany hoe :
> Izao tontolo izao = fanjakan'i Satana
> Afobe = fahafatesana faharoa
Tsy mitovy ireo
simp:
Ny tena fika eto d ny mba hahazoana an'le politika optimale hahazoana tombony eto antany sy @ tena paradisa.
Izay mitady hamonjy ny ainy hono no hahavery azy. Ary izay mitady tombony izany dia ahoana ? :wink:
simp:
Mety poinsa ve le hoe atao ny revy aloha fa mibebaka be refa vita?
Mibebaka = manenina amin'ny ratsy natao + mifona + ary miala amin'izany ratsy izany.

Ka possible ve ny hanenina amin'ilay revy (ratsy matoa mila hibebahana) kanefa sady faly ihany hoe nahazoana tombony ilay izy? Tena hoe nenina amin'ny fo tokoa ve? Sa nenina mbola miherika any amin'ilay revy ... ohatra ny vadin'i Lota?
Toa absurde ihany izany, fa lasa nenina kimodimody fotsiny.
Etsy andaniny anefa, circonstance aggravante : prémédité ilay heloka :-w

-----------
Tsetsatsetsa tsy aritra momba ny revy :

Ny revy ange, amin'ny heviny hoe "fampifalian-tena", dia tsy misakana Andriamanitra e! Fa raha ny fanaovan-dratsy dia raràny! Raha revy misy halatra, fijangajangana, fikorontanana, fanimbana tena, ... misy fahotana zany e ..., dia tsy sitrak'Andriamanitra.
Mpitoriteny 11:9 Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina hianao amin'izany rehetra izany. http://baiboly.org/toko.asp?boky=Mpitoriteny&Toko=11

17. Rasiligaoma ( 16/03/2007 11:26)
misaotra lapin @ ilay tsetsatsetra momban'ny revy an
18. simplex ( 16/03/2007 11:32)
ok ok, zao ndray aza:


Laza:
Satana aza dia mahafantatra fa fohy dia fohy sisa ny "androny
fohy?? toy ny hoe t@ 2000 taona lasa ve? azo endrasana ve zany hoe ssssss, efa ho dila ny leran'lery fa aleo hiafiana kely. Tsy ohatran'ny sarotra inoana ihany zany, ra izay 2000 taona lasa izay.
Misy ve ny fara andro?tena hoe fara andro (ohatry ny @ Terminator hoe revolution des machines, robots), sa hoe assimiles @ fahafatesan'ny tsirairay ny fara androny?

Laza:
Araka ny Tenin'Andriamanitra dia misy ny afobe ary tena fijaliana, fitomaniana sy fikatroha-nify tokoa ny any. Saingy tsara ho marihina tsy ny afobe akory no fanjakan'i Satana fa ity izao tontolo izao misy antsika ity.
Ra lasa any ve, izany hoe voasokajy tsy hoany @ paradisa, tsy naman'ny mankafy miaraka @ satana mametsifetsy ze mbola velona ety ihany? tsy milay ve zany, Otran'ny mahazo fafinaretana ihany manko nedala manodina ny fieritreretana sy ny asan'ny zanak'olombelona ety kou ?? :-w

soanja:
ny Imperialism sy ny Communism ary ny Mafia no mitondra ny anaran'i Satana amiko
ratsy doly ve ny zavatra ataon'ireo? Ny finoana ve fientanam-panahy an'ny tsirairay sa ny firehin-kevitra voarikitra ao @ systeme iray? Tsy azo ekena ve ny sakrifisy ("casualties" ) na victimes kely mba hoan'ny besoins communautaires?

misaotra aloha @ le filazana ny fisehoan'i satana eo anivontsika e. Le izy nefa otran'ny misy jurisprudence ihany indraindray. Ny atao hoe asan'ny satana ve tsy izay mifanohitra @ didy 10? ohatra tsotsotra, any ambanivohitra be any misy voay isaky ny fahavaratra tsy maintsy misy ol voajedaka foana, nefa ny olona tsy mainsy miampita an'le renirano. Asan'i satana ve ra toa ka halan'ny olona le voay zavaboarin'A/tra, ary ra vao mahita izy d tonga vonoiny foana ra vitany??:-*

19. simplex ( 16/03/2007 11:52)
tohizako eto fa lava loatra :)

lap:
> Afobe = fahafatesana faharoa

nisy prof (de renom), nisy tantsaha, samy tsy mpivavaka, refa avy notenenina taminy hoe mety tsy ho avotra ny fanahinao refa maty enao ra manda ny fisian'A/tra enao voalohany indrindra. D hoy fotsiny izy namaly, important ve ny ao arinan'ny fahafatesana?

lap:
Izay mitady hamonjy ny ainy hono no hahavery azy. Ary izay mitady tombony izany dia ahoana ?:wink:
tsika nge zao le bandy "smart" e, mitady fika hoe aona ny paika. Toa tonga d kivy, resy tsy miady akory ra izao no fandehany.

lap:
Mibebaka = manenina amin'ny ratsy natao + mifona + ary miala amin'izany ratsy izany.
strictement tsy maintsy io ve? poinsa tsy nisy ol nibebaka mintsy manko, enfin vitsy d vitsy e, ra hoe tena io ara-bakiteny le izy. Ny tiako hambara dia hoe samihafa le "intention" sy ilay hoe "action". Ohatra hoe mandainga, dia mibebaka hoe tsy handainga intsony ah. Izany akory tsy midika fa tena tsy handainga intsony mintsy toi. Jerijereo any fa misy tenin'A/tra milaza fa na lavo in-100 aza toi mbola tian'A/tra foana.

lap:
Etsy andaniny anefa, circonstance aggravante : prémédité ilay heloka
an3 k, mbola tsy mampiatra nge isika fa mbola eo ampanaovana an'le politika e. Zany hoe, refa mampiatra azy avy eo tsy mikozy hoe tonga d hibebaka ah ra vao vita ity. Fa indray andro any tsy maintsy asiana point hitenena hoe asivo break kely. Ny tena blem zao ny fitadiavana an'le fotoana optimale @ zay. Sao tara loatra manko k efa jokotra mbola tsy nibebaka ihany...

lap:
Ny revy ange, amin'ny heviny hoe "fampifalian-tena", dia tsy misakana Andriamanitra e!
d ahoana indray le hoe mora kokoa ny hidiran'ny vody rameva @ vodi-fanjaitra toy izay ny hidiran'ny mpanakarena any @ fanjakan'A/tra? io ve tsy midika hoe "profil bas" foana mba hahamora ny fifandraisana sy tsy ho mora voasariky ny "asan'ny satana"???

Averiko indray fa ny tena tanjona tratrarintsika eto d ny mba hahazoana an'le fika hoe fitondratena, fomba fiaina optimale. Dans le sens hoe, minimiser an'le difference eo @ ilay fahafinaretana sy fankamamiana ny fiainana eto an-tany (izay @ lafiny 1, atolotr'i satana) sy ilay hoe fiainana any ankoatra (izay atolotr'i A/tra)...



20. ikaretsaka ( 16/03/2007 12:31)
i simplex io ambony io :
nisy prof (de renom), nisy tantsaha, samy tsy mpivavaka, refa avy notenenina taminy hoe mety tsy ho avotra ny fanahinao refa maty enao ra manda ny fisian'A/tra enao voalohany indrindra. D hoy fotsiny izy namaly, important ve ny ao arinan'ny fahafatesana?


Za koa efa tratran'io fanontanian'olona tsy mpino lazain'i simplex io "hoe important ve izany aorian'ny fahafatesana izany"
olona tsy mino no asian-dresaka eto sao lasa mivoana sy HS eo aby ndray an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1116