satana

21. prime ( 16/03/2007 12:46)
LD,lapino> Tena izany tokoa no tian\'ny Tenin\'Andriamanitra ambara... =D
simplex:
nisy prof (de renom), nisy tantsaha, samy tsy mpivavaka, refa avy notenenina taminy hoe mety tsy ho avotra ny fanahinao refa maty enao ra manda ny fisian\'A/tra enao voalohany indrindra. D hoy fotsiny izy namaly, important ve ny ao arinan\'ny fahafatesana?
... Eny tokoa, mety tsy \"important\" aminy satria tsy nazavaina taminy, na koa nazavaina sy natoro azy fa izy mihitsy no tsy mino... mety hanova ny \"plan\"\'Andriamanitra ve ny tsy finoany?... mafy anie izany hoe hijaly mandrakizay izany fa hodian-tsy heverina e...
simplex:
strictement tsy maintsy io ve? poinsa tsy nisy ol nibebaka mintsy manko, enfin vitsy d vitsy e, ra hoe tena io ara-bakiteny le izy. Ny tiako hambara dia hoe samihafa le \"intention\" sy ilay hoe \"action\". Ohatra hoe mandainga, dia mibebaka hoe tsy handainga intsony ah. Izany akory tsy midika fa tena tsy handainga intsony mintsy toi. Jerijereo any fa misy tenin\'A/tra milaza fa na lavo in-100 aza toi mbola tian\'A/tra foana.
... Ny fibebahana dia indray mandeha ihany eo amin\'ny fiainana fa tsy misy mibebaka foana izany... ny fifonana no miverina raha sendra lavo indray2...
Ny amin\'ny fahavitsiany dia indrisy fa izany tokoa, tena vitsy ny olona tena mibebaka...
simplex:
an3 k, mbola tsy mampiatra nge isika fa mbola eo ampanaovana an\'le politika e. Zany hoe, refa mampiatra azy avy eo tsy mikozy hoe tonga d hibebaka ah ra vao vita ity. Fa indray andro any tsy maintsy asiana point hitenena hoe asivo break kely. Ny tena blem zao ny fitadiavana an\'le fotoana optimale @ zay. Sao tara loatra manko k efa jokotra mbola tsy nibebaka ihany...
... Indrisy ihany koa fa tsy isika no tompon\'ny aina... Raha isika no tompony dia mety efa ni-\'plan\' elabe ny olona rehetra dia hibebaka amin\'ny fotoana farany...
simplex:
d ahoana indray le hoe mora kokoa ny hidiran\'ny vody rameva @ vodi-fanjaitra toy izay ny hidiran\'ny mpanakarena any @ fanjakan\'A/tra? io ve tsy midika hoe \"profil bas\" foana mba hahamora ny fifandraisana sy tsy ho mora voasariky ny \"asan\'ny satana\"???
...:-D Tsia... io midika fa sarotra amin\'ny olona ny mibebaka sy miala amin\'ny zavatra mety mamatotra rehetra eto amin\'izao tontolo izao rehefa antsoin\'i Kristy hanaraka Azy... tsy ny harena ihany no nampianarin\'i Jesosy Kristy fa izay rehetra heverina ho lafo vidy noho ny fitiavan\'i Kristy... Anisan\'ny nananarany t@ izany ohatra ny tokony tsy ihoaran\'ny fitiavana izao hita sy hary izao mihoatra noho i Kristy araka ny voasoratra hoe :

\"Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny*, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[*Ampio hoe: (na vady.)]\" Matio 19:29

Kanefa dia mbola tsy nisy nahatanteraka izany araka ny voasoratra hoe :

\"Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,\" Marka 10:29

... Sarotra noho izany ny fanarahana dia an\'i Kristy, izay no mahatoy ny vodi-fanjaitra ny fanjakàn\'Andriamanitra... Tsy mora io ka azo \"planifier\"\'ana araka izay mahamety ny olona tsirairay...
simplex:
Averiko indray fa ny tena tanjona tratrarintsika eto d ny mba hahazoana an\'le fika hoe fitondratena, fomba fiaina optimale. Dans le sens hoe, minimiser an\'le difference eo @ ilay fahafinaretana sy fankamamiana ny fiainana eto an-tany (izay @ lafiny 1, atolotr\'i satana) sy ilay hoe fiainana any ankoatra (izay atolotr\'i A/tra)...
... :-D Andraso kosa aloha e... ny tanjon\'i simpl. ve? fa tsy izay kosa aloha raha ny ahy no tanjoko...
22. ikaretsaka ( 16/03/2007 12:58)
prime>
1.samy manana ny tanjony aloha dia samy mifanaja amin'io ...

2. na hazavaina aza.. tsy terena izy fa ianao/isika no mahita ilay hoe hijaly mandrakizay ilay olona
.. fa kosa atao ahoana rehefa izay no mety aminy , mety tsy mijaly koa ange izy e. tsy misy mahalala izay hanjo azy , ary raha lasa any izy dia tsy hisy hiteny antsika koa hoe mijaly izy na tsy mijaly any amin'izay misy azy any ...
23. Salut ( 16/03/2007 14:16)
Manomboka ety an-tany ny Paradisa hoy ilay hira iray izay, raha mifankatia isika. Ny fiainana ny FITIAVANA (agape) dia fampanjakana an'Andriamanitra eo anivon'ny olona rehetra. Io no paradisa.
Ny mifanohitra amin'izay ny afobe. Tsy miandry hoe ao aorinan'ny fahafatesana izy, fa efa manomboka ety an-tany koa. Jereo fa raha miaina ny vali-faty ny olona de ady lava tsy misy farany. Efa afobe zany. Ny tontolo hanjakan'ny tsy fijerena ny hafa, ny fitiavam-bola, ny fitadiavana hafinaretana fotsiny, ny fitiavan-tena, sns... dia efa afobe, tsy hahitana fiadanana sy hasambarana.

Fanamarihana: tsy an'i Satana izao tontolo izao fa antsika olombelona. Manamarina izany izay voalaza ao amin'ny bokin'ny jenezy.
Ny filazan'i Satana fa afaka manome an'izao tontolo izao izy dia lainga. Raim-be ny mpandainga mantsy i Satana ka aza manaiky ho fitahiny.
24. cutie ( 16/03/2007 15:08)
LazaDaddy [ Valio ] 16-03-2007 03:24:52
Lohateny : Re : satana
Hoy i cutie:
mba mahgaga zany
iza no nilaza taminao fa ty zao tontolo zao ty no fanjakan'ny satana
Tsy voatery hino an'izany ianao rehefa tsy mino, fa izaho dia mino ny fahamarinan'ny Teny REHETRA voarakitra ao @ Baiboly. Ary tsy mino fotsiny ihany fa mahita ny fahamarinany miseho tsikelikely

za tsy mino ka hanin:lol:
25. soanja ( 16/03/2007 16:07)
Simp> Amiko aloha miala tsiny fa tsy voatery ny mifanohitra amin'ny didy 10 no satana e.
Misy tsy ampy ireo ary misy analana.

Ilay hoe famonoana biby kosa dia tena marina ny anao fa tsy voazavako tsara angamba fa raha kosa ve loza ho an'ny zanakolombelona ny biby iray dia nahoana no tsy hovonoina? Raha ohatra ve ka feno kongona ny tranonao ary mitsetsitra ny zanakao, tsy ny hanafongana azy no fahendrena. Saingy kosa tsy midika izany hoe isaky ny ahita voay ianao de hitifitra nefa tsy maninomaninana izy. Na io zanakolombelona io rehefa manao ny tsy mety ka maningotra ny ain-dehibe ny rehetra manodidina azy ary manapotika sy mitetika ny hanapotika ity tontolo ity dia tsara aminy ny tsy isan'ny miaina intsony satria tsy natao ho an'ny mpandrava sy mpanafoana ity tontolo ity fa ho hiainan'ny rehetra izay tonga hanasoa sy hanatsara. Misy tanjona daholo mantsy ny ahotongavantsika e. Ilay Andriamniatra nanamboatra antsika no manana izany valiny izany.
Ny atao hoe lalana na sori-piainana arahina anie tsy natao balck and white amiko e. Mila flexible ny saina ampifanarahana amin'ny zavamisy asehon'Andriamniatra eo hiatrehanao sy hakana lesona ary hamafazana indray. Ialao lavitra ny Dogmata.
Zay no tsy hanekeko ny baiboly tanteraka.
Mila ampiasina ny saina nomen'Andriamanitra handaminana sy hampitonia ao anaty tontolo feno harmonian'ny fitiavany.
26. lapino ( 16/03/2007 16:40)
simp:
Averiko indray fa ny tena tanjona tratrarintsika eto d ny mba hahazoana an'le fika hoe fitondratena, fomba fiaina optimale. Dans le sens hoe, minimiser an'le difference eo @ ilay fahafinaretana sy fankamamiana ny fiainana eto an-tany (izay @ lafiny 1, atolotr'i satana) sy ilay hoe fiainana any ankoatra (izay atolotr'i A/tra) ...
Tonga dia ity tanjona ity no raisiko voalohany. Tsy "fitondrantena optimale" no ilazako azy, fa "fitondrantena tsara indrindra", satria tsy hoe marimaritra iraisana amin'ny fombana an'i Satana sady fombana an'Andriamanitra no tadiavina.

- Ny fitondrantena tsara indrindra dia ny manaraka izay itarihan'ny Fanahy Masina.
- Ny fitondrantena tsara fa tsy indrindra, dia ny manaraka ny lalàna sy ny soratra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Tsara noho izany raha mitoetra ao anatintsika ny Tenin'Andriamanitra.
Tsy mora io, fa araka ny voalaza koa hoe : ety ny lalana mankany amin'ny fiainana ka vitsy no mahita azy.

Ny fitondrantena mamitaka indray dia izao ohatra :
- Ny mamono ny Fanahy, ka fahendren'olombelona no itondrana ny tena. Sady mamita-tena amin'izay no mamitaka ny hafa manko.

Ny fitondrantena ratsy indray ...

Diso ilay hoe "izay atolotr'i Satana" momba ny eto an-tany. Raha hisakafo ve ohatra dia hivavaka hoe misaotra an'Andriamanitra noho ireo sakafo mafilotra natolotr'i Satana ? :roll:

Tsy i Satana no manolotra fahafinaretana sy fankamamiana ny fiainana eto an-tany. Efa zavatra misy eto ambonin'ny tany izany, voaarin'Andriamanitra, tahaka ny fisian'ny fijaliana sy ny ngidy ihany no fisian'ny fahafinaretana sy ny mamy. Efa voarafitra any anatin'ny systeme nerveux an'ny olona any ny fahatsiarovana finaritra sy marary, sambatra na malahelo, ...

Ny olona dia afaka mifaly amin'ny tsara, afaka mifaly amin'ny ratsy koa. Afaka mankamamy ny fiainana amin'ny fomba maro, afaka mankafy fitahiana, ... Andriamanitra aza nampanao andro firavoravoana ho Azy.

Averiko fa tsy misy marimaritra iraisana izany, tsy misy optimisation mitombina. Fa izay iray alehany, na an'ny fanjakan'Andriamanitra na an'ny fanjakan'i Satana.

Notsimponina tao amin'ny apokalypsy.3: :wink:

15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao.

16 Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao;

17 fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
http://baiboly.org/toko.asp?boky=Apokalypsy&Toko=3
27. lapino ( 16/03/2007 16:50)
tsika nge zao le bandy "smart" e, mitady fika hoe aona ny paika. Toa tonga d kivy, resy tsy miady akory ra izao no fandehany.
Ka ahoana no fika ary e? Ilay lalana ety sa ilay malalaka no horaisina ? Raha ilay ety dia miady isika, mety hirisika ny aina. Fa raha ilay malalaka dia tsy mila miady fa tonga dia resy. :wink:
simp:
Jerijereo any fa misy tenin'A/tra milaza fa na lavo in-100 aza toi mbola tian'A/tra foana.
Aiza no misy an'io fa mbola tsy hitako ? Za ndray no mangataka mba hitsimponana andininy :wink:
Fa serieux, aiza no misy an'io ?
simp:
d ahoana indray le hoe mora kokoa ny hidiran'ny vody rameva @ vodi-fanjaitra toy izay ny hidiran'ny mpanakarena any @ fanjakan'A/tra? io ve tsy midika hoe "profil bas" foana mba hahamora ny fifandraisana sy tsy ho mora voasariky ny "asan'ny satana"???
Ohatra ny misy "vody" iray mihoatra izy izany; toa "rameva" fa tsy "vody rameva" :)
Ahoana tsara ilay "profil bas" ? Tsy azoko tsara koa io fehezanteny farany io.
28. niryna ( 16/03/2007 23:16)
lapino:



- Ny fitondrantena tsara indrindra dia ny manaraka izay itarihan'ny Fanahy Masina.
- Ny fitondrantena tsara fa tsy indrindra, dia ny manaraka ny lalàna sy ny soratra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Tsara noho izany raha mitoetra ao anatintsika ny Tenin'Andriamanitra.
Tsy mora io, fa araka ny voalaza koa hoe : ety ny lalana mankany amin'ny fiainana ka vitsy no mahita azy.

Izany indrindra.
[quote}
Ny fitondrantena mamitaka indray dia izao ohatra :
- Ny mamono ny Fanahy, ka fahendren'olombelona no itondrana ny tena. Sady mamita-tena amin'izay no mamitaka ny hafa manko.


Ny fitondrantena ratsy indray ...

Diso ilay hoe "izay atolotr'i Satana" momba ny eto an-tany. Raha hisakafo ve ohatra dia hivavaka hoe misaotra an'Andriamanitra noho ireo sakafo mafilotra natolotr'i Satana ? :roll:

Tsy i Satana no manolotra fahafinaretana sy fankamamiana ny fiainana eto an-tany.

Marina izany ary satana foana no mahazo loza kanefa ny tena no mahafantatra ny tsara sy ny ratsy .

Ity misy blague kely :Nisy olona nandeha tongotra hono teny amin'ny zaridaina ary dia nahita olona nitomany izy ary nojereny toa olona hafa(satana) hoy ity rangahy.Nanantona azy izy no nametraka fanontaniana izay mahatonga ity rangahy mitomany.Hoy izy hoe isaky ny misy zavatra ratsy ataon'ny olona dia izaho foana no mahazo blem:twisted:

Ny olona dia afaka mifaly amin'ny tsara, afaka mifaly amin'ny ratsy koa. Afaka mankamamy ny fiainana amin'ny fomba maro, afaka mankafy fitahiana, ... Andriamanitra aza nampanao andro firavoravoana ho Azy.

8)
Averiko fa tsy misy marimaritra iraisana izany, tsy misy optimisation mitombina. Fa izay iray alehany, na an'ny fanjakan'Andriamanitra na an'ny fanjakan'i Satana.

Izaho koa manaiky izany.

Notsimponina tao amin'ny apokalypsy.3: :wink:

15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao.

16 Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao;

17 fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
http://baiboly.org/toko.asp?boky=Apokalypsy&Toko=3

Mazafa tsara mihitsy ilay fanazana fa misaotra anao.
29. prime ( 19/03/2007 09:48)
ikaretsaka:
prime>
1.samy manana ny tanjony aloha dia samy mifanaja amin'io ...
... Ekena izany fa izaho hoy aho tsy mitovy hevitra... samy manana ny azy...:)
ikaretsaka:
. na hazavaina aza.. tsy terena izy fa ianao/isika no mahita ilay hoe hijaly mandrakizay ilay olona
.. fa kosa atao ahoana rehefa izay no mety aminy , mety tsy mijaly koa ange izy e. tsy misy mahalala izay hanjo azy , ary raha lasa any izy dia tsy hisy hiteny antsika koa hoe mijaly izy na tsy mijaly any amin'izay misy azy any ...
... Efa nisy fanoharana io r'ise a, mikasika an'i Lazarosy sy ilay mpanan-karena... ka tsy hoe tsy misy mahalala fa efa ampahafantarin'i Kristy avokoa, tsy misy ankinafinafina mihitsy ao amin'Andriamanitra ka ilazàna hoe "mistery io ry zanako"... na inoana na tsy inoana dia izay ihany fa tsy hoe iza no mahalala?...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3003