mijaly

1. majakely ( 15/03/2007 09:16)
ilain'ny zanak'olombelona ve ny fijaliana ,(le mijalijaly ara-batana ara-panahy) amin'ny fiainana?valio za de lazaiko hoe inona no antony fanotaniko refa am manaraka :)am amnaraka ts yhaiko fa am manaraka fotsiny:)
répondu par arialy le 27/04/2007 12:25
2. kelly13 ( 15/03/2007 09:39)
amiko an

tsy hoe ilaina fa làlànan'ny fiainana le izy! zany oe misy fijaliana foana tant que mbola eto antany

asa ze fihevitry ny hafa
3. ikalakintina ( 15/03/2007 10:27)
fiainana io angammba ilaina ihany: mety mba hanitsy am atao raha tsy mety mba ahafahana hanintsy ny dia:
4. kally ( 15/03/2007 11:28)
Aiza no hahitàna hoe mamy be ny fiainana raha tsy misy mangidy kely mandalo tsindraindray?
Ny fijaliana koa anie fampianarana sy fanefena ny olona hamiratra kokoa.
5. sitlo ( 15/03/2007 11:58)
ao anatin'ny mangidy no ahitana ny mamy
6. boozkel ( 15/03/2007 15:36)
de rah tsy hitelina mangidy zany tsy hahita mamy?
de tsy hijaly eto fôna ve rah tsy voatelina le mangidy?:-o:-o
7. sitlo ( 15/03/2007 15:59)
Dia lazaivo koa ary i bozikely hoe mihinana manga aman-kodiny. Tsy maintsy miasa kely ahafantarana hoe tsara ity na ratsy.
8. pissoa ( 15/03/2007 16:06)
mety tsy ilaina ka ! tena tsy maintsy ilaina ve dia hikatsaka paradisa reo kristianina be be da be reo :-D:-D:-D
9. sitlo ( 15/03/2007 16:22)
Ny tiako tenenina tsy hoe mitady fahoriana, fa saingy misy fotoana ilana manao serieux. Dia na inona na inona fahoriana eo dia tsy maintsy atao.

Ohatra hoe fianarana. Ny olona manala azy mandende, ianao tsy maintsy mankany ampianarana. Dia avy tsy maintsy manao devoira, mamaky boky sns.
10. nikopol ( 15/03/2007 16:41)
misy dozy ilaina, tsy de betsaka loatra fa dozy homeopatika
11. sakaizakely ( 15/03/2007 16:41)
kally:

Aiza no hahitàna hoe mamy be ny fiainana raha tsy misy mangidy kely mandalo tsindraindray?
Ny fijaliana koa anie fampianarana sy fanefena ny olona hamiratra kokoa.


Io filazan'i kally azy io tena marina.
Tsy maintsy misy ny ngindimpiainana nefa io no manome hery anao hianatra ny hivoatra isan'andro. Raha fiadanana foana ny fiainana dia tsy misy tsirony intsony indray. Jereo ireo artista malaza, azony daholo izay iriny rehetra, dia matetika farany manaonao foana, mandrongony dia manao desintoxication, tsy mahay maharitra olontokana fa matetika misaratsaraka foana (divorsa)...
12. sitlo ( 16/03/2007 02:43)
Tantely amam-bahoana ny fiainana eh.
13. soanja ( 16/03/2007 03:00)
Misy an'izay fiteny izay hoe : "Rehefa hitanao fa mety sy mahitsy ary mankany aminao daholo ny milamina sy tsara ary ny tianao rehetra dia tadidio fa amin'ilay lalana diso izay no misy anao."
14. ikaretsaka ( 16/03/2007 03:21)
Misy Mompera malaza Jesuite izay niteny hoe
"tsy voatery izay tianao no omen'Andriamanitra.. fa izay hitany fa Ilainao"
15. ANARIM ( 20/03/2007 11:01)
tena misy ny tsy "afa-po" eo amin'ny fiainana raha tsy mijaly, tsy dia hoe handeha hitady fahoriana tsotra izao fa ao @ lalina anaty ao dia mande hoazy ho an'ny olona sasany ny manakaiky ny fijaliana na dia misy fotoana aza malalaka tsara izao ny safidy dia inconsciement misafidy le lalana mampijaly kokoa.
(euhhh zà anisany, asa mety azo lazaina oe masochiste ngamba... surtout eo @ lafiny ara-pitiavana... tsy voatery oe femme soumise an, fa ohatra oe haiko zao fa hampijaly ahy nefa mbola irobohako ihany...)
16. nikopol ( 22/03/2007 09:30)
misy ny tapany ambony mijaly, dia ny tapany ambany tsy mijaly.
dia misy koa mifanohitra amin'izay
17. bozylove ( 23/03/2007 13:37)
fa inona aloha ny atao hoe "fijaliana":?::roll:, fijaliana ho any sasany mety fifalina ho any hafa. ohatra : misy olona fijaliana izany tsy miankajo manao ny lamode manao marque izany , nefa misy ny sasany tsy mivaky loha @ nizany fa efa misy manome ankajo na lamode na tsy lamode dia faly fa hoe tsy mividy ankajo.

Ny zanak'olombelona tsy mety satsifait, fa mitady zavatra tsy hanana foana dia mahatsiaro mijaly. 8O 8)




18. nomenaj ( 30/03/2007 08:20)
tongava aty amiko,zaho mahita vahaolana,mba tsy hijalianao intsony.
19. arialy ( 27/04/2007 12:25)
:o:roll:
samy manana ny hazo fijaliany , fa ra fijaliana tadiavina zany kosa efa hadalana ee , raha azo nozaraina ny jaly efa nataon'ny rehetra , sa nareo contre an zany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3291