Endrey izany hafaliana fa velona aina izahay

1. aparia ( 10/03/2007 08:00)
Mba azonareo omena ve azafady ny toniny. (hira fivavahana)

Misaotra indrindra.

Richard
répondu par Stretch le 10/03/2007 08:37
2. Stretch ( 10/03/2007 08:30)
fa angà Richard tsy manana fihirana ?

sa adino any am piangonana ?
3. Stretch ( 10/03/2007 08:37)
Endrey izany hafaliana,
Fa velon'aina izahay;
tanateraka ny faniriana,
ka dera ho anao ry Ray!
Atolotray tokoa ny tena,
Mba ho fanati-tsitrakao,
Satria manaiky sy ekena
ho tonga olom-baovao

ny Tanindrazanay malala
ry Jesoa Tompo ,anjakao
Hiorina eto tsy hiala
Ny fiadanana entinao
Ny haizn'ota anie hisava
ny fahantrana koa handao
Fa hotarafin'ny mazava
Hanjary tany vaovao

Ny fiangonanao angony
Fanahy ô ho tena iray
Ka tsy hizaraza intsony
fa ianao no mampiray
Dia ho fanasina fanilo
Ho an'izao tontolo izao
Hijoro tsy handrarakîlo
Hitafy totra vaovao.

Nosoratan'i JEAN NARIVONY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0748