lanin'ny courant

1. sitlo ( 21/02/2007 20:20)
sao dia misy mahay ny manala courant amin'ny vatana rehefa vao maraina iny?

Tsy izany mantsy fa isaky ny manokatra varavarana aho dia voa foana. Indraindray hatreny amin'ny kiho mihitsy.
Dia raha vao mandray tanana olona koa. Indrindra fa sipa.

Dia misaotra mialoha
répondu par niryna le 07/03/2007 06:46
2. Fiffi ( 21/02/2007 21:03)
ny akanjo hanaovanao no mahatong an'io....(matière
3. kelly13 ( 21/02/2007 21:10)
electicité statique no filaza azy ra tsy diso aho! tsy haiko inn no fanalana an'izy reny! za kou matetika voa fa masosotra klou ilay sensation e
4. sitlo ( 21/02/2007 22:02)
ye
fantatro ny momba azy fa ny fanalana azy no tsy haiko. Ny nolazain'ny olona hoe kasikasihana kely aloha ny varavarana vao sokafana. Kanefany vao ratsatanana iray fotsiny aza no mikasika dia efa mikepoka. :twisted:
inona re eh?
Ny akanjo aloha tsy maintsy anaovana fa frizy be eh. Sao dia hisy hiteny eo hoe "dia tsy mananao akanjo koa inona no olana".
5. vale ( 21/02/2007 23:40)
:-D:-D:-D

sitlo: jereo eny @ pivarotra sinoa fa misy fitaovana manala an'ireny izay, zah efa nanandrana fa tena re miala be dolo le izy vao safosafoin'le vy. zah koa manko misy anireny courent ireny:-D..fa dommazy tsy mety mahita le izy tsony zah(le fitovana io),..tsy fantatro koa ny anarany, fa ohatrohatry ny vy na maskita reny le izy(fa misy mibiloka miditra eny )ambany no nakambana ny vodiny de afaka misokatra avy eo de atsofoka @ loha de somary ketohana indray no sady sitonina miakatra , tena re misy zvt miala be mintsy.:P
6. xxx ( 22/02/2007 01:08)
raha statika izany de mandraisa "masse" aminy courant e, izay no fantaoko mantsy.
7. sitlo ( 22/02/2007 01:48)
vale> tsy mazava mihitsy, fa nahazoako hevitra ihany na dia izany aza.

xxx> ka ilay izy midecharge makany amin'ny tany mihitsy no maharary.

Ny hevitra hitako (avy amin'ny resaky vale) hoe manandrana mandray condensateur matanjatanjaka dia amin'izay midecharge miadakadana. Dia avy eo ny condesateur no dechargena amin'ny tany.
teneniko eto raha mety ny valiny

Misaotra anareo
8. watafon ( 22/02/2007 10:22)
toa misy mivarotra colliers manala n'ireny aty dago aty rah tsy diso za !
9. Fiffi ( 22/02/2007 16:49)
Comment éviter les décharges d'électricité statique?

Au moment de sortir du véhicule, laisser une main en contact avec une pièce métallique de la portière jusqu'à ce que les deux pieds reposent sur le sol. Le courant indésirable pourra ainsi passer complètement dans la carrosserie. Par ailleurs, les revêtements de sièges en matériaux naturels (lin, laine) préviennent la constitution d'une charge d'électricité statique lors du frottement avec les vêtements
10. sitlo ( 23/02/2007 01:08)
okay

misaotra
11. simplex ( 23/02/2007 05:05)
za kou matetika tratry ny courant @ sipa fa midecharge oazy le izy refa mahita sipa hafa za. Ngamba nena courant continu mifamadibadika le + sy le - za nefa mba te ho statika otran'i stilo. Ahoana ny fika :-w
12. watafon ( 23/02/2007 13:03)
Fiffi :=D=D=D=D=D:*
13. niryna ( 24/02/2007 06:03)
Ny filazan'ny olona azy dia hoe misy anti-corp matanjaka ireny olona ireny.Indraindray na manantona TV izao aza ianao dia mikasokasoka ilay TV.Tsy dia mora marary ny olona toy ireny.Na marary daholo aza ny olona dia tsy dia mifindra amin'ireny olona ireny firy ny aretina.Ary tena manana hery courant matanjaka be mihitsy,tsy haiko ny anarany fa ny vadiko no manao fanandramana ny courant eraky ny trano,saiky misy courant daholo fa tsy voa-maritsika na ny frigo raisin'ny tanana lena io aza.Ka eo amin'ny 500 watts eo ny olona normale kanefa ireny olona ireny dia misy mahatratra 1000watts.Raha misy tapis ny tranonao na ny toerana andehananao dia iny tapis sy ny bas kiraro na ny tongotrao iny no mi-charge ary izay no mahatonga ilay mirehitra kely toa afo.Misy anio aho ary tsy dia be aretina indrindra fa tsindromina toranina izany moa dia in-droa atao, ampiresahina elabe vao safotra.Hoy ny dokotera hoe matanjaka be hono ny fiarovan'ny vatako.Vokatrio ihany koa dia misy vakisy izay tokony atao ary nony nanao an'io dia narary mafy ka notenenin'ny dok fa tsy mahazo manao io intsony mandrakizay fa efa manana fiarovana naturaly hono Tiako anefa ny milalao mandehandeha eraky ny tapis dia manantona ny ao an-trano amin'ny tondro-tanana fa tena may ny olona sy mitselatselatra be mihitsy:P.Ny fomba kely mety manampy dia tsy mahazo mirotoroto fa mandeha mora satria tonga dia micharge-ny pile8O dia iny may iny ny tena.Zavatra roa no mety mahazo an'ireny olona ireny.1-Raha samy mandray prise-na courant eo izao ny olona roa dia ianao tsy may fa ilay tsy manana an'io mety ho may vetivety amin'ny tanana maina io noho ianao manana fiarovana avo dia avo2-Kanefa kosa raha sendra samy mando ny tananareo indrindra ka tsy mikiraro,ny ba tsy manampy firy,dia ianao no mety ho dangy haingana noho ilay iray satria iray minitra dia tonga ao aminao ny courant noho ilay heri-be ao aminao.Fehiny,fadio dia fadio ny mandray courant na prise amin'ny tanana lena.Ary aza tonga dia mirimorimo rehefa mandeha na mifoha fa mila milamina tsara ka mandehana mialoha na mifohaza mialoha fa ilay saina maika hirotoroto koa dia efa misy fiantraikany.
14. niryna ( 25/02/2007 08:00)
Fanitsiana kely,resistance no tiako ho tenenina fa tsy watt.Miala tsiny indrindra Niryna.
15. sitlo ( 25/02/2007 17:05)
oawwwwwww
oawwwwwww
16. Stretch ( 27/02/2007 23:15)
efa afaka v ny herin'aratra ?
ny a io hianako fa refa mihinjitra tsy miverina tsony a v ? ? ?
17. sitlo ( 27/02/2007 23:20)
mbola tsy afaka, fa mieritreritra aho hoe ho afaka miandalana eny ihany.
18. Stretch ( 27/02/2007 23:26)
fa tena serieux fa mahatsiravina tokoa an !
fa miverina foana angé e !
ataovy an zao hoy ny ol. .
afaka sary ndray mipika fotsiny.

le mifanoroka no tena sampona, le avy eo am takolaka ray mivadika eo am takolaka ray mandalo eo am orona
tondé mitselatra ôtran'ny jirama.
19. sitlo ( 27/02/2007 23:33)
:-D

Tsy misy an'izany fa eo dia mampiesona eo. Manana havana ao amin'ny jirama ndray ny sasany. :wink:
20. linarako2 ( 02/03/2007 22:34)
sitlo:

:-D

Tsy misy an'izany fa eo dia mampiesona eo. Manana havana ao amin'ny jirama ndray ny sasany. :wink:

Tsy misy inona? Ilay andro mangatsiaka no tena mipoitra io mitselatra io ary rehefa mandeha ka mitazona zavatra misy vy dia hitanao io.Angaha kosa voatery hanana havana ao amin'ny jirama vao mahalala zavatra :roll:
Ankasokasohy ny pantalohanao ry sitlo ny ballon 30s' dia ataovy amin'ny rindrina na aorian'ny olona.Mandeha jereo ny vokany.Fa toa tsy voatery hanana havana ao amin'ny jirama koa aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2979