misy mony anaty tsy mety sitrana mitsy ny tarehiko

1. xxx ( 16/02/2007 08:09)
Tena efa ho 5 taona izay eo amin'ny fifiko eo dia misy mony izay ao anatiny ao ary somary mangidihidy izay le izy tena mba miezaka fona zaho manisy zvt eo amin'ny le trace misy azy fa afaka ny ety ivelany fa le ao anatiny tsy mety sitrana mitsy ary misy lodoka ireny mitsy le izy ary le faritra misy azy dia lasa mangana (mainty) izay , tsitako mitsy izay hataoko azy satria dia efa mba niala nenina ihany zaho fa dia eeeehhhh! le izy matsy dia eo amin'ny devant ny tarehiko eo no misy azy , ary le izy rehefa tsapaina dia heno mivonto izao le ao anatiny , tena tsy mety maty le izy fa maniry fona , ary ny loza dia ity otrany hitako miha-mitatra le faritra mainty misy azy ,izany hoe mitady toerana hivoahana ety ivelany mitsy izany le izy (zaho moa dia mbola tanora 23 ans, amizao fotoana izao)
MBA MANGATAKA TOROHEVITRA AMINAREO RE ZAHO AN!
répondu par niryna le 20/02/2007 07:01
2. xxx ( 16/02/2007 08:30)
ndana makany amin'ny dokotera ry anona fa so de lasa gidro ao a ! :-* :-*
3. booboo ( 16/02/2007 14:54)
ndana manatona dokotera fa sao vao maika miha-pire ny raha revô manosotrosotra an'izao raha aby aby zao !
4. xxx ( 17/02/2007 09:26)
Izaho koa misy ohatra izany hatramin'ny mbola kely vao tsy hary saina akory. Dia tandremo fa mifindra ilay izy. Makeny amin'ny toera-kafa koa.
Efa tany amin'ny dokotera aho fa tsy notsaboiny ilay izy fa hoe menaka avokan'ny tava hono. Dia mivangongo ao amin'io toerana io.
Fa ny ahy aloha tsy mangana eh.
5. xxx ( 17/02/2007 09:28)
Saika adinoko, nihinana gisa natavy be izay no nahatonga anay tao an-trano voa. Dia ny ray aman-dreny ihany no nahatanty dia tsy voa fa ny ankizy rehetra voa daholo. Izaho no zandriny ndrindra tamin'izay. 3 taona teo.
6. Fiffi ( 17/02/2007 09:38)
heu.....nefa de misy zavatra azo hatao tsara mihintsy manala an'io an ! ny ahy aloha de zao no hataoko......
Maka ravina ortie 100g , (tandremo rehefa maka an'ireo , manaova gant fa ça pique sady lasa bouton le izy avy eo)
Atao anaty bocal ireo ravina ireo ary hasiana alcool 90° de avela hilona pendant 12 andro.....
Paséna io avy eo de hariana ireo ravina fa ny produit azo avy eo no tazomina......
Isakin'ny misy bouton mivoaka de maka conton tige de lemana @ io produit io de atao eo @ le bouton , 3/j fa tena afaka tanteraka an ! sady tsy miverina intsony !
7. niryna ( 18/02/2007 07:06)
Angaha mihinana sakay na poivre na zavatra masiaka ianao?Jereo fa sao marary vavony na aty,fa misy milaza fa rehefa ela fery dia mety voan'ireo. Zavatra masiaka rehetra dia tsy tokony hohaninao.Tongolo, poivron..Ny endihendy fadio,ny mihinana zavatra be menaka.Andramo asiana alcohol amin'ny vovo hoe fa io no nataoko rehefa nisy mony tao anaty oroko.Aza mpendesina kitiana intsony fa sarotra ve vao afaka ilay trace.Asio menaka cocoa na cocoa butter na Vitamine E ilay misy trace maity.Goute kely fa tsy betsaka fa io no hitako ataon'ny olona ato an-trano.
8. niryna ( 18/02/2007 07:17)
Fanitsiana kely.Azafady xxx a,raha ao anaty orona ilay mony no hosorana alcohol fa tsy aty ivelany.Ho an'ny tanora koa dia misy fotoan'ny mivoaka io mony io.Mila manasa tarehy isan'andro ianao.Ary hamainina amin'ny serviette tsara,mila soloina io fa mifindra ilay mony.Rehefa tena masaka be izy vao azonao vakiana ary mande-ra mihitsy.Ankoatran'izay dia tsy mahazo vakiana fa lasa miletika any anatiny dia izay no mahatonga azy misy loadoaka.Savony tsotra tsy misy fofona no anasany azy maraina sy hariva amin'ny rano matimaty ary farano amin'ny rano mangatsiaka be.Mampikombona ny maso-koditra io
9. Fiffi ( 18/02/2007 11:52)
heu....tsy ny fihinana sakay na poivre na zavatra masiaka no mahatonga ny mony kah ! http://www.cfpc.ca/French/cfpc/programs/patient%20education/acne/default.asp?s=1
10. niryna ( 20/02/2007 06:43)
Aretina mety mahazo ny lehibe sy ny tanora io.Vokatry ny hormone na "Sex hormone"na age de puberte,sy ny tarehy be menaka mivoaka, ny tebiteby sy ny hadi-tsaina dia anisany mahatonga ny mony.Ny fiandohany dia misy volo kely mitsimoka eo amin'ny tarehy ary rehefa dinihina toa jerevana hoe loto kanefa tsy loto mihitsy.vokatry ny ny rivotra fa tsy ny loto.(blackhead is darkened by air not by dirt)Anisany mety mamoaka ny mony koa ny fihinana ny zavatra masiaka satria mety tsy mazaka ilay olona.Tsy voatery sakay izany fa na sakafo endasina na sakamalaho aza dia misy tsy mahazaka. Matetika ny dokotera mananatra ny tsy hinana sakay na zavatra masika na manontany raha manana olana eo amin'ny fiainana.Tsy ampy toro-maso koa dia anisany iray.Mifanohitra izany anefa ny karazana olona sasany toy ny karana ohatra dia masiaka ny sakafony matetika kanefa ry zareo tsy voa.Tsy voatery sakafo masika ihany no tokony ho tandremana fa ny fihinana voanjavatra (nuts),chocolat,ary ny fromage sasany.Ianao ihany no mahatsapa rehefa mihinana ireo zavatra ireo ianao.Mila manantona ny dermatologist rehefa tena feno ny tarehy satria mety omeny antibiotique ianao.
11. niryna ( 20/02/2007 07:01)
Ity koa misy toro-hevitra iray.
http://beautymarkcorp.com/acne_glossary.htm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5038