Ahoana no misalasala ianao ry kely finoana?

1. niryna ( 11/02/2007 08:22)
Vokatry ny tsy finoana dia misy fanontaniana mipetra miverimberina omen'ny olona ity.Mba azonareo ho hazavaina ve ?
1- Ahoana no hamalian'Atra ireo izay tsy manaraka azy?
2-Ahoana no nahatongavan'ny fahotana teto amin'izao tontolo izao?
3-Raha nanao an'i Satana ho tsara A/tra ,maninona izy no lasa nivadika fanahy ratsy?
4-Ahoana no Atra tsara no nanao zavatra ratsy?
Ireo izany ny fanontaniana matetika apetraky ny olona tsy manana finoa an'Atra.
Misy maro toy ny hoe maninona aho no nivavaka kanefa tsy novaliany,sns ,maninona no misy ny tondra-drano,ny mosarena,ny ady tsy mety tapitra.
répondu par fijo le 27/02/2007 23:21
2. simplex ( 11/02/2007 09:41)
1- Ahoana no hamalian'Atra ireo izay tsy manaraka azy?

A/tra mi-deleguer ny fahefany any @ ministeran'ny fitsarana any an-danitra. Refa misy fahotana na 1 fotsiny aza, na manaraka azy io na tsia, d ny direction generale de l'enfer (DGE) no mandray antanana azy. A/tra koa anefa afaka manao grace, fantatra @ teny baiko hoe misericordieux, ka azony atao ny misitona izay tiany ho any aminy.

Ny valin'ny fanontaniana zany d hoe ny DGE no mandray ny tsy manaraka an'A/tra ra tsy hoe nga ka misy intervention d'en haut lieu ;-)

2-Ahoana no nahatongavan'ny fahotana teto amin'izao tontolo izao?

Eva :°)

3-Raha nanao an'i Satana ho tsara A/tra, maninona izy no lasa nivadika fanahy ratsy?

Efa planina iny k. Efa kobony hatrany amboalohany iny. Satana manaraka ny lalana nanaovana azy fotsiny.

4-Ahoana no Atra tsara no nanao zavatra ratsy?

bonne question. Mitovy @ le teo ihany ny valiny satria efa planina doly zany.
Ny mora azo kokoa nga de hoe satria izy tsy dictateur k omeny safidy ny tsirairay. Na izany aza efa kobony doly na ito soratako ito aza ;)

Misy maro toy ny hoe maninona aho no nivavaka kanefa tsy novaliany

Namaly izy fa tsy le valiny nendrasanao no nomeny. mivavaka== miresaka, mangataka aminy. Ny dikan'zany na izy manome na izy tsy manome, misy antony kou io fa tsy hoe ratsy fanah akory izy. D tte facon, A/tra arguments fa tsy negociations ;-) Efa kobony mialoha kou na ny fangatahana hatao aza.


maninona no misy ny tondra-drano,ny mosarena,ny ady tsy mety tapitra
Zany hoe ny olombelona ihany ny acteur principale @ reny k. Le safidy teo ihany io. Catastrophe naturelle, tsy tena hoe naturelle loatra an. Le taloha be iny ihany no tena fantatra fa nanondraka i lery :°)
Afaka mangataka foana ihany ny olom-belona k, fa miampy an'le safidy teo io. Sady mangataka v nefa tsy atsahatra ny ady d in kou ny dikan'zany ;-)8)8)

3. prime ( 12/02/2007 10:47)
Isaky ny fanontaniana iray mipetraka ireo dia lohahevitra lehibe avokoa... fa dia miandry ny namana mba handray anjara aloha...
4. xxx ( 12/02/2007 13:42)
Raha kely toy ny voatsiperifery moa ilay izy ny finoana ananao dia tsy tokony hisalasala ianao,saingy ilay finoako azy dia kely ka misalasala aho:lol:
5. prime ( 13/02/2007 07:01)
Ady mafy no miandry ny mpino isanandro isanandro, ary ny finoana no fitaovam-piadiana mahomby voalaza ao... koa dia mahereza aby... (Efesiana 6)

"ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy." Efesiana 6:16

Fa Kristy tokoa efa nampianatra fa tsy ny habetsahan'ny finoana no lehibe fa na toy ny voatsinapy aza dia efa ahavitàna asa mahagaga maro...
6. niryna ( 13/02/2007 07:03)
Izaho koa mbola miandry an'i prime dia manampy izay tsy voalaza aho
7. Fiffi ( 13/02/2007 07:33)
prime:

Fa Kristy tokoa efa nampianatra fa tsy ny habetsahan'ny finoana no lehibe fa na toy ny voatsinapy aza dia efa ahavitàna asa mahagaga maro...
de hamafisina @ ity:
Mpandefa : lamie [ Valio ] 12-02-2007 22:20:06
Lohateny : Re : FIFOHAZANA
betsaka ny olona milaza fa mpiandry,fifohazana sy ny sisa;betsaka ny milaza fa tena mpivavaka koa,tena tian'Andriamanitra ny olona manana finoana,io finoana io anefa tsy oe an'Andriamanitra ihany fa @ fiainanao manontolo,tsy misy olona sahy milaza fa tonga lafatra ny fiaianany,satria izy no 'olona parfait" raha izany,ny tsara laza sy firesaka koa tsy midika fa tena olon'Andriamanitra izy,misy ny olona sendra ny loza dia mahafaka tanteraka io loza io,oh olona mianjera, may etc..tsy midika ninoninona izany fa ny finoana no tao aminy dia nampian'Andriamanitra izy noho io finoany io,ny maha-mpivavaka tsy mandeha miangona isak'alahady tsy akory, ary ny fahasoavana tsy mideradera etsy sy eroa,anao irery io ary hanasoavanao ny mpiray monina aminao refa sendra ny loza,



8. prime ( 13/02/2007 07:59)
niryna> tsy mbola te-hamaly aho fa mbola mitondra fanazavàna vitsy2 fotsiny ny amin'ny hoe "kely finoana"...
9. lamie ( 13/02/2007 11:07)
tsy maintsy misalasala ny kely finoana araka ny filazanao satria mpanota dia matahotra ny valiny sy mbola tiany loatra ny manota,rehefa avy ny Tompo sy mandrotsaka ny Fanahy Masiny dia hitodika any aminy ireo mpanota ka handresy izy
10. niryna ( 14/02/2007 06:16)
lamie:

tsy maintsy misalasala ny kely finoana araka ny filazanao satria mpanota dia matahotra ny valiny sy mbola tiany loatra ny manota,rehefa avy ny Tompo sy mandrotsaka ny Fanahy Masiny dia hitodika any aminy ireo mpanota ka handresy izy

Misaotra anao.

11. lamie ( 14/02/2007 21:45)
aza fanontaniana no apetraka fa hevitra 1 no voasana eto fa manirikiry be lay izy, manontany niryna dia izy ihany no mamaly ny tenany,na tori-teny atao, fampianarana izany!
12. prime ( 15/02/2007 06:35)
Ny kely finoana dia efa mpino fa tsy hoe izay be finoana ihany akory no atao hoe mpino... ary maro ny fampianaran'i Kristy mikasika izany...

I Petera dia kely finoana nefa nandeha tamboninn'y rano...
Ny Apostoly 12 dia kely finoana nefa naharoaka demonia bdb ary nampibebaka fanahy maro...

niryna> Ireo fanontaniana notsongainao ireo dia tsy an'ny kely finoana fa an'ny tsy mpino mihitsy...
13. fijo ( 16/02/2007 06:11)
mino ve nareo fa tena nandeha teo ambony rano rajesosy sy ny akamany???????
14. xxx ( 16/02/2007 07:12)
fijo:

mino ve nareo fa tena nandeha teo ambony rano rajesosy sy ny akamany???????


Ny tsy fahalalanao azy tsy hampiova ny mpivavaka,ny fandotoanao rano manenjika ny mpihaino ny soratra masina tsy ampihova ny finoanay.Manandrama mamaky baiboly fa tsy mitovy ny fisainana.

15. prime ( 16/02/2007 12:14)
fijo> sarotra inoana an?
16. xxx ( 16/02/2007 12:37)
fa maninn i niryna no manontany an'i prime nefa i niryna efa milaza ho mpiandry????I niryna kely finoana sa be siasia fa gaga izahay te hahalala???
ny mpandry ry niryna efa mahalala satria efa niofana toy ny mpiandry rehetra an!
Tu dois avoir les réponses à tout! Hajanony ity question bête ity fa leo! Tsy misalasala izahay fa ianao no tokony tsy hi-imposer ny tokony hataonay! dia ampy toy ny serasera, tsiky dia ampy fa tsy mila théorie be dia inn ny hataonareo? dia ahoana no hataoko fa kely finoana aho?dia matahotra aho! niryna fa nisy an'izao sy izao!Lehibe daholo ireo olona ireo ka tsy ianao no tokony hilaza ny tokony hataony!Ils savent ce qu'ils ont à faire!Ianao efa mahalala ny havalinao fa aza hapetraka aminay ny fanontaniana fa efa fantatray!!!!
17. prime ( 16/02/2007 13:27)
xxx> mi:)ia dia ampy...:lol:
18. fijo ( 16/02/2007 21:52)
io izao dia efa misy ampiadian'ny finoany.
ary misy XXX manenjika be ahy ato.ny tsy mampitovy antsika dia izao.
za sahy maneho ny hevitro ankarihary fa tsy toa ano izay tsysahy miseho nefa miseho ho be hevitra.
19. xxx ( 17/02/2007 00:36)
fijo:

mino ve nareo fa tena nandeha teo ambony rano rajesosy sy ny akamany???????




:roll::roll:=))=))=))
20. prime ( 21/02/2007 13:18)
fijo> ity fanontaniana ity izao mety ho azoazonao mihitsy hoe sarotra inoana koa ve ny nanovàna ny rano ho divay tao Kanà?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.043