E! ry fahazazana, fahatsiarovana sisa tavela!

1. niryna ( 08/02/2007 17:24)
Inona no zavatra mbola tadidinareo ka nahafinaritra fony mbola kely? Nisy adalana kely kanefa tsy nandiso fanantenana sy ny maro hafa?
Izaho aloha dia tia milalao orana e ka rehefa avy ny orana dia alako ny kiraroko ary hotsa aho vao miditra ny trano.Avy eo marary :P:P:P
répondu par niryna le 12/02/2007 02:02
2. andry08 ( 08/02/2007 17:47)
Tsy nisy ary tsy te hanana rah ny tena marina! Efa lehibe ka io no ndeha hojerena fa sao manondrana hanontany @ tsy misy dikany!
3. fasaly ( 08/02/2007 18:15)
izahay tam mbola kely tsy mahazo mihinana siligaoma fa mahavoa ny kambo tenda hono, dia tsaroko fa nitsindroka siligaona aho de notsam tsaméko tsara hay nalazan'lay mpanampy tao antrano de nahazo ny tsipaka mankvis vao niditra ny trano:?



misy raika tsy hadino koa ity: rehefa avy mirava mianatra dia lasa manala tongotra mandende miaraka am namana, tonga tara refa ao antrano dia bedy, dia lazaina fa nisy rangahy nanaraka (tamzany nalaza ny mpangala-jaza) :P dia mody mandainga hoe nivilivily lalana fa narahinlay rangahy be ....:-D farany tsy nety tsony ny fika fa nanjary nandefasana mpaka tokoa refa avy mianatra fa sao hangalarnlay rangahy be.....:?
4. booboo ( 08/02/2007 18:16)
-nanao dokotera dokotera dia nihinankinam-poana dia narary kibo aby avy teo
-manao korisa tao @ tohatry ny tranon'ny bebenay : maka coussin tsara tarehiny fataony ao @ salon:°) dia asiana taho-kofafa ao ambaniny dia izay lasa @ zay.
-manao kitranotrano dia goaka aby ny rindrina avy teo noho ny fantsika hanenjanana ilay tafo-trano (lambahoany na drap :°))

...
5. tisera ( 08/02/2007 20:04)
:D ny tena mba tiako t@ mbola kely dia ilay miaraka milalao tsindraindray @ mpiray tanàna : manao vitsilihy , sabaka , sôtaôtera , kasikasy kapoaka , manao tso-bato sy tantara @ vato. Izao ve any dago mbola mba manao izany ny ankizy?
6. simplex ( 09/02/2007 09:57)
le manao dada sy neny tena tiako be sady mbola tiako hatao foana ;-)
7. barry ( 09/02/2007 11:30)
ilay miantso orana ,dia tsofina miakatra ambony ny lavenina ;dia atao hoe: avivia rahorana o! nefa ny tareha fotsiny no maloto fa lainga lay izy ;;:roll:
faha2 nisy sakay vokatra be eo antokotany dia mifampanontany hoe tony hono dia makarary maso ? ka andao andramana raha tena marina?fa saika tys nisokatra tsony ny masonay no sady voakapoka
8. booboo ( 09/02/2007 11:42)
:-D:-D
9. pitoussy ( 09/02/2007 23:24)
tany ambanivohitra d mody oe hanampy an' neniraivo misorona afo nefa ny but hangalam-pihinana , anana no laoka :miam::miam: ,efa iny handrapaka iny no niditra tampoka izy , d mody nalatsaka fa oe avy eo tsindrohana, kay teo ambony tainakoho le izy no nilatsaka , vo dify izy tonga noraofina d narapaka , beurk grrr , mazava ho azy fa labozy ny jiro d tsy ahitana firy fa d nifangaro tao ny samy maitsomaitso

PS, ho anareo ze mbola tsy nanandrana tainakoho , tadidiko tsara fa mangidigidy izay ny tsirony :-D:-D
10. sitlo ( 10/02/2007 01:16)
mifoka sosety :@
11. niryna ( 10/02/2007 02:41)
andry08:

Tsy nisy ary tsy te hanana rah ny tena marina! Efa lehibe ka io no ndeha hojerena fa sao manondrana hanontany @ tsy misy dikany!

Dia tsy menatra ny milaza lainga eo andry.Tsy nanana fahatsiarovana tamin'ny fahazazana ve ianao fa tonga dia lehibe amin'izao?
12. niryna ( 10/02/2007 02:51)
[quote=fasaly]

izahay tam mbola kely tsy mahazo mihinana siligaoma fa mahavoa ny kambo tenda hono, dia tsaroko fa nitsindroka siligaona aho de notsam tsaméko tsara hay nalazan'lay mpanampy tao antrano de nahazo ny tsipaka mankvis vao niditra ny trano:?

Ny ahy indray mividy siligaoma dia iny ihany no hohanina rahampitso asiana siramamy kely.



misy raika tsy hadino koa ity: rehefa avy mirava mianatra dia lasa manala tongotra mandende miaraka am namana, tonga tara refa ao antrano dia bedy,

Ny ahy indray be lalao manao jeu d'elastique dia variana any an-tokontanin'ny namana dia hoy na mamako hoe hanambady ny zanak'ireo olona ireo angamba izy io ka.Kanefa aho mbola kely.


:lol::lol::lol:
13. niryna ( 10/02/2007 02:58)
[quote=booboo]
nanao dokotera dokotera dia nihinankinam-poana dia narary kibo aby avy teo
-
-izaho efa nihinana fanafody,niakarako ilay fitoerana fanafody dia notsetsafiko daholo ilay izy
Soa ihany fa tsy narary fa ilay mamy ihany no nohaniko
-
14. niryna ( 10/02/2007 03:46)
Variana milalao dia matahotra ny ho bedy ,asiana bozaka
kely ao ambanin'ny lela.
15. niryna ( 11/02/2007 06:09)
Angaha adinonareo ny kivarivary, ny katro,ny mamofy ravin-kazo ?
16. Stretch ( 11/02/2007 20:41)
Refa manao vôkansy zay de mitoraka ny ol ao anaty train , zay zany eny ambony talu.
:lol: tsisy bedy , tsisy nafatatra ,
17. niryna ( 12/02/2007 02:02)
Izaho indray nomen'ny cousine-ko sigara dia miafina any ankabone no mifoka,fanina saika niakarapoka aho ka hatramin'izao tsy tia fofona sigara sy marary an-doha raha misy mpifoka sigara eo akaikiko 8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819