fitondràna fiangonana sy politika

1. hertix ( 04/02/2007 13:00)
Tena mahagaga mihitsy ankehitriny fa dia mirona any @ fanaovana politika ny ankabeazan'ny pasitera ao @ fjkm!! Nisy mihitsy aza moa sahy nanao propagandy tao am-piangonana ao anaty fotoam-pivavahana.
répondu par hertix le 24/02/2007 09:31
2. Fiffi ( 04/02/2007 13:48)
zany ve ?
3. hertix ( 04/02/2007 14:33)
Ie! Maromaro ry zareo no fantatro fa nanao propagandy fa fiangonana iray sendra nalehako t@ 03 desambra teo no nahitako ilay pasitera nanao propagandy. Nasiany hoe "dia tongava mifidy fa izay no adidy eeeeeeeeeeeee!" tany @ faran'ilay propagandy tao anaty fotoam-pivavahana!!! Tena nivanàka aho nahita ny fahasahiany!
4. sipagasy ( 04/02/2007 16:17)
hihih tsy mahagaga ny any @ tanàna e!!! efa mahazatra izany, manafangaro ny ....
5. hertix ( 04/02/2007 16:32)
Zà tsy contre an-dra8 an! Fa tsy hay na fahatahorana ny ho voafindra toerana na fitiliana seza hafa no mahatonga ny pasitera hanao izany. Sady ny fitondran-tenan-dry zalahy dia tena mampanongo tena mihitsy ka!
6. mbelotavao ( 04/02/2007 16:44)
Sambany mba nisy sahy nilaza hevitra tahaka izao eto ! Tena tsara raha dinihina kely indray ny Rôm 13 ahafantaran'ny rehetra fa ny andraikitry ny Kristianina dia ny mitarika ny olona ho eo @ J.K dia ny mankatoa izay fitondrana misy . Zoany ihany koa ny mifidy fa ny miditra ao amin'antoko Pôlitika dia tsy tokony hataon'ny Kristianina mihitsy indrindra ny mpitandrina. Sa ahoana hoy ianareo....
7. hery ( 04/02/2007 18:29)
Dia raha lasa kristianina mafana fo daholo izany ny malagasy dia tsy hisy hieritreritra ny firenena intsony satria tsy mahazo manafangaro politika :-)

8. Fiffi ( 04/02/2007 22:05)
de ho aiza ny tany avy eo ?
9. cutie ( 04/02/2007 22:11)
ho any @paradisa:-D
10. Fiffi ( 04/02/2007 22:14)
ny fahitako azy fotsiny misy ny tsy matiny lolo mihintsy hoe Ravalomanana president sy ao @ fiangonana koh !
11. niryna ( 05/02/2007 04:06)
Amin'izay izy dia mivavaka ny tanindrazana alohany hanombohany ny asany.Ary raha olona marina sy matahotra an'Atra no mipetraka eo dia ho foana tsikelikely ny fitiavan-tena
12. LazaDaddy ( 05/02/2007 04:49)
hertix> aza atao mahagaga r'ise fa tsy kely lalana ny ratsy ah! Mivavaha ho azy e :)
hery:
Dia raha lasa kristianina mafana fo daholo izany ny malagasy dia tsy hisy hieritreritra ny firenena intsony satria tsy mahazo manafangaro politika :-)
Mazava ho azy, tena voalazanao tsara mihitsy. Hoy i Paoly: "Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo" Filipianina 3:20 :)

---> asakasak'izay mamitaka sy misalotra anarana ho kristianina kanefa mifikitra @ fanjakana feno fahalovana eto an-tany.
13. majesty ( 05/02/2007 04:53)
Tsy dia mahagaga loatra ny fahenoana an'izany pôlitika izany ao ampiangonana satria ny filohan'ny fiangonana 4 ao amin'ny ekiominika aza manao pôlitika daholo :D:D
Eritreritra kely fotsiny dia ampy!
14. xxx ( 05/02/2007 09:11)
Ilay sipa nitaingina bibidia zany io ry majesty :-D:-D:-D
15. prime ( 05/02/2007 14:29)
xxx> :lol:...
hertix> Zon'ny tsirairay izany ary Andriamanitra manaja izany fahalalahan'ny tsirairay izany...

Toa tsy misy kosa aloha ao amin'ny soratra masina miteny hoe ianareo Kristiana, aza manao Politika...:wink:
hertix:
Fa tsy hay na fahatahorana ny ho voafindra toerana na fitiliana seza hafa no mahatonga ny pasitera hanao izany. Sady ny fitondran-tenan-dry zalahy dia tena mampanongo tena mihitsy ka!
... dia mivavaha ho azy...
16. hertix ( 07/02/2007 21:00)
Raha mba vitany tsara anie ny asa napetraky ny fiangonana taminy tsy olana e! Fa raha ny hamonjy fivoriana lava izao sy hanao asa hafa noho ny antoko politika misy azy na noho ny andraikitra ara-politika no ataony mahazo vahana @ fandaharam-potoanany dia tsy hay hoe hanao ahoana ny asan'ny fiangonana izany.
Izay angamba no tena ilàna ny hoe vocation no hanaovana pasitera fa tsy antony hafa. Ny hampandroso fiangonana aloha vao zavatra hafa.
17. LazaDaddy ( 07/02/2007 23:09)
hertix:
Raha mba vitany tsara anie ny asa napetraky ny fiangonana taminy tsy olana e!
Azafady Hertix fa tsy asa (profession) io a. Izay no tsy mampandeha azy io mihitsy satria heveriny ho asa.:)

Ny hampandroso fiangonana aloha vao zavatra hafa.
Ka ny politika no manosika azy manao pasitera angamba fa tsy hoe manao pasitera vao miditra politika :)
18. prime ( 08/02/2007 11:43)
Izaho ry zareo dia tsy hitsahatra ny miteny foana hoe, ny olona rehetra dia samy manana ny fahalemeny... Na Pretra na Pastera na Presbytera... olombelona avokoa ireny ary anisan'ny novidian'i Kristy t@ ràny fa tsy hoe "olo-marina sy tanteraka" akory... ka raha hitsikera an'ilay olona amin'ny maha-olona azy dia tsy maninona fa raha ny maha-Pretra azy na maha-Pasitera azy na maha-Presbytera azy dia aleo ihany mitandrina satria Andriamanitra nanosotra azy mihitsy no tsikeraina amin'izany...

Aoka tsy ho adino fa na i Paoly Apostoly, amin'ny maha-izy azy ary, dia mbola niteny toy izao amin'ny anaran'i Jesosy :

"15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina]" Romana 7:15-21

"Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha." II Korintiana 11:30
19. LazaDaddy ( 08/02/2007 12:01)
prime> :)
20. niryna ( 10/02/2007 06:47)
hertix:

Raha mba vitany tsara anie ny asa napetraky ny fiangonana taminy tsy olana e! Fa raha ny hamonjy fivoriana lava izao sy hanao asa hafa noho ny antoko politika misy azy na noho ny andraikitra ara-politika no ataony mahazo vahana @ fandaharam-potoanany dia tsy hay hoe hanao ahoana ny asan'ny fiangonana izany.
Izay angamba no tena ilàna ny hoe vocation no hanaovana pasitera fa tsy antony hafa. Ny hampandroso fiangonana aloha vao zavatra hafa.

Ka inona no olana aminao amin'izany?Ny pasitera no mitarika fotsiny fa isika rehetra no miara-mandray anjara ao am-piangonana.Resaka tiana hateza angaha koa,torio ny filazantsara fa manana anjara avy isika rehetra fa tsy izy irery ihany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1174