fitondràna fiangonana sy politika

21. prime ( 23/02/2007 11:30)
ekena:
Sambany mba nisy sahy nilaza hevitra tahaka izao eto ! Tena tsara raha dinihina kely indray ny Rôm 13 ahafantaran'ny rehetra fa ny andraikitry ny Kristianina dia ny mitarika ny olona ho eo @ J.K dia ny mankatoa izay fitondrana misy . Zoany ihany koa ny mifidy fa ny miditra ao amin'antoko Pôlitika dia tsy tokony hataon'ny Kristianina mihitsy indrindra ny mpitandrina. Sa ahoana hoy ianareo....
... Ekena... ary mitombina... fa tsy fahadisoana koa ny fanaovana pôlitika satria ny fanomezam-pahasoavana nomeny ny tsirairay dia samihafa ary maro... samy miasa ho an'ny voninahitr'i Kristy avokoa nefa ireo...

Ny tena tokony ho tandremana dia ny fiheverana fa misy sehatra tokony tsy hidiran'ny filazantsara, izany hoe lasa toy ny an'ny satàna ny fanaovana pôlitika... raha izany mantsy dia toy ny efa voafetra mialoha ihany ny toerana sy ny sehatra ary ny olona afaka hitory sy itoriana ary iasan'ny filazantsara... tena mampifaly ny fahavalo mihitsy ny fiheverana toy izany...
22. hertix ( 24/02/2007 09:31)
niryna:

hertix:

Raha mba vitany tsara anie ny asa napetraky ny fiangonana taminy tsy olana e! Fa raha ny hamonjy fivoriana lava izao sy hanao asa hafa noho ny antoko politika misy azy na noho ny andraikitra ara-politika no ataony mahazo vahana @ fandaharam-potoanany dia tsy hay hoe hanao ahoana ny asan'ny fiangonana izany.
Izay angamba no tena ilàna ny hoe vocation no hanaovana pasitera fa tsy antony hafa. Ny hampandroso fiangonana aloha vao zavatra hafa.

Ka inona no olana aminao amin'izany?Ny pasitera no mitarika fotsiny fa isika rehetra no miara-mandray anjara ao am-piangonana.Resaka tiana hateza angaha koa,torio ny filazantsara fa manana anjara avy isika rehetra fa tsy izy irery ihany




Amiko ny politika dia tolona @ fomba rehetra mety hahomby ahazoana fahefana ao @ fitondrana. @ fomba rehetra hoy aho!! Tafiditra @zany ny lainga, hosoka, machination ... Ny pasitera hoy ianao mitarika fotsiny ao am-piangonana, ka raha ilay mpitarika no vilam-bava (mpitari-bato vilam-bava!), ho aiza ireto tarihina?! Tsy mitsara pasitera velively aho fa ny mibaribary sy hita maso kosa, sarotra ny hangina noho izany.Ohatra: misy famangiana marary tokony ataon'ny pasitera miaraka @ diakona tsy vita noho ny andraikiny ara-politika. Adidiny anefa ny mamangy ny mpivavaka ao @ fiangonany. Tsy noterena izy hanao mpitandrina fa safidiny izany, nekeny soa amantsara ny affectation-ny, noho izany tsy maintsy ny asa fampandrosoana fiangonana tarihiny no ataony laharam-pahamehana. Fiangonana iray aza tsy vitany ny fampandrosoana azy koa fahefana any @ fitondrana no mahamay azy. Raha te-hampandroso marina izy dia tokony miainga @ kely aloha vao mieritreritra lehibebe kokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087