Andriamanitra dia fitiavana an???

1. xxx ( 01/02/2007 00:12)
Ra tena fitiavana Andriamanitra an, nahoana no navelany hisy zao fijaliana zao, toy ny herisetra, ny ady, ny mosary, ny vono olona, ny aretina, ny loza vokatrin'ny natiora...ary ny fahafatesana???
répondu par prime le 23/02/2007 12:30
2. LazaDaddy ( 01/02/2007 00:18)
xxx> farito aloha ny fahazoanao ny dikan'izany hoe FITIAVANA dia tohizantsika ny adihevitra :)
3. cutie ( 01/02/2007 00:28)
ny finoanao ihany no mahavaly an'zany ry xxx:lol:
4. xxx ( 01/02/2007 00:31)
Ny tena fitiavana eto ry LD, de zany eee, hoy i Jesosy hoe : Ianareo Ray aza mahalala hahasoa sy hanome ny tsara indrindra ho an'i zanakareo ka mainka fa ny Raintsika izay any andanitra.Iza ny Ray ka hanolo-bato mafana ho anjanany??? Izany hoe ny tena Fitiavana zany eto de toy ny Raintsika lehibe Atra be fitiavana mitantana antsika toy zanany eo @ fiainantsika mandrakariva ka noho izany de tsy manana ahiahy isika. Toy ny Ray mitantana ny zanany kely, mazava ho azy fa tsisy ahiahy ny zanany kely mamikotra mafy ny tanandrainy .
5. xxx ( 01/02/2007 00:43)
Ny manjaka eto @ izao tontolo izao dia Devoly sy Satana. izay no mahatonga ireo ratsy rehetra tanisanao ireo. Fantatro aloha izay ry xxx:

Ary Jesosy dia tsy manda izany.

"Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; " Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao" (Deo.6 13).

Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia any an-danitra.
6. LazaDaddy ( 01/02/2007 00:58)
xxx:
Toy ny Ray mitantana ny zanany kely, mazava ho azy fa tsisy ahiahy ny zanany kely mamikotra mafy ny tanandrainy .
dia omen-tsiny ve ilay rainy raha misafidy andeha samirery fa tsy tia ho tantanan-drainy ilay zanany?
7. cutie ( 01/02/2007 01:08)
8. dailynews ( 01/02/2007 02:25)
xxx> Fitivana tokoa Atra ary toetrany iray izay.

Fa aza adino fa izy ihany koa dia Atra masina, Atra marina....
Atra masina Izy ka tsy mahantanty ny fahotana.
Atra fitiavana anefa izy fa raha tsy nahatanty ny fahotana izy dia nandefa kosa ny zanany lahy tokana hisolo ilay fahotana.
Atra marina Izy ka hitsara ny ratsy fanahy sy ny ratsy fanahy araka izay zavatra vitany. Nametraka mazava hoe: indro mivelatra eo alohan ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana koa mifidiana hoy Izy ny fiainana (mba translation-ko io fa sao io ihany koa no hanenjehana ahy ry LD :D)

Ary raha mijery i xxx ao amin ny DEO 28 dia milaza mazava tsara Izy hoe: ireto hoy Izy no zavatra ho azonareo raha manompo ahy inareo, dia ity kosa no hahazo azonareo raha tsy manompo ahy ianareo sns....

koa aza adino izany fa Atra fitiavana tokoa Izy. Ary manana toetra hafa ihany koa izy izay tsy mifanohitra fa mifameno amin io maha Atra fitiavana azy io(MASINA SY MARINA)


Dia hoe inona no hifandraisany amin ireo zavatra lazaiko eo ambony sy ny fanontanianao? jereo ny DEO 28 fa mety mba hahita rirany kely angamba ianao hoe nahoana.
9. xxx ( 01/02/2007 02:41)
dailynews et XXX, misaotra indrindra t@ valinteninareo tsy ampisalasalana!
10. xxx ( 01/02/2007 05:42)
hevitra hafa koa re eee, ahoana re eeee:roll: iza koa mahita, za koa...ahoana re eee, lazako eo ihany eee, kaloha aho hiritreritra kely:-/
11. LazaDaddy ( 01/02/2007 06:32)
1) ilay fijaliana resahintsika koa anie tokony faritana mazava tsara e. Amiko dia misy sokajy roa ny fijaliana:

* Fijaliana (a) mandalo
* Fijaliana (b) mandrakizay any @ afobe

Raha ilay fijaliana (a) dia i Kristy mihitsy aza no nampanantena an'io ho an'izay misafidy hanara-dia azy :). Saingy amiko io tsy tena fijaliana fa raisiko ho fanantenana.
Ilay fijaliana (b) kosa dia safidin'izay te hisafidy azy manokana, ary tena fijaliana tokoa moa izany!!! (fikatroha-nify, afobe, ...)
12. LazaDaddy ( 01/02/2007 07:00)
Somary ivereneko kely ilay teniko fa zava-dehibe manamafy orina ny finoan'ny Kristianina.
LazaDaddy:
Raha ilay fijaliana (a) (fijaliana mandalo eto an-tany) dia i Kristy mihitsy aza no nampanantena an'io ho an'izay misafidy hanara-dia azy . Saingy amiko io tsy tena fijaliana fa raisiko ho fanantenana.
Eto no ahitana miavaka tsara ny fampianaran'i Kristy sy ny fampianaran-diso miseho ankehitriny. Ireny fampianaran-diso ireny dia manmpanantena "zaza-poana" ny olona: harem-be, vola be, fitsangatsanganana maneran-tany, voninahitra eo @ fiarahamonina, asa tsara, ...
Marihiko anefa fa tsy ratsy ny vola, fa ny fandrebirebena olona @ alalan'ny fivavahana ho tia vola kosa dia ratsy. Ny fitiavam-bola rahateo no fototry ny ratsy rehetra.
13. prime ( 01/02/2007 10:11)
xxx:
Ra tena fitiavana Andriamanitra an, nahoana no navelany hisy zao fijaliana zao, toy ny herisetra, ny ady, ny mosary, ny vono olona, ny aretina, ny loza vokatrin\'ny natiora...ary ny fahafatesana???
... amin\'izay ny olona afaka misafidy izay tiany na ho amin\'ny lalana mankany amin\'ny famonjena na ho amin\'ny lalana mankany amin\'ny fahaverezana...

Efa mibaribary anie izany ny asan\'ilay ratsy nefa dia safidy tokoa io...

Andriamanitra mamela malalaka an\'ilay ratsy hiasa mba hizahàna toetra ny mpanompony koa nefa... mbola fitiavana daholo izany ankoatra ireo efa voalazan\'ny namana ireo...
14. xxx ( 01/02/2007 18:15)
Misaotra @ valinteninao tsara tarehy ry LD
15. xxx ( 01/02/2007 18:18)
Tena nahafinaritra ny dinidinika fa misaotra indrindra ny nandray anjara rehetra moa misaotra indrindra ihany koa t@ valinteninareo tsara tarehy!


Na izany aza afaka mbola maneho hevitra etoana foana izay mbola manana.
16. Zina ( 01/02/2007 19:25)
za ko mbola manana ka fa andraso aloha...hihihiih
17. diamondra27 ( 01/02/2007 23:51)
Misy ANDRIAMANITRA ary tsy avelany irery ianao raha tena mifikitra Aminy sy mitady Azy fatratra.

Mety mbola nanandrakandrana angamaba ilay olona na tsy tena mino ny heriny dia tsy mandaitra ilay izy.

Andriamanitra mitàna ny teny fikasany fa tsy tahaka ny olombelona manao promesse d'ivrogne.

Ireo loza tanisainao ireo dia vokatry ny tsy fankatoavana ny tenin'Andriamanitra fa tsy hoe: Andriamanitra no ni-se permettre ireo fahoriana ireo.

Efa nomeny ny vahaolana, tsy inona izany fa ilay FITIAVANA, tena fitiavana , ka izay manaiky azy ihany no hahalala an'io FITIAVANA FENO io , izay tsy iza fa JESOSY KRISTY.
18. Zina ( 02/02/2007 02:54)
xxx [ Valio ] 01-02-2007 01:43:50
Lohateny : Re : Andriamanitra dia fitiavana an???
Ny manjaka eto @ izao tontolo izao dia Devoly sy Satana. izay no mahatonga ireo ratsy rehetra tanisanao ireo.


oy i Diams,
Ireo loza tanisainao ireo dia vokatry ny tsy fankatoavana ny tenin'Andriamanitra fa tsy hoe: Andriamanitra no ni-se permettre ireo fahoriana ireo.


marina doly ireo,

ireny no (resultats) amin'ny fisarahana antsika amin'Andriamanitra, Tsy Andriamanitra mihitsy no nahatonga an'ireo fahorian-tsika ireo...
19. li1234 ( 02/02/2007 06:31)
Hoy i XXX hoe:
\"Ra tena fitiavana Andriamanitra an, nahoana no navelany hisy zao fijaliana zao, toy ny herisetra, ny ady, ny mosary, ny vono olona, ny aretina, ny loza vokatrin\'ny natiora...ary ny fahafatesana???\"

Valiny:
1) Iza no tena tompon\'andraikitra @ fijaliana???
1-a Tompon\'andraikitra voalohany @ zany Satana devoly sy ireo demoniany.Milaza ny baibloly fa avy @ herin\'ny ratsy ny fijaliana. (Apokalipsy 12:12 ; Asan\'ny apostoly 10:38)
1-b tompon\'andraikitra ihany koa ny olombelona nohon\'ny fitiavambola tafahoatra, ary ny fitiavambola no fototry ny ratsy rehetra. ( Galatiana 6:7 ; ohabolana 1: 30-33)

2) Avy aiza ny fijaliana????

2-a) Atra de namorona ny Mpivady olombelona voalohany ho tanteraka ary nametraka azy tao @ paradisa. Raha nankato an\'Atra ireo mpivady olombelona voalohany de mazava ho azy fa tsy nahita fahoriana sy aretina ary fahafatesana mihintsy isika. Mazava be ary fa Tsy naniry, tsy nikasa ny hijalian\'olombelona i Atra.

Fa noho ireo olombelona mpivady voalohany nifidy ny tsy hankato an\'Atra fa nifidy kosa ny hanao izay tiany sy hametra irery ny @ atao hoe tsara sy ny ratsy dia niala t@ Atra izay mpanome ny fiainana izy ireo. (Genesisy 2;16, 17 ; genesisy 3: 1-6) de lasa nitarika azy ireo ho @fahafatesana ary ny fahotana.De isika izay taranany taty aoriana zay teraka tao anatin\'ny fahotana de nanana fironana hanao ratsy, tsy fahatanterahana nety niteraka haretina, toe-tena mpanota zay niteraka fahafatesana @ farany. Noho isika teraka tao anatin\'ny tsy fahatanterahana ( Imparfait) dia iharan\'ny fijaliana @ fomba iray na @ fomba hafa daholo isika. ( Genesisy 8;21 ; Romana 5:12).

2-b) mpitoriteny 9: 11 : ny fotoana sy ny sampona de mihatra @ tsika ihany koa.

3) Na teo aza zany paradisa verin\'i Adama izany, de mbola fitiavana Atra, nanome ny zanany izy hanavotana antsika mba hahazo ny fiainana mandrakizay (paradisa) indray isika ho an\'ireo zay mino izany. Jaona 3: 16 ; tsy vitan\'izany ihany fa @ alalan\'i jesosy de hanangana ny maty izy etc, hanala ny soritry ny fahotana. jereo jaona 5: 28, 29 ; apokalipsy 21:4 ; isaia 65:17.

4) Nahoana @ zay ary ra Atra fitiavana no namela ny fijaliana hisy hatramin\'ny elabe toy izao???

4-a) Mahasoa antsika ve ny namelany izany hisy hatramin\'izao???
Io no valiny:2petera 3:9 : \"Ny tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay hataon\'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga @ fibebahana izy rehetra.\" T@ famelana an\'izao tontolo izao tsy tanteraka mbola hisy ihany hatramin\'izao, dia nomen\'atra antsika ny fahafahana hahazo fiainana sy hahafantatra ny lalany, hanao ireo fiovana ilaina eo @ fitondrantenantsika isika ary handray soa @ fandaharana feno fitiavana nataony mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Porofon\'ny fitiavan\'atra antsika izany fahafahana natolony antsika izany.

Ary nasehon\'ny baiboly fa noferan\'atra ny fotoana hanafoanany ny fandehanjavatra ratsy ary efa hakaiky izany fotoana izany (Habakoka 2:3 ; Zefania 1:14). Ka mila mihezaka izany isika mba hahazo ilay fiainana mandrakizay.
20. xxx ( 02/02/2007 16:29)
li1234, miombokevitra. Misaotra anao t@ valinteninao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811