Andriamanitra dia fitiavana an???
22. niryna
(
04/02/2007 07:00)
xxx:
Ra tena fitiavana Andriamanitra an, nahoana no navelany hisy zao fijaliana zao, toy ny herisetra, ny ady, ny mosary, ny vono olona, ny aretina, ny loza vokatrin'ny natiora...ary ny fahafatesana???
xxx eto tonga dia tsy manana finoana sahady.Ohatran'ny hoe raha zanak'Atra marina ianao...Izay no fandraisako ny resaka eto.Ohatra hoe andeha aho hanandrana hivavaka hoe raha tena misy sy mamaly izy ?
Ireo rehetra voalazanao ireo dia vokatry ny tsy fanarahana sy tsy fankatoavana ny tenininy avokoa.
Ny fijaliana? Raha manana an'i Jesosy isika ka mijaly dia tsy hitovy ny fijaliana ny olona izay tsy mba manana hiankinana.Izany akory tsy midika hoe ny kristiana tsy mijaly, manankina ny fiainantsika azy isika ka na mijaly aza isika dia mbola manana ny foana sy ny fanantenana.Io no manavaka antsika mino an'Atra.Efa fantany ny lalan-tsika fa isika no tsy manana faharetana
23. prime
(
07/02/2007 06:56)
Ra tena fitiavana Andriamanitra an, nahoana no navelany hisy zao fijaliana zao, toy ny herisetra, ny ady, ny mosary, ny vono olona, ny aretina, ny loza vokatrin'ny natiora...ary ny fahafatesana???... tsy hoe "Ra"... fa [Color=Blue]TENA FITIAVANA ANDRIAMANITRA[/Color]...
Fa fahafatesana no tambin'ny ota... raha misy ireo loza sy fahoriana ireo dia vokatry ny ota ihany koa, ankoatr'ireo voalazan'ny namana rehetra...
24. niryna
(
09/02/2007 07:29)
Satria ao anaty mangidy no ahitana ny mamy.Misy olona tsy mieritreritra ny hitady azy mihitsy raha tsy misy fahoriana ary rehefa afaka io fahoriana io dia miverina ny ataony indray izy.Ao anaty fahoriana no tena ahitana o fa tsy mandao anao izy.Ary vokatry ny fahotantsika dia lasa mijaly sy mianjady amintsika daholo ny zavatra rehetra noheverintsika ho tsy tiantsika.Ny zaza tiana hono tsy hitsitsiana rotsankazo,toy izany koa Izy,mampiseho amin'izao tontolo izao ny fitiavany izy fa isika tsy mahita
25. prime
(
23/02/2007 12:30)
xxx:... hoy ny Tenin\'Andriamanitra :
Ra tena fitiavana Andriamanitra an, nahoana no navelany hisy zao fijaliana zao, toy ny herisetra, ny ady, ny mosary, ny vono olona, ny aretina, ny loza vokatrin\'ny natiora...ary ny fahafatesana???
\"Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak\'olombelona.\" Fitomaniana 3:33... fantaro tsara hoe Andriamanitra tokoa ve no manao ireo...