batemy ny mpirevy.......

1. fiderana ( 16/01/2007 07:54)
FANAOVANA BATEMIN’NY MPISOTRO TOAKA

Mandohalika eo anoloan’ny TAVOAHANGY SY NY VERA NY MPISOTRO TOAKA ARY HAPETRAKA AMINY IRETO FANONTANIANA IRETO HO VALIANY TSIRAIRAY AVY ALOHAN’NY HANOSORANA AZY :

1) Moa mandà ny satanan’ny toaka va ianao ? Ny ditrany ? Ny fahalemeny rehetra ?
IZAHO MANDA
2) Moa mandà ny toaka tsy misy tsaky va ianao ?
Izaho mandà ny toaka tsy misy tsaky satria manaikitra kibo.
3) Moa mandà ny toaka misy bibilava va ianao ?
Izaho mandà ny toaka misy bibilava satria izany no nahatonga an’I Adama ho lavon’i Eva.

MAHEREZA ARY, ARY HO FANAMAFISANA NY FANIRIANAO DIA IRETO MISY FANONTANIANA FANAMPINY HAPETRAKA AMINAO :

1) Moa mino ny fahasambarana mety ho azonao va ianao ?
Izaho mino.
2) Moa mino va ianao fa ny toaka dia mahatonga ny fanahy sy saina ho lasa mitety ny habakabaka any an-danitra any ?
Izaho mino, indrindra rehefa mahazo dôzy bebe iny aho.
3) Moa mino ny HERIN’NY RHUM, WHISKY, LA BIERRE, TOAKA GASY va ianao
Izaho mino, indrindra raha tafaraka izaho sy RAZERHUM sy KALA BIERA ka miaraka mihira izahay laroan’ny beson’i GASIKARA.
4) Moa mino va ianao fa manimba ny vatana sy mampalemy ny hozatra ny toaka ?
Izaho mino, saingy efa vita fati-drà izahay sy RAZERHUM ka sarotra amiko ny hiala aminy.

MITSANGANA ARY DIA ATAOVY NY FANEKEM-PINOANAREO

Izaho mino an’I Jhonny Walker mpanjakan’ny toaka rehetra, rahalahin’i Jhon Campbell, zanak’i Marie Brizard, teraka tany Vodka, nitaingina SAMBO nitety an’i NAMAKIA, nandalo tao DJAMANDZAR, nenjehin’i BLACK AND WHITE, nijaly raha nanapaka CHIVAS REGAL, nandositra tao HAIG, fa navotan’i BALLANTINES, ka nomen’i CLEMENT PASSEPORT, ka 600 000 Ar no frais. Azo indray tao Saint JAMES, notifirina tao CABALLERO, maty ka nalevina tao NEVADA. Avy any no hiaviany indray hitsara ny mpidoroka any TERRES ROUGES. Mino ny BONS PERES SY TERRES ROUGES, MPANJAKABEN’NY TOAKA MENA REHETRA AHO, NY VAT 69, NY NEGRITA, NY FONDS ROSEAUX, NY SPECIAL, NY FAVY, NY REVASOA, NY LAVATENDA, NY KELY BETRATRA, NY FISAKA, NY BOTA ary ny firaisan’ny TOAKA REHETRA………………..
AMEN !!!!

Dia sotroina amin’izay ny rano efa voavoatra ao anatin’ny Vera izay tantanin’ny Diakonina JOHN PETERS ireto vita Batemy ka apetraka hahazo tsiotsio-drivotra ao an-tokontany.

EKENA FA VITA ARA – DALANA NY BATEMIN’IRETO MPISOTRO IRETO :

Hoy ny Diakonina :
LEHILAHY : VEHIVAVY:
MARTINI DELL'S
VERMOUTH QEEN ANN TEACHERS
LONG JOHN AVE MARIE'S LEENG


répondu par fiderana le 23/01/2007 09:58
2. fiderana ( 16/01/2007 08:14)
tsy izaho no nanoratra sy namorona io fa mba nahaliana sy mampiheritreritra ilay izy dia mba zaraiko eto:lol:8).
3. Fiffi ( 16/01/2007 08:15)
tany @ hatsikana sy lalao angamba no nahatsara nasian'ity ........
4. simplex ( 16/01/2007 17:56)
^:^^:^^:^
za manao batemy anao @ anaran'i Johny Walker sy J&B ary i Dzama. Mandeha misotro ampiadanana, aza mandraraka toaka ambava.
^:^^:^^:^
Amen
8)
5. sitlo ( 16/01/2007 18:14)
toaka io koa
6. Fiffi ( 16/01/2007 18:21)
:roll:
7. fiderana ( 17/01/2007 06:15)
Fiffi > izaho nieritreritra hoe mety hanaovana azy eto fa any @ hatsikana sy lalao koa aloha ngamba no tena nety t@ io ê!
8. ari.malala ( 17/01/2007 06:36)
Fiffi:

:roll:



Hihihi, fa inona ity mahagaga an'i Fiffi e!
9. Fiffi ( 17/01/2007 08:16)
le taoka akia an ! :-D:-D
10. fiderana ( 18/01/2007 06:00)
taoka ve dia mahagaga ê!, efa hoe toaka io ko!:lol:
11. niryna ( 18/01/2007 17:19)
fiderana:

FANAOVANA BATEMIN’NY MPISOTRO TOAKA

Mandohalika eo anoloan’ny TAVOAHANGY SY NY VERA NY MPISOTRO TOAKA ARY HAPETRAKA AMINY IRETO FANONTANIANA IRETO HO VALIANY TSIRAIRAY AVY ALOHAN’NY HANOSORANA AZY :

1) Moa mandà ny satanan’ny toaka va ianao ? Ny ditrany ? Ny fahalemeny rehetra ?
IZAHO MANDA
2) Moa mandà ny toaka tsy misy tsaky va ianao ?
Izaho mandà ny toaka tsy misy tsaky satria manaikitra kibo.
3) Moa mandà ny toaka misy bibilava va ianao ?
Izaho mandà ny toaka misy bibilava satria izany no nahatonga an’I Adama ho lavon’i Eva.

MAHEREZA ARY, ARY HO FANAMAFISANA NY FANIRIANAO DIA IRETO MISY FANONTANIANA FANAMPINY HAPETRAKA AMINAO :

1) Moa mino ny fahasambarana mety ho azonao va ianao ?
Izaho mino.
2) Moa mino va ianao fa ny toaka dia mahatonga ny fanahy sy saina ho lasa mitety ny habakabaka any an-danitra any ?
Izaho mino, indrindra rehefa mahazo dôzy bebe iny aho.
3) Moa mino ny HERIN’NY RHUM, WHISKY, LA BIERRE, TOAKA GASY va ianao
Izaho mino, indrindra raha tafaraka izaho sy RAZERHUM sy KALA BIERA ka miaraka mihira izahay laroan’ny beson’i GASIKARA.
4) Moa mino va ianao fa manimba ny vatana sy mampalemy ny hozatra ny toaka ?
Izaho mino, saingy efa vita fati-drà izahay sy RAZERHUM ka sarotra amiko ny hiala aminy.

MITSANGANA ARY DIA ATAOVY NY FANEKEM-PINOANAREO

Izaho mino an’I Jhonny Walker mpanjakan’ny toaka rehetra, rahalahin’i Jhon Campbell, zanak’i Marie Brizard, teraka tany Vodka, nitaingina SAMBO nitety an’i NAMAKIA, nandalo tao DJAMANDZAR, nenjehin’i BLACK AND WHITE, nijaly raha nanapaka CHIVAS REGAL, nandositra tao HAIG, fa navotan’i BALLANTINES, ka nomen’i CLEMENT PASSEPORT, ka 600 000 Ar no frais. Azo indray tao Saint JAMES, notifirina tao CABALLERO, maty ka nalevina tao NEVADA. Avy any no hiaviany indray hitsara ny mpidoroka any TERRES ROUGES. Mino ny BONS PERES SY TERRES ROUGES, MPANJAKABEN’NY TOAKA MENA REHETRA AHO, NY VAT 69, NY NEGRITA, NY FONDS ROSEAUX, NY SPECIAL, NY FAVY, NY REVASOA, NY LAVATENDA, NY KELY BETRATRA, NY FISAKA, NY BOTA ary ny firaisan’ny TOAKA REHETRA………………..
AMEN !!!!

Dia sotroina amin’izay ny rano efa voavoatra ao anatin’ny Vera izay tantanin’ny Diakonina JOHN PETERS ireto vita Batemy ka apetraka hahazo tsiotsio-drivotra ao an-tokontany.

EKENA FA VITA ARA – DALANA NY BATEMIN’IRETO MPISOTRO IRETO :

Hoy ny Diakonina :
LEHILAHY : VEHIVAVY:
MARTINI DELL'S
VERMOUTH QEEN ANN TEACHERS
LONG JOHN AVE MARIE'S LEENG




tsy dia tsara ny manao kivazivazy amin'ny fivavahana na manompa ny fanahy"blasphemy",saingy mila vazivazy kely ny fiainana kanefa......8-)8-)

12. fiderana ( 23/01/2007 09:58)
ngamba tsy tonga @ izany fivavahana izany isika fa mba heritreritra nandalo iny, sady izao koa ê!, raha ny miaramila no jerena dia misy izany hoe bateme de feu izany, dia efa mba hitan-tsika koa ny eny @ avo eny ankatso eny indrindra ao @ agro ao, dia mba tokony hisy koa izany ny an'ny mpisotro:lol::oops:.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1621