Ny fomba fitaizana tanora,tsy vita mora ,mila fanampiana.

1. niryna ( 06/01/2007 04:08)
Vokatry ny zava-misy amin\'izao fiainana izao dia tsy mora intsony ny mitaiza tanora.Mila toro-hevitra.Misaotra mialoha
répondu par niryna le 26/01/2007 16:51
2. Aino ( 06/01/2007 12:27)
amin'ny izao aza efa tsy azo tenitenenina izany hitsony !! raha mba mananatra ny lehibe dia tsy mihaino fa lazaina fa be lazao
3. booboo ( 06/01/2007 14:48)
toro-hevitra ve ?

-ampanaovina activités extra-scolaires (izay tiany) = fampianarana azy hanaraka ny fitsipika misy, hifanerasera @ hafa fa tsy hitokatokana ...

-omena andraikitra ao an-trano = fampianarana ho tompon'andraikitra @ fiainana an-davan'andro sy hahatsapany fa mahatoky izy matoa nomena an'io andraikitra io.

-ampidiro skoto e :°):°)
4. soanja ( 06/01/2007 18:01)
niryna:

Vokatry ny zava-misy amin\'izao fiainana izao dia tsy mora intsony ny mitaiza tanora.Mila toro-hevitra.Misaotra mialoha


Tsy hoe akory mivoy ny zavatra ataoko fa raha ny fahitako azy amin'izao fotoana izao, indrindra ka raha mitaiza zaza na tanora aty US dia tena mampatahotra mihitsy. Mbola kely ny zaza dia efa mila guider-na tsara amin'ny fahalalana ny atao hoe "Fiainana".
Ny hevitra atolotro dia ny Montessori Education.
Efa nomeko ary ambany ery ny fanazavana momba ny Montessori fa adikako eto.

Lavabe le izy fa zay afoheziko araka izay azo atao.
Ny filozofia Montessorian dia tsy natoa any andakilasy ihany fa amin'ny fiainana andavanandro koa.
Ny fianarana Montessori zany dia tsy natao ho amin'ny saina ihany fa ho an'ny fiainana iray manontolo (education of wholeness) zany hoe fianarana ny fiainana ary manomboka hatrany ambohoka ka mandrapikipin'ny maso.
Any ampinarana dia toy izao ny fiaingan'ilay fampianarana: avy amin'ny azo tsapain-tanana ka mankany amin'ny tsy azo tsapain-tanana zany hoe material to abstrait. Ka anisan'ny mamolavola ny zaza ny dia ny Fitiavana omena azy (love, care and security) ,ny environnement iainany (milamina , feno respect ny biby sy ny hafa) ary ny asan'ny fanahy (spiritual education)tafiditra ao anatin'io ny Peace Education izay indreketako na any ampinarana na any antsekoly dia mpiharina daholo ireo. Tsy ny vokatra no zavadehibe amin'ny Montessorian fa ny process. Zany hoe tsy ahita grade na noty na ankizy ianao fa nanaovany azy no zavadehibe. Creative thinking ary initiatives to life. Tsy voadikako amin'ny teny gasy azafady. Mety hoe fomba fianarana manadihady ary mahay mandray andraikitra.

Mety niverina kely ny hevitra ery ambony fa namafisiko fotsiny hoe :

Mahalala ny hasarobidin'ny zava-drehetra ilay olona ka tia mankasitraka izay zavamisy sady mitandrina foana.

-Miezaka manaparitaka ny atao hoe fandraisana andraikitra ka raha misy zavadoza mitranga na voina na tahak'izay dia ny olona mivoka avy ao no tena mandray andraikitra tsy misy ohatr'izany. Matetika dia lehibe na fikambanana ONG ireny na zavatra goavana be toy ny UNICEF sns

-Mahalala fa IRAY isika rehetra mipetraka eto ambonin'ity planeta ity ka miezaka mikarakara azy tsara sy mitahiry ny zavaboary sarobidy: biby sy ny natiora. The Cosmic Education.

-Mahatspa fa misy afom-pitivana miredareda ao anatin'i tsirairay ka io no mampifandray ny rehetra hifankatia sy hifanasoa (I honor the light in you). Io no antsoinay hoe Andriamanitra na fanahy ao anaty ka anjaran'ny tsirairay mampiseho izany hoe modely ho an'ny hafa amin'ny fiainana andavanandro. Maria Montessori dia Katolika ka ny zavatra voiziny no nampianay hanantanterahana ny vision-ny. The Peace Education.
Saingy,Izahay dia mankahala ny ady ary matetika manao politika daholo mba hanovana ny tsy rariny amin'ny fiainana.

- Matetika dia mahAy mikarataka ny zaza Montessorian ka intelligent kokoa izy raha oharina amin'ny hafa satria vao kely dia efa nampafantarina izany ny atao hoe FIAINANA. Ary tsy mijanona mianatra ny olona Montessorian fa mandra-pahafatiny dia mianatra foana zavabaovao hanomezany fahafaham-po ny filan'ny sainy fa tsy voatery entiny hitadiavam-bola akory. Fa raha misy izany dia hanasoavany ny hafa izany fahaizany izany.

Raha tsorina izany dia mila manomboka any amin'ny mahazaza azy ny fitaizana no tsara dia mitohy amin'ny hatanorana. Saingy azo atao koa rehefa lehibe izy dia ampifandraisina amin'izay talentany ny energy ananany izay hitondra azy hanana io harmony amin'ny fiainana io.
Misaotra.



5. niryna ( 10/01/2007 16:53)
Tia mitsakatsaka ny tanora ka izay teneninao tsy misy henoiny fa ny azy ihany no ataony dia ahoana
6. soanja ( 14/01/2007 05:40)
de izay ilay izy ry Niryna. Raha ampy base izy dia tsy hanaonao foana fa manontany, mitady, mandinika de manao actions.

Tsy haiko ny mamaly ny fanontanianao raha toa ka tsy ampy base izy satria possible daholo ny zavadrehetra.

Azo atao tsara koa ny mitiaza zaza ao anatyy fivavahana tena matomboka saingy indraindray ireny koa mety hibolila refa lehibe izy satria leo tanteraka.

Tsy misy guarantee ny fiainana manko. Ny atidoha sy ny environment no milalao ny fiainan'olona anakiray matetika ka raha tsy manana focus/objectifs/buts sns de tena sahiraniny.
7. niryna ( 14/01/2007 20:31)
Be mitsakatsaka ny tanora ary tsy mahalala izay ahafaty azy
8. niryna ( 26/01/2007 16:51)
Ny mitondra fiara, ny manao sport,sns dia mila fianarana sy famolahan-tena daholo.Mila fianarana sy fakana ttsy fahasoandalana hitondra fiara ny tena.Ny mitaiza ny zanaka tsy mila izany,kanefa ny RARA dia manana andraikitra lehibe eo ami\'ny fiainan\'ny zaza tsirairay amin\'ny fiainany.Izay nafafy ihany no jinjaina,raha ny RAR no manome hevitra tsara sy manana toetra tsara dia misy toetra hoetintsika amin\'ny fiainana izany ary toy izany ihany koa ny toetra ratsy.
Afaka mamaetraka fanontanina ianao hoe:Inona no nahatonga ahy ho RaR?,inona no tanjoko,ahoana no ahatanterahako izany?
Toy ny olon-dehibe koa ny ankizy ka misy mandalo zavatra maro,misy mahomby ary misy tsia.Ary matetika aza mitsakatsaka mihoatra ny tsy izy.Amin\'ny mahaRaR antsika dia mianatra mitady lalana isika ny hampianatra ny ankizy amin\'ny fomba tsara sy matotra.
Ny zaza tiana hono tsy tsitsiana rotsan-kazo.Tsy voatery ho kapohina izy fa tsy mitsahatra mananatra, manoro amin\'ny lalana tsara foana isika.Zaro amin\'ny lalana izay tokony alehany hono ny zaza ka na lehibe aza izy dia tsy ho afaka amin\'io.Na mibolila kely aza izy dia fantany ihany ny lalana nampianarina azy ary dia hiverina amin\'ny nitondrana azy izy.
Misy fiantraikany daholo ny zavatra rehetra koa ampianarina izy ahafantatra izany.Amin\'ny alalan\'ny ohatra na zava-misy no hanaovana izany.
Izay toetra hananantsika RaR no toetra hoentin\'ny ankizy koa,raha misariaka, misoka-po,mifaly, manao vazivazy isika dia hisy toetra arahiny amin\'ny fiainany koa io,raha mpamono vady, mpiteny ratsy, tezi-dava,manambany olona, manome lesoka foana dia mazava ho azy fa izay no niainany tao an-trano dia izay ihany koa no mety hitranga amin\'ny fiainany.Ny fihovan\'ny toetran\'ny ankizy aty aoriana dia ny ankizy, ny olona manodidina ary ny namany ihany koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.8704