Hevitra mety mahasoa ity.

1. niryna ( 25/12/2006 01:18)
Misy hevitra mety mahasoa ny namana ve mikasika ny fikolokoloana ny vatana,saina,tarehy,maso, nify, tanana,fo, kibo, fanahy sns...
Efa nahita soritra ve ianao ka nahatsara anao?
Izay zavatra efa nety taminao ka mba hianaranay?
répondu par niryna le 13/01/2007 03:22
2. soanja ( 25/12/2006 21:50)
Ny Yoga na koa Brain Respiration.
mifoha maraina ianao de manao an'io fa hanome toky aho fa hahatsiaro afapo amin'izay nomen'Andriamanitra anao ianao. Soanja
3. fasaly ( 25/12/2006 22:44)
-fihinanana sakafo saine, sy vokazo sy legioma, mahatsara vatana , mahasalama, manohitra ny aretina toy ny cancer, mahavoky
-asivo sport 4h par semaine , vao maika mahatsara ny -vatana sy fanahy ary fahasalamàna
-ampy torimaso ohatra 8h par nuit de ho tsara "bonne mine" refa journée fa tsy misy soritra havizanana eny am endrika:wink:
-misotro rano 2l par jours mi elimine ny toxine 8)
-mivavaka au moins indray mande isa-kerin'andro ho sakafompanahy :P
ampy angamba izay fa ny sisa manaraka fotsiny:°):wink:
4. niryna ( 26/12/2006 02:33)
Ny olona taloha dia hosorany voasarimakirana mitete in-2 ny masony fa mahatsara -maso hono,marina ve io.Ary isaky ny inona? Tena mangirifiry be mihitsy aloha ilay izy satria nangididy ny masoko dia nasiako an\'io,dange -be ilay kakeriny ko ty.Nijanona kosa aloha ny hidihidy e!Toy izany ihany koa ny fihinana karoty hono mahatsara maso,mihinana ihany aho fa tsy matetika aloha e
5. fasaly ( 26/12/2006 09:31)
mihinanna karaoty hono ny mahatsara maso, karoty rapé manta indrindra indrindra:wink:
6. soanja ( 26/12/2006 16:30)
niryna:

Ny olona taloha dia hosorany voasarimakirana mitete in-2 ny masony fa mahatsara -maso hono,marina ve io.Ary isaky ny inona? Tena mangirifiry be mihitsy aloha ilay izy satria nangididy ny masoko dia nasiako an\'io,dange -be ilay kakeriny ko ty.Nijanona kosa aloha ny hidihidy e!Toy izany ihany koa ny fihinana karoty hono mahatsara maso,mihinana ihany aho fa tsy matetika aloha e


Niryna moa tsy aty US no mipetraka? Raha mazoto indry dia ilay Jus atao hoe "NAKED" hamidy eny amin'ny mangazay grrocery Store iny novidiana fa iny tena feno tsara ny Vitamin A fa 690% . Tsy misahirana indry fa iray kopy isamaraina ary 1.89Litatra ny hadiriny. Eo amin'ny $6 ny vidiny raha lafo indrindra.
Mazoto ary an.


7. niryna ( 30/12/2006 03:03)
Misaotra aky ry soanja sy ny rehetra e.
Ny maso dia mitovy ny fanaovana yoga ihany ka sokafana sy hamapanaovina exercice-ko,miakatra ambony,midina ambany ny maso,miankavia,havanana,mijery faran\'izay tratra,avo indrindra ,farany ambany.Mila koa hono ny hoza-maso dia ireo no andramo.Toa mitovy daholo na lahy na vavy fa ny vavy no tena manaraka zavatra betsaka.Ny molotra koa dia atao izany,manao o,u e,a ii..Atao mateti-pihavy io manala ny kentrona eo amoron\'ny vava.
Ny saina dia hatanjahana lalandava,tsy mora kivy na ketraka,lehilahy tsy boka herintaona hono,ny vehivavy koa toa izany,manana finiavana manao zavatra tsara foana,matetika zvt ratsy no miditra ao an-doha aloha dia hovaina ho zvt tsara.Ny vatana manontolo izany no mila ahetsika koa e ,mandeha an-tongotra 30mn isan\'andro koa miaraka ny rano 8 kopy/jour,manadio ny hodi-tava sy maha-velombelona azy.Ny fiainana aty amin-tsika efa mazana ka izay tsapaina iray,taolana fotsiny,tena lasa saina aho fa tsy mba misotro rano tokoa kay ny olona,rehefa manontany aho dia hoe tsy misy kabone andehanana.Raha mahita mololo dia iny no dorana hanadiovana ny loha fa tena manamainty volo sy mampateza azy amin\'ny volofotsy.Mivavaka mihoatra ny in-droa isan\'andro ary isaky ny misy zavatra hatao na inona na inona dia asio fivavahana foana fa ahita vokantsoa ianao,aza adino ny misaotra @ Atra a
8. soanja ( 30/12/2006 04:31)
Niryna> Misaotra koa amin'ny torohevitra mahasoa.
9. niryna ( 01/01/2007 05:15)
Rehefa avy mandro amin\'ny rano matimaty fa tsy mafana dia faranana amin\'ny rano mangatsiaka ka any amin\'ny tongotra no lemana rano mangatsiaka aloha,dia ny tanana ary ny fo no farany.Toy izany ihany koa ny loha atao massage kely rehefa manasa azy ary sasana rano matimaty fa tsy rano mafana ary faranana rano mangatsiaka.Mampa-mafimafy ny hoditra sy mampisokatra ny masokoditra no antony hamaranana ny vatana rano mangatsiaka.Na ririnina aza ny andro,manao satroka rehefa mivoaka ary cache-nez indrindra raha marary soroka na tenda,mila mafana ny vatana,toy izany koa ny voan\'ny ashma mila saromana ny orona.Ho an\'ny olona mora mangatsiaka lava,mety tsy ampy masoandro ny trano ary aza mihinana zavatra mangatsiaka amin\'ny alina, manaova ba kiraro fa manampy ary mihinana voanjo na voan-javatra matetika.
Azafady ho an\'ny vavy ity manaova soutient foana na matory aza fa mahatsara-bika sy mitsatoka tsara ny nono,diso ilay notenenin\'ny olona taloha hoe manala soutient rehefa matory.
10. nenipita ( 02/01/2007 14:47)
mety hahasoa nao koa ity : alaina ny cocombre de rapena malemy tsara de ilay ranony iny no atao solona lotion anasana ny tarehinao ny tena marina fa mampadio tarehy sy mampadinidinika azy. Mazotoa manao io isan'andro fa ho hitanao ny asany.
11. Rasiligaoma ( 02/01/2007 15:20)
izany?
hmmm anandrana zahko le
12. niryna ( 03/01/2007 17:49)
Ny karaoty koa dia kikisana atao maska ary ho mavana ny tavanao.Miresaka maska ihany aho fa yaourt tsy misy siramamy asiana tantely.kely fotsiny fa tsy dia betsa ahosotra ny tava, toy izany koa ny atody mavo,miampy voasarimakirana telo mitete,raha manana tantely dia asiana koa,hosorana ny tarehy ireo fa karazana maska daholo.Raha misy ambiny dia hosorana ny tanana sy ny tongotra.Rehefa tena be mikentrona ny tava dia atody fotsy no atao fa tsy mavo.
Asiana karibonetra kely ny savony fanasana loha dia hosorana ny loha fa manadio ny odidoha,manao massage kely eo amin\'ny odi-doha zay vao kobanina.
Ny vava maimbo dia tena feno aty amin-tsika,ity misy torohevitra kely satria mahamenatra ny miteny ny olona hoe maimbo vava,tolory silogama kely izy.:°).Borosina koa ny lela isaky ny miborosy nify ary indraindray dia asiana karibonetra kely ny colgate hanalana ny tainify mijanona eo amin\'ny nify.Rehefa tsy manana ilay kofehy fanala kakanify dia kofehy fanjairana atao fa mety.Andeha aho hanokana tsena mikarakara vatana ry ireto sao dia misy hiaraka hanokana tsena amiko ianareo8)8)8)8)
13. Fiffi ( 03/01/2007 19:52)
aleo hiany mitandrina fa raha nahatsara sy nety t@ olona iray ireny tsy midika hoe mety @ rehetra....
14. ikaretsaka ( 03/01/2007 20:52)
fiffi> fa au natural ilay izy ko... inoako fa tsy dia haninona
15. niryna ( 04/01/2007 14:57)
Fiffi a ,alaivo an-tsoratra daholo izay mahasoa fa naturaly daholo ireo,manandrana indray mandeha ianao fa rehefa tsy mahazaka dia tsy manao intsony.Izaho aloha dia manandrana zavatra raha naturaly e satria tsy mbola nisy naninona ny tenako hatramin\'izao.
16. niryna ( 13/01/2007 03:22)
Raha mivoto ny maso dia ovy na cucumbre no tetehina hapetapetaka eo,na rehefa manao masque iny ianao dia miaraka atao koa vao maika tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1922