fitiavanamana!!

1. Aino ( 18/12/2006 18:35)
izaho matetika voateny sy bedy fa tsy mahazo miaraka @namako sasany, hoatra hoe maditra izy na pandainga sns, dia bedy faona hoe aza miaraka @ iny fa manjary lasa tahaka azy ianao, dia mamaly faona aho hoe efa samy manana ny tohetrany izahay ka mino aho fa tsy hande hanao izay hataony ary fatatro izay hataoko.
de rarana tsy hiaraka aminy aho nefa aho tsy te hamela hirery azy fa anampy azy, indraindray aza matetika aho mandany andro mananatra na dia tsy dia miheno ahy firy aza izy!!
de tsy hitako izay hatao!!
répondu par Aino le 19/12/2006 19:15
2. jhouhlambout ( 18/12/2006 20:02)
Dia tohizo foana ny fananarana azy é! Raha tsy izany mantsy dia izy indray no hitarika anao @ zavatra ratsy sns...:@
3. fasaly ( 18/12/2006 20:10)
ny ahy alou raha vao namana ratsy hitarika am ratsy d'efa elàko pà e!:°):°):°)
4. degree ( 18/12/2006 20:46)
Fa iza indray ary no hitarika ny namanao @ tsara raha ialanao indray izy,tsarovy anefa fa tsy nisy anjely hilatsaka hanavotra ny very intsony ety ambon'ny tany fa ianao io ny hirak'Andriamanitra hanavotra azy,omeko ohatra iray ianao fasaly : raha sendra mandeha amorondrano ianao ka latsaka ao anatin'ny rano lalina dia iza ny hamonjy anao raha tsy ny namanao ankaiky anao eo,koa aza ialana pa ny namana diso lalana fa tarito izy hivily @ lalana tsara toy ny ataon'i Aino izany zao dia ekeko saingy
tandremo kosa anefa fa raha tsy mahay ianao dia izay miaraka @ amboa lambo dia amboa lambo koa , ka sao lahy tsipirity tafaraka @ fody ka ....
5. Aino ( 18/12/2006 21:24)
dergee ka izay mihintsy no efa notandremako hatr@ izay ko!! ny mba tsy hanahaka azy fa izay mba ampihova kely azy fotsony.
6. sasa ( 19/12/2006 05:41)
refa mitia namana 1 mitia azy am hatsarany sy ny haratsiany, ka raha misy kilemany, miezaha foana ny hanitsy an'azy fa hiova foana izy any aoriana any, aza miala izany fa ny olona rehetra manana ny haratsiany daholo
7. soleil ( 19/12/2006 06:07)

tsara dia tsara tokoa ny mitia namana nefa fanontanina ihany ny ahy hatraiza sy tokony ahoana satria mantsy misy ireo namana manararaotra ny hatsora'ny hafa ka tsy hainao intsony na ahoana na ahoana

hanampy azy ianao na hanitsy azy izy anefa toa minia tsy mijery afa -tsy ny azy sy ny tomboantsoany ka ataoko raha izay kosa tsy de mety loatra ny mandray azy ho namana

satry de satry tokoa ny hanampy azy nefa raha à sens unique de tsy mety loatra
8. fiderana ( 19/12/2006 08:07)
Aino>> diniho ihany aloha ity teny ity," ny ela maha ray roa......, dia hoe koa:" Ny miaraka @ ambolambo dia ambolambo ......", mety ho marina io , fa na izany aza mety ny mifananatra ka!.
9. Imahaka ( 19/12/2006 09:23)
Aino> lazao ahy hoe iza ny namanao dia holazaiko anao hoe iza ianao.
10. Zina ( 19/12/2006 16:38)
sasa [ Valio ] 19-12-2006 06:41:18
Lohateny : Re : fitiavanamana!!
refa mitia namana 1 mitia azy am hatsarany sy ny haratsiany, ka raha misy kilemany, miezaha foana ny hanitsy an'azy fa hiova foana izy any aoriana any, aza miala izany fa ny olona rehetra manana ny haratsiany daholo

zany mihitsy sasa a
11. sitlo ( 19/12/2006 17:25)
Imahaka> marina io fa tokony natao anaty farangososona
12. Aino ( 19/12/2006 19:13)
Mpandefa : soleil [ Valio ] 19-12-2006 07:07:26
Lohateny : Re : fitiavanamana!!

tsara dia tsara tokoa ny mitia namana nefa fanontanina ihany ny ahy hatraiza sy tokony ahoana satria mantsy misy ireo namana manararaotra ny hatsora'ny hafa ka tsy hainao intsony na ahoana na ahoana
marina io lazainao io, ary izaho efa tratrany izany faona nefa hatao ahoana fa dia tsy taitra fotsony!!

Mpandefa : fiderana [ Valio ] 19-12-2006 09:07:16
Lohateny : Re : fitiavanamana!! efa ela ela ihany no nafatarako azy aloha fa tsy mbola niova aho hatr@ izao, ary ny tandroko dia mba hampiova any hireo namako izay tokony mba ahintsy @ lalana tokony andehanany, izaho manko rehefa mba misy tsy mety hataoko dia miteny ahy ny hafa ka miezaka hanao any izany koa aho!!
Aino>> diniho ihany aloha ity teny ity," ny ela maha ray roa
13. Aino ( 19/12/2006 19:15)
Mpandefa : sasa [ Valio ] 19-12-2006 06:41:18
Lohateny : Re : fitiavanamana!!
refa mitia namana 1 mitia azy am hatsarany sy ny haratsiany
marina izany! fa ny ahy rehefa tsy tiako fotsony dia lazaiko hoe tsy dia ampy.

Mpandefa : Imahaka [ Valio ] 19-12-2006 10:23:05
Lohateny : Re : fitiavanamana!!
Aino> lazao ahy hoe iza ny namanao dia holazaiko anao hoe iza ianao.
ilay namako resahako eto ve iznay sa namako ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568