inona no zavatra mety hitranga?

1. mandrindra ( 11/12/2006 10:56)
efa manomboka mananotanoana ny fahalanin'i ravalomanana amin'ny fihodinana voalohany.
tsy hanaiky an'io valiny io ny mpifaninana sasany dia hangataka hoe ampitaho ny pv, ohatra, dia hanaiky andeha hampitaha ve ny fanjakana?
raha toa ka manaiky ny fampitahana ny fanjakana dia inona hoy ianareo no mety ho vokany?
raha toa ka tsy manaiky ny fampitahana ny fanjakana dia mety ve izany hoy ianareo?
répondu par Bakobako2 le 12/12/2006 00:25
2. Imahaka ( 11/12/2006 13:31)
mbola tao anatin'ny fotoana fampielezan-kevitra dia efa nanao fanambarana ny HCC fa manaiky ary hanisy ny fampitahana ny pv.
3. MTN ( 11/12/2006 15:00)
Raha ny ahy indray aloha ny zavatra mety hitranga sady sure aho dia ny fahafatesana eh. Tsy misy afa-miala amin'io ny olombelona. :°)
4. Lejim ( 11/12/2006 15:12)
Zah mino fa na hampitaha pv aza ry zalahy, tsy ho betsaka ny zavatra hiova amin'izany. 4% tombony ho an'ny kandida Ravalomanana izany angamba tsy ho voafoanan'ny pv sy ny lesoka madinidinika. Raha tsy hoe tena nangala-bato be mihitsy ny fanjakana. Fa raha izay indray dia hafa ny resako!
5. Fiffi ( 11/12/2006 15:58)
fa ny tsy azoko fotsiny de zao: maninona no tsy mba afam-po ? izy no lany ka hatao ahoana aza ? Misy antony ange hoe nahoana izy no lany teo eh ! De tsy maintsy hisy an'zao sy zao foana ve isakin'ny misy fifidianana ? :roll:
6. Bakobako2 ( 12/12/2006 00:25)
:°) MTN hors sizé njay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0874