Nofy

1. mvalisoa86 ( 07/12/2006 14:27)
Miarahaba antsika rehetra.Mangataka fanazavana momba ny nofy;ao anatin'ny "inconscient" ve ny olona no manonofy?Mba omoo eo ny antony mahatonga ny olona manonofy raha mba misy fantatrao.Misaotra e!
répondu par niryna le 10/12/2006 20:42
2. Fiffi ( 07/12/2006 16:08)
http://dico.reves.free.fr/POURQUOI.HTM jereo hiany aloha io sao de misy mahavaly ny fanontanianao an !
3. niryna ( 08/12/2006 18:45)
Ny nofy dia zavatra mitantara ny ho avy, ny amin\'izao andro izao ary ny rahampitso(future, present,past). Isika rehetra dia manofy avokoa fa misy mahatadidy ary misy tsy mahatadidy ny nofiny.Raha ny baiboly no jerena vakio Hebreo 11,izay milaza ny finoana (faith) izay zavatra antenaina kanefa tsy hita maso.Toy ny rivotra mitsoka kanefa tsy hita, ny fitiavana ao anaty kanefa tsy hita maso,dia tao anaty nofy no nasehon\'Atra ireo olona marobe toy Abrahama niteraka zazalahy na antitra aza izy, Noa nanao sambo, Saraha niteraka na antitra aza,Josefa nitondra ny zaza nandositra.Niseho tao anaty nofy daholo ireo ary nanana finoana izy ireo.Misy ny olona mino ny nofy ary misy ny tsy mino.Nitranga daholo anefa ireo indrindra Josefa nanazava ny nofin\'ilay mpanjaka tao Egypt fa hisy mosarena fito taona ary vokatra fito taona mialohan\'izay ka nanangona vokatra(hitohy)
4. niryna ( 08/12/2006 18:59)
Toin\'ny olona tsy mino ny baiboly fa angano ihany koa dia mbola tao anaty nofy ihany ny vadin\'i pilato no niteny taminy hoe aza manao ratsy an\'io olo-marina io ianao(Jesosy Kristy ) fa nampanahy ahy ihany ny nofiko.
Taty aoriana dia isika olombelona mbola manofy,rehefa matory isika dia ny fanahin-tsika mivezivezy ary indro kely ity,fadio ny manoratroratra ny tavan\'ny olona matory na mamotampona izy fa mety mahalasa adala azy na mitarika fahafantesana mihitsy, tsy mahatadidy hono ny avelony.Zavatra nitranga hitako ity koa enga anie ianareo tsy hanao fitsapana.Rehefa ao anaty torimaso isika dia izay zavatra ao anaty saina izay misy amin\'ity fiainana ity ary mandeha any anaty ny saina( a dream is an event transpiring in that world belonging to the mind when the objective senses have withdrawn into rest or oblivion)(tohiny)
5. niryna ( 08/12/2006 19:11)
Misy olona izany omen\'Atra ny dikan\'ny nofy ary tsy ny nofy rehetra akory dia marina daholo,misy ny nofy ririnina, mangatsiaka dia tsy mahita tory, manao torimason\'akoho ka raha vao madiva hatory dia lasa manofy mifamaofao.Ny ankizy tsy azo am-pijerena sary mihetsika mampa-tahotra fa lasa mifantoka ao an-tsainy dia lasa nofy ratsy.Ao anaty toromaso lalina izany isika no manofy ary raha mahafantatra ny nofinao niandohany ka hatramin\'ny fiafarany ianao dia mety ahay hanazava ny dikany.Ao anaty nofy A/tra no manampy sy manoro antsika.Raha tantaraiko anao daholo ny nofiko sy ny dikany dia tsy omby ity toerana ity.Mbola maro hatramin\'izao isika no manofy fa ny toerana samihafa dia hafa koa ny dikany.Aty amintsika dia misy dikany ny manofy bibilava, trondro, manjono.Any amin\'ny firenena hafa dia hafa ny dikan\'ny manofy bibilava( misy fahavalo izay satana na olona mitady hanome hatezerana anao).Aoka hazava fa tsy atao dikan-teny io,miankina ny fizotran\'ny nofy io inona no nitranga, taiza ianao, natao ahoana.
6. niryna ( 08/12/2006 19:23)
Aleo hono henjehin\'ny mpamosavy toy izay henjehin\'ny eritreritra,ny zavatra ataona na nataonao na izay mbola hatao hoy aho tery aloha dia mipoitra ao anaty nofy avokoa.Mety nisy zavatra nitranga tao aminao,efa nipoitra tao anaty nofy ilay izy dia tsy mila matahotra intsony ianao.Ao anaty vavaka A/tra no miteny, miresaka amin-tsika ao anaty nofy.Misy vavaka nangatahina taminy ao anaty nofy izy no mamaly ary aza misalasala ny manantanteraka azy na ny manajanona azy.Izaho nahita ankizy vavykely ary nanana zoky narary teo am-pandriana izy nandritra ny taona maro,tsy nalefan\'ny rar nianatra io zaza io fa niandry omby ka teo am-piandrasana omby izy renoky ny torimaso no niresaka taminy A/tra tao anaty nofy Niantso azy ho mpametra-tanana ary nilaza azy Izy fa mila manala,mandoro sy manary ny fanafody izay tazomin\'ny rar ilay zaza vao sitrana io marary io.Izaho izao no nahita ilay zazavavikely nitoriteny teo amin\'ny pilipitra kanefa tsy mahay manoratra na dia ny anarany azy.Nofy ve sa fahitana?
7. niryna ( 08/12/2006 19:34)
Hatramin\'izao izany isika dia mbola manofy ka mety tsy mahita ny maso na maheno ny sofina saingy ny fanahy ao amintsika no mety mahita sy mahatsapa ny ho avy.
We may see withour eyes and hear without ears, not by unatural excitement of our sense of vision or of hearing but the soul, by its interior vision, may see not only what is passing at a great distance,but it may also know in advance what is to happen in the future.
Tadidio ary ny nofinao ary diniho fa mety ho hainao ny tian\'Andriamanitra ny lalana tokony hizoranao sy ny lavaka mety mahapotraka anao ka hainao ny midify azy.
Vaovao tsara, raha tena manana finoana ianao dia isaky ny manao zavatra na inona na inona mivavaha foana ary tadidio ao anaty nofinao ny valim-bavaka, na manao fanadinana aza ny zanakao dia am-pianaro mivavaka izy fa ataon\'Atra tanteraka daholo izay fantany fa mahasoa azy.Miaraka aman\'olona ianao? trotroy am-bavaka alohan\'ny hiarahanao aminy mba ahatohatra ny fakam-panahy ianao sy raha mahasoa anao ka mahatsara anao ny hiaraka aminy.Na lahy izany na vavy mety daholo, izay mivoaka ao anaty nofinao dia iny no araho fa tsy ho faty an-toka mihitsy ianao.
8. niryna ( 08/12/2006 19:56)
Misy ny manofy miteny, misy ny manofy mandeha, ary ny nofy rehetra dia tsy mitovy na iray aza.Tsy misy olona manofy mitovy izany ny nofy, mety misy hevitra mitovy ao anaty ilay nofy fa mety misy manofy miverimberina.
Nanofy hono aho nahita olona mpiara-miasa amiko mihiry ao am-piangonana, hitako tsara ny akanjo ambony nanaovany ary tadidiko, mahita olona iray aho mipetraka eo amin'ny dabilio mijery azy ary avy eo aho nahita azy niafina teo akaikin'ny lambam-baravarakely.Mba tantarao ahy hoe ny hevitr'izany nofy izany?Fanazavana (hitohy)
9. niryna ( 10/12/2006 20:42)
tohin'ilay nofy.Rehefa nanontany ilay mpiara-miasa ahy aho ny nofiko izay notantaraiko azy dia hoy izy tamiko hoe izaho nihira tao am-piangonana taloha fa lasa kamo fa mbola hiverina ihany,io olona mijery ahy mihira io hoy izy ary tia ahy izy saingy manambady ka izaho tsy hiaraka aminy.Ary ianao miafona eo ambadikin'ny lambam-
baravarankely hoy aho,nisy zavatra nataonao ve ka afeninao,izaho hoy izy nisotrosotro taloha fa tsy hita ao anaty baiboly kosa aloha ny hoe aza misotro labiera e.Nony tonga ny ampitso,inona no nitranga hoy ianareo? Ilay akanjo ambony tao anaty nofiko no nanaovany, ary nisy namany iray tonga tao amin'ny toerana fiasany ka nitondra tavoahangy fotsy izay ary hitan'ny masoko izao izy roa nandraraka taoka saingy tsy nahatadidy na ninia ny tsy natadidy ity mpiara-miasa amiko mikasika ilay nofy.Teo aho vao tonga saina ary nanontany tena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0796