Ny vehivavy momba na tsy afaka manaranaka?!

1. vale ( 05/12/2006 19:23)
Hono ho aho e, mba nahalasa ny eritreritro ihany io lafin-javatra iray io, izany hoe taloha be teo @ fiaraha-monintsika malagasy dia toy ny hoe vehivavy ratsy foana raha vao tsy afaka miteraka ilay vehivavy! ka lasa ataon'ny olona faneso, na enjehan'ny fiaraha-monina,anefa anie tsy fidiny azy ireny ny mahatonga azy tsy afaka hanaranaka e, anefa raha ny lehilahy no momba dia toa tsy misy mpiteny?, tsy hoe be fanankihana ny fiaraha-monina eo @ tsika malagasy aho fa amiko manokana dia hitako tsy mety io fomba fisainana iray io!! asa mba manao ahoana ny fihevitrareo ny @ izay!
répondu par fslems le 16/10/2015 19:34
2. fasaly ( 05/12/2006 20:00)
mbola misy mankina foana anzany angah ky hatram zao ry vale:roll:
3. kelly13 ( 05/12/2006 20:09)
za manana namana tsy mbola niteraka mandrak'ity ny androany ry reto fa d tena mamapalahelo tokou le sipa fa nenjehin'ny fianakavian'ilay bandy ery. natao ary ty karazana analyses etc... fa kay samy tsy misy miteraka izy mitsam! d ny sisa azondry zareo natao d nanangana! mampalahelo nefa atao aôna mou! fa matetika d ny vhv fôna no voaenjika @ io toejavatra iray io! na aty @ tany mandroso aza izany mbola hita iany"
4. vale ( 05/12/2006 20:24)
fasaly: efa mba nihena aloha izao e!!
5. vale ( 05/12/2006 20:26)
kelly13: izay indrindra, maninona rehefa ny vehivavy dia enjehina, fa rehefa ilay lehilahy dia tsy enjehina!
6. fasaly ( 05/12/2006 20:36)
ny gasy ihany alou no tena itako mametraka blem amin'io fa ny vazà mora mi comprendre e! de manangana, misy aza oul miteraka fa mbola managana ihany koa!!
7. Fiffi ( 05/12/2006 20:47)
nefa ange tsy fidiny ho azy zany an !
8. fasaly ( 05/12/2006 22:40)
zay zany mitsy e!:?
9. vale ( 05/12/2006 23:30)
fasaly: ny vazaha tena mi-comprendre be kan:P, fa ny fiaraha-monina gasy! ary raha vô lhl de tsisy tsiny :? mintsy fa raha vao vhv!:{:{:{ :?
10. diamondra27 ( 06/12/2006 08:28)
manangana rehefa tsy afaka miteraka
11. booboo ( 06/12/2006 09:28)
Angamba satria @ Malagasy, ny hanambadin-kiterahana ary tena zava-dehibe izany hoe mana-taranaka zany na resaka fameloma-maso ny anarana fotsiny aza.

Ilay hoe ny vehivavy foana no voateny dia hitako hoe normal satria izy no mpitondra vohoka ary mbola vitsy kely ny oul manatona dokotera ka mahafantatra fa mety ilay lhl no momba fa tsy ilay vhv...
12. miangalyandria ( 06/12/2006 09:55)
Izaho koa miombon-kevitra amin'i Booboo saingy efa nahita aho hoe ilay lehilahy no nahazo tsiny satria nanary ny akoho taman-trano izy tamin'ny voalohany fa noheveriny fa ilay vadiny voalohany no tsy niteraka dia naka faharoa vehivavy efa niteraka saingy mbola tsy nanatody ihany e dia teo dia nanome tsiny amin'izay ny fianakaviana hoe raha ianao tokoa no tena tsy nanao dia tokony tsy nanary an'ilay voalohany ianao fa nijanona taminy satria hay anao ny fahamombana fa nety tsy ho azy irery. Maty momba izay lehilahy izay.
13. vale ( 06/12/2006 13:15)
diam: ka ianao no miteny an'izany fa be koa ny miala nenina aloha,ity oh kely iray aza: nisy zaobaviko taloha izay nampalahelo be, de toy izany koa, izy tena voaenjiky ny havam-badiny be, hay nony natao ny fizahana, ralehilahy no momba, de nanangana zaza ry zareo avy eo kah!!!
14. vale ( 06/12/2006 13:20)
booboo: mety ho izay tokoa angamba!!
15. kala ( 06/12/2006 14:07)
mahagaga tokoa ange ny fomba fisainana ê! 8O

raha vao misy tsy fetezan-javatra dia ny vhv foana no voakiana :(

misy mivady anefa fantatro, dia tsy niteraka mihitsy ry zareo, dia teny ihany, tsy nisaraka. Nilanja ny eson-tenin-kavana ravehivavy fa tsy nahay naka vady hono ny anadahiny....
Taty aoriana, niteraka ihany! dia faly ery fa hoe nahazo zaza zany. Inona hoy nareo? Hay ralehilahy no tena tsy manao raha! Fa nanao fifanarahana izy roa mba hanaovandramatoa bevohoka amin'ny lehilahy hafa mba hanala ouain azy.
Diniho hoe telo ny zanany, nefa tsy misy zank'ilay lhl na iray aza.
Rehefa izy zany no tsy miteraka dia afenina sy itadiavana hevitra. Navoakan-dramatoa daholo ny secrets taty aoriana!:twisted:
Fa maninona raha samy zakaina ilay eso sy enjika nahazo tery ambony? :wink:
Manangana rehefa tsy misy, akory atao! ny fitiavana no atao matevina tsara hiatrehana ny fiainana manaraka
:) de ampy
16. vale ( 06/12/2006 19:25)
kala: :?, raha zah ilay vhv tsy nety niaraka t@ tsony ah, aiza ve kou reefa hoe izy de enjehina ohatra ny inona, de rehefa le lhl de alefa indray le vadiny miaraka @ olona hafa ery mba hazoana taranaka, sy hanakonana ny henatra:{
tena tsy rariny!!
17. kala ( 07/12/2006 08:59)
vale:

kala: :?, raha zah ilay vhv tsy nety niaraka t@ tsony ah, aiza ve kou reefa hoe izy de enjehina ohatra ny inona, de rehefa le lhl de alefa indray le vadiny miaraka @ olona hafa ery mba hazoana taranaka, sy hanakonana ny henatra:{
tena tsy rariny!!


ka izay mihitsy ange no niafaran'ilay tantara ê! sady le vhv nivoaka mpandresy na dia nenjehina aza, :wink:



18. tywa68 ( 07/12/2006 10:05)
Tena marina io ry vale !
Nefa efa hiaraha-mahalala fa ny lhl koa misy olana fa tsy avy hanao ny analyses fotsiny ! mahamenatra azy ny atao hoe tsy miteraka ! (na matsatso ny fikany) !
19. xxx ( 07/12/2006 13:38)
fa io ve zany detsy azo tsboina mihintsy eh!
20. Fiffi ( 08/12/2006 13:35)
raha stérile aloha de tsy possible ! saingy hoy aho hoe "inona moa ny zavatra tsy vitan'Andriamanitra" ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1869