Ny safidy

1. soanja ( 03/12/2006 20:03)
Mba te hametraka ity lohahevitra ity aho noho ny fahitako ny mahasarotiny antsika amin'ny finoan'ny hafa.
Ny Safidy no teotra na zavatra iray nomen'Andriamanitra antsika hampiavaka antsika amin'ny zavatra hafa namboariny. Ny biby koa nomeny saingy tsy lasa lavitra ny ahavony toy ny nomeny antsika.
Koa raha mitaky ny fivavahanao na ny finoanao fa tokony hanaparitaka na hampiely ary hitarika olona ianao ho any amin'ilay finoanao dia tsy maninona izany. Azo atao tsara ary tsara ny milaza izany finoana izany eto na eny rehetra eny ho fantatry ny be sy ny maro.
Saingy izay ihany no azonao atoa satria ny ankoatran'io dia safidy sisa no miasa.
Koa mahereza amin'izay atao rehetra fa aza hadino fa manan-tsafidy ny olona tsirairay hanaraka izay tiany aleha ary mifarana hatreo ny adidinao. Anareo ny sehatra.
répondu par tywa68 le 08/12/2006 10:13
2. Fiffi ( 03/12/2006 20:16)
suivez-moi , je vous ferai des pêcheurs d'hommes
3. Achia ( 03/12/2006 20:33)
Anaraka an'i Fiffi ve zany ? sa ahoana e !
4. cutie ( 03/12/2006 20:34)
:-D:-D:-D:-D
5. Fiffi ( 03/12/2006 20:49)
Achia: Jesoa akia no nilaza an'io an ! de andao arahana akia izy an ! sady efa Alahady Avent isika zao...:):-*
6. Zina ( 03/12/2006 23:45)
Mba te hametraka ity lohahevitra ity aho noho ny fahitako ny mahasarotiny antsika amin'ny finoan'ny hafa

Tsy itako izay hidiran'ny finoana eto...miresaka sy mampiseho izay fahamarinana fantany ny rehetra avy ao @ baiboly ( ny tenin'Andriamanitra)no resahina...Tadidio tsara fa ho betsaka ny olona izay tsy ampizinao ho voanvonjy ohatra fotsiny ireny olona teny itan-tsika oe tena ratsy ireny mety mibebaka @ Andriamanitra izy @ fony manontolo... Andriamanitra no mahalala an'izany..
Fa marina tokoa antsika tsirairay avy ny Safidy: na hanaraka an'i Jesosy na tsy...
7. cutie ( 04/12/2006 00:09)

Fa nga tsy finoana njay ny miresaka sy mmapiseho zay fahamarinana ao @ baiboly ?:lol::lol::lol:
8. Zina ( 04/12/2006 00:19)
cutie a ny fahafantarako ny tian'i Soanja lazaina eto momban'ny finoana dia ny religion-nao... dia avy t@ io aho no namaly an'ilay izy...ka asa na io no tiany lazaina..

fa ny lazain-njy io marina ka...
9. cutie ( 04/12/2006 00:22)
ka religion sy finoana zany nga tsy mitovy ihany ?:lol:
10. Zina ( 04/12/2006 00:36)
mitovy fa misy isan-karazany ka.
ohatra ny protestant hafa ny finoany
ny katolika hafa ny finoany
ny adventista hafa ny finoany etc....
11. soanja ( 04/12/2006 01:23)
Zina:

Mba te hametraka ity lohahevitra ity aho noho ny fahitako ny mahasarotiny antsika amin'ny finoan'ny hafa

Tsy itako izay hidiran'ny finoana eto...miresaka sy mampiseho izay fahamarinana fantany ny rehetra avy ao @ baiboly ( ny tenin'Andriamanitra)no resahina...Tadidio tsara fa ho betsaka ny olona izay tsy ampizinao ho voanvonjy ohatra fotsiny ireny olona teny itan-tsika oe tena ratsy ireny mety mibebaka @ Andriamanitra izy @ fony manontolo... Andriamanitra no mahalala an'izany..
Fa marina tokoa antsika tsirairay avy ny Safidy: na hanaraka an'i Jesosy na tsy...

Raha fehezina ho bangotokana io lohaveitra io de hoe : "Safidy ny finoana"
Tsy niresaka baiboly mihitsy ahy eto fa dia izay mety ho finoana.

12. dailynews ( 04/12/2006 01:55)
Zina:

mitovy fa misy isan-karazany ka.
ohatra ny protestant hafa ny finoany
ny katolika hafa ny finoany
ny adventista hafa ny finoany etc....

raha ny fahitako azy indray aky dia izao a. na ny protestanta, na ny evanjelika, ny batista, na ny methodista, na ny loteriana, na ny Jesosy mamonjy na ... .....dia finoana iray ihany no hinoany dia I Jesoa Krsity velona sy nintsangana t@ maty. Saingy kosa ny fombafombampivavahana ao aminy no mahasamihafa azy fa ilay finoana fototra iraisana dia ny finoana kristiana.

Ny finoana hafa kosa heveriko dia ny finoana bodista, ny silamo, ny vavolombelon i Jehovah(izay tsy mino an i Krsity ho Atra mihitsy anefa izay no fototry ny baiboly), ny mormon, ny hindoista, ny kabalista, ny siontologista, ny ..... ....
13. cutie ( 04/12/2006 02:52)
Raha fehezina ho bangotokana io lohaveitra io de hoe : "Safidy ny finoana"

Safidy ny hino
safidy ny tsy hino :-D:-D:-D
14. dailynews ( 04/12/2006 03:48)
15. soanja ( 04/12/2006 04:49)
cutie:

Raha fehezina ho bangotokana io lohaveitra io de hoe : "Safidy ny finoana"

Safidy ny hino
safidy ny tsy hino :-D:-D:-D

Cutie arakindry le izy. :D

16. ikaretsaka ( 04/12/2006 04:57)
ary cutie intelizansa an
17. majesty ( 04/12/2006 06:47)
Marina io voalazan-ndry io ry soanja fa ny olana fotsiny dia izao,ny olombelona tsy dia mahay misafidy loatra :D,firifiry ohatra ireo mpivady izay nilaza fa io vadiny io no tena nosafidiny tao anatin'ny maro kanefa afaka taona vitsivitsy na maromaro aorian'ny mariazy dia betsaka no tra-panenenana fa tsy tena safidiny ndray io vadiny io:D
18. booboo ( 04/12/2006 08:47)
miombon-kevitra @ Dailynews
19. soanja ( 04/12/2006 14:23)
majesty:

Marina io voalazan-ndry io ry soanja fa ny olana fotsiny dia izao,ny olombelona tsy dia mahay misafidy loatra :D,firifiry ohatra ireo mpivady izay nilaza fa io vadiny io no tena nosafidiny tao anatin'ny maro kanefa afaka taona vitsivitsy na maromaro aorian'ny mariazy dia betsaka no tra-panenenana fa tsy tena safidiny ndray io vadiny io:D

Ka raha izay no nitranga ry Majesty de tsy fantany izany ny atoa hoe Safidy fa niteniteny foana izy raha tsy hoe angaha no-forcer-na izy nanambady izay olona izay. Misy be dia be mantsy izany ao anatin'ny finoana Mormon Fundamentalist.
NY tiany tenenina fa tsy tafavoakany na ninia tsy te hiteny dia ny hoe " Ratsy le safidiko iny" na "Diso aho fa tsy nahay nifidy tsara."

20. cutie ( 04/12/2006 18:49)
Mpandefa : majesty [ Valio ] 04-12-2006 07:47:06
Lohateny : Re : Ny safidy
Marina io voalazan-ndry io ry soanja fa ny olana fotsiny dia izao,ny olombelona tsy dia mahay misafidy loatra ,firifiry ohatra ireo mpivady izay nilaza fa io vadiny io no tena nosafidiny tao anatin'ny maro kanefa afaka taona vitsivitsy na maromaro aorian'ny mariazy dia betsaka no tra-panenenana fa tsy tena safidiny ndray io vadiny io

avadik'i majesty njay le resaka :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1821