Fanakorontanana.
1. Fiffi
(
22/11/2006 18:40)
Tratra ny fitaovam-piadian'ny jeneraly Fidy .
Rava ny tetika nokotrehin'ny jeneraly Randrianafidisoa. Saron'ny mpitandro ny filaminana daholo teny an-trano fonenany ireo fitaovana samihafa saika hanakorontanany ny firenena.
Saron'ny mpitandro ny filaminana avy ao amin' ny Emmo/Far avokoa ankehitriny ireo fitaovam-piadiana teo am-pelatanan' ny jeneraly Randrianafidisoa. Manomboka any amin'ny bala natao hihazana “calibre 12” izay miisa 75, ny karazam-bala “22 long rifle” valo boaty, ny “flécheur avec plaquette avec13 tiges”, ny fanapoahan-javatra mandeha amin'ny herinaratra izay miisa 25, dinamita, ary ireo fitaovam-pifandraisana samihafa maro karazana miaraka amin'ny kojakojany avy miisa 45. Hatramin'ny “flash disk” miisa telo.
répondu par fijo le 23/11/2006 22:57
2. Fiffi
(
22/11/2006 18:41)
tohiny...
Teny amin'ny tranony teny Ambolokandrina sy teny Ankadivato Ambodirotra avokoa, raha ny fanazavana nomen' ny komanda Ramaroson Tahina, komandin'ny borigadin'ny zandarimariam-pirenena misahana ny raharaha heloka bevava teny Fiadanana, no nahatrarana ireo fitaovana ireo. Taorian'ilay fidinana teny Ambolokandrina nataon'izy ireo teny amin'ny trano fonenany ny alahady teo mantsy, izay nikarohana ny jeneraly Fidy ka tsy nahitam-bokany, dia nahazo alalana avy tamin'ny lehiben'ny Fampanoavana hiditra sy hisava ny tranony ireo mpitandro ny filaminana.
Afak'omaly no niverenana ary nosavaina ny teny Ambokandrina ary omaly maraina vao mangiran-dratsy kosa no natao ny teny Ankadivato.
“Tsy nisy olona avokoa, izany hoe tsy nahitàna ny fianakavian'ny jeneraly Fidy, tao amin'ireo tranony roa ireo tamin'ny fotoana nidinanay teny. Ka tsy maintsy naka ny fepetra rehetra tandrify izany izahay. Naka vadin-tany, ny tompon'andraikitry ny fokontany ary solotenam-pokonolona vitsivitsy, izay vao notanterahina ny fidirana tao an-trano”, hoy ny komanda Ramaroson Tahiana.

3. Fiffi
(
22/11/2006 18:42)
tohiny...
Antontan-taratasy
Nosoritany fa ankoatra ireo fitaovana marobe tratra ireo dia sarona ihany koa ny antontan-taratasy matevina sahabo 300 pejy mirakitra ny hampiasana ireo fitaovana ireo. Na dia tsy nilaza mazava ny votoatin'ny lahatsoratra voarakitra ao anatin'izany aza ity tompon'andraikitra ity dia nosoritany kosa fa misy hifandraisany amin'ireo vesatra iampangàna ny jeneraly Fidy ny zava-boasoratra ao anatiny. Dia ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, fikomiana, vonoan' olona, fandrahonana ho faty am-bava, fisandohana andraikitra ary fitanana olona an-keriny.

4. Fiffi
(
22/11/2006 18:44)
tohiny....
Ankoatra ny jeneraly Randrianafidisoa sy ireo manamboninahitra enina hafa izay anaovana fikarohana fatratra amin'izao fotoana izao, araka ny didy fampisamborana navoakan'ny lehiben'ny Fampanoavana, dia misy miaramila efatra hafa no voalaza fa indray anaovana fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
Efa mandeha moa amin' izao fotoana izao ny famotorana ka ho hita eo ny tohiny. Na izany na tsy izany, nanamarika ny komanda Ramaroson tahiana fa fitaovana sarobidy avokoa ireo fitaovana tratra tao amin'ny Jeneraly Fidy ireo ary natokana ho an'ny miaramila irery ihany. “Tsy tokony ho hita eny am-pelatanan'ny sivily”, hoy izy.
Nirina Rakotoson L'Expresse de Madagascar

5. tafita
(
22/11/2006 22:03)
Gaga indray zaho marina e, fa dia tsy maha-menatra ny olona tokoa ny mivadika gisa mainty izay ho ny Ntaolo .... Dia manamboninahitra ambony tahaka itony ve nama no mikotrika zavatra tahaka izao ......
Loza tokoa e
Loza tokoa e
8. xxx
(
22/11/2006 23:24)
tafita et Fiffi> ka tsy maintsy olona ohatra ireny foana vao afaka ahavita coup d'état.
Satria raha miaramila zazavao tsy afaka hanao izany mintsy. Ny tiako tenenina de hoe manamboninahitra daholo ny mpanonga-panjakana: jereo Mauritanie, Thailand, Lybie (Kadhafi)..sns...
Io ny alehany rehefa te-hitondra fanjakana @ fomba haingana indrindra...

11. ratonga
(
23/11/2006 00:08)
dé ahoana ndray ary no tena hevitr'ireto kandidà reto klé:roll::?:
http://fr.news.yahoo.com/22112006/290/soutien-des-candidats-presidentiels-malgaches-au-general-fidy.html

13. Fiffi
(
23/11/2006 06:27)
vegas:marina zany ! saingy hoy aho hoe......na de jeneraly aza izy ve de hanana droit @ fananany basy bdb tahak'zany ? Raha mijery ny jeneraly aty ivelany zao an ! heu...manana basy firy izy ? ao an-tranony ve ?
Ahoana kosa moa no tokony tsy ananany basy? izy anie ka jeneraly e!
Na izany aza de ny zavatra tena mahagaga ahy de zao: zany olona hoe jeneraly zany de censé mahafantatra ny secret d'état , olona ambony ! nefa de mahasahy mi-divulgué zany secret d'état zany ? De mba ho aiza ny firenana raha ny olona ambony toerana jeneraly zany no andeha hamoaka ny secret d'état ?
14. kitjo
(
23/11/2006 07:06)
o ry vegas an, ngah jeneraly ray manana basy firy?
dia ataony inona ao antranony sa @anarany personnel ve?
fa mitonatonana koa aloha @zao toe-draharaha izao v tsy mba afenina toeran-kafa fa ao antrano?

15. Fiffi
(
23/11/2006 08:25)
io ange no tena mahagaga eh ! azo hatao ny fananana basy 1 normaly zany saingy.......firy no hita tao an-tranony ? saika hanaovana inona ?
16. mandrindra
(
23/11/2006 09:42)
ravatorano, tokony ho samborina dia gadraina ireo kandida ireo sy izay rehatra manohana fanonganampanjakana. heveriko fa mbola misy lalàna azo ampiharina angamba amin'ny toe-javatra toy izao.
17. manantsoa
(
23/11/2006 09:43)
Tena tsy mahatanty resy ireo mpanao politika gasy e. tsy mbola nisy vokam-pifidianana nivoaka aza dia efa manakorontana ry zalahy ; maika fa vita matavy 1er tour eo.
Tena tsy mampino mihitsy ny aretin-dratsy misy amin' ireo mpanao politika ireo . Malahelo ilay caution tsy ho tafaverina ny sasany dia manakorontana sisa.
Isika vahoaka anie no tokony andray andraikitra hanafay an' ireo e.

18. akama2006
(
23/11/2006 12:15)
aza mikorapaa zalahy fa apres 3 dec vao tenazavatra!miziriziria ihany aminy hevitra diso sy fanaparampahefana fa rehefa tsy misy candidat hanaiky ny valimpifidianana eo dia manomboka ny krizy ary tsy diso le filazana hoe ampitomboy 4 na mihoatra ny taminy 2002 aza!
19. rakotoyvon
(
23/11/2006 14:59)
andohanatady no novakiany dia izao indray izy no ho vakiana - ny atao ihany no miverina mahalala hoe tsy mety io koa no mbola miditra mandoa 125 miliô ihany - ny mahalala lalana tahaka ny avi @ izay hisôsy zao tsy miteny satria raha mahazo eo dia mety aminy io daty tadidio ry akama fa raha mbola be tahaka izao ny mpanao politika miady seza dia mbola tsy ho tafita mihitsy isika ra tahaka ireo 11 ireo no milaza habobo hitondra firenena e
20. Fiffi
(
23/11/2006 15:43)
ny zavatra tena tsy azoko kosa aloha an ! de zao fotsiny ! fantatra fa tsy ahomby zany fanakorontanana zany ary hanimba zavatra bdb ! io ve de tsy maha-tonga saina an'ireny olona ireny ? de faly fotsiny hanakorontana zao na de efa fantatra aza fa tsy ahazo na inona na inona eo !
jereo ange ity an !
Fitaovam-pifandraisana marobe (maherin’ny 50) no sarona tao amin’ireo tranon’ny jeneraly Fidy tamin’izany. Ny trano teny Ambolokandrina moa dia trano efa nipetrahany tamin’izy tale jeneralin’ny OMNIS. Nony niala tao amin’ny OMNIS izy ka lasa Filohan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny orinasa SECREN dia mbola nijanona tao amin’io trano teny Ambolokandrina io ihany, ka ny SECREN indray no nanofa ny trano. Efa tsy PCA-n’ny SECREN intsony moa izy saingy mbola nipetraka tao amin’ilay trano ihany. Nipetrahan’ny jeneraly Fidy ihany koa ny tranom-panjakana, natokana ho an’ny manam-boninahitra jeneraly eny Ankadivato-Ankorahotra.