Lasibatra ny FLM raha sanatria ka lany eo i Ravalo!

1. ronaldo09 ( 20/11/2006 12:17)
Raha sanatria ,sanatria sanatria,ka lany eo io rangahy io dia miomana isika FLM(Fiangonana Loterana Malagasy )amin'ny fanenjehana,tadidion-tsika tsara ny nanaovany ny FPVM izay nakatony satria nirona nakany daholo ny ex-Andravoahangy iray manontolo ary efa nielim-patrana manerana an'i Madagasikara ity fiangonana ity ka natahorany amy maha FJKM azy!
Hoy aho hoe ny FLM satria ny mpanompon'Andriamanitra LAHINIRIKO dia FLM ary mpikambana ao amin'ny birao foibe mihitsy ,ity olo-mahatokin'i Kristy ity anefa mifanandrina aminy ary raha lany amin'ny fangalaram-bato izy dia hivadika any amin'ny Loterana ny rambony.
Efa niala tao aminy ny fanahin'Andriamanitra ary efa nafindrany tao amin'ny Lahiniriko koa ,samia isika mivavaka ho an'ity president sortant ity mba tsy ho lany eo ary ho potika ny asa-matin'i satana eo amin'ny fangalaram-bato!
répondu par kitjo le 21/11/2006 16:25
2. Fiffi ( 20/11/2006 12:29)
ronaldo09:
Raha sanatria ,sanatria sanatria,ka lany eo io ary raha lany amin'ny fangalaram-bato izy
tsy mila an'zany hoe hangala-bato zany izy fa ho iza indray ary no heverinareo fa ho lany eo eh ??


3. hery ( 20/11/2006 12:32)
Dia ho voa daholo isika rehetra izany...

I Ny Hasina Andriamanjato moa inona ny fiangonany? Dia izay rehetra ao amin'io fiangonana io dia ho voahenjika :-)
I Ratsirahonana koa inona ny fiangonany? Dia izay rehetra ao anatin'io fiangonana io dia ho voahenjika
etc...

Toa tsy dia hainareo ilay politika fa ny baolina ihany karakaraina :-p
4. kitjo ( 20/11/2006 13:02)
ihihihhi

nande inona le fanahy niala tao aminy nankao @ Lahinirinao?

sa nanao escale tany Brazil? hihihihi
5. vale ( 20/11/2006 13:15)
hihihihihihi..
6. kitjo ( 20/11/2006 13:26)
za aloha FLM hiringiriny be fa ravalo ihany ny anah e...

sady raha tsy izy tsy vita ny lalana tany Ankaramalaza..nampijaly mitsy iny raha tsy nanana 4*4 sahirana mankany taloha!

sa sao dia an TIKo koa aza iny e...hahahhahahhahaa...
7. Bethebest ( 20/11/2006 13:45)
Aleo angamba ny mpanao politika ihany no hampifangaro politika sy fivavahana, izy aza efa tsy fidiny raha tonga amin'izany sehatra izany. Aleo isika ety ivelany tsy hampifangaro an'ireo fa manjary mety ho ady no hiafarany
8. narima ( 20/11/2006 14:11)
Mba fantatrao miteny io ve fa ny"Fanahy masina" io resahinao io. Mba fantaro ihany ny zava-masina vao miteny fa mampatahotra be. Mahazo misafidy enao fa aza maka ny toeran'Andriamanitra.N'iza n'iza mahazo fitondrana eo dia sitrapon'Andriamanitra izay, mino izany ve ianao? Raha mino izany ianao dia ento am-bavaka zay mpitondra eo mba hatahotra an'Andriamanitra.
9. bazylou ( 20/11/2006 15:14)
Aleo ho lany fa izahay flm ary efa hitanay no anaovana azy raha mamely eo io!!
Very fihinanana io raha vao asian'ny flm!!
Ao amin'ny flm anie ny norvezianina sy ny suedois ry zareo e!! ka tandremo lahy!! sao very fihinana eo ialahy le8!!
10. kitjo ( 20/11/2006 15:22)
tsitako mits ze idiran zany amzany ry bazylou f aza d miteny2 foana an

ratsiraka nga mo katolika e..d ngah nande ny norvegiana sy suedois?

refa tsy mahita lazaina moa d mipetraka fts fa aza mihantsy ady @ resa-pivavahana indray!

d hoe horangitinareo @io ve ny FLM?


11. SNAR ( 20/11/2006 15:34)
Ny Fivavahana no atao hoe asa Masina, Fitaovana ilaitsika olona satria ny mpino dia io no hery lehibe ho azy.
Ny fitondrana Fanjakana indray dia asa lehibe eo @ firenena, Mafy io asa io ka mila hentina ambavaka mandrakariva ho an'izay rehetra mitondra ao fa tsy olona iray ihany akory.
Ka noho izany, asa roa mifameno eo @ fiainantsika olombelona ireo, ka tsy tokony hisy ampiady mihitsy. Fa raha misy izany dia eo @ maha-olombelona azy ireo sisa no hiasany ka tsy ahomby mihitsy ny zavatra ataondreo satria ny fanahy ratsy no anjaka ao @. Aza ny Fivavahana na ny antokom-pinoana isan-karazany no entinareo anaovana propagande fa lasa mampifangaro zavatra tsy mety isika. Satria ve mila vato Lahiniriko dia ny Fiangonana no atao fitaovana? Aza ny anaran'Andriamanitra no tonotononina foana. Aza ampiasaina @ fitiavan-tena ny voninahitr'Andriamanitra fa sao voakapoka.
Mieritrereta tsara vao miteny fa aza ny maha-Kristianina anao no hireharehana. Andriamanitra mahay ny azy sy izay tiany hitondra eo, fa tsy anjaratsika olombelona izany ka lasa mibaiko an'i Jesosy isika.
12. kitjo ( 20/11/2006 15:35)
Tongasoa ato i snar..ihhiihih
13. xxx ( 20/11/2006 16:06)
baolina letsy hatao ry ronaldo a ! ra hendry ianao izay hatafiditra anao ao @ real de madride hatao e ! zay to tsy nahita anao tao mba ho solotenan'ny gasy e ! izay fahaizana na talenta anananao ampitomboina fa aza any a@ zavatra tsy hay , de ampio ny fianakavianao , aza mini bus tsony hanampiana azt fa mba zavatra hafa raha mahay e !
14. Imahaka ( 20/11/2006 16:07)
15. andratax ( 20/11/2006 17:36)
zah kou Loterana fa hifidy ravalo
Tsy maninona fa omena 10% lahaniriko é
:twisted::twisted:


16. kitjo ( 20/11/2006 17:52)
in njay ny sujet de propagande fanaratsiana ry ronaldo?

fa aiza alo zay mba propagandy ho an kandida-nareo fa toa lany andro mitady zavatra hanaratsiana anravalo fts e?

efa hita fa tsy manjary ilay resaka
17. Stone ( 20/11/2006 21:12)
Aza hafangaro ny baolina sy ny politika Ronaldo. Izaho tsy naka Brésil.
18. bazylou ( 20/11/2006 21:35)
izany no ozy ry kitjo !! hay ve ka tsy mahazaka ady hevitra ianareo itony e!! fa angaha terenao hitovy aminao daholo ny pokona!!
19. ronaldo09 ( 21/11/2006 13:02)
Ronaldo sady mahay baolina no sady mahay politika !Raha tsy afangaro ny fivavahana sy politika ,iza no nanao fitaovana ny fivavahana tamin'ny 2001 tsy ravalo?Aza matahotra minoa fotsiny ihany taloha ,dia niala ny fanahin'Andriamanitra dia hoy indray izy hoe :tohizo ny lalantsika!Ka tsy misy andiny azo ampiasaina intsony ao anaty Baiboly.
Hoy i xxx ery ambony :raha hendry ianao dia ny hahatafiditra anao ao @ real no atao:raha hendry ianao dia mivoaha ao amin'io XXX io dia miresaka avy eo matoa tsy mivoaka matahotra!
20. kitjo ( 21/11/2006 16:25)
mba valio ny fanontaniako ry bazyl f aza ahodina ny resaka an!

aiza oa ze mba propagandy ho an'ny kanida-nareo e!

fa zay FLM ronaldo fa tsy probleme-nay zany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1169