Madagasikara
1. fens
(
07/11/2006 14:26)
asa hoy aho raha mba misy amintsika ireto nymahafantatra ny dikan'ny teny hoe MADAGASIKARA, ny niaviany , ny dikany sy izay hevitra rehetra fonosiny.
nisy vahiny nanontany ahy ny dikan'io mantsy ka tsy voavaliko tamin'izay dia mba tiako hifampizarana raha toa ka mba misy mahay io.
misaotra betsaka e!
nisy vahiny nanontany ahy ny dikan'io mantsy ka tsy voavaliko tamin'izay dia mba tiako hifampizarana raha toa ka mba misy mahay io.
misaotra betsaka e!
répondu par fens le 12/11/2006 13:52
2. andry44
(
07/11/2006 15:33)
tena mba liana @zany koa ny tenako ry namana fa tena tsy manakavaly fa miandry eto isika a!Misaotra @lay lohahevitra:!
3. kiali
(
07/11/2006 17:11)
angah moa misy dikany daholo ny anaran'ny firenene retra!! mba nanotaninao azy oe inona ny dikan'ny anaran'ny fireneny??
4. Fiffi
(
07/11/2006 18:13)
tena mba nitady hiany zah fa tsy nahita nefa bdb ny site milaza ny tantaran'i Madagasikara !
7. fens
(
09/11/2006 14:42)
de miandry ihany zany kalou isika fa tsy mbola nisy nahavaly ko!
kiali: ka raha tsy misy dikany ange de tsy haiko hoe maninona no napetraka foana teo e!
kiali: ka raha tsy misy dikany ange de tsy haiko hoe maninona no napetraka foana teo e!
8. lapino
(
09/11/2006 15:15)
Tao amin'ny blaogin'i Jentilisa :
http://jentilisa.blaogy.com/post/122/785#comment-1796
Rajiosy:
II-AVY AIZA NY TENY HOE "MADAGASIKARA"? :
Ho an'ireo Jiosy niaraka tamin'ny Fenisiana nalefan'ny Mpanjaka Salomona taty dia endrika "sarina trondro" no nahitany ity Nosy ity. Ary rehefa nandalo sy nivezivezy nanodidina ny Nosy izy ireo dia nanontany tena hoe "io ve ilay tany miendrika sarina trondro be sy ny valim-pitia, na valin-kasasarana"?
Amin'ny teny hebreo izany dia hoe: Ma (= Moa) + Daga (= Trondro be) + shakar (= valim-pitia, valin-kasasarana, karama), izay manazava sy manome ny hoe "Madagasikara".
Iza ny "Malagasy"? Avy amin'ny teny hebreo taloha ny teny hoe "Malagasy" ary midika ho "Mpiantsambo" (Hb. = Malakh) izay "mamakivaky" ranomasina na "nandalo dia lasa" amin'ny sisin'ny morontsiraka na "mandalo dia tsy hita nanjavona" (Hb. = gaz) satria lasa niakatra sy nipetraka taty afovoany izy ireo. Tsy iza izany fa ireo Jiosy mpiantsambo niditra teto Madagasikara no atao hoe "Malagasy".
http://jentilisa.blaogy.com/post/122/785#comment-1796
9. fens
(
12/11/2006 13:52)
lapino: efa henokenoko ihany io version iray io fa te hahazo confirmation amin'ny maro aho sady te hahafantatra koa raha sendra misy manana version hafa! fa misaotra betsaka aloha e!