Moa Petera,Papa voalohany?Was Peter the first Pope?

1. linarako2 ( 06/11/2006 16:06)
Misy sary tsangambato iray ao Roma izay an'i Petera ka nolazain-dry zareo fa izy no Pope voalohany ka tonga miankohoka amin'ny daholo ny olona, indrindra ny vatican sy ny Pope. Araka ny finoan'ny sasany dia apostoly Peter no lohan'ny fiangonana ka izany no nanao vana azy ho pope ary nolazain-dry zareo fa nitondra tao Roma izy nandritra ny 25 taona. Hatramin'izao dia mbola mitohy foana ny fisian'ny pope amin'ny fiangonana sasany kanefa ny baiboly milaza fa Jesosy Kristia no lohan'ny fiangonana fa tsy pope "Christ is the head of church not pope ( Eph,5:23)".Petera milaza fa jesosy no vato fototra ahazahoana famonjena koa ahoana indray no lasa izy no lehin'ny fiangonana? Tsy mifanohitra ve izany? Lazao izay mba fantatrao.Tsy misy teny mihitsy milaza fa tany Rome Petera
répondu par prime le 27/11/2006 11:25
2. xxx ( 06/11/2006 16:24)
Jesosy nanantanian'ny olona fa iza moa izy. ka ny sasany nilaza mpaminany izy, mesia , Jaona mpanao Batista izy, Eliah.Ary raha nanontany an'ny mpianany Izy dia samy namaly fa izy no Kristy,Zanak'Atra velona.
Izay no nahatonga an'i Jesosy nilaza fa Petera no vato ary eo amin'ny no hametrahany ny fiangonanany. Petera izany no nitory teny voalohany tamin'ny andro nilatsahan'ny fanahimasina ary nanavotra fanahin'olona maro 3,000 izay jentilisa ary tamin'io andro notoriany teny io no nanomboka niteny tamin'ny teny maro ny mpianatr'i jesosy.Petera no nitondra sy nyitarika ny apostoly ary rehefa,saingy rehefa niseho tamin'i Saoly izay lasa Paoly dia izy indray no tena nitondra ny fiangonanana ary nanoratra testamenta vaovao mihisa 100 ny lohateny izy 2325 ny tonony ary Petera kosa dia 8 fotsiny ny lohateniny na 166 ny tonony
3. xxx ( 06/11/2006 16:42)
Ahoana koa izany. Tsy nisy mihitsy ao amin'ny baiboly hoe tany Roma Petera. Paoly aza nandefa taratasy tamin'ny namana aman-tsakaiza ary tononiny eo daholo ny anarany kanefa raha tany Roma tokoa i Petera tsy mba nanaovany veloma tokoa ve? Tsy misy mihitsy ao anaty baiboly milaza ny fisian'i pope koa ahoana no mamorom-porona fotsiny ny sasany. Ny pope tsy manambady kanefa Petera nanambady. Tonga nitsidika tao an-tranony Jesosy ka nanasitrana ny rafozan'i Petera voan'ny tazo.Matio 8:14.Tsy nanaiky niankohoka taminy izy raha nanantona azy ny olona."mitsangana fa izao dia olona mitovy aminao ihany koa.Asan'ny apostoly 10:25-26. Petera dia tsy nanao satroboninahitra satria na Jesosy aza tsy nanao satroboninahitra toy ny anaovan'ny pope amin'izao fotoana izao. Tsy nanao fihetika mitory izy fa pope, tsy nanao akanjo anaovan'i pope na Jesosy koa aza dia tsy nanao akanjo sarobidy,lafobe misy vatosoa lafovidy toy ny akanjo anaovan'i pope rehetra hatramin'izay ka hatramin'izao, tsy niteny toy ny fitenin'i pope, ary ny olona tsy nanantona azy ka nihevitra azy ho pope. Afakely tokoa izany fa nahoana no nantsangany ho pope voalohany sa tiana hisarika ?
4. xxx ( 06/11/2006 17:01)
Hitako ao anaty baiboly kosa alohadiaho tany Antioch, Samaria, Joppa, Caesarea, ary toerana hafa tsy nisy niteny mihitst hoe tany Rome izany izy diso tsipelina angaha ny anjely ka tsy mifaka aho. Raha nilaza koa fa 25 taona izy tao Roma, Petera anie teo amin'ny 44 taonany tany Jerosalema (asan;ny apostoly 15).53 taona teo izy niaraka tamin'i paoly tany Antioch( Gat 2:11).Teo amin'ny 58 taona teo Paoly nanoratra tany Roma izay olona teo amin'ny 27 fa tsy tafiditra ny anaran'i petera. Hieritrereto hoe lasa nandeha nitory ny filazan-tsara tany Tanzania ianao dia mandefa taratasy ny namana ao am-piangonana kanefa adinonao ny nanoratra ny lohan'ny fiangonanao dia ny pasiteranao izany? Misy vavaolombelona manambara fa misy tsangambaton'i petera ao Roma ary milahatra lavabe ny olona miankohoka sy manoroka ny tongon'i petera. Mba lazao aho raha nandeha tany tokoa ianareo ka nahita na nanoroka ny tongon'i petera
5. Lejim ( 06/11/2006 17:44)
Mi-dependre aminao ihany io. Mino an'izany enao tsara, tsy mino avelao ny fiangonana Katolika tranquille. Efa maro ny choix azo andehanana izao fa tsy hoe mila mamorona fiangonana vaovao indray. Mandehana amin'izay mahametimety ny fiainanao dia leave catholic alone!
6. pissoa ( 06/11/2006 18:18)
>>> Lazao izay mba fantatrao.

Ny fiangonana Katolika no tian'ny sasany :lol: nambara tamin'ny sasany :lol: amin'ilay hoe sasany :lol: tamin'ny sasany niteny hoe Hatramin'izao dia mbola mitohy foana ny fisian'ny pope amin'ny fiangonana sasany :lol:

Marina ve ny sasany amin'io mba fantatro io :?::-D:-D:-D
7. Robert ( 06/11/2006 21:19)
Raikitra indray ny fanenjehan'ny sasany ny fiangonana katolika.

Rehefa tsy mahafantatra ny tantaran'ny Vatican de maninona raha manontany ny olona hoe misy zavatra tsy azoko @ ilay resaka hoe : Pierre no Pape voalohany.

Mino aho fa misy Pretra na olona tsotra manana Doctorat en Théologie, ary mety spécialiste momba ny Dogma catholique na ny catholisme afaka hamaly anao ato @ sersera.

Marina ny an'i Lejim...

Mivavaha hoazy fa tsy mahafantatra izy..
8. hery ( 06/11/2006 22:12)
linarako2> Mametraka fanontaniana ve ianao sa milaza ny hevitrao? :-)

Raha katolika ianao ka tsy mahalala dia afaka mametraka fanontaniana.
Raha tsy katolika ianao ka te hahalala dia afaka mametraka fanontaniana.
Raha tsy katolika ianao dia tsy hitako izay hitsikeranao azy...

Afaka manazava aho, mipetraka eto Roma... ary mahafantatra zavatra vitsivitsy ihany, saingy mila misokatra hihaino izay holazaiko aloha ianao satria raha tonga dia manana izay eritreretinao ho marina ianao dia tsy hisy hazava aminao akory :-)
9. LazaDaddy ( 06/11/2006 22:56)
Oh leretsy ah! Aza lany andro @ zavatra tsy mahavonjy fa manome vahana an'i Satana. "Do not give in to the devil even a foothold" Ephesians 4:27 (Daddy translation)

- Tsy ny anaram-piangonana no mahavonjy anao (tsy hoe rehefa ao @ fiangonana xxx akory dia voavonjy daholo na very daholo):wink:
- Tsy ny asa tsara vitanao no mahavonjy anao
- Tsy ny fitsikerana ny ratsy no mahavonjy anao
- Tsy ny fisehoana ivelany no mahavonjy anao
- Tsy ny fombafombam-piangonana no mahavonjy anao

=> I Jesoa Kristy irery ihany no mahavonjy anao. Tsy manery anao Izy ka aoka tsy hanery ny hafa ianao, fa anjarantsika tsirairay ny misafidy rehefa nampahafantarina antsika rehetra ny Tenin'Andriamanitra :)
10. naughtyboy ( 06/11/2006 23:10)
T@ nohombona i Peter de nangataka mba atao mifamadika ny cross na hazofijaliany,ny olona matetika de mila leadership olona recent ary itany maso fa lay inoanao raha christianism no resahina de
Jesosy no lohany fa i peter de apostle ka asa raha tokony averina @ fanombohany aloaha ny tantara..
11. pika ( 07/11/2006 04:42)
manindry kely ny voalazan'i Hery aho hoe raha efa misy tsikera entina hankahalana ao aminao koa na inona na inona ho hazavaina dia tsy misy vokany izay fanazavana
hafa ny hoe fitiavana ny halala hafa ny hoe fitiavana te hitsikera
12. ravatorano ( 08/11/2006 09:54)
za d gaga amin ilay resaka aloha e
tsara ny misy manenjika kle
fa zao aza d manivaiva loatra ny fiangoanana katolika fa izay hahavonjy anao atao ka na pope voalohany i piera na petera na ravato an izay mino anazy zay fa nenao ataovy mafy orina ny finoanao izay efa ao anatinao ao fa za tsy hanosika ano hiala amizany :wink:
13. prime ( 08/11/2006 11:28)
Ho an'izay mahalala, zarao ny tantaran'ny papa dia milamina izany...
14. xxx ( 08/11/2006 18:31)
Aza zaraina ny kisoa hono ny vatosoanao fa sao izy mirongana ka ianao indray no hifotorany. Ho antsika izay mahalala dia toroy , ampio, omeo hery ireo havana mbola vao misotro ronono sy tsy mahalala ny fisian'Atra. Anjaran-tsika no mitari-dalana azy ireo, marina fa efa aman-jatotaona maro no nisy ny fiarahan'n fiangonana sasany nangalatahaka sy nampiditra ny tsy mpino ao am-piangonany koa mino izany isika tsara, tsy mino isika aza mihaino sa manaiky ny hindrana ny tenin'ny satana ka mampiasa ny vava-tsika tsy hilaza ny marina. Ny fiangonana resahina sy hiaraha-mitsikera eo ambony io dia mantanjaka vokatr'izany tsy finoana sy finoana nakambana iray izany koa raha tsy mitombona ny filazan'ny boky dia efa nitory ry zareo satria nanendrikendrika. Nisy namako telo samy katolika ry zareo ary samy nivadika finoana noho ny zavatra nitra
-nga ohatra ny fitantaran'iray: isaky ny zoma hariva izahay dia mamerina hira masina na chorale ka rehefa vita ny fianarana hira dia misotro dovay daholo ka hatramin'ny mon pere sy frere no mitarika ka dia mamo tanteraka ry zareo. Io no antony nialako hoy izy. Ny iray dia nilaza fa io resaka voalaza eo ambony mitantara ny Roma io dia mbola misy hatramin'izao misy zavatra maro aza toy ny mpivaron-tena mahatratra ho 1000 no manodidina ny toerna misy ny pope sy vatican hoy izy,ary rehefa manao mass izahay hoy izy dia tradition fotsiny, manao ray sy zanaka ary fanahy masina im-polo, mihondrika imbetsaka, miangona ianao ary iny ihany no haverina, isaky ny mandalo tsangambato dia miankohoka kanefa tsy misy fanahy masina ireo favato nataon'ny tananan'ny olombelona.Ny iray dia hoe tsy misy afaka makany amin'ny ray raha tsy avy amin'ny anarako rehefa namaky baiboly aho kanefa nahoana no antsoina daholo ny masina rehetra izay tsy afaka hitondra hafatra, nanambany ny herin'i jesosy izany satria antsoina daholo ity masina rehetra ity raha marary ianao dia tonony i ranono, raha mila vola ianao dia antsoy i ranona. Rehefa nahita fiangonana aho hoy izy nahita famomjena ary nanolotra ny tenako ho an'i jesosy dia natao batisa aho ary tsy niantso ireo masina efa maty ireo aho fa jesosy dia ho an'ny velona fa tsy ho an' ny maty koa tonga aho dia miantso direct azy na ny raiko any an-danitra. Izy no hamela ny heloko na tsy fa tsy mi-confess amin'ny mon pere intsony aho ka hilaza ahy izy hoe voavela ny helako ry zanako satria izy koa olombelona.
15. pissoa ( 09/11/2006 06:27)
Tsy mahatsiaro tena ho aoro size ve i xxx :roll:

na zany na tsy zany aza dia cf Lejim. :-D:-D:-D
16. Rainikarabo ( 09/11/2006 17:16)
xxx> ny resaka finoana tsy ifanerana. Sitra-po sy safidy io.
Manamafy aho. Cf Lejim. Basta.
17. prime ( 10/11/2006 14:36)
F'angaha lejim no papa vao2 no alefa any amin'izay lazainy daholo indray izao ny resaka?:-D:-D:-D
18. pissoa ( 10/11/2006 16:20)
liana amin'ze ho Papa manaraka sahady ngah ny ... tsy Katolika ? :lol::lol::lol:
19. booboo ( 10/11/2006 16:30)

Ho an'izay mahalala, zarao ny tantaran'ny papa dia milamina izany...

eka ouz...aza hitako ka hisy hamaly fahatany hoe cf google hihihihihi
20. Imahaka ( 10/11/2006 17:10)
ka na hisy hanazava eto na tsy misy hanazava, izay mankato ny fisian'i Papa mankato foana, izay manohitra, hanohitra foana, donc "tsy dia vain-dohan-draharaha".

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2334