manahy vary vita Bac

1. jpeg ( 05/11/2006 18:23)
Misy ireo tanora malagasy izay vao afaka Bac no lasa miroana manahy vary any ambanivohitra.
répondu par kitjo le 14/11/2006 16:02
2. kitjo ( 05/11/2006 18:31)
tsy misy maharatsy anzany raha sady manohy mianatra zavatra hafa ihany izy!

ny olana fts d betsaka ny gasy no miavona tsy d ande ambanivohitra..

nefa zany no mampandroso ny olona sasany satria associer-na ny technology ary ampiarina any ambanivohitra

misy mieritreritra ngamb aoe afaka mamboly eo ambony latabatra na anaty ordi
3. jpeg ( 05/11/2006 18:37)
Raha izay no ao antsain'ireo tanora dia tsara, fa raha ny vaovao azo dia fitadiavambola hivelomana ilay izy.

Noho izany tsy hieritreritra ny hianatra intsony ireo ankizy ireo, fa izay ahitana sakafo hivelomana aloha.

Misy tanora vitsivitsy mipetraka ao 67ha ohatra, nahenoana an'izany.

4. kitjo ( 05/11/2006 18:47)
amiko aloha raha samy tsy hianatra fa hitogaigy fts hitaingin-tamboho any @ ville dia hanendaka na hanao kidnapping tsy aleo ve mankany ambanivohitra?

sa hameno laharana ny mpiasan'ny zone franche?

sady efa sature lotra ko nge Tana e!

5. mirana5 ( 05/11/2006 19:51)
raha nahita ny reportage nataon'i Antoine navigateur chanteur aho androany dia niteny anakam-po hoé tena mbola malalaka sy tsara dia tsara mihitsy Madagascar, ka nahoana ary reo Nouveaux Bacheliers reo no tsy mana-kevitra manentana reny toerana mahafinaritra hita rehetra ireny fa olona avy any Afrique du Sud ndray hono no mamokatra ny tourisme é, Mba saintsaino ry bacheliers malaza, aiza ilaozana mitendry guitare ambon'ny tamboho fotsiny é mba tohizo rangitina ny saina fa tsy eo Antananarivo ihany no atao hoé Madagascar é,"Tano ny azo fa sarotra no mila ry zalahy a!"
6. kitjo ( 05/11/2006 20:15)
zay ange ilay izy e!

@sasany rehefa ambanivohitra dia ohatry ny oe ambany beeeuuuu

jereo Australie mahavelona ny tenany ary na inona fahasahiranana ekonomika miseho tsy ory mihitsy zareo satria izy mivelona @ fambolena, izany hoe tsy ory aratsakafo zany e!

extra daholo ny ekonomia hafa fa sakafo izy tsy ory ary tena hindraindrainy mafy io
7. Rainimaharavo ( 05/11/2006 20:34)
Arahabaina manokana ary dokafana ireo izay manana eritreritra ny hanasoa ny any ambanivohitra. Nahazo bac tamin'ity taona ity izany izireo.
Ireo indrindra manomboka amin'izay hitondra aorian'ny fifidianana 3 desambra hoavy izao no tokony hojeren'ny Fanjakana AKAIKY DIA AKAIKY mba tsy hidonanaka fotsiny fa hoampian'ny filoha voafidy. Ireo no afaka hitondra ny tany sy ny Firenena àtsy ho àtsy fa tsy ny goaika antitra, hoy aho, elaela ihany izay teto amin'ity serasera ity.
8. Zina ( 05/11/2006 20:49)
Tsara ka za ko ande bientot hihihiih
9. lemenakely ( 05/11/2006 21:41)
jpeg:

Misy ireo tanora malagasy izay vao afaka Bac no lasa miroana manahy vary any ambanivohitra.



izao ilay toe-tsaina tena mirefarefa @ tany ....ny tena idéal anie @ fiainana raha amiko manokana dia olona polyvalents e! tsy adala ny Ntaolo fahiny niteny hoe tahaka ny rano sy vary an-tsaha tsy mifanary an-tanàna mifameno e!
10. Robert ( 05/11/2006 21:53)
Olana ara-sosialy be io ry zareo...

Ny tena mariana de ny Ankizy afaka BAC any Dago de tsy afaka hanao ninina. Satria tsy manana spécialité izy, hotélerie, agriculture, tourisme... Inona no mba hain-dry zareo: Maths, malagasy, Physiques, Philosophie, sciences Nat, etc... Général loatra.. Ny manohy fianarana no mety amin'ireo ankizy ireo.

Nefa diniho anie raha ilay Ankizy nanao BAC technique: Comptable, batiment (BTP), électricien (électrotechnique), ménanicien (MA), Agriculture, hotélerie, etc.. Afaka hiasa ry zareo satria efa manana spécialité, opérationnel tsara..

Ny tiako hambara de raha hitanareo fa tsy afaka hanohy fianarana tsony ny ankizy aoriana ny BAC de asaivo miditra 2nd téchnique avy hatrany...
11. Fiffi ( 06/11/2006 06:00)
jpeg:
Misy ireo tanora malagasy izay vao afaka Bac no lasa miroana manahy vary any ambanivohitra.
de ahoana ? de inona hono no azonao haroso azy ireo ?


12. jpeg ( 06/11/2006 07:55)
lemenakely:

jpeg:

Misy ireo tanora malagasy izay vao afaka Bac no lasa miroana manahy vary any ambanivohitra.



izao ilay toe-tsaina tena mirefarefa @ tany ....ny tena idéal anie @ fiainana raha amiko manokana dia olona polyvalents e! tsy adala ny Ntaolo fahiny niteny hoe tahaka ny rano sy vary an-tsaha tsy mifanary an-tanàna mifameno e!


Ny zavatra toy izao no tsy mampatafita antsika malagasy, rehefa misy olona milaza ny zavatra misy, dia tsy ny hevitra no hampiadiana fa tonga dia ilay olona no tsikerena.
Firifiry ny olona namaly teto fa ianao irery no miavaka.


13. jpeg ( 06/11/2006 07:56)
Fiffi:

jpeg:
Misy ireo tanora malagasy izay vao afaka Bac no lasa miroana manahy vary any ambanivohitra.
de ahoana ? de inona hono no azonao haroso azy ireo ?





Tokony mandray fepetra ny fitondra izany hoe raha misy ireo tanora vonona ny ho any ambanivohitra, dia tokony tohanana izy ireo. Amin'izay mamporisika ireo afaka bac mpitaingina tamboho, hiroana ho any ambanivohitra ihany koa.
14. prime ( 06/11/2006 08:43)
Tena mbola ady mafy tokoa izy izany an...
15. pissoa ( 06/11/2006 10:49)
Robert:

Olana ara-sosialy be io ry zareo...

Ny tena mariana de ny Ankizy afaka BAC any Dago de tsy afaka hanao ninina. Satria tsy manana spécialité izy, hotélerie, agriculture, tourisme... Inona no mba hain-dry zareo: Maths, malagasy, Physiques, Philosophie, sciences Nat, etc... Général loatra.. Ny manohy fianarana no mety amin'ireo ankizy ireo.

Nefa diniho anie raha ilay Ankizy nanao BAC technique: Comptable, batiment (BTP), électricien (électrotechnique), ménanicien (MA), Agriculture, hotélerie, etc.. Afaka hiasa ry zareo satria efa manana spécialité, opérationnel tsara..

Ny tiako hambara de raha hitanareo fa tsy afaka hanohy fianarana tsony ny ankizy aoriana ny BAC de asaivo miditra 2nd téchnique avy hatrany...

Ie !
16. Robert ( 06/11/2006 13:51)
jpeg> Efa naka fepetra anie ny Fanjakana @ fanaovana ny lalana sy électrification (rurale) eny ambanivohitra...

Fambolana izany koa ilaina vola fa tsy tanana folo sy angady fotsiny (sans technique), sinon vary tsy mahavita taona ny hovokatra. De hokivy ilay ankizy fa 10% ny effets physique nataony no vokatra azony. hiverina any Tanà izy.
Resaka mpidramana vola indray de andraikitriny tsirairay no manantona ny banky na ireny micro-credit ireny (Cecam, tiavo,...).
17. prime ( 08/11/2006 13:03)
Robert> misaotra amin'ny hevitra... fa tsy mora ny manatanteraka an'izany
18. kitjo ( 13/11/2006 06:24)
ka zay ange no mahatonga anravalo mi-insiste hampiditra ny systeme LMD io e

atomboka @ Secondary school le izy!
atao mifanaraka kokoa @ systeme anglophone ilay izy...aoriany 2nde normalement dia tokony efa mizara maka specialite fa tsy aorian'ny bacc akory ayr marina mihtsy io tenin'i robert io

ny olana koa matetika dia ireo zokiolona a Dago tsy mety manaraka fivoarana rehefa mba misy ny formation fampianarana teknika vaovao na tsy voatery hividy fitaovana aza

toy izany ny ketsa valo andro..efa hita izao ny vokany nefa d mbola tsy manaiky ihany!
19. kitjo ( 13/11/2006 06:27)
efa mandray andraikitra tokoa ny fanjakana fa sao indray ianareo miandry miracle hoe ho avy ravalo @ angady sy harona mandondona ao ambaravarana hoe ty ny vary hano

http://www.tim-madagascar.org/article.php3?id_article=1255
20. Robert ( 14/11/2006 15:17)
Tsy tokony hatao mintsy io manao copier-coller ny système-n'olona io..(Izaho tsy hiresaka système LMD satria firy % ny mpianatra no tafiditra @ univ.)

Ny éducation de base tokony hamafisina, ary tokony hampitomboina ny lycée technique arakaraka ny activité économique ny région.
Ohatra: Ambatondrazaka, marovoay: Lycée argicole
Côte Est: Lycée Foresterie
Mety mahita hevitra kokoa noho izaho nareo...


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4301