Fifidianana Tsy hi-démissionner eo mihitsy Ravalomanana.

1. nororavel ( 03/11/2006 08:19)
Ny constitution sy ny lalàna tsy hatahoran'ny fitondrana ankehitriny izany ampahafirin'ny ataon'ny akaman-dra8 deputé TIM anefa izany fanaovana didin'ny be sandry izany tsy misy lalàna intsony any Madagasikara:oops:
répondu par fijo le 08/11/2006 23:12
2. xxx ( 03/11/2006 08:58)
mba lazao anay hoe: article faha - firy ao @ constitution no mandidy ny filoha ankehitriny tsy maintsy miala alohan'ny fifidianana ?
3. tenagasy ( 03/11/2006 09:07)
Mankamamy!

Hadisoana bevava ary Loza hanenenantsika tongotra aman-tanana no hiseho eo raha vao miala izany ny filoha.
Mbola misy azy (manana PUISSANCE) aza eo jereo ny ataon'ny sasany.
Amnistie eh! Transition eh! Adimpoko eh! ....
Raha sanatria mametra-pialana izany izy, tsy miandry afa-tsy izany ny sasany, fa dia hanoatra noho ny ao Côte d'Ivoire no hanjo antsika.
Koa samia mihevitra tsara tsy hijabaka, fa sao kenda vao hoe domy aho ranaotra.

TSY NY TSARA REHETRA DIA MAHASOA!
TSY NY MAHASOA REHETRA DIA TSARA!
Dinidiniho ireo!

Mirary soa!
4. kolokanto ( 03/11/2006 09:36)
Miarahaba ny rehetra indray e!
Ho an-dramatoa na ingahy nororavel, hoy ianao hoe: tsisy lalàna intsony eto Madagasikara. Ahoana no ahafahanao mitompo teny fantatra hoe tsisy lalàna eto Madagasikara??? Farito kely hoe ny atao hoe lalàna azafady fa ohatry ny miteniteny foana loatra ianao izany.
Mba eritrereto hoe manao ahoana izany tany tsisy lalàna izany. Na ny tany faran'izay mpiady an-trano sy mikorontana indrindra eran'izao tontolo izao aza mbola manana lalana ihany.Sao dia efa tsy fitiavana manokana mihitsy an-dRavalomanana aza ny anao ka lasa tsy misaina izay tenenina intsony fa lasa entim-po fotsiny!!!
Ady hevitra anie ny eto e!! Sao de harary fo eo!! :twisted:
5. Fiffi ( 03/11/2006 10:10)
kolokanto:
Ady hevitra anie ny eto e!! Sao de harary fo eo!! :twisted:
eka ouz ! :)


6. rainy ( 03/11/2006 11:55)
Raha ny hevitro dia fitia te hanelingelina ny an'ny saim-bahoaka ny amin'io resaka hoe démission-démission io; tsy hoe rehefa izay no voalazan'ny lalàna dia tsy mety daholo izay atao rehetra; hatramin'ny repoblika faharoa dia tsy nisy nanara-dalàna izay tonga teo amin'ny fitondrana na iza izy na izy...I Zafy irery no mba mody nanara-dalàna satria ny akàmany ihany no nanala azy.
Amin'izao fotoana izao dia izay hihinanana sy ahitana asa no tadiavin'ny vahoaka fa tsy izay ady hevitra amin'ny lalàna akory; tsy hinanan-kanina izany fa izay programanareo mpanao politika no ataovy mazava tsara dia mifidy izahay vahoaka tsimandady harona.
7. akama2006 ( 03/11/2006 12:04)
rainy> dia aza gaga enao izany ary indrindra aza mitaky akory rehefa avy eo ka tonga ny fanjakany baroa,satria ny lalàna aminoa izany sty tokony ho arahina!izay adala toan-driny izany hoy ny fiteny malagasy!ka dia mindry izay fidonany isika izany!rwanda sa cote d'ivoire sa haiti...?
8. cristal ( 03/11/2006 13:00)
(l)(l)(l)Mampihomehy,angaha ianareo no hikorontana,tsy misy hanaovana affaires sy demokrasia barbare ve dia atao daholo izay resaka andana manontany an'i Realy ao @ Tv Plus fa vahiny tao ny mpahay lalana iray Eric,tsy maninona hoy izy na tsy miala aza izy satria misy antony izany ary koa tsy terena,dia toy izay koa ilay hoe fifidianana alohan'ny fotoana lazainareo io,misy motif nataon'ny mpitondra hoy izy ka tsy azo lazaina hoe mialohan'ny fotoana io,fa raha lay daty dia mialohan'ny fotoana io,mba misaina e,averinareo ve ny t@ andron'ny zafy mba hanjakan'ny gaboraraka miasa dia mihinana e!(l)(l)
9. kitjo ( 03/11/2006 13:34)
za koa aloha dia mitovy hevitra @ tenagasy...

dia ampanjakaina daholo ny bodo sy adala rehetra ireo?

10. Fiffi ( 03/11/2006 16:54)
tsy hitako zay hi-demissionény raha efa fantatra tsara zao ny vokany !
11. rainy ( 03/11/2006 20:02)
ho an'ny akama2006 :
tsy azonao tsara angamba ny tiako lazaina. Hoy aho hoe izay nitondra teo hatramin'ny repoblika faharoa no tsy nisy nanara-dalàna mihitsy. Ity amin'izao fotoana izao ity anie ka tsy ireo izay mitondra (Ra-huit sy ny tariny izany) no nanao ny lalàna hitondrany ny firenena fa izay nataon'ny teo aloha no ampiasainy ê! tonga saina ry zareo teo aloha fa tafitohim-bato nafeniny ry zareo ka izao vao mibadabada hoe tsy mety io fa hovao.
Ny dikany izany dia izao : avelao amin'izao mandrapahavitan'ny fifidianana amin'ny 3 décembre satria na ny solombavam-bahoaka hivory handinika ny lalàna aza tsy misy hita fa lasa manao fihetsiketsehana any rehetra any amin'ny 4X4. Rehefa vita soamatsara io rariana tsy misy hanohintohina dia TSY MAINTSY HOVANA AMIN'NY RARINY SY NY HITSINY NY LALANA MIFEHY NY FIRENENA. Mimenomenona ny rehetra hoe tsy mety izao fandehan-javatra izao.Ka hoy aho hoe : ndao isika hifidy (ireo izay any ampita tokony hanery ny fanjakana mba afaka hifidy fa tsy ho toy ny hatrizay) anjarantsika vahoaka no mahay mifidy izay olona hitantsika fa hahay hitondra sy hanova zavatra eto amintsika.
12. lagoon ( 03/11/2006 20:26)
nororavel:

Ny constitution sy ny lalàna tsy hatahoran'ny fitondrana ankehitriny izany ampahafirin'ny ataon'ny akaman-dra8 deputé TIM anefa izany fanaovana didin'ny be sandry izany tsy misy lalàna intsony any Madagasikara:oops:



Ity ny constitution ao @ Site officiel ny HCC, dia mba vakio tsara, fa aza taitaitra:

www.simicro.mg/hcc/hcc/constitution.html

Tsy misy miteny mihitsy ao hoe, tokony hi-démissioner ny président, fa ry Ny Hasina
sy ny Tribune ary ny LDGI no mamorona sy manely tsaho!

Article 47 - L'élection du Président de la République a lieu trente jours au moins et soixante jours au plus, avant l'expiration du mandat du Président en exercice

Dans les cas prévus aux articles 51 et 113 de la présente Constitution, ces délais courront après la constatation de la vacance par la Haute Cour Constitutionnelle,

L'élection a lieu au premier tour à la majorité absolue des suffrages exprimés. Si celle-ci n'est pas obtenue, le Président de la République est élu au second tour à la majorité des suffrages exprimés, parmi les deux candidats ayant recueilli le plus grand nombre de suffrages au premier tour. Le second tour a lieu trente jours au plus après la proclamation officielle des résultats du premier tour.

En cas de décès d'un candidat avant un tour de scrutin ou s'il survient un autre cas de force majeure dûment constaté par la Haute Cour Constitutionnelle, l'élection est reportée à une nouvelle date dans les conditions et selon les modalités qui seront définies par une loi organique.

Le Président en exercice reste en fonction jusqu'à l'investiture de son successeur dans les conditions prévues à l'article 48.


Ka aza manao dika vilana ry vendrana isany a!, fa mahaiza mamaky teny tsara, sa tsy mahazo teny frantsay tsara?

Ry Ny Hasina ireny mantsy toa olona nianatra tany Moscou, ka toa tsy mahazo teny frantsay tsara angamba???

ary avereno vakiana tsara ny dernière phrase ny Article 47: io manao hoe:

Le Président en exercice reste en fonction jusqu'à l'investiture de son successeur dans les conditions prévues à l'article 48.


:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D

13. fijo ( 03/11/2006 21:45)
za tsy dia mahay constitution,fa raha tena zohina aloha ny andininy 47 ao,dia mitombona ny tokony hialan'ny filoha,iray volana alohan'ny fifidianana,mba ahatanteraka ilay hoe "iray volana alohan'ny fifidianna..."
saingy;tena misy fiovana be ve ny safidy raha miala izy????ary tsy filana vaniny ve io fitakiana ny hialany io?????apetrako ireo fanontaniana ireo,satria raha miala anie izy dia ny filohan'ny sena no hisolo azy e.de sao hoavy indray ny hoe"ka izy samy izy ihany ko inona no hiova eo fa halabato sns".
vao namaky express aho teo,dia nahita fa ry pety sy ry ndafy sy ny karazany dia tsy mbola nanatitra akory ny ampahan'ny vatony,izay tokony hoateriny ao amin'ny mpitantana izany.ka hilatsaka sa ahoana,fa sao tsy misy vato hoalatsaky ny olona akory ny 03 decembre,nefa hitaky hoe alabato no tao fa za no tokony holany.
14. rakaroka ( 03/11/2006 21:47)
Hatry ny ela tokoa dia efa nahatsinjo aho fa tsy mitombina raha ny marina ny daten'ny 3déc. Antony
misy "règle de jeux" tahaka ny lalàna mifehy ny baolina kitra eran-tany ka rehefa carte rouge ianao dia tokony mivoaka raha manana fo sportif fa tsy tokony ny haniratsira ny règlement!
Hazavaiko: 22 février 2002 no nanao ny investituren-dRavalo ny gasy ny alinéa 47 and 1 mi-prévoir fa ny
fifidianana manaraka dia atao anelanelan'ny 30 andro alohan'ny faran'ny mandat fara -faha tarany izany hoe ny 22 Janvier na 60 andro alohan'ny ahataperan'ny mandat fara-faha haingany 22 déc.
Antony telo ihany no voalaza azo handrosoana ny fifidianana:
fahafatesan'ny president
empèchement majeur
ary démission.
15. rakaroka ( 03/11/2006 22:04)
Raha tsy hi-démission izy dia suite lojika:
ny règlementn'ny haute cours no tsy manan-kery!Tsy mitombina izany ny fepetra raketin'ny HCC izany hoe tsy hita intsony izay hivalorisé-na ny mba hoe fitsarana tampony any amintsika.Déjà tsaroako tsara
efa namoaka rizareo hoe "samborina" i Pierrot: tsy nosamborina akory, hoe tsy mahazo milatsaka hofidiana toa mbola noraisin-drizareo ihany ny candudature-ny. Ka raha sadasada toa izany anie ny
eritreretina fa mba "balisen-tsika" tsy hivarina an-kady daholo ve ny zotra mankany rehetra?...
Ny firenena hafa manaraka ny principe de base voahevitra rehetra aloha dia efa fanina manaraka ny fiorenan'ny lojikantsika gasy amin'ity fifidianana tsy hita izay handraisana azy ity. Izay no mahatonga ahy miteny hoe minoa fotsiny ihany fa i Ra-8 tokoa ilay Jesoa hamonjy ny gasy hono!
16. fijo ( 03/11/2006 23:05)
le resaka vatokely aloha mety ka.
le hoe tsy mahazo milatsaka anie tsy midika hoe tsy mahazo mametraka fangatahana hilatsaka e.mametraka izy,dia raisina dia tsy ekena.de izay.iny azo ekena.
le hoe samborina indray.misy cas azo ampitovitoviana aminy izao aty frantsa.
-le aty dia izao.nilaza i sarkox fa tsimaintsy mihenjana sy tsy handefitra amin'ny tanora mpandoro sy mpanimba zavatra.
tamin'ny tapabolana anefa dia navotsitra ireo (70)tratra mba tsy hikorontanan'ny sasany.
izany hoe,misy fotoana an,ny fahandriam pahalemana no ambony noho ny fanatanterahana ny sazy.izay koa azoko sy ekeko,satria ny filaminana aloha no tadiavina.
eritrereto aza anie fa na ny competansy ny tribunaly aza anie rehefa "noho ny antony fimaninam bahoaka,"dia azo anaovana derogasio e.ka azo hovana ny tribunaly hitsara ny raharaha.ny antsika any mada moa dia ao ambatolampy matetika no hamindrana ny raharaha tokony hotsaraina ao tana.legal io.
ka sao dia izay antony filaminam bahoaka izay koa,no tsy hametrahany fialana???????
antsika no mandinika izay.
rah amiala ve izy.ahoana ny hisian'ny korontana?
raha tsy hiala,ahoana io korontana io?
17. zandikely ( 03/11/2006 23:07)

FANONTANIAKO DIA TSOTRA OVIANA MOA NO TOKONY HO TAPITRA NY FOTOANA TOKONY HITONDRAN'NY FILOHA RAHA IREO INVESTITURES 2 IREO NO JERENA SATRIA SAMY LAZAIN'IZY IREO LÉGALE DAHOLO MANKO?

Mila valin-teny juridique fa tsy interprétation tahaka ny ataon'ny maro eto.


18. fijo ( 03/11/2006 23:15)
raha ny lalana no arahana dia ilay tamin'ny mai no aradalana.
raha ny legitime kosa dia ilay febroary.tadidio anefa fa raha legal ny zavtra iray,nefa tsy legitime,dia tsy aharitra.ary ny mifamadika amin'izay kosa mety aharitra.
19. kitjo ( 04/11/2006 07:26)
Ka rehefa tsy ara-dalana ary ilay fifidianana 3Dec, maninona zareo no milatsaka?

tokony nitokona tsy hilatsaka fts izy fa matoa izy milatsaka dia manaiky.

Inona koa anefa ny olana @ ilay daty e? tsy ampy fotoana itadiavana vola ve ny candidat sasany sa inona?
20. rabaradaka ( 04/11/2006 08:16)
Zao nama, hanova inona ny fialan-dRavalo e, aleo rangahy izy ho eo a, izy ange tsy maintsy lany e, mba mpandeha any ambanivohitra ve nareo sa mpivezivezy ao Isotry sy Andravoahangy fotsiny ? Any Ikalamavony aza hifidy an-dRavalo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.3123