Afaka hitondra firenena ve ny pasitera?

1. xxx ( 02/11/2006 17:54)
Amin'izao fotoana fifidianana izao dia tafiditra an'isany mandray anjara amin'ny firotsahana hirotsaka ho fidiana ny pasitera.Nisy boky nosoratan'i nenilava fa amin'ny andro farany dia an'isany ho voavonjy i Madagasikara.Ny resaky ny olona dia tsy miaraka ny politika sy ny fivavahana. Nino ihany ny tenako saingy raha olo-marina sy mahalala ny lalana ao amin'ny baiboly no apetraka hitondra ity firenena ity dia hino aho fa hiova ny toe-tsain'ny mpitondra ka tsy hameno ny any am-paosiny intsony ry zalahy . Mety ho voavonjy ny taranaka aman-dimby ary mety ho am-pidirina any an-tsekoly ny fianarana soratra masina ka na tsy mino ny finoana kristiana aza ny ankizy sasany dia ahalala ny didy folo ary ahalala ny tokony ho atao amin'ny ho avy .Ahoana ny eritreritrao. Eo am-piandrasana ny valin-teninao aho.
répondu par prime le 28/11/2006 12:10
2. nikopol ( 02/11/2006 17:58)
:lol::lol::lol:
3. Fiffi ( 02/11/2006 18:04)
xxx:
Mety ho voavonjy ny taranaka aman-dimby ary mety ho am-pidirina any an-tsekoly ny fianarana soratra masina ka na tsy mino ny finoana kristiana aza ny ankizy sasany dia ahalala ny didy folo ary ahalala ny tokony ho atao amin'ny ho avy
tsy azoko zany an ! Fa raha tsy pasitera zany no mitondra de tsy ho voavonjy ny taranaka aman-dimby ?

Nga hono tsy ny RAD-ny ankizy no tokony hampianatra ny zanany hizotra @ finoana ? sa tsy hisy zany finoana zany raha tsy pasitera no hitondra ??


4. jari ( 02/11/2006 19:17)
sarotra ho an'i pasitera ny hitondra firenena, ny antony ? izy ary efa fantatra fa tsy ho lany mitsy kou!... tsara raha manombana olona mba manakaiky ny laharana fahatelo sy fahaefatra de ho manitra be ny resaka eto, hhihihihihi! tsy oe tsy tia azy a an! isan'ny mpanao politika gasy tiko izy! fa tsy mety e
5. ranini ( 03/11/2006 07:34)
Tena tsy afaka mitsy ra tena izy rizareo fa mifanipaka be mitsy.Hoy i Jesosy "tsy naman'izao tontolo izao aho" No izany ny tena kristiana de tsy mandray anjara mitsy @ politika moa ny politika koa de eo ambany fanaphany Satan ka tsy misy ifandraisany ireo roa ireo.
6. prime ( 03/11/2006 09:04)
ranini> :wink:
7. Zina ( 03/11/2006 13:41)
ny pasitera tsy tokony hanao politika mihitsy...
politika koa de eo ambany fanaphany Satan ka tsy misy ifandraisany ireo roa ireo.

otrany tsy dia manaiky an'io kosa amiko io lazainao io dia midika oe satana zany mi-gerer ny politika ka izay olona ao @ politika dia naman'i satana doly???
8. soanja ( 03/11/2006 17:37)
xxx:

Amin'izao fotoana fifidianana izao dia tafiditra an'isany mandray anjara amin'ny firotsahana hirotsaka ho fidiana ny pasitera.Nisy boky nosoratan'i nenilava fa amin'ny andro farany dia an'isany ho voavonjy i Madagasikara.Ny resaky ny olona dia tsy miaraka ny politika sy ny fivavahana. Nino ihany ny tenako saingy raha olo-marina sy mahalala ny lalana ao amin'ny baiboly no apetraka hitondra ity firenena ity dia hino aho fa hiova ny toe-tsain'ny mpitondra ka tsy hameno ny any am-paosiny intsony ry zalahy . Mety ho voavonjy ny taranaka aman-dimby ary mety ho am-pidirina any an-tsekoly ny fianarana soratra masina ka na tsy mino ny finoana kristiana aza ny ankizy sasany dia ahalala ny didy folo ary ahalala ny tokony ho atao amin'ny ho avy .Ahoana ny eritreritrao. Eo am-piandrasana ny valin-teninao aho.


Ie afaka mitondra ny pasitera satria olona mitovy amintsika izy. Saingy mila mahay manavaka fotsiny ny atao hoe fanjakana sy ny fivavahana.


9. Fiffi ( 03/11/2006 21:17)
mety ho sarotra hiany angamba zany an!
10. robyh ( 05/11/2006 13:22)
Raha ny hevitro dia tsy misy ny maharatsy ny hirotsahany ny pastera fa raha pastera amperin°asa izy vitany ve? ny misahana ny fiangonana sy ny firenena ? izay no mampisalasala ahy.
11. prime ( 06/11/2006 07:36)
robyh> =D
12. raval ( 06/11/2006 08:39)
Tsy afaka ny hitondra firenena izy ary tsy tokony hanao pôlitika fa ny anjara asany dia ny mivavaka, mampianatra ny tenin'Andriamanitra ary mampahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra fa indrindra ny mpitondra.Raha oharina @ testamenta taloha dia izy izany no mipetraka eo @ toeran'ny mpaminany.Satria taloha dia nisy ny mpanjaka ary nasian'Andriamanitra mpaminany foana teo akaikiny.Ohatra mpanjaka:Davida ; mpaminany: Natana niaraka taminy.
13. prime ( 06/11/2006 10:07)
raval> marina ny lazainao raha ny tantaran'ny Hebreo hatr@ nisian'ny Mpanjàka... fa t@ andron'ny Mosesy, sady "legislateur" izy no "juge" no "gouvernant" no "Mpaminany" no sady "Mpitondra fivavahana"... asana Mpisorona ihany sisa tsy nataony fa nomeny ny rahalahiny izany andraikitra izany...
14. LazaDaddy ( 09/11/2006 06:01)
Tandremo voarebireby ary ataovy lesona ny fisolokiana ho "kristianina" t@ 2002!!!

1) teo @ firenena Israely dia:
- Andriamanitra no Tompon'ny fahefana feno.
- Izy no nanome ny fitsipika sy lalana ifampifehezan'ny olony.
- Tsy nisy fifidianana fa Andriamanitra no nanendry
- Jiosy ny firenena fa tsy laiiika

2) Fanjakana 2 samihafa ny izao tontolo izao sy ny fanjakan'ny Lanitra:
- Avy hatrany dia tsy mpanompon'Andriamanitra izany misabaka 50% - 50% izany (laika ny fanjakana Malagasy)
- Manana ny tetikasany tsara Andriamanitra hanavotany ny olony fa tsy @ fanaovana politika velively!
15. LazaDaddy ( 09/11/2006 06:15)
Iverenako valiana @ izay ilay fanontaniana:
Afaka hitondra firenena ve ny pasitera?
- Raha olom-pirenena izy dia afaka mitondra firenena @ maha-Malagasy azy
- Raha mpanompon'Andriamanitra kosa izy dia mazava be fa tsy hisisika haka fahefana @ alalan'ny fifidianana sy fanindraindran-tena toy ny propagande sns...fa hanetry tena
- Raha mpanompon'Andriamanitra dia mahita laharam-pahamehana hafa fa tsy politika.

Raha politika no heveriny ahavonjy ny firenena dia JAMBA tanteraka izy na tia hamitaka ny JAMBA :-D
16. LazaDaddy ( 09/11/2006 06:22)
aho etsy ambony:
- Raha mpanompon'Andriamanitra dia mahita laharam-pahamehana hafa fa tsy politika.
Kristy no ohatra akaiky sy tokony ho jeren'ny Kristianina (Kristianina = mpanara-dia an'i Kristy). Raha politika no mahavonjy dia noraisiny ny fahefana politika teo am-pelatanan'ny Romana. Saingy hoy Izy hoe: "omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra" (Daddy translation)


17. rabaradaka ( 09/11/2006 11:41)
Ny pasitera tompoko dia olom-pirenena ary raha ny hevitrareo izany dia tsy tokony hifidy koa izy, fa izao katsao aloha ny fanjakan'Andriamanitra ...
Fa ny zanaka pasitera afaka milatsaka ho fidina fa tsy ho lany
18. LazaDaddy ( 09/11/2006 20:01)
LazaDaddy:
Raha olom-pirenena izy dia afaka mitondra firenena @ maha-Malagasy azy
rabaradaka:
Ny pasitera tompoko dia olom-pirenena ary raha ny hevitrareo izany dia tsy tokony hifidy koa izy, fa izao katsao aloha ny fanjakan'Andriamanitra ...
Ny mpivaro-tena sy ny mpividy koa dia olom-pirenena :-D

=> Tsy izay azo ataon'ny olom-pirenena rehetra akory dia mendrika ny Kristianina. Tsy hoe araka ny hevitro fa izany no dikan'ny hoe Kristianina. Kristianina = mpanara-dia an'i Kristy: "omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra"
19. prime ( 10/11/2006 14:22)
"Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso." I Korintiana 10:23

Tsy misy kosa aloha lalàna na dia iray aza ao amin'ny tenin'ny soratra masina mandrara miteny hoe rehefa kristiana dia tsy mahazo manao politika...
20. LazaDaddy ( 10/11/2006 21:11)
Ny teny hoe "manao politika" dia mety tsy voasoratra saingy nandanian'i Jesosy fotoana nammerimberina ny fampitandremany.
Tena anisan'ny votoatin'ny Filazantsara mihitsy io fa iniantsika tsy resahina: fanjakan'izao tontolo izao sy Fanjakan'ny Lanitra. Ary votoatin'ny adidintsika koa ny mitory ny filazantsaran'ny fanjakan'ny lanitra :)

Ohatra fanampin'io andininy nomenao io:

Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. Romana 12:2

Prime> Diniho kely fotsiny ny propagande fa aza maka lavitra :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3315