Afaka hitondra firenena ve ny pasitera?
21. Zina
(
10/11/2006 22:23)
omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra
marina io
mbola eto an-tany isika ary mbola fehezin'ny governementa isan-toerana ka manaja azy. Dikan'izany anefa tsy manaraka ny politika...
22. soanja
(
11/11/2006 22:30)
Ity hevitra ity dia tsy misy ny hafan'ny olana misy eto Etazonia amin'izao fotoana izao. Raha manaraka Nesweek nivoaka tamin'ity Novembre ity ianareo dia mahita ny fisehoan'io hevitra mipatraka io amin'ny endriny tena complex tokoa.
"The Politics of Jesus".
"Sex Vs Social Justice: Evangelicals at Crossroads."
"Why Rligion and Politics Don't Mix"
Fa raha fintinina dia betsaka ny mitaraina aty US fa mitselontselona miditra amin'ny fanapahan-kevitry ny governementa ny fivavahana ary ireo no hery lehibe mitarika ny fanapahan-kevitra raisiny satria milaza azy ho Kristianina sy mpivavaka ary Evangelical ny mpitondra. Ao koa anefa ireo mpitondra izay mihevitra fa Andriamanitra no namentraka azy amin'io toerana io ka adidiny ny mitandro izany lalan'Andriamaniatra izany. Dia eo ny resabe no mipetraka koa anjarantsika rehetar mijery hoe ahoana mahomby ve sa tsia satria amiko somary bebe ihany izay aina nafoy any Irak izay ary tena marary ny aiko miereitreritra ireo fanahy mbola tanora dia efa lasana sahady fa tsy nanan-tsafidy. Misaotra namaky. Soanja

23. tywa68
(
11/11/2006 22:46)
Ny ahy ny civils (sy ny RAD mamoy ny zanany soldats)maty nohon'izany conviction excessive zany no mandreraka sy mampalahelo ahy @ amerikana ry Soanja !
Ny ataon'ny israeliana an'ireto palestiniana !
Entina ambavaka daholo sisa ê !
Fa na pasitera na tsia rehefa tia ny fireneny sy mihaino ny vahoaka fa tsy mameno ny paosiny fotsiny, dia efa afaka manandrana mitarika ! tsy midika hoe tian'ireo nifidy, fa hahasoa ny fiainany an-davanandro dia efa ampy (maika moa mitsinjo ny zanaka amapara) !

24. prime
(
13/11/2006 10:25)
Laza> Ka izaho dia mbola manamafy foana hoe tsy misy teny ao @ soratra masina na dia iray aza mandrara hoe ny kristiana dia tsy mahazo manao politika... ilay hoe "manao politika" tokoa angamba no tsy mazava, ny atao hoe manao politika hafa, ny hoe manao antoko politika hafa, ny hoe hitondra firenena misy sokajiny... fa tsy ny filoha ihany akory no atao hoe mitondra firenena... fa ny fahefàna eo ampelatanan'ny tsi11 dia misy ambaratonga miainga ao an-tokantrano, eo @ fiarahamonina, eo @ fiangonana sy eo @ firenena...
Ny tonga dia fanasokajiana ny politika ho asan-devoly dia tena fahadisoan-kevitra... sahala ny hoe misy sokajim-piainana izany eto @ izao tontolo izao tsy azon'ny filazantsara idirana fa natokana ho an'ny fahaverezana... Io dia sahala an'ilay foto-kevitra ihany koa milaza hoe ny asa fikarohana dia sokajiana ho asan'izao tontolo izao ka tsy tokony idiran'ny kristiana... na koa ny hoe ny asan'ny mpivarotena ohatra dia an'izao tontolo izao ka ialao fa fomban'izao tontolo izao... ka torina ho an'iza raha izany ny filazantsara? ho an'izay efa voavonjy ve?...
Raha ny mikasika an'i Jesosy dia marina ny voalazanao satria Jesosy dia tsy ny hamonjy izao tontolo izao @ fampiasàna ny fomban'izao tontolo izao no nahatongavany fa ny hamonjy izao tontolo izao @ fampiasàna ny fomban'Andriamanitra... Ka iza moa isika no mahalala tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra? Fa Davida Mpanjaka mpiandry ondry no nantsoin'Andriamanitra... Fa i Mosesy mpitaritafika sy mpanompo sampy no nantsoin'Andriamanitra... fa i Josefa mpamaky fahitàna sy tsindrimandry no nantsoin'Andriamanitra...
Mikasika ny propagande indray ry rahalahy, (fanamarihana kely fotsiny : hafa ny atao hoe "campagne électorale", hafa ny atao hoe "propagande"... fa ny heverintsika ho propagande no lazain'ny lalàna hoe campagne électorale... fa ny propagande tena zavatra hafa mihitsy... azo dinihina io fa lohahevitra hafa mihitsy) ka ny mpino kristiana angaha kosa moa natao ihavakavaka amin'ny maro na natao handika ny lalàna misy, tsy ny hanaja izany aza?

25. Fiffi
(
13/11/2006 18:44)
zah aloha de manaraka sy mamaky zay lazainareo fa tena tsy manankambara firy satria sarotra be ny hamaliana an'le dinika....
26. soanja
(
14/11/2006 00:52)
tywa68:
Ny ahy ny civils (sy ny RAD mamoy ny zanany soldats)maty nohon'izany conviction excessive zany no mandreraka sy mampalahelo ahy @ amerikana ry Soanja !
Ny ataon'ny israeliana an'ireto palestiniana !
Entina ambavaka daholo sisa ê !
Fa na pasitera na tsia rehefa tia ny fireneny sy mihaino ny vahoaka fa tsy mameno ny paosiny fotsiny, dia efa afaka manandrana mitarika ! tsy midika hoe tian'ireo nifidy, fa hahasoa ny fiainany an-davanandro dia efa ampy (maika moa mitsinjo ny zanaka amapara) !
Eo indrindra no olana satrai misy Kristianina be de efa ho million aty manangona vola hanohanana ny Israelianina mba hanantanterahana ny teny voalazan'ny mpaminany isankarazany. Ka izay hetsika ataon'i Israelianina dia tohanireo avokoa na dia famonoanan'olona tsy roa amantany aza. Ao afran'io tsara ny governemanta US satria ireo lohandohany ao aminio organization io ihany no manome hevitra ny amin-dry Bush sns ny resaka stem cells sy ny gay marriage ary ny fandefasana troop any Irak. Tena mampalahelo nefa anie de milaza azy ho mpivavaka sy miahy ny atao hoe olombelona. Sa ve rehefa tsy mitovy finoana na fomba fijery na fomba fiaina de hoe aripaho. Ny fahitako azy dia raha mbola manjaka ny fidikidiran'ny fivavahana amin'ny fanjakana dia tsy hisy filaminana fa ady lava ny eto antany.
27. prime
(
14/11/2006 14:25)
soanja> Raha ny mikasika ny jiosy no horesahina dia zavatra tsy azo adino mihitsy ny maha olom-boafidy azy manokana ka lohahevitra hafa indray izay... fa ny fanavahana olona manokana noho ny asany tsy ahafahany mandray anjara amin\'ny fitondràna ny firenena dia hafa indray koa izay...
28. isaka
(
15/11/2006 05:33)
HAFATRA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO
HO RINGANA
TSY HO ELA NY
FIVAVAHAN-DISO!
Inona no atao hoe fivavahan-diso?
Ahoana no handringanana azy io?
Inona no ho vokatr’izany eo aminao?
Inona no atao hoe fivavahan-diso? Kivy ve ianao mahita ny heloka bevava atao amin’ny anaran’ny fivavahana? Mifanohitra tanteraka amin’ny atao hoe rariny ve ny fahitanao ireo ady sy fampihorohoroana ary zava-dratsy hafa, ataon’ny olona milaza ho mpanompon’Andriamanitra? Nahoana ny fivavahana no toa mahatonga olana maro be toy izany?
Tsy ny fivavahana rehetra no tompon’andraikitra amin’izany, fa ny fivavahana diso. Nilaza i Jesosy Kristy fa mahatonga ny olona hanao ratsy ny fivavahan-diso, toy ‘ny hazo ratsy [izay] mamoa voa ratsy.’ (Matio 7:15-17) Mamoa voa manao ahoana ny fivavahan-diso?
Ny Fivavahan-diso dia . . .
MANDRAY ANJARA AMIN’NY ADY SY NY POLITIKA: Izao no lazain’ny gazety Vaovaon’i Azia (anglisy): “Na atỳ Azia na any an-tany hafa, ireo mpitondra fivavahana fatra-paniry fahefana dia manararaotra ny fitiavan’ny olona fivavahana, mba hahazoany izay tadiaviny.” Mampitandrina àry ilay gazety, fa “atahorana hisafotofoto tanteraka izao tontolo izao” vokatr’izany. Nanambara toy izao ny mpitondra fivavahana iray fanta-daza any Etazonia: “Tsy maintsy vonoina ny mpampihorohoro mba tsy hamonoany olona intsony.” Inona no soso-kevitra nomeny? “Aringano amin’ny anaran’ny Tompo izy rehetra”, hoy izy. Ny Baiboly kosa anefa milaza hoe: “Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy.” (1 Jaona 4:20) Nilaza mihitsy aza i Jesosy hoe: “Tiavo foana ny fahavalonareo.” (Matio 5:44) Firifiry anefa ny fivavahana mandray anjara amin’ny ady!
MAMPIELY FAMPIANARAN-DISO: Milaza ny ankamaroan’ny fivavahana fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. Ampiasain’izy ireo izany mba hanararaotana ny mpiangona ao aminy, izay ampandoaviny vola ho takalon’ny fanaovana fotoam-pivavahana ho an’ny maty. Izao kosa anefa no voalaza ao amin’ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Nilaza i Jesosy fa hatsangana ny maty. Koa raha manana fanahy tsy mety maty ve ny olona, mbola hila hatsangana amin’ny maty indray? (Jaona 11:11-25) Moa ve ny fivavahanao mampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny olona?
MILEFITRA AMIN’NY FITONDRAN-TENA MALOTO: Any amin’ny tany maro, dia misy fiangonana manendry lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, mba ho mpitondra fivavahana. Mampirisika ny fitondram-panjakana koa izy ireny, mba hanaiky ny fanambadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Misy fiangonana milaza ho tsy manaiky ny fitondran-tena ratsy, nefa mbola ekeny ho mpitondra fivavahana ao aminy ihany ny lehilahy nametaveta ankizy. Inona anefa no lazain’ny Baiboly? Mazava tsara ny voalaza ao hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, . . . dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintianina 6:9, 10) Moa ve ianao mahalala fivavahana milefitra amin’ny fitondran-tena maloto?
Inona no hiafaran’ireo fivavahana mamoa voa ratsy? Nampitandrina i Jesosy hoe: “Hokapaina ka hatsipy any anaty afo ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara.” (Matio 7:19) Toy izany koa no hiafaran’ny fivavahan-diso. Haringana tanteraka izy ireny! Ahoana anefa no hitrangan’izany, ary rahoviana? Mahita ny valin’izany isika, ao amin’ny faminaniana iray ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 sy 18.
Manana fahefana eo amin’ireo “mpanjakan’ny tany” ny fivavahan-diso
“Mivoaha ao aminy, ry oloko”
Ahoana no handringanana ny fivavahan-diso?
Alao sary an-tsaina ny mpivaro-tena iray, mipetraka eo ambonin’ny bibidia iray mampahatahotra. Manana loha fito sy tandroka folo ilay bibidia. (Apokalypsy 17:1-4) Iza io mpivaro-tena io? Manana fahefana eo amin’ireo “mpanjakan’ny tany” izy. Mitafy lamba volomparasy izy, mampiasa emboka manitra, ary manan-karem-be. ‘Mamitaka ny firenena rehetra’ koa izy amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ny fanahy ratsy. (Apokalypsy 17:18; 18:12, 13, 23) Fantatsika avy amin’ny fanazavana omen’ny Baiboly, fa tsy mpivaro-tena ara-bakiteny izy io, fa fikambanana ara-pivavahana misy eran-tany. Tsy fivavahana iray monja anefa, fa ny fivavahana rehetra mamoa voa ratsy.
Ilay bibidia itaingenan’ilay mpivaro-tena, dia ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao.* (Apokalypsy 17:10-13) Toy ny hoe mitaingina an’io bibidia io ilay mpivaro-tena, satria miezaka mibaiko azy io amin’ny fanapahan-kevitra raisiny sy izay tokony hataony.
Hisy zava-mahagaga hiseho anefa tsy ho ela. Hoy ny Baiboly: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:16) Hamely tampoka sy handringana tanteraka ny fivavahan-diso ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao! Inona no hahatonga azy ireo hanao izany? Izao no valiny omen’ny Baiboly: “Nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny.” (Apokalypsy 17:17) Hampamoahina tokoa ny fivavahan-diso, noho ireo zavatra mahatsiravina ataony amin’ny anaran’Andriamanitra. Hanao zavatra ara-drariny tanteraka Andriamanitra, ka ireo fitondram-panjakana nifandray tamin’ny fivavahan-diso ihany, no hampiasainy handringana azy°io.
Inona no tsy maintsy ataonao raha tsy tianao ny ho ringana miaraka amin’ny fivavahan-diso? Mampirisika antsika ny irak’Andriamanitra hoe: “Mivoaha ao aminy, ry oloko.” (Apokalypsy 18:4) Izao mihitsy àry no fotoana tokony hialana ao amin’ny fivavahan-diso! Inona anefa no hataonao avy eo? Tsy hino an’Andriamanitra intsony ve ianao? Tsy mety izany satria ho ratsy fiafara koa ny olona toy izany. (2 Tesalonianina 1:6-9) Ny fivavahana marina ihany no fialofana azo antoka. Ahoana no hamantaranao ny fivavahana marina?
Ahoana no hamantarana ny fivavahana marina?
Inona no voa tsara tokony hovokarin’ny fivavahana marina?—Matio 7:17.
Ny Fivavahana Marina dia . . .
ANJAKAN’NY FITIAVANA: “Tsy anisan’izao tontolo izao” ny tena mpivavaka, sady tsy voazarazara noho ny firazanany na ny kolontsainy, fa “mifankatia.” (Jaona 13:35; 17:16; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tsy mifamono izy ireo, fa vonona hamoy ny ainy ho an’ny namany, raha ilaina izany.—1 Jaona 3:16.
MATOKY NY TENIN’ANDRIAMANITRA: Tsy mampianatra “fomban-drazana” na “didin’olombelona” ny fivavahana marina. Ny Baiboly kosa no ataony fototry ny fampianarany. (Matio 15:6-9) Nahoana? Satria “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.
MAMPIFANDRAY KOKOA NY MPIANAKAVY ARY MAMPIRISIKA NY OLONA HO TSARA FITONDRAN-TENA: Ny fivavahana marina dia mampiofana ny lehilahy ‘ho tia ny vadiny tahaka ny tenany’, manampy ny vehivavy “hanaja fatratra ny vadiny”, ary mampianatra ny ankizy ‘hankatò ny ray aman-dreniny.’ (Efesianina 5:28, 33; 6:1) Tsy maintsy fakan-tahaka koa ny fitondran-tenan’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fivavahana marina.—1 Timoty 3:1-10.
Misy fivavahana manaraka ireo fitsipika ireo ve? Hoy ny boky iray nivoaka tamin’ny 2001: “Mety ho tsy nitranga ilay Famonoana Tambabe [nataon’ny Nazia tany Alemaina], raha betsaka kokoa ny olona nanaraka ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitondran-tenany. Ary raha manao izany koa ny olona ankehitriny, dia mety tsy hisy intsony ny fandripahana foko.”—Famonoana Tambabe Noho ny Antony Politika (anglisy).
Sady mampirisika ny olona hanaraka ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 235, no mampihatra izany koa. Manasa anao izahay hangataka fanampiana amin’izy ireo, mba hahafantaranao izay takin’Andriamanitra aminao. Ho afaka hivavaka amin’Andriamanitra araka ny sitrapony koa ianao amin’izay. Aza mangataka andro, fa izao no fotoana tokony hanaovan-javatra. Ho ringana tsy ho ela ny fivavahan-diso!—Zefania 2:2, 3.
--------------------------------------------------------------------------------
* Manazava ny tsipiriany momba izany ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Navoaka tamin’ny 2006
Miverina amin’ny voalohany | Beliefs | Future | Medical | Topics | Contact Us | Publications | Languages | Index
Copyright © 2006 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved.

30. soanja
(
15/11/2006 09:05)
prime:
soanja> Raha ny mikasika ny jiosy no horesahina dia zavatra tsy azo adino mihitsy ny maha olom-boafidy azy manokana ka lohahevitra hafa indray izay... fa ny fanavahana olona manokana noho ny asany tsy ahafahany mandray anjara amin\'ny fitondràna ny firenena dia hafa indray koa izay...
Ny Zionists ry Prime no tikao resahina aminio olona amana million manohana ny hetsika Israelianina io. Zany hoe omena ny fanjakana ny vola dia izay anovany azy e. Ena fa na dia olomboafidy, araka ny voalazan'i baiboly, dia tsy midika hoe izay ataony dia masina daholo.
Amiko ny fitaovana mahery indrindra hanaparitahana ny tenin'i Kristy dia ny fitsinjovana ny World Peace na ny firahalahiana sy fitiavana amin'ny samy mpirabelona. Izay inoany any tsy problemeko fa azy sy Andriamanitra nahary azy izany. Fa ny fitivako azy tsy miova.
Raha ny amiko dia tsy mipasoka intsony ny efa malama aho. Ny fahalalana:haino aman-jery sy ny boky ary anisan'izany ny baiboly no hanome izay ilainy hanamboarany ny fianan-ko avy sns zany hoe ny finoany. Modely tsara (lesona amin'ny fiainana ary fanitsina ny dia) no tokony asehiko azy dia izay no fampitana hafatra ataoko. Ankoatr'izay dia raha te hitondra fanjakana dia mbola eo an-tany aloha io de izay ilaminan'ny rehetra no ataovy tanjona fa ho faly aho.
31. prime
(
16/11/2006 11:36)
soanja> Izay no mbola isaorako an\'Andriamanitra amin\'ny ambaranao...=D
Ny nambarako dia olom-boafidy ny jiosy, fanjakam-pisorona hoy Andriamanitra... fantatra fa naditra ireo ary maditra ihany koa nefa Andriamanitra mihitsy no mifidy azy... voakapoka ireo, lasa babo, natao andevo, nofoanana mihitsy aza ny fisiany (tsy lazaina intsony ny nanjo azy) tsy hanana firenena intsony... nefa Andriamanitra tsy manary an\'ireo na oviana na oviana, na ahoana fankahalàna azy na fitiavana azy... izay no tiako natao fanamarihana...
Isaka> aza maika ny hitsara izay diso sy marina fa hoy ny voasoratra :
\"Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).\" Romana 12:19
\"Fa fantatsika Izay nanao hoe: \"Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;\" ary koa: \"Jehovah hitsara ny olony\" (Deo. 32.35, 36).\" Hebreo 10:30

32. jaguar
(
28/11/2006 09:09)
amiko aloha, dia afaka mitondra daholo ankoatran'ny maray sy adala ary ny tsy dia ampy fianarana e!Raha ny Ny pasitera manokana dia tsy vao maika reny ve no tsara, satria olon'Andriamanitra, fa kosa tsy ekeko ra misy amnadika politika no hirotsahany, na hoe hanenjika olona fotsiny.
Raha ireo pasitera 2 milatsaka ireo kosa aloha dia tsiz amiko satria na ny fomba firesaka aza dia mandika tanteraka ny maha-olo-masina azy.Manao propagandy, dia ny hanenjika, hanaratsy olona ihany.