Ny làlan'ny La Gazette de la Grande Ile

1. hery ( 25/10/2006 07:49)
Efa nisy tsikera momba ny La Gazette de la Grande Ile nandalo teto. Tsy tsikeraiko ny maha-mpanao gazety andry zalahy ao izay tena anisan'ny sangany raha ny fahaizana sy ny traikefa no jerena. Tahaka ny mpanao gazety rehetra dia tsy maintsy mipasoka izay mpanome vola azy koa ry zalahy ao... tsy anomezako tsiny azy iny... samy nandalo teo. Fa ny itsikerako andry zalahy dia ity izy toa mitotongana maka ny toetran'ny gazety "Basy vava" izay manao lavazy de serivao tsikelikely (:-)). Tsy tena manohitra mivantana... fa manisy sira amin'ny sisiny. Manana zo hanohitra izy saingy ilay sira sy karibonetra no somary famitaham-bahoaka fotsiny.
Dia ho hitanareo fa izao no zavatra hiseho.
- Holazainy hoe tsy ankatoavin'ny ankamaroan'ny Malagasy io fifidianana io (efa nanomboka nilaza ry zareo hoe ny Malagasy rehetra ao Canada dia tsy mankato)
- Holazain'ny GDI matetitetika hoe tsy ara-dalàna io fifidianana 3 desambra io (Hisy article izay avy amin'ny candidats milaza hoe tsy rariny sns...)
- Raha mbola hisy ny fifidianana dia hamporisihan'ny GDI ambadika tsy hifidy ny olona. (Mety hisy article hoe Raha izao dia tsy hifidy izahay... dia fonosina ao daholo ny Malagasy rehetra)
- Raha mbola hisy ihany ny fifidianana ka hisy ny mpandresy dia holazaindry zalahy hoe nisy ny halabato tetsy sy teroa

Raha jerena izany dia tsy gazety objectif intsony ny GDI. Tsy gazety afaka maneho ny tena zava-misy intsony fa milaza fotsiny izay zava-misy mifanaraka amin'ny firehan-keviny.

Rohy hafa azo vakiana
http://fr.groups.yahoo.com/group/serasera/message/27063
répondu par kitjo le 28/10/2006 10:22
2. Fiffi ( 25/10/2006 08:25)
marina aloha fa gazety io an ! fa niheritreritra indray zah hoe noho ny maha-gazety azy , nga tsy misy fitsipika sy contrôle izy ireny alohan'ny hamoahana ny lahatsoratra ?
3. kitjo ( 25/10/2006 10:58)
Ka izy ihany no manao fitsipika ho an' ny tenany ao ko!

marina mihitsy izany ry Hery fa raha ohatra anah aloha tonga dia leo be fts za mamaky azy. Saingy ireo olona hafa tsy misaina aloha mety voarebirebiny sy ireo izay tsy manaraka loharanom-baovao hafa.

Tribune koa hitako manomboka manao an'io!

Fa raha ohatry ny aty aloha dia efa nikatona io GDI io e! Nddray tena manakorontana saim-bahoaka fts @le karibonetra
4. tenagasy ( 25/10/2006 11:54)
Mankamamy!
Anisan'ny zavatra iray tsy azoko nefa nanaitra be ahy izao (omaly iny sa afak'omaly) ny filazan-dry zareo ho: "... les 13 candidats non officiels...).
F'angaha hoy aho mbola misy officieux indray? Sa izaho no misy zavatra tsy arako?
Araka izany ny ahiahiko t@ namaky an'io article io dia io voalazan'i hery io mihitsy hoe: taizandry zalahy ankolaka ho zatra zavatra toy izany indray ny vahoaka, rehefa maharitra ny toy itony, rehefa tena apoaka ny zavatra dia lasa tsy vaovao @ olona fa toy ireny zavatra efa nahazatra sy niainany ireny. Ka na ny tsy marina aza lasa mora eken'ny saina. "lavazy de serivao"araka ny an'i Hery. Fa iza amin'ireo kandida 13 ireo indray izao no tsy ofisialy? Manaonao foana! Tsssssssss
Mirary soa!
5. prime ( 25/10/2006 14:28)
Tsara avokoa ny fanamarihanareo satria mijery ny lafiny "objectifs" kokoa rehefa mandinika...

Fa ny fahitako azy indray ilaina ny fomba fijery isankarazany izay mety hifanohitra mihitsy @ fahitàn'ny besinimaro aza mba isokafan'ny adihevitra fa tsy hevitra tokana foana no voizina... fototry ny demokrasia mihitsy mantsy izany... efa lany andro ny formules propagandistes t@ andron'i ry staline sy ry hitler sy ry mussolini... ka tsy tsara ny iverenana @ izany hoe izay gazetim-panjakàna hanindraindra mpitondra ihany no tokony vakiana...

Ary izaho aza mandefa lavidavitra kokoa aza hoe, tsara mihitsy ny hamakiana ireny satria mampiseho sy mapibaribary ny zava-misy marina... na ny mpitondra no milaza ny marina na ny mpitondra mandainga @ vahoaka... izany hoe vao maika aza objectifs kokoa isika mandinika zavatra toy izay, izay lazain'ny eo ihany no eo... efa nahazo antsika nandritry ny 20 taona izany hoe gazety mpanindraindra fitondràna izany d izao koa v d mbola hianona @ izany fotsiny ihany?...
6. Stone ( 25/10/2006 17:30)
Tsy mila hoe pour na contre fitondrana,
Tena mandreraka be ny mamaky an'io gazety io aloha e!
Hita be hoe i Pierrot (Tompony)izany no mi-financer, fa i Lola dia pion fotsiny ihany.
7. Fiffi ( 25/10/2006 17:48)
Stone:
Hita be hoe i Pierrot (Tompony)izany no mi-financer, fa i Lola dia pion fotsiny ihany.
hatramin'ny ohaviana zany hoe i pierrot ny tompon'io gazety io ?


8. kitjo ( 25/10/2006 18:32)
fiffie: ekipa ray akia ireo an!

prime:
Ary izaho aza mandefa lavidavitra kokoa aza hoe, tsara mihitsy ny hamakiana ireny satria mampiseho sy mapibaribary ny zava-misy marina...


raha tena izay marina moa sans karibonetra
9. fijo ( 25/10/2006 19:50)
prime ,raha mamoaka ny zavatra misy izy,dia ny olona no manao izay handikany azy,dia ekeko izay,fa ry zareo ireo,manova ny zavatra misy ka izay no tsy ekeko.
10. Jozy ( 26/10/2006 05:03)
Misy fomba azo ampiasaina eo anatrehany gazety toy LGI
- mampahafantatra sy manamafy eo @ mpifidy ny lanjan'ity fifidianana ity
- mampiseho fahatokisana azy eo @ fahaizany mandray andraikitra eo anatrehan'izany. Ny fahamarinany valimpifidianana dia miankina aminy koa
- mandrava ny hevitra sy honohono rehetra manakorontan-tsaina ny vakoaka
Ity fahatelo no sarotsarotra satria mila fotoana, lahatsoratra tahiry ,fahaizana mampiasa an'ireo sy ny fampielezam-baovao ,fahakingana , sy ny sisa


11. Fiffi ( 26/10/2006 05:23)
fijo: nefa hilaina hiany ange ireny @ lafiny iray eh!
12. kitjo ( 26/10/2006 07:33)
1- soa ihany fa ny olona manantsaina efa mahalala an'io daholo dia tsy mandraharaha

2- ny mpitondra fanjakana koa curieux oe inona ndray no lazaindry zalahy d zareo ihany no mamaky azy
donc tsy koi

3- tsy populaire le izy @vahoaka madinika noho izany diso tetika ihany zareo

4- ny ratsirakiste sy ny forongony any andafy ihany no toa tena mpamaky az @internet nefa zareo mitovy hevitra ihany dia mifamalifaly ao fts
13. rabaradaka ( 26/10/2006 13:01)
Tsara ny analyse-nareo, fa ny La Gazette dia efa voalazan'ny hery kandra io ka zay manome sosy no soratana sady na izany na tsy izany i Rolly ange ka mpanohitra e, mpanolotsaina an'ingahy Pierrot izy iny. Fantatro daholo ireo mpanao gazety mpanohitra fa ity Rolly ity diso tsy mampiasa saina fa be vava amin'ny tsisy dikany mihitsy. Ireny lay mpanohitra bontolo
14. besoiiin ( 26/10/2006 18:47)
lagazette v? tsss tsy vakiko akory, atao papezenika no mahamety azy
15. fijo ( 26/10/2006 22:58)
fiffi ,ilaina ny mpanohitra sy mpamoaka vaovao,fa tsy mpanitatra
16. manantsoa ( 27/10/2006 04:40)
" Midingin-drambo " mihitsy anie ry zalahy mpanao gazety ireo fa hery fahaefatra hono e.Tsy azo kitikitihina na mandainga sy mampisavorovoro ny fiainam- bahoaka aza fa manam-pahefana .
Kanefa ny fitaovana ampiasainy rehetra anie dia mbola vondron' asa hafa no manao azy ( hatramin' ny penina , ary maika moa fa ny fakan-tsary sns ....) .
Ny tiana ho lazaina dia izao e; samy ilaina ary samy manana ny maha izy azy avokoa rehefa asa . Fa ny filazana kosa fa faha.....ny filaharan ' ny tena kanefa mbola miantehitra amin'ny hafa no tsy mety amiko . Fahafiry izany ireo hafa ianteheranao izay afaka mivelona ara-dalana na tsy misy gazety aza ???
17. Fiffi ( 27/10/2006 05:47)
fijo: ok :)
de ahoana zany ? koa satria hoe tsy misy marina ny zavatra havokan'io gazety io de tsy azoko havoaka eto ka zany ve ?
18. jentilisa ( 27/10/2006 06:50)
ao anatin'ny vaovaony kosa misy marina ihany fa ny fomba fijery azy ny mivadika amin'ny eritreretiko e!
19. oufouf ( 27/10/2006 10:24)
Mba tena misy déontologie ve ny gazety gasy é! izay te-hiteny dia miteny , voalazan' i jentilisa teo fa misy marina ny azy ... marina fa izay indrindra anie no ilaina ny tena maha-panao gazety é : mahay tsara mamoraka ny hevitra avoaka ,olona pro ireo tokony hanana izay ... fa rehefa tsy manana izay ....
sa fihinanana fotsiny dia atao ....mampalahelo, lasa incompétence indray dia voa maika mapalahelo be. apetraka ny fanontaniana hoe firy isan' andro ny gazety lafo , izay tsy lasa directement any amin' ny famonosana mofo, dia firy amin' izay ny vola mba azon' ny tompon' ny gazety nefa manimba ny atmosphère hiainana isan' andro ...
raha ny fahalalako azy tsy hampanakarena mihintsy ny fanaovana an' io eto madagasikara ary dia tsy tokony izay mihintsy base hanovana gazety.
"tokony hisy mihintsy ny réflexion déontologique des médias"
20. tenagasy ( 27/10/2006 10:33)
Mankamamy!
oufouf hoy ianao: "tokony hisy mihintsy ny réflexion déontologique des médias"
Amiko: ny Pôlitika mihitsy no tokony hasiana an'io aloha satria ny mpanao pôlitika ihany koa anie araka ny voalaza ery ambony no tena manosika azy ireo ho lasa tahak'izao e!
Mba tsy hilazana hoe izy rehetra, ny ankamaroan'ny gazety anie ka mpanao pôlitika daholo no tompony e!
Mirary soa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1442