Bado amin'ny tsipelina

1. soanja ( 23/10/2006 15:24)
Asa na efa noresahiko teto ity fa gaga aho mamaky ny kahien'ankizy amin'izao fotoana izao rehefa mijery ny fanoratany ny teny Malagasy. Diso diso daholo. Tsy manao tsipeliteny sy dikasoratra ary vakiteny amin'ny teny Malagasy intsony ve zany ny ankizy any ampianarana amin'ny ecole elementaire sa ahoana?
répondu par xxx le 06/11/2006 10:12
2. xxx ( 23/10/2006 15:46)
Mbola mianatra an'izany ny ankizy any @ école élémentaire ka, fa arak'izany hoe mbola mianatra izany dia mbola misy diso :-)

Fa angaha teny gasy ihany ary angaha ny ankizy ihany no manao diso tsipelina ! Jereo ange ny fomba fanoratry ny olona eto , dia ataovy ny projection fa afaka taona vitsivitsy dia tsy hisy olona hahay manoratra araka ny tokony ho izy intsony
3. Fiffi ( 23/10/2006 16:14)
xxx:
Fa angaha teny gasy ihany ary angaha ny ankizy ihany no manao diso tsipelina ! Jereo ange ny fomba fanoratry ny olona eto , dia ataovy ny projection fa afaka taona vitsivitsy dia tsy hisy olona hahay manoratra araka ny tokony ho izy intsony
tsy hanaovana comparaison kosa fa ny eto ange ka fonetika no hanoratana satria forum ity eh ! Tsy midika velively akory zany hoe raha manoratra fonetika de ho very kosa eh!

4. sipagasy ( 23/10/2006 16:28)
mmhhhh, aleo mangina sy mitazana fa dia mankarary maso tokoa aloha ilay diso tsipelina e!!
5. sipagasy ( 23/10/2006 16:31)
tsy mbola hitanareo nga ity?? http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m45316f50953c2 io e!!!

ao @ forum eritreritra mandalo e! "ny teny malagasy sy ny aterineto"
6. ninih ( 23/10/2006 16:39)
lainga² kosa aloha fa na za aza mapanao diso tsipelina fa na izany aza mba hay ihany ny mamanavaka ny eto sy ny tena ilana ny marina!
7. Fiffi ( 23/10/2006 18:29)
ninih: izay indrindra manko an! rehefa hanoratra aman'olona kosa aloha de mitandrina tsara mba tsy hisy diso an! fa mino kosa aloha aho fa tsy hoe gadino zany ny fanoratana teny gasy na de manao le fonetika aza an!
8. vale ( 23/10/2006 20:19)
k'hita oà, izay mahaingana azy ihany io e,ary ny fotoana tsy voatery misy foana higalabonana koh!!.. de ahoana koa izany ireny manao soratra sms ireny? pffff, rehefa mba maika kosa tsy maintsy atao @ zay maha-haingana azy e, ary tsy misy afaka ny hahay 100% izany kah!! za aloh de aleoko mitsotra fa na miezaka ny manoratra tsara aza aho (rehefa @ fotoana ilaivana azy , any @ blaogy ohatra na... zvt ohatran'izany de mitandrina fa mbola hitako misy diso ihany e, ts'hita fa dondrona angamba zay koh!!):roll:
9. soanja ( 23/10/2006 20:42)
soanja:

Asa na efa noresahiko teto ity fa gaga aho mamaky ny kahien'ankizy amin'izao fotoana izao rehefa mijery ny fanoratany ny teny Malagasy. Diso diso daholo. Tsy manao tsipeliteny sy dikasoratra ary vakiteny amin'ny teny Malagasy intsony ve zany ny ankizy any ampianarana amin'ny ecole elementaire sa ahoana?

Averiko indray fa tsy ny eto amin'i forum no tiako resahina fa ny any andakilasy. Raha T5 ohatra le zaza de mba tokony efa hitanao ihany ny soritra fa mahay tsipelina izy na tsia. Nanaramaso kahie na ankizy 5 isaky ny lakilasy aho. Sekoly folo no novangiako. ny 70% mandiso na feno gomagoma daholo. Ny anay tany amin-dry masera mantsy dia omena naoty koa ny sorakalaina sy ny dikasoratra ary ny hatsaran'ny fipetraky ny lesona ao anaty kahie.
Zay eto tsy dia olako loatra satria samy manana ny reviny.
Ny taranaka tsy hahay teny gasy sy handray vilana no atahorako.

10. Fiffi ( 24/10/2006 09:06)
ka zay no mahatonga azy ireo mianatra any am-pianarana kosa koh ! de na diso aza de mba eo ny mpampianatra hanintsy ...
11. soanja ( 24/10/2006 12:30)
Fiffi:

ka zay no mahatonga azy ireo mianatra any am-pianarana kosa koh ! de na diso aza de mba eo ny mpampianatra hanintsy ...

Izay indrindra no mampimenimeny ahy satria tsy eo ny mpampianatra manitsy satria tsy hitany ny any anaty kahie ny zaza satria tsy manamn-potoana amzany intsony izy fa ny fiainany aza efa lafo de tsy te hanokana fotoana hitsidika ny kahie lesona ny zaza izy fa izay takian'ny fanjakana aminy ihany no ataony de samy miala. Io anie le lesoka e. Tsy ampy fanarahamaso sy fandavan-tena avy amin
ny lehibe ny fianaran'ilay zaza fa matoky fotsiny ny RAD hoe milamina izy rehefa mande mianatra ka mananana ireo fitaovana rehetra ilainy.
Zaza any ambanivolo sy andrenovhitra ireo resahiko ireo fa tsy ny karazany iray fotsiny an.

12. xxx ( 24/10/2006 13:19)
Marina ny ahiahinao fa izao , tsy ao @ ilay environnement misy an'ilay olona ianao : tsy mitovy intsony ny fomba fijerinao avy aty ivelany sy rizareo ao anatiny, tsy mitovy ny priorité-nao sy ny an'ilay mpampianatra . Dia jereo fa ny priorité n'ilay mpampianatra sy ilay ray aman-dreny no mitovy : samy sahirana @ fitadiavana izy dia tsy misy afaka manara-maso akaiky ny fianaran'ny ankizy.

Raha mbola tsy voky ny kibo dia mbola tsy prioritaire ny orthographe .

Tsy fahotan'iza n'iza izany fa izay fotsiny no zava-misy.

Avy eo ianao no afaka mieritreritra hoe inona no azonao atao azy
13. soanja ( 25/10/2006 03:51)

Tsy midika akory ka aty andafy aho de tsy miaina sy mahatsapa ny zavatra tsapan'ny olona an-davanandro any Mada.

Matoa aho midina sy mijery ny kahie ny ankizy dia tsy hoe fitiavan-draha fa hanao raha. Te hanampy ny mpiray tanindrazana amiko ary indrindra ny resaka fampianarana. Milaza an'izany aho satria ankizy haka bacc sy haka BEPC no manoratra aty amiko dia ahitako ireo olana ireo. Izay no nahatonga ahy nanapakevitra hijery manomboka any amin'ny ecoles elementaires.
Matoa aho miteny dia satria tiako mba hisy ny fahatongavan-tsaina ary antso avo ho antsika rehetra ny hijery akaiky an'io mba ho fitandrovana ny Teny Malagasy ary manantena ny fanampianao. Fa tsy fanakianana be fahatany.

Tadidiko fa nandeha natory tsy voky izahay tamin'ny mbola kely fa tsy nidika izany fa notsinotsinoavin'ny RAD-nay ny fianaranay.
Ny fanontaniana dia hoe zavadehibe ve ny fampianarana sy ny fanabeazana na dia mahantra aza ny firenena iray. Rha ny fahitako ny valinteninao dia toa mirona amin'izay hoe tsy dia io no laharam-pahamehana. Ary sao io ara ny hampiala antsika amin'ny fahantrana dia ny fahaizana ny olom-pireneny ao anatiny ary ny fahaizana ny fikaliana ny tsara indrindra fa tsy antemaka izay mampalaza antsika amin'ny asa isan-karazany.

Hatramin'izao aloha dia nahatsapa aho fa tsy mbola nitazam-potsiny amin'ny fahantran'i Madagasikara. Ka asa re ianao manao xxx io?

14. xxx ( 26/10/2006 09:37)
soanja >>> hafahafa ilay miresaka aminao a : raha manazava izay hevitro aho ve dia tonga Ka asa re ianao manao xxx io? no avalinao

Izaho mitazana fotsiny ka :lol:

15. soanja ( 26/10/2006 12:06)
xxx:

soanja >>> hafahafa ilay miresaka aminao a : raha manazava izay hevitro aho ve dia tonga Ka asa re ianao manao xxx io? no avalinao

Izaho mitazana fotsiny ka :lol:

Ny xxx amiko dia midika hoe tsy fahatokisan-tena, fahatahorana ary fitadiavana hanosika olona ao anaty hazakazany ho any amin'ny tsara.
Raha toa ka ny hevitrao miteny hoe :
"Ka ny laharam-pahamehana amin'izao fotoana izao anie aloha dia ny politikan'i kibo e." dia mino aho fa tsy nahazo io fehezan-teny farany io ianao. Fa ilay mitondrotondro hoe ry zareo , ianao sns dia mitarika amin'ny valiny toa io koa.
Aza miafina rehefa mamaly ahy fa zah akory tsy handrangotra. zah efa zatra miady hevitra fa le mamely ambadika toa io kosa toa mila lesona ihany.

16. Fiffi ( 29/10/2006 21:11)
17. kitjo ( 04/11/2006 15:47)
hafa moa izany ny forum sy SMS fa na izany na izany za ko mahita fa tena mampalahelo mihitsy ny ankizy izao @ fanoratana teny malagasy...vao mainka loza ary ilay tsy mahay miteny koa!

fa teo aloha tato efa nasiana dinika iray tao @ Kolontsaina hoe tsy asiana afatsy teny malagasy fotsiny ary tsy asiana diso tsy asiana fanafohezan-teny.

tokony velomina kely indray angamba io fa rehefa zatra ny fomba fanoratra eto koa ange ka tena tsy maintsy hanoratra tsara dia adino e!
18. soanja ( 04/11/2006 20:50)
kitjo:

Tena manohana ny hevitrao aho ry Kitjo. Misaotra.

19. xxx ( 05/11/2006 21:26)
soanja:

Ny xxx amiko dia midika hoe tsy fahatokisan-tena, fahatahorana ary fitadiavana hanosika olona ao anaty hazakazany ho any amin'ny tsara.
Raha toa ka ny hevitrao miteny hoe :
"Ka ny laharam-pahamehana amin'izao fotoana izao anie aloha dia ny politikan'i kibo e." dia mino aho fa tsy nahazo io fehezan-teny farany io ianao. Fa ilay mitondrotondro hoe ry zareo , ianao sns dia mitarika amin'ny valiny toa io koa.
Aza miafina rehefa mamaly ahy fa zah akory tsy handrangotra. zah efa zatra miady hevitra fa le mamely ambadika toa io kosa toa mila lesona ihany.

Dia mbola gaga aho @ ilay fomba firesaka, fa inona @ voalaza teo aloha no mety midika fa hisy hifandrangotra !!! Mahavariana !!!

Na ilay vocabulaire ampiasaina aza mahagaga ihany , avy hatrany dia claser-nao ho "BADO" avy hatrany ny hafa , nahoana raha nampiasa teny tsotsotra kokoa : tsy mahay na manana olana , sa dia tena BADO tokoa !!!

Amiko tsy ny momba ahy no zava-dehibe fa izay tiako hampitaina , na xxx aho na yyy tsy manova n'inon'inona . Ny anao tantarao an-tsipiriany raha tianao ny momba anao , samy manana izay eken'ny sainy io fa aza tia tsaratsara toy izao
20. soanja ( 05/11/2006 21:39)

Ok xxx a. Azafady raha nitsara ary. Tsy Bado izany akory ianao. Inona zany ny solution amile olana ary fa izay no zavadehibe eto.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0794