Ny sekta

1. soanja ( 08/10/2006 18:15)
Inona ny hevitrao momba ny atoa hoe sekta? Iza no heverinao fa sekta amin'izao andro ny milenioma faha2 izao? Sokafy ny saina rehefa mamaly aza sy miady hevitra fa aza mifampitezitezitra an. Asa na efa nandalo teto ity resaka ity fa raha Ie dia mbola tsy teto aho dia mba miangavy antanandroa mba hiresaka azy indray raha tsy kamo ianao. Misaotra.
répondu par prime le 29/11/2006 09:11
2. mbelotavao ( 08/10/2006 23:30)
Izaho manokana dia tsy mba mampiasa io teny io raha ao anatin'ny tontolo Kristianina satria tsy fantako ny heviny; fa aoka izay mpiteny izany no hanazava azy.
3. bimanoa ( 09/10/2006 04:59)
olona vitsy² na maro² niala/nisintaka/nitsitokotoko nohon' ny antony tsy fitovian-kevitra/tsy fitoviam-pijery sns t@ fiangonana 1 d nanangana fiangonana 1 # 'mba ho iray ihany izy rehetra '
fiangonana izay milaza fa ny azy ihany no marina # ny famonjena d natao hoan' ny olona rehetra.
fiangonana izay maka ampahany ao anaty baiboly d iny ihany no ampianariny na indraindrainy fa tsy izay ao anaty baiboly manontolo, ohatra : apokalypsy fotsiny.
ohatra fotsiny ireo fa bdb no azo amaritana ny secte.
4. fens ( 09/10/2006 05:21)
Ety ampiandohana aloha dia tiako ny manamarika fa tsy dia tia mampiasa io teny io aho satria ohatra miaro fanavakavahana izany izy io. kanefa dia tiako kosa ny manome fanazavana momba an'io.

raha ny famaritana ny atao hoe sekta dia araka izay voalazan'i bimanoa etsy ambony izany hoe: "Antokom-pivavahana nisitaka avy amin'ny fiangonanana lehibe" raha ara-tantara ohatra dia azo lazaina fa sekta ny fivavahana naorin'i Jesoa Kristy satria dia nisintaka avy tamin'ny fivavahana Jodaisma izy, tahaka izany koa ny fivavahana katolika izay nisitaka koa tamin'io fivavahana fototra io.

Ankehitriny indray anefa dia lazaina fa sekta ireo antokom-pivavahana izay tsy tafiditra ao anati'ny fiangonan-dehibe toy ny "katolika romana, ny anglikana, ny loterana, ary ny protesatanta kalvinista" izany hoe ireo fivavahana kristiana matanjaka. voasokajy ho sekta ary ny fiangonana mivondrona amin'ny pentekotista, advantista noho izy ireo nisitaka avy amin'ny protestantisma sns.

izay no fahazahoako io hevitra io fa fehiny dia ny hoe: "Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Tompo dia iray ihany"
ny hafatro dia hoe, aoka isika tsy dia hanisy fanavakavahana loatra fa kosa mba samy hanaja ny azy ary hanome voninahitra ilay Tompo Tokana.
5. flinde ( 09/10/2006 06:42)
Ny sekta dia misy famaritana bedabe.Misy ny définition sociologique teo @ fiaraha-monina, misy ny définition philosophique,... Ny fantatro fotsiny dia ny sekta dia avy @ teny latina roa
Sequi(suivre)= manaraka ary ny hoe Sicare(couper) manampaka.Raha eo @ lafin'ny fivavahana dia tena marina le voalaza eo ambony io.Andian'olona vitsivitsy (ireo le mpanampaka) niala t@ ny fiangonana iray no mandeha mitaona olona (mpanaraka)mamorona fiangonana iray .
Ny hoe manavakavaka tsy manavakavaka izany ny fiangonan-dehibe fa tena misy kosa amin'ireo fiangonana atao hoe sekta ireo mitaona ny olona @ fampianarana tsy izy.
Ny tiako lazaina dia izao aoka samy hitandrina isika mba samy tsy voataona @ fampianaran-diso.Tazomy tsara izay anananao dia miorena tsara aza miova dia mahefa be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
6. prime ( 09/10/2006 12:24)
Mila mitandrina raha mamaly ity lohahevitra ity...

http://fr.wikipedia.org/wiki/Secte
7. cristal ( 09/10/2006 13:36)
(l)(l)(l)Amin'ny fo feno fitoniana no mba anomezako ny hevitro momba ny hoe SEKTA!
Ny sekta dia izay nisitaka ka tsy manaiky an'i Jesosy Kristy ho lohany!
Misy ahintsiko ihany koa ny momba ny hoe I Jesosy koa dia nisitaka t@ fivavahana jodaisma ka sekta koa izy izany,zao no ara-baiboly;ny fivavahana jodaisma dia nanompo Andriamanitra maro sy sary vongana;nefa raha ny tena izy dia izy ireo no antsoina hoe taranaka voafidy,ka izany no nahatonga ny hoe"ny azy tonga tao aminy fa ny azy tsy nandray azy",ny tena loza dia ireo sokajim-pivavahana sahy manompa an'Andriamanitra ka manao batisa in-droa(2),nefa ny batisa dia mariky ny fifohazan'olona iray ho mpizaka ny hazo fijalian'i jesosy koa tsy azo atao ny batisa 2,ny tsy fanekena an'i jesosy koa dia manambara fa sekta satria izy no Andriamanitra hitamaso nidina tety amintsika,izay naharesy ny fahafatesana iza tokoa moa no anarana nahavonjy afa-tsy ny anarana tokana ihany dia I JESOSY KRISTY IZANY,amen!(l)(l)(l)
8. prime ( 09/10/2006 13:48)
cristal:
...ny fivavahana jodaisma dia nanompo Andriamanitra maro sy sary vongana;nefa raha ny tena izy dia izy ireo no antsoina hoe taranaka voafidy,ka izany no nahatonga ny hoe"ny azy tonga tao aminy fa ny azy tsy nandray azy",...
sao d diso izany?...
Ny jodaisma dia anisan'ny fivavahana "monothéiste" hentitra indrindra... ary anisan'ny masiaka indrindra @ fanarahana ny lalàn'i Mosesy izany hoe tsy manana sary vongana... tsara mandalina kokoa fa sao dia mivily ny hevitra...

http://fr.wikipedia.org/wiki/Juda%C3%AFsme
9. LazaDaddy ( 10/10/2006 01:27)
soanja> ny zava-dehibe dia ny fahafantarana an'Andriamanitra rain'i Jesoa Kristy, ka tsy ilaina ny mandalina adihevitra sy mifantoka @ resaka secte.

"Ampy anao ny fahasoavako" hoy ny Tompo.
"My grace is sufficient for you"
10. cristal ( 10/10/2006 08:47)
(l)(l)(l)Hazavaiko kely ary e!Ny jodaisma dia nanaraka ny lalan'i Mosesy fa tao anatin'izany ny fanompoan'izy ireo andriamaninkafa,zay no nampianaran'i jesosy ny lalana vaovao dia ny FITAVANA,ny hoe sarotiny dia sarotiny tamin'ny hevitr'izy ireo izy,nandeha t@ maha olona fa tsy araky ny didy,eny fa andalina aho dia mba samia mitondra ny heviny ny momba ny fahazavana mba hanatsarana ny manodidina na dia ny mpiserasera ihany aza,tsy zava-dehibe ny hoe secte fa ny fanekena an'i jesosy no ampianarina ny olona mba ahita fitsaharana sy fiadanana ny olona rehetra!(l)(l)(l)
11. mbelotavao ( 11/10/2006 17:11)
Raha atao indray mijery dia tsy misy afa-tsy ny fiangonana voalohany ihany no tena fiangonana Kristianina fototra ; izany hoe ny fiangonana natsangan'ireo Apôstoly rehefa lasa any an-danitra J.K . Dia raha jerena @ ireo definition rehetra teo dia iza no secte dia iza no tsy secte ?
12. xxx ( 12/10/2006 02:16)
tsy misy ambara :roll:
13. prime ( 12/10/2006 13:48)
Izaho aloha mbola manamafy hatrany hoe mila mitandrina raha miresaka ity, satria ny \"secte\" efa nisy hatr@ andron\'i Jesosy ary talohan\'izany mihitsy koa aza...
Ara-tantara aza dia azo lazaina fa ny fiangonana protestanta loterana sy ny fiangonana protestanta nohavaozina (reformée) ohatra, dia voasokajy ho \"secte\" any amin\'ny firenena maro hatr@ izay nisiany ka mandrak\'ankehitriny...
14. papala ( 24/10/2006 09:07)
Ny "secte" amiko dia tsy fanavakavahana zany, fa olona zay nivavaka tao anaty ny fiangonana iray ka tsy nahatanty ny toetra na fisehoan-javatra tao no nisitaka. araky ny voalazan'i prime hoe : "ny fiangonana protestanta zay notarihin'ny kalvin sy Lotera no secte voalohany indrindra teto ambonin'ny tany. Satria Katolika tao Vatican no fivavahana voalohany.Rehefa tsy nahatanty ny lakolosy vidina, sy ny famelan-keloka rehefa maty ect.....I Kalvin sy Lotera dia nisitaka ireo ka namorona ny Protestante sy ny Loterane. Samy mino an'Atra daholo anefa ireo fa nisy zany ireo fomba tsy zakany no nialany.
Amiko dia ireo fomba entina hiderana an'Atra no tsy hitovizana, fa tsy fanavakavahana akory ny secte ?
Ao ireo zay mihevitra fa : rehefa midera an'Atra dia mitomany ? Ao reo mandihy ? Ao reo zay mivazavaza ? Ao reo zay mimenomenona ? Ao reo zay mikipy sady mangina fatratra ? sns...............Amen
15. Achia ( 24/10/2006 10:19)
izany hoe raha azoko tsara ny tian'i papala lazaina de tao vatican zany no fiangonana voalohany ? satria hoy ianao hoe : satria katolika tao vatican no fivavahana voalohany
16. papala ( 24/10/2006 11:15)
ie satria i Msdahy Pierre iray @ mpianatr'i Jesosy no dimbiasan'ireo relijiozy ao vatican ireo, sady teo @ hitsin'io vatican io (zany hoe misy fiangonana protestanta kely bilitika izay ao Italy) ao zay teo no nifanenan'i Jesosy sy i Pierre ka nanomezany azy ny lakilen'ny lanitra, zany hoe nikisaka teo amin'io nosy kely misy an'i vatican io zany ny fiangonana naorin'i Pierre.Amen
17. prime ( 24/10/2006 14:18)
:wink:
18. belaza ( 24/10/2006 21:16)
ny sekta amiko dia izay rehetra nisitaka tamina finoana iray ka namorona finoana iray
19. prime ( 25/10/2006 10:32)
O ry zareo a... fa ny "secte" d tsy "réligieux" ihany a... misy koa ny "secte militaire", "secte politique"...
20. Zina ( 25/10/2006 21:01)
satria i Msdahy Pierre iray @ mpianatr'i Jesosy no dimbiasan'ireo relijiozy ao vatican ireo, sady teo @ hitsin'io vatican io (zany hoe misy fiangonana protestanta kely bilitika izay ao Italy) ao zay teo no nifanenan'i Jesosy sy i Pierre ka nanomezany azy ny lakilen'ny lanitra, zany hoe nikisaka teo amin'io nosy kely misy an'i vatican io zany ny fiangonana naorin'i Pierre.Amen

tany @ encyclopedia ve no nahitanao an'io? ilay iza raha ie?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1437