Est-il encore possible?

1. volamena ( 05/10/2006 06:53)
Mbola misy ve ny fihaonana amin'Andriamanitra tahaka ny t@ fotoanan'dry Moizy ( na Mosesy). Ny Andriamanitr'i Abrahama, Isaka sy Jakôba io teneniko io. Misy tokoa ve io fifandraisana io @'ireny fiangonana maro be maneran-tany ireny, ary indrindra fa ny any amintsika. Raha misy dia mba atoroy ahy. Raha tsy izany kosa dia "nofinofy, tsy fiezahana hijery ny tena zava-misy, ary fampandriana adrisa ny vahoaka " io resaka finoana io


La rencontre avec Dieu comme à l'Epoque des Prophètes est-il encore possible ? Je parle du Dieu Saint d'Abraham, d'Isaac et de Jacob. Y at-il vraiment de rencontre avec Dieu dans ces milliers d'églises et de temples dans le monde et surtout chez nous? Et si c'est encore possible, alors, conseille-moi! Sinon, la religion est vraiment l'opium du peuple!


Nadikan'i Tokinao

Nahitsin'i hery
répondu par volamena le 27/10/2006 10:08
2. xxx ( 05/10/2006 07:24)
ataovy teny gasy e !
3. ninih ( 05/10/2006 08:44)
toa ho voafafa io izany ko! :(
4. Tokinao ( 05/10/2006 09:54)
Fandikan-teny :
volamena:

Mbola misy ve ny fihaonana amin'Andriamanitra tahaka ny t@ fotoanan'dry Moizy ( na Mosesy). Ny Andriamanitr'i Abrahama, Isaka sy Jakôba io teneniko io. Misy tokoa ve io fifandraisana io @'ireny fiangonana maro be maneran-tany ireny, ary indrindra fa ny any amintsika. Raha misy dia mba atoroy ahy. Raha tsy izany kosa dia "nofinofy, tsy fiezahana hijery ny tena zava-misy, ary fampandriana adrisa ny vahoaka " io resaka finoana io.


Nadikako @ hoe ""nofinofy, tsy fiezahana hijery ny tena zava-misy, ary fampandriana adrisa ny vahoaka " ilay "opium du peuple", fa ra te hahita ny tena dikany ianareo mbô mahaihay an'ity "teny faran'ny tsy haiko" ity de : http://atheisme.free.fr/Atheisme/Arguments_06_opium.htm
:-D :-D :-D
de valio @zay izy zareo a!
5. pissoa ( 05/10/2006 10:51)
Ny fifandraisana amin'Andriamanitra ve ny tena mahaliana anao ; sa ny fihaonana amin'Andriamanitra mitovy amin'ny nifandraisany tamin'i Moizy ohatra ?

Raha ny fifandraisana amin'Andriamanitra no tianao fantarina dia misy. Raha te hifandray Aminy ianao dia miresaha Aminy, ary diniho eny an-dalanao eny ny fomba hiresahany sy hifandraisany aminao. Mino aho fa afaka manampy anao amin'izany ko ny fiangonana.

Raha fihaonana mitovy tamin'ny an'i Moizy no tadiavinao, dia sao tsy fihezahana hijery ny tena zava-misy izany ; satria ny zavatra mitranga amin'ny fotoana iray dia tsy miverina intsony.
6. mandrindra ( 05/10/2006 10:54)
pissoaaaaako, ahoana no fomba hiresahana aminy ????
7. pissoa ( 05/10/2006 11:13)
te hiresaka Aminy angaha i mandrindra ? :wink::-D:-D:-D
8. mandrindra ( 05/10/2006 11:21)
an3, te ahafantatra ny fomba fanaon'ny mpiresaka aminy fa tsy kôpy n'inn n'inn amin'io aho:D
9. jentilisa ( 05/10/2006 14:41)
Ka ilay izy raha tsy miverina toy ny zaza tsy mety e! manaiky izay lazaina hoe mivavaha...ary amin'ny fo, mahalala ny sitrapony sy izay vavaka tiany valiana kokoa. Tsy ny vavaka rehetra tsy akory dia valiany tahaka ny omeo basy aho ohatra. Vavaka tahaka ny hoe omeo fahendrena aho, na omeo fahalalana ny amin'izatsy aho...izany hoe izay heverinao ho mahasoa anao ka tsy materialy be tahaka ny hoe omeo vola aho. izaho izao nangataka taminy ny fiadanany fa tsy ny fiadanana anivon'ny vola aman-karena tsy marina, dia nomeny tokoa aho ary namaly ahy izy, teo noho eo ihany. Tsy mazia io fa fantatrao hoe izay ilay famaliny.

Fa io miteny hoe miverina toy ny zaza io dia efa tsy eken'ny saina amin'izao. Izay no miditra ny finoana. Izay efa nandeha tamin'ilay lalana no manoro anao ka raha itokianao fa marian izay lazainy dia mino azy ianao izany ka andehanao koa izay noteneniny, fa raha tsy mino izay lazainy ianao tsy handeha any mihitsy!
10. Fiffi ( 05/10/2006 17:31)
volamena: miankina @ finoanao hiany io . Miankina @ finoan'ny tsirairay io!
11. pissoa ( 05/10/2006 18:14)
mandrindrakooooo, Izy zany anontaniana fa Izy afaka mi-satisfaire tsara ny curiosite-nao :-P:-D:-D:-D
12. Fiffi ( 06/10/2006 06:08)
toa resaka fivavahana sy finoana ity eh ?
13. mandrindra ( 06/10/2006 08:51)
pissoaaaaako, ka zah tsy manana an'ilay canal hiresahanaa aminy dia tsy afaka manontany azy aho
14. pissoa ( 06/10/2006 10:55)
mandrindrakooooo, te hiresaka njay ngah e :-D:-D:-D
15. ninih ( 06/10/2006 12:57)
tsy tokony any @ fivavahana sy finona marina ve aloha e! toa sarotra be le eritreritra kah
16. mandrindra ( 06/10/2006 13:43)
pissoaaaaako, tsy te hiresaka fa te ahafantatra hoe misy ve ilay ligne directe :-D:-D
17. Fiffi ( 07/10/2006 08:59)
misy io raha tena mino kah!
18. pissoa ( 07/10/2006 13:39)
mandrindrakooooo, efa oe misy :-D:-D:-D
19. mandrindra ( 09/10/2006 14:51)
firy aza le numero e??
20. pissoa ( 10/10/2006 11:00)
tsy mila numero fa miteny fotsiny dia henony :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3047