Voahangy: Santa Maria

1. pissoa ( 19/09/2006 20:46)
Miarahaba

Raha mba misy mahay njay ny tonon'io hira io dia mba omeo ooo.

Ilay tamin'ny teny gasy izany an :-D

Misaotra mialoha.
répondu par mandrindra le 28/09/2006 09:00
2. vakiniadiana ( 20/09/2006 05:53)
Io ve tsy ilay hoe :
Santa Maria ahinjiro ny tananao ? :D
3. pissoa ( 20/09/2006 07:29)
ie - io mihitsy :)
4. hery ( 20/09/2006 08:07)
Atomboko dia tohizan'ny sasany.


Aza avelanao ho irery aho fa toa kamboty
Aza avelanao ho irery aho fa sao manary toky
...
Aza avelanao ho irery aho fa zanakao


Ref.
Santa Maria,
Ahinjiro ny tananao,
Santa Maria
Ny lalanay mba hazavao.
Santa Maria,
Raha mila ho kivy aho mba tsidiho
Ny lalanay mba ahitsio.

Aza avelanao handresy anay ny fahavalo
...


Tsy tadidiko intsony kle :-)
Andraso fa rehefa tonga eo i dadasy hameno azy
5. mandrindra ( 20/09/2006 09:53)
ny feony ihany no tsaroako e
6. chipie1 ( 20/09/2006 11:50)
ataovy oe lé feony :?: tena tsy aiko e
7. pissoa ( 20/09/2006 13:45)
Misaotra an'i Hery :)
Miandry an'i dadasy ny tohin'ilay zany o! :-D

mandrindrakoooo, ataovy ony ny feony ozizy chipie.
8. dadasy ( 20/09/2006 18:56)
Tsy mbola eto am-pelatanana ny tononkira fa ho soratana eo ihany rehefa hita ilay kahie de san t@ mbola kely :):)
9. pissoa ( 20/09/2006 19:22)
Misaotra mialoha dadasy an :)

Ny kahie de san-ko anie hadino any Dago dia eto zah no mitady diksioneran-kira e :°):-D:-D:-D
10. mandrindra ( 21/09/2006 08:32)
chipie1, lalala lalalalalala
lalalala lalalala lalalala
somary mivalana kely fa tsy nafana ny feoko :wink::-D:-D
pisssoaaaaako, ahoana no fahenonao azy?
11. ravakamalala ( 21/09/2006 09:26)
mandrindra > hay ve enao ty manga feo toy izao? :wink:
12. mandrindra ( 21/09/2006 10:05)
ravakamalala, hitanao hatramin'ny lokony mihitsy an:-D:-D:-D
13. pissoa ( 22/09/2006 16:02)
mandrindrakooooo, hitako hatramin'ny lokony koa ... mangamanga :-D:-D:-D
14. xxx ( 22/09/2006 16:53)
Fa iza aloha izany voahangy zany é ?
15. pissoa ( 22/09/2006 16:59)
Voahangy le mihira an'ilay Santa Maria :-D:-D:-D

Vazivazy io ry xxx fa mpihira malagasy i Voahangy an.
http://radiovazogasy.com/?rub=radio%2Fplaylist&karoka=voahangy raha te hihaino ny hirany ao amin'ny RVG.
16. xxx ( 22/09/2006 17:04)
pissoa , ity misy f tsy fantatro raha feno :

Aza avelanao irery aho fa toa kamboty
aza avelanao irery hitalaho fa sao mba manary toky
ny andro sisa iainanay anie mba ho mamy eo anilanao
aza avelanao irery izahay fa zanakao


Aza avelanao hanimba anay irony ankaso
aza avelanao irery hitalaho fa mba topazo maso
ny fiaraovana mahery no mba atosaho ho any raha sitrakao
Aza avelanao irery izahay fa zanakao


Santa Maria, ahinjiro ny tananao
Santa Maria, ny lalanay mba hazavao
Santa Maria, raha mila ho kivy fo mba tahio
Santa Maria, ny lalanay mba ahitsio

Aza avelanao handresy anay ireo fahavalo
Aza avelanao hiady amin' ny loza maro
nofo aman-dra izahay anie ka malemy efa fantatrao
Aza avelanao irery fa zanakao.

Santa Maria, ahinjiro ny tananao.....sns

(l)


17. pissoa ( 22/09/2006 19:18)
Weeee, melsiii xxx :-*:-*:-* sa nareo rehetra namaly :P:-D:-D:-D
18. mandrindra ( 28/09/2006 08:25)
pissoaaako, manga tanora sa managabe no loko nivoaka tao?:-D:-D
19. pissoa ( 28/09/2006 08:50)
otran'ny ... ranomasina :-D:-D:-D
20. mandrindra ( 28/09/2006 09:00)
manonja be izany :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4029