ROVA : Ar 5.039.844.382,67
1. Fiffi
(
11/09/2006 08:51)
Tsy hitako ilay dinika nilaza fa hoe hamidy ny Rova nefa raha jerena ity vao2 ity toa tsy misy an'zany akory ?
Tetibola ho fanarenana ny Rova: 30% no voaangona hatreto
Hatramin’ny 1 septambra teo, araka ny tarehimarika mivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny TIM France, dia mitentina Ar 5.039.844.382,67 ariary ny totalin’ny fanangonam-bola vita ho an’ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamaiadana. Ar 150.112.681,10 no voamarika fa avy amin’ny olon-tsotra. Lavitr’ezaka ny fivoaran’ny tarehimarika sy ny famatsiam-bola ilaina. Miainga amin’ny navoakan’ny Filohan’ny Repoblika, dia manodidina ny 7 tapitrisa dôlara amerikanina izany, na eo amin’ny Ar 15 miliara, raha tsy misy fiovana be loatra ny dôlara eo amin’ny tsenambolan’ny fifanakalozana. Komity manokana no najoro hitantana ny fanamboarana ny Rova, dia ny « Conseil National de patrimoine ».
Eo amin’ny tetiandron’ny fanamboarana, dia ny marsa 2008 no heverina fa ho vita tanteraka ny fanarenana, ao aorian’ny fijoroan’ny rihana faha-2, izay tena goavana amin’ny asa. Raha ny fahitana ny tarehimarika, dia mihisatra ihany ny vola voahangona, satria tany amin’ny 15% avy hatrany no azo, nitentina tany amin’ny Ar 2 miliara, raha vao nanomboka ny fanentanana. Amin’izao fotoana, miha-sahirana ny orinasa ka tsy afaka manokana vola firy intsony, ho an’ny tetik’asa lavitr’ezaka. Ny olon-tsotra rahateo, misy ny fetra azony omena.

répondu par Fiffi le 25/11/2006 08:02
3. naritsimba
(
11/09/2006 09:21)
izaho aloha tsy hanome satria aleo ho hitan'ny taranaka fara aman-dimby fa izao no adalan'ny malagasy mpivarotra tanindrazana e!
Ny tiako dia atao tahaka ny rindrin'ny fitomaniana any @ Jiosy ny rindrina sisa nijoro teo @ io Manjakamiadana io.

4. vakiniadiana
(
11/09/2006 09:34)
Tys mety kosa ilay hevitr'i Naritsimba e, ny rindrin'ny fitomaniana an'ny jiosy anie dia ambin'ny tempolin'i Davida nopotehin'ny romana taloha e, mino marina aho fa raha tsy voagejan'ny romana ny jiosy dia niezaka mafy nanamboatra ilay tempoly.
Isika Malagasy izay efa mba mana fahaleovan-tena ve dia tsy mba hiezaka hanamboatra ny Rova ? sa tsy midika n'inona n'inona aminao io Rova io ? sa sanatrian'ny vava faly ianao t@ izy may ?

5. hery
(
11/09/2006 09:35)
Tsy tafiditra ao anatin'io izany ny vola nangonina tamin'izy vao hoe hamboarina ireny kle.
7. Fiffi
(
11/09/2006 11:31)
mampalahelo fa toa misy foana ny mpanodikodina raha vao hoe resa-bola an!
8. naritsimba
(
11/09/2006 11:38)
hery> vakiniadiana> raha ny nangonina t@ compte tato am-piasananay aloha dia mbola ato fa tsy very akory ary mbola miteraka soa aman-tsara.
vakiniadiana> asa ise raha efa namaky fa manana ny tantarany manokana Manjakamiadana teo @ tantaran\'i Madagasikara indrindra ara-pinoana.
Tsy sanatria fanompoan-tsampy ny ilazako an\'izy ity eto fa ny zava-nisy marina.
Tsy nanaiky resin\'ny tafika Frantsay mihitsy ny tafika Malagasy tany anindran-tany na dia efa tafakatra teto Antananarivo aza rizareo ny 08 Aogositra 1896. Ny nataony dia tsotra, ny finoan\'ny Malagasy no nozimbazimbainy izay tsy inona akory fa ny famindrana ny taolambalon\'ireo mpanjaka izay nilevina tao @ ireo fasana antsoina hoe FITOMIANDALANA ka nalefa teny Ambohimanga. Nanana ny finoany ny Malagasy tahaka ny finoan\'ny Jiosy ka namindrana ny taolambalon\'i Josefa hiverina nankany @ tany izay honenany.
Moa ve raha Katôlika ny finoana nisy an-DRasalama Maritiora tsy efa nasandratra ho olo-masina izy tahaka an\'izay?

9. adidy
(
11/09/2006 19:39)
Dia ho lafo noho ny Force one moa(avion présidentiel) sy ireo fanamboarana hafa ve ny rova? Fa io samy manana ny laharam-pahamehany!
10. Fiffi
(
11/09/2006 20:57)
Ny zavatra mba tsara kosa aloha de efa mba ao ny tanjona hanoronana azy an!
11. prime
(
02/10/2006 08:52)
Io kosa aloha ry naritsimba tokony averina @ toerany nahaizy azy fa raha tsy averina dia manjary midingin-drambo ny sasany fa nahomby a....
12. Fiffi
(
02/10/2006 20:16)
ianareo any dago ve mba efa nahare an'zany hoe saika hamidy zany ny Rova ?
13. prime
(
03/10/2006 12:22)
ie, fa hita hoe tsaho ihany satria patrimoine international (unesco) io ka efa fepetra hafa no mifehy azy fa tsy an'ny malagasy intsony io...
14. Fiffi
(
03/10/2006 17:17)
mba gaga hiany manko zah t@ fandrenesana an'io ! Tsaho fotsiny zany iny !
15. prime
(
09/10/2006 07:51)
zavatra tsy azo amidy intsony io...
fiffi> ela2 zà tsy nahita an-jy...:lol:
fiffi> ela2 zà tsy nahita an-jy...:lol: