correspondance avec copin ou copine avant

1. xxx ( 08/09/2006 09:54)
azo atao ve ny mifandray@copin na copine anao taloha nefa ianao efa manambady ahoana no fandraisanareoan'izany de tsy milaza ny marina aminy ianao hoe efa manambady
répondu par Fiffi le 17/09/2006 20:48
2. lapino ( 08/09/2006 10:05)
Raha tsy nisy ratsy nifanaovana moa inona no hiavonana aminy? Kanefa raha tsapanao fa mety ho fakam-panahy ho anao izy, na mety hampisy olana amin'ny tokatranonao, dia mila gérer-na izay. Raha amin'izay no hoe ny tsy mifandray no hialana aminy, dia izay izany :)
3. pissoa ( 08/09/2006 10:15)
Mitovy hevitra amin'i Lapino.

Fa tsy azoko hoe maninona no tsy milaza ny marina aminy hoe efa manambady? Sao vao maika lalana mandeha any amin'ny fakam-panahy sy ny faharavan'ny tokantrano izany?
4. xxx ( 08/09/2006 10:34)
ka zay mintsy anie raha milaza tsy maninona fa izy tsy milaza no blem
5. booboo ( 08/09/2006 10:48)
Azo atao tsara ny mifandray @ dreo kah ! tsara kokoa raha resahina tsimoramora ilay vady na sipa na tsy haiko, indrindra raha saro-piaro beeeeee, hoe mifampiresaka ndray ny roa tonta, dia atao mazava ny raha aby aby : toerana hihaonana, ora, miaraka @ iza.
6. ninih ( 08/09/2006 15:12)
amiko ny vady malalaka ny resaka taloha de ny dikany de tsy misy olana izany. raha samy madio ny loha de milamina ny fiainana e!
7. Fiffi ( 08/09/2006 16:52)
xxx:
azo atao ve ny mifandray@copin na copine anao taloha nefa ianao efa manambady ahoana no fandraisanareoan'izany de tsy milaza ny marina aminy ianao hoe efa manambady
raha ohatra ka tsy milaza ny marina aminy de misy zavatra hafa indray ny tanjona ao! tsy aleo ve lazaina ny marina raha ohatra ka tena fifandraisana @ fo madio no tadiavina ?


8. vale ( 09/09/2006 12:57)
azo atao tsara koa, arakiny voalaza ny namana etsy ambony io hoe raha tsy nisy ratsy nifanaovana! fa zao kosa nefa tokony teneninao an'ilay ex-nao fa efa manambady enao satria betsaka ny miverina miaraka ny olona efa nisaraka ireny ka mba tsy hanome fanantenana azy dia tsory ny marina, dia tokony lazainao an,ny vadinao koa izay miseho rehetra;-)
9. Fiffi ( 10/09/2006 13:43)
zay mihintsy !
10. pissoa ( 10/09/2006 17:29)
Efa notenenina amizay ve ry xxx? :roll:
11. cutie ( 10/09/2006 20:01)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 08-09-2006 11:54:45
Lohateny : correspondance avec copin ou copine avant
azo atao ve ny mifandray@copin na copine anao taloha nefa ianao efa manambady ahoana no fandraisanareoan'izany de tsy milaza ny marina aminy ianao hoe efa manambady

amiko tsy azo atao, avelao ny lasa ho any fa ny ho avy no banjinina e :lol:
12. ninih ( 11/09/2006 08:03)
ka ny fitiavana tsy raikitra hono tsy hanimbana fihavanana e!
13. cutie ( 11/09/2006 09:34)
zany an
14. vakiniadiana ( 11/09/2006 09:42)
Ary raha tsy miresaka fotsiny ?
15. cutie ( 11/09/2006 10:32)
de tsy manin koa:wink:
16. pissoa ( 11/09/2006 10:39)
Ary raha mpiara-miasa?
17. ninih ( 11/09/2006 11:06)
raha miara-miasa ve de hiavonana izany?
18. cutie ( 11/09/2006 20:48)
mifampiarahaba de vita e :-D
19. xxx ( 12/09/2006 07:41)
HITA HOA AKIA RY CUTIE SAROTINY IHANY AHO ALOHA KOA
ZA KOA ANIE MBA NANANA NY AHY TALOHA FA REHEFA NANAMBADY AHO NAJANOKO NY FIFANERASERANA KOA SA AHOANA
20. pissoa ( 12/09/2006 08:29)
cutie, dia lasa mpifampiarahaba fa tsy mpiara-miasa :-D

xxx, raha ianao no nisafidy ny tsy hiresaka aminy intsony dia safidinao kosa izay ka, izay izany no hitanao fa hanampy anao. Fa tsy midika izany hoe imposer-o amin'ny vadinao koa ny toy izany :{:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3531