AIR FORCE 1 amidy sa omena ny AIR MADAGASCAR? sa....

1. lemenakely ( 07/09/2006 14:39)
Niteraka resa-be tokoa ny momba an\'ity AIR FORCE 1 ity. Izay tsy mahalàla moa dia ilay BOEING 737-400 izay novidiana mbà ho avion présidentiel no atao hoe AIR FORCE 1.

Hita tao @ gazety miseho isan\'andro iray fa dia lafo dia lafo tokoa ny nividianana azy ity 20 millions de dollar asa na ohatrinona aloha izany raha avadika ariary .Eo koa ny entretien izay tsy azo divirina eny fa na ny carburants dia mahatratra 100.000.000fmg ny 1 h de vol.

Etsy andaniny ingahy MOXE RAMANDIMBILAHATRA izay mpanolo-tsain\'ingahy RAVALOMANANA ,raha nanao famelabelaran-kevitra dia nilàza fa fitaovana ilain\'ny filoha ny AIR FORCE 1, lojika moa raha miteny izany izy satria mouvance présidentielle ny tenany!

Nisy candidat moa nilàza hoe raha lany izy dia amidy io avion io na omena ny AIR MADAGASCAR,ingahy HERIZO no niteny an\'io.

Tetsy andaniny dia noho ny sahotaka izay niseho ny faran\'ny herin\'andro dia voatifitry ny balle pérdue-na miaramila iray ny elatr\'io avion io ,ary toa heno fa namono tena ranamana .Asa aloha izay antony marina?

Ny zavatra mbà azo lazaina aloha en tant que simple citoyen dia mbà mampanontany tena tokotrany hoe :RAHA NY FIJERENA NY TOE-KARENAN I MADAGASIKARA ve dia tokony priorité ny nividianana io avion io?

AIR FORCE 1 dia ny filoha amerikanina no manana azy io 747-200 izay izy io ary version spéciale mihintsy izy io namoarin\'ny orin\'asa BOEING ho an\'izay filoha amérikanina.
Ny an\'i JACQUES CHIRAC dia AIRBUS A-320 misy hoe REPUBLIQUE FRANCAISE ny azy sns..

Raha jerena ny tany afrikanina dia efa tsy dia misy intsony ny taloha toa andry i SAMORA MACHEL nanana TYPOLEV 154(izay ni crash moa izy io) ,ry JEAN BEDEL BOKASSA nanana JET FALCON 900, ry IDI AMIN DADA nanana BOEING 757,...Izay mahamenatra ihany ny nahita izany satria ny mponina dia fadiranovana tokoa.

Ny filoha algérianina AMIN ZEROUAL ohatra rehefa mitsabo tena aty FRANCE dia na AIR FRANCE na AIR ALGERIE 1ére classe no mitondra azy nefa i ALGERIE manana pétrole.

Ireo filoha malagasy rehetra teo aloha moa dia nandeha AIR MAD na AIR FRANCE daholo (1ére classe)..

Tsy hoe hampiteraka polemique akory fa dia mijery sy mandalina ny zava-misy fotsiny ary ny hevitra samy manana fa raha izaho manokana dia tsara ny hevitra hoe omena ny AIR MAD io avion io hanampy ny flotte @ izay mbà mampidi-bola ny kitapom-bolampanjakàna satria volam-panjakàna no nividianana io avion io ,nisy déficit ny budgetm-panjakàna ka asa aloha e!

Avy eo gaga raha tonga ho azy ny dévaluation sy ny déléstages sy ny inflation isan-karazany ! tsy maintsy tapenana tsinona ny banga ...
répondu par mandrindra le 22/09/2006 15:37
2. lemenakely ( 07/09/2006 15:00)
ity no tena vrai AIR FORCE 1 izay an'ny amerikanina
http://www.boeing.com/defense-space/military/af1/index.html
3. Fiffi ( 07/09/2006 16:40)
ka mba tsy normal kosa ve hoe mandeha 1ère classe ny filoha ?
Hummmm ! manambola kosa ry zareo hanana avion spesialy ho azy zany an!
4. mandrindra ( 07/09/2006 19:27)
tsy misy afaka mivarotra ny air force one satria tsy fananan'ny fanjakana malagasy izy iny fa misoratra amin'ny tiko sa
5. xxx ( 07/09/2006 22:17)
Izaho aloha dia mahita fa fitaovana ilain'ny Filoha izy io noho ireto antony ireto :
1°- Noho ny maha-nosy antsika dia ilaina ny fifanakalozana amin'ny firenena maro, izany dia mitarika ny fivoahan'ny filoha matetika ivelan'ny nosy. koa tsy aleo ve asiana fitaovana iray ho fampiasa amin'izany e! Tsarovy fa raha hampiasa "air mad" tsin izy dia voatery haka ny 1ère classe hatrany : izay tsy mora.
2°- Eo amin'ny resaka "securité"-n'ny filoham-pirenena dia tsara ho azy mihitsy ny mampiasa fiaramanidina manokana. Fantantsika fa maro ireo manam-pahefana izay maty noho ny hetraketraky sasany @ alalan'ny fitaingenana ity karazam-pitaterana iray ity. Ny anton'izy dia satria tsy voa-ara-maso ny fikojakojàna ny fiara-manidina, na koa misy voavidy ny olona mpikojakoja azy ka manisy fandrika. Koa ho fisorohana izany tranga izany dia tsara raha olona ananan'ny filoha fitokisana manokana no mikarakara ny fiara-manidina izay ampiasainy. dia io no antony mahatsara ny fananany fiaramanidina manokana!
6. ferrari ( 08/09/2006 20:42)
Pour mandrindra:oui j ai lu que AIR FORCE 1 appartient à TIKO mais je pense que le carburant utilisé, l'entretien et peut etre une location de TIKO à l'Etat, est à la charge de l'Etat lors des déplacements présidentiels. Mais l'Etat c 'est qui ce sont les contribuables malgaches donc le peuple qui a du mal à vivre ou plutot qui survit.

Nous faisons partis des 10 pays les plus pauvres au monde, ce n' est pas la peine de faire comme certains pays qui possèdent un avion présidentiel. Le plus important ce n'est pas l'apparence mais le contenu. Donc s'il y a des déplacements présidentiels autant utiliser 1 avion AIR MAD. Si vraiment il y a besoin d'argent, l'Etat aurait ainsi économiser.
7. rabaradaka ( 09/09/2006 08:35)
Misy ahitsio kely kosa nama ny fomba fijery a, tamin'ny andron-dRatsiraka anie ka natao réquisition foana ny boéing an'ny Air Mad e, dia nanao ahoana ny Air Mad avy eo ? Tsy ilay fandaniana 100 millions par heure no zava-dehibe fa ny souvereineté nationale de notre pays (miala tsiny fa nataoko teny vazaha). Tsy ny fahantran-dramalagasy foana no tokony aseho fa ny fananany ihany koa. Asa fa fijerin-drabaradaka io. Izaho ndray angamba tsy hanambola hividianana avion izany raha tsy elaela vao vakina ilay boatin-drakitro
8. Fiffi ( 09/09/2006 09:19)
hay tsy ho elaela de ahazo avion zany i rabaradaka ?
marina kosa aloha ireo nolazain'i xxx ireo an!
9. lemenakely ( 09/09/2006 17:37)
ity izany AIR FORCE 1 gasy ho an'izay tsy mbola nahita
http://www.airliners.net/open.file:0539430/L/
10. lemenakely ( 09/09/2006 17:38)
misy ahitsy kely
http://www.airliners.net/open.file/0539430/L/
11. mandrindra ( 22/09/2006 15:37)
ferrari, marina izany lazainao izany. fa ny tiako ho marihina dia ny tenin'i herizo razafimahaleo hoe amidy ny air force one raha izy no lany eo. tsy afaka amidiny izany iny satria tsy fananampanjakana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983