Fifandraisana eo amin'ny vinanto sy rafozana

1. zanako ( 05/09/2006 11:19)
Ahoana ny mba fifandraisanareo amin'ny rafozanareo? Ny ahy aloha an! manao anandrony e! rehefa te-hiresaka izy meresaka rehefa tsy te hirsaka izy miavonavona ? Ka mba tiako ho fantatra ny fifandraisanareo amin'ny anareo.
répondu par prime le 18/09/2006 15:26
2. Fiffi ( 05/09/2006 11:59)
hummm ! efa nisy dinika maro2 t@ ity resaka ity tato .
Raha zah manokana aloha de tsy misy blèm na de kely aza an! samy mifanaja fotsiny de mandeha ho azy daholo ny rehetra . tsy misy miditra @ fiainan'ny tsirairay nefa kosa mandray ny toro-heniny .de mifanazava :)
3. ninih ( 05/09/2006 12:34)
le firaisan trano hono no ialana e! ny hava-tiana hono tsy hiaraha-monina koa!
4. prime ( 05/09/2006 13:28)
ninih> =D
fiffi> marina mihitsy, samy mifanaja dia mety tsara...=D
zanako> tsarovy fotsiny fa RAD koa iny na dia tsy niteraka sy iray rà aminao aza...
5. Rafotsy ( 05/09/2006 14:12)
Zah sady vinanto no rafozana !
Tsy misy problème fa ny rafozako raisiko tahaka ny reniko ary mandray ahy tahaka ny zanany koa ! Ny vinantoko lahy io, indray ( izy moa vao kely dia maty ny mamany )dia tsy misy probleme koa fa saingy tsy mahasà mi tutoyer anay mivady izy na dia efa 3 taona aza izy no nanambady ny zanakay ! Efa notenenina azy hatramin'ny voalohany fa tsy mety ! Fa ny fifandraisana aloha dia feno fitiavana sy fifanajana !
Tsy dia lavitra ny misy azy ireo fa rehefa te handalo izahay dia miantso , ry zareo koa torak'izany !
Ary mi fampi invite misakafo matetika , na ry zareo zanaka na izahay RAD !
6. diamondra27 ( 05/09/2006 14:31)
ninih: de tadiavàna solution ve izany ?
ninih, prime:
ZA zao vao maty vao haingana ny dadako ary mikasa ny hiara-hipetraka @ mamako aho dia tsy mety ve?
Tsy afaka namonjy fandevenana satria izay no fantatry ny Tompo fa mety (ary raha nahita ny K7 vidéo dia niaiky hoe: mahay zavatra Andriamanitra, satria raha nandeha tany aho mety izaho indray no nalevina tany = maty noho ny émotion (ela tsy nahita an'i dada ...fa manana courage sy matanja-tsaina ny gasy...)
Ka raha haka an'i mama aho izany dia tsy mety ve? Ilay fifandraisana @ maha zanaka sy RAD mihitsy anefa no tiana hitohy amiko satria izay no maha zanaka anao tsy manary ny reny malalanao indrindra @zavatra sarotra toa izao. Ilay fihavanana mihitsy no tsy tiako ho very.
Rehefa nisara-toerana nandritra ny 15 taona ary raha mba misy ihany ny azo atao manafatra azy hiara-hipetraka amiko dia mety ho diso ve izay?

Efa atao mazava tsara kosa aloha ny conditions fa tsy mi-guider ny fiainako sy ny tokatrano izy
7. Fiffi ( 05/09/2006 16:34)
ny zavatra mba fantako fotsiny hoe ny @ io de ny fifanajana ! rehefa samy mahay mifanaja de hummm ! tsy misy olana :)
8. Rafotsy ( 05/09/2006 17:50)
Diamondra27 : Te hamaly andry zah kanefa toa lasa manova ilay sujet ny Zanako satria rafozana no tokony ho resahina eto fa tsy RAD !:-*:-*:-*
9. naritsimba ( 06/09/2006 10:08)
diamondra27> raha azoko tsara dia efa manambady ianao ka manahy izany ny trangan-javatra eo amin'ny vadinao sy ny reninao?

raha izaho manokana aloha dia tsy nanana olana t@ rafozako e, ny rafozan-dahiko tsy hitako, ny rafozam-baviko koa efa maty, na niaraka niaina nandritry ny fotoana elaela ihany aza aho sy ny rafozam-baviko dia fantatro fa sady tia ahy ny rafozam-baviko no tiako ihany koa, t@ zà niara-nonina taminy, tsy nisy gidragidra.

Ny azo lazaina dia izao ny rafozam-bavy sy vinanto vavy no itran'gan'olana matetika fa tsy ny vinanto lahy sy ny rafozany akory.
10. andry08 ( 06/09/2006 10:37)
Ny ahy dia toy ny RAD satria ny RAD-ko efa maty daholo. Tsy misy olana satria samy any @ misy azy ary tsy misy miditra any @ tokan-tranon'ny tsirairay.
11. booboo ( 06/09/2006 10:54)
Ny fifandrasainay koa tsisy olana. Zaho tsy mandray an-dreo toy ny rad-ko, ry zareo no tsy haiko zay fandrasainy ahy :?:. Na izany aza, mifanaja sy mifandray tsara am-po zahay.
12. naritsimba ( 06/09/2006 11:05)
Ny havan-tiana tsy iaraha-monina hoy ny Ntaolo.
Ahy, anao, antsika ny safidy...!

Tsiky dia ampy :D
13. ninih ( 06/09/2006 12:40)
io resaka afozana sy vinanto io izany raha tsy misy irony mpanome loha ny iray de mety foana matetika ny fiarahana e!
14. diamondra27 ( 07/09/2006 06:26)
rafotsy: ka ny RAD-ko ange rafozan'ny vadiko e!
raha tsy zany de valio any @ hafatra e! manorata any amiko. Dia misaotra mialoha
Kristiana tsy mandà fanomezana fa raisina daholo rehefa mahasoa(= conseils)

naritsimba : ié, izay mihitsy , azonao tsara ny resaka.OK! mazava ny msg , fa de nahazo toky
Sady mamanay cool be :-D:-D
15. booboo ( 07/09/2006 06:36)
diamondra27 > tsy ny fifandrasain'ny vadinao sy ny rafozany ( rad-nao ) no tian'i Zanako lazaina @ sizé-ny fa ny anao sy ny rad-n'ny vadinao = rafozanao.
16. lapino ( 07/09/2006 18:12)
Ozizy ny ohabolana izay hoe: "vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao"

Hmmm, ohatrohatra ny ahoana marina angaha ny firaisana eo amin'ny vinanto sy rafozana? :-D:-D:-D
17. soanja ( 08/09/2006 00:03)
zanako:

Ahoana ny mba fifandraisanareo amin'ny rafozanareo? Ny ahy aloha an! manao anandrony e! rehefa te-hiresaka izy meresaka rehefa tsy te hirsaka izy miavonavona ? Ka mba tiako ho fantatra ny fifandraisanareo amin'ny anareo.


Ny ahy indray moa izany dia mazava fa tiako izy satria niteraka ny vadiko. Dia miezaka foana aho manaja azy ireo toa ny hanajako ny niteraka ahy.
Mino koa aho matoa tsara fanahy be amiko ry zareo dia fantany fa zavadehibe amin'ny zanany ny fisiako. Dia milamina tanteraka ny rehetra.
Hatramin'izao aloha dia misaotran'Andriamanitra aho fa nahazo rafozana tsotra sady malemy fanahy.


18. ravatorano ( 08/09/2006 06:59)
za manokana aloha d tsy nanana disadisa teo amin ny rafozako izany na ny lahy na ny vavy ary za mahatsapa aza fa tian dry zareo aho sady izahay raha teo moa efa niaraka nipetraka antaoanany maro ihany koa nefa na dia tsy mbola nahitana fifamaliana mihitsy fa dia izay mifanaja ary samy milaza ny heviny sy ny ao ampony rehefa misy tsy itovizana d jerena ny marimaritra iraisana izany hoe nahay nifandefitra izany izahay ka izany no nifankatiavanay hatramin izay ka hatramin izao
Marina tokoa fa ny rafozan dia ray amandrny ka noho izany volaohany injinja dia fanaja izy ireo toy ny ray amandrenianao niteraka anao ihany.
Ny vadiko koa mbola tsy nanana disadisa tamin ny ray amndreniko ary mino aho fa mifankatia tsara zareo sady mifanaja ihany koa.
Ny fiaraha monina tsy midika avy hatrany fa ADY na TSY FIFANKAZAHOANA fa io miankina amin ny fifandeferana na ny "concession" apetraky ny tsi1-1 manoloana ilay fiarahana monina e fa rehefa izay no milam d tsisy ny olana !
19. Fiffi ( 09/09/2006 10:54)
fa tsy aiko hoe fa maninona no misy an'zany tsy fifandraisana zany @ vinato sy ny rafozana an! rehefa mifanazava sy mifanaja fotsiny de mandeha ho azy ny rehetra!
20. ravatorano ( 11/09/2006 05:32)
za mbo gaga !
:wink:
tena gaga !
:-w:-w:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1168