Mpivady tsy mitovy firenena

1. Rice ( 02/09/2006 05:16)
Mahavariana ahy mahita an'ireny mpivady samy hafa firenena, dia fitenenana hafa mihitsy no itenen'izy mivady. Mety mahateny ny rehetra ve raha samy fiteny tsy an'ny tena no ifampiresahan'ny mpifankatia amin'ny fiainana andavan'andro.
Ohatra hoe ilay rangahy Ethiopian ary ny vadiny Dutch dia rehefa miresaka teny Anglisy. Ahoana ny fahitanareo an'io?
répondu par xxx le 16/09/2006 17:38
2. fens ( 02/09/2006 05:26)
Rice:

Ohatra hoe ilay rangahy Ethiopian ary ny vadiny Dutch dia rehefa miresaka teny Anglisy.

Inona zany Dutch? avy aiza zany?:?::?::?:

3. Rice ( 02/09/2006 05:36)
fens:

Rice:

Ohatra hoe ilay rangahy Ethiopian ary ny vadiny Dutch dia rehefa miresaka teny Anglisy.

Inona zany Dutch? avy aiza zany?:?::?::?:




Netherland.


4. Fanja1 ( 02/09/2006 06:08)
rice "FITIAVANA" io tsy mifidi loko na fiteny.
Dutch c de l'anglais ki signifie hollandais
5. rurik ( 02/09/2006 08:38)
Rice tsy itako za olana amizany raha mifankatia le olona.
tahakan'io tenenin'i Fanja1 io tsy mifidy loko na firazanana, na fiteny fa rehefa mifankatia dia izay no zava dehibe.
6. Bakobako2 ( 02/09/2006 09:06)
tsy misy olana zany ry Rice , tsy hiainanao le izy de mampanotany tena , fa hainao ny mpifankatia koa anie manana langage toy ny ankizy e, ny ankizikely na tsy mitovy fiteny aza mifankahazo resaka foana.
Rehefa mifanojo am lay mason lay voatokana ho anao ianao ao ilay herin ny fitia mampiova zvt .
7. diamondra27 ( 02/09/2006 09:30)
Rice: io ve?
dutch izany mety hoe: rainiboto e! :oops::oops:allemand

@ ankapobeny de tokony tsy hisy olana fa rehefa @ antsipiriana dia misy ny olana ka!
ohatra hoe: misy fiteny milanto , miangoty ianao nefa le firenena iray tsy manana azy, dia voatery tsy tenenina ilay izy dia tsy miseho ilay fitiavana tokony nomena fa very dia mampihena ilay fitia

ohatra: rehefa manao action le mpivady
ny gasy manana ny fombany sy ny mots-ny
fa raha vao tena lazaina directe anefa ilay izy fa tsy teny vahiny dia hoy ilay iray hoe: ianao vetaveta an!
HONO amoha io fa tsy haiko na marina e

Azonareo ve ny tiako lazaina?
8. cutie ( 02/09/2006 10:42)
:roll::roll::roll::roll:
9. simplex ( 02/09/2006 10:54)

Rainiboto: Deutsch fantatra @ hoe German
Hollandais: Dutch avy ao Netherland

Diams,

za mieritreritra hoe ny mifanohitra ary no mety hitranga. Ilay fomba fiteny sy fihetsika tsy mitovy @ rehetra iny no manome charme an'ilay iray. Zany hoe speciale zany e. Mi-decouvrir foana enao, isan'andro isan'andro.

Tsy voatery hoe manaraka ny "vocabulaire" an'ny be sy ny maro akory ry zareo fa mety hoe manana ny azy manokana izy. Sady le izy hoe mpivady, izany hoe olona nofidiana. Mba afaka mifandefitra sy misy "complicite" tsara zany e. Rehefa tia de mety doly ny zava-drehetra e:!:

:-*:-*



10. diamondra27 ( 02/09/2006 11:16)
simplex: ka izay ilay hoe: HONO ALOHA IO fa tsy haiko(fa diso frapy ilay izy)

io lazainao io koa aloha dia mitombona e! mi-attirer ilay fihetsika sy fomba tsy hananana...de raikitra ny complicité tsy mila resaka fa na dia @ fomba fijery fotsiny aza de hay oe: zao no tiany hambara
:-*

refa tia dia tena tia e! tsy misy limite sans frontière dans tous les sens du terme
raha vao misy oe:olana zay de efa mihena zay ilay fitiavana

11. pissoa ( 02/09/2006 11:21)
Zah mahita hoe marina ny tenin'i Diams. Amin'ny ankampobeny tsy mety hisy olana.

Tsy resaka vocabulaire fa ilay angoty sns mihitsy. Henoy ny teny Gasy sy ny Arabic, toy ny mihira rehefa miresaka. Rehefa maheno Afrikaans nefa, na Deutsch dia ohatran'ny mimonjo hafahafa izany ilay fiteny :roll: Ny Russian indray ohatran'ny mikitakita hafahafa izany ... Ka na tsy olana be aza, mety hafa ihany le hihirana tiako ianao sns, raha oharina @ hoe Ya tebyA lyublyU :roll:

(Fomba fahenoako ireo fa tsy haiko raha izay no marina :oops::oops::oops::-D )
12. simplex ( 02/09/2006 11:26)
:D:D:D

de ahoana indray ary refa mifamaly na miady ry zareo :?::?: Ny mpivady hono toa hoe tsy maintsy mifamaly ihany indraindray:roll:8O
Paradoxe ndray zany8):@

Tokony tsy ho valiana ra aoro size :°)

:-*:-*
13. vale ( 02/09/2006 11:50)
rice: dia mifankahazo foana satria teny iray no hitenenana koh!:roll:
14. soanja ( 02/09/2006 13:39)
Raha ny fahitako ny tian'i Rice horesahin aizany dia hoe:
-Mifankatia ilay olona. Mazava izay! dia afaka milaza ny fitiavana sns eo.

Fa araka ny volazan'ny manana vitsivity ery ambony hoe misy ihany ilay teny izay nahalehibe anao izay ananananao control tsara sady misy hevitra mifono. Hoe rehefa lalalinina dia tsy tafavoaka raha toa ohatra ka Gasy aho nefa mbola tsy voafehiko tsara nY teny Allemand nefa ilay vadiko koa tsy mahafehy tsara azy (allemand) dia tsy voateny ilay tena tiana hotenenina eo satria samy mbola votsa amin'ilay teny hindramanina daholo.
Ny ohatra tiako raisina eto dia rehefa te hamboraka fitiavana mafonja hoe : "Midadasika toy iny lanitra iny ny nofinofy natolotrao ahy, raha mba nanan'elatra mantsy aho hanidina dia hisamboatra ny iray amin'ireo dia izay no fanaperana." Dia raha tsy haiko ny mamoaka an'io ?@ allemand dia naman'ny perte ihany aho satria be no fonosin'io.
Inn no hevitr'i Rice?
15. vale ( 02/09/2006 14:15)
Soanja: ka ny fomba fieritreretan,ilay olona lasa miova manaraka ilay fiteny itenenany fa raha handika teny izany tokoa aloha toa tsy ho possible eh!!:-D
16. soanja ( 02/09/2006 14:20)
Zany ve? Ny ahy fomba fisainana gasy ihany aloha na dia eo aza ny teny Anglisy ohatra. Ny mahagasy ahy tsy miova mandrakizay ka. Fa ny lela kosa afaka mivadibadika eo. Raha ohatra ka izaho ohatra io resahina io dia inoako ohatra fa ny nahagasy ahy no niarahan'ilay olon atamiko fa tsy nahaanglisy ahy ohatra nefa izy ohatra Bresilianina.
17. vale ( 02/09/2006 16:40)
dia lasa sahirana be satria raha te hiteny an,reo notanisainao eo ambony reo fostiny izao ary de ahoana?:lol:, tsy manankana ny hitazonana ny fomba mahagasy an,lay olona mihintsy ny fitenenany fiteny hafa...
18. cutie ( 02/09/2006 16:43)
Mpandefa : vale [ Valio ] 02-09-2006 16:15:49
Lohateny : Re : Mpivady tsy mitovy firenena
Soanja: ka ny fomba fieritreretan,ilay olona lasa miova manaraka ilay fiteny itenenany fa raha handika teny izany tokoa aloha toa tsy ho possible eh!!

mitovy hevitra @njy za :-D:-D:-D
19. Herimiafina ( 02/09/2006 19:50)
Milay mihintsy io kah, hitenenana teny gasy kely ra-sipa fa gravy fa laza mahazo klé, tsy afaka fosafosaina amin'ny akama tsony klé. :-D
20. chakkakkely ( 03/09/2006 18:46)
za mahita olona mivady dia samy tsy miteny am ny fiteniny izy satria le vavy tsy mahay ny tenin le rangahy dia anglisy no hifampiresahana , mba hafa alo fa mifankahazo tsara iany izy alo hatramizao koa ,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0788