Aiza marina no misy ny fiadanana?
1. Herimiafina
(
01/09/2006 04:47)
Postulat: adikako ho fiadanana ny hoe BONHEUR eto.
[align=center]----------------------------[/align]
Matetika dia tsapa fa izay tsy eo ampelantanana foana no heritreretina ho fiadanana:
-Manana vady amanjanaka mahafinaritra saingy tsy manambola, miteny fa ny vola no fiadanana.
-Manana ny vola kosa saingy tsy manambady milaza fa ny vady amanjanaka ny fitiavana no fiadanana.
-........sns...........
Ny fahalalako ny "fiadanana" amin'ity saiko somary tery ity nefa dia ny fahaiza-miononaamin'izay hananana ankehitriny.
Tsy midika io hoe tsy tokony hiandrandra zavatra hafa fa kosa manaiky ny zava-misy, mankasitraka ary mampitombo iny araka izay tratra isan'andro. :wink:

répondu par nikopol le 09/09/2006 19:32
2. soanja
(
01/09/2006 04:54)
Ny fahitako an'io dia miankina amin'ny eken'ny atidohan'ny tsi-1-1 hoe fiadanana ho an'ny tsi-1-1 avy. Noho izany dia any anaty atidoha.
Ny ahy fotsiny izao ny fiadanako dia ampy fitiavana, milamina ny fiainana sady misy Andriamanitra ary salama tsara izahay mianakavy.
Ny ahy fotsiny izao ny fiadanako dia ampy fitiavana, milamina ny fiainana sady misy Andriamanitra ary salama tsara izahay mianakavy.
3. naritsimba
(
01/09/2006 05:08)
Fiadanana ho ety ambonin'ny tany ho an'ny olona ankasitrahana.
Isika no tokony hahats
Isika no tokony hahats
4. naritsimba
(
01/09/2006 05:09)
(tohiny)
Isika no tokony hahatsapa hoe ankasitrahan'Andriamanitra ve ity izaho ity sa ahoana?
raha mahatsapa izay ianao dia miadana izany.
Fantaro ary ny fahazoana sitraka @ Andriamanitra.
Isika no tokony hahatsapa hoe ankasitrahan'Andriamanitra ve ity izaho ity sa ahoana?
raha mahatsapa izay ianao dia miadana izany.
Fantaro ary ny fahazoana sitraka @ Andriamanitra.
5. malalatinasoa
(
01/09/2006 05:45)
Aiza no misy ny fiadanana: ao amin'Andriamanitra.
Amiko manokana rehefa na be aza ny rotoroto sy ny zava-manahirana dia mahatsiaro miadana aho satria:
- eo Atra mitantana ny fiainako ka tsy amela ahy ho irery, dia lasa miadana ny saiko sy ny fanahiko,
- eo ny fianakaviako izay tia ahy ary tiako @ fitiavana tsy misy takalony. Mampahery sy mampifaly rehefa sendra trotraka aho.
- salama tsara izahay rehetra, ary afaka manantanteraka ny adidy sy andraikitra.
Bref, fiadanana ao anaty. Avy eo manaraka ho azy ny ambony.
6. LazaDaddy
(
01/09/2006 06:14)
Aiza marina no misy ny fiadanana?Angaha tsy any @ malalatinasoa? :lol:
8. mihoby
(
01/09/2006 08:22)
Ao @ Atra irery ihany no tena misy ny fiadanana, raha te hiadana za de mila an'Atra eo @ fiainako voalohany,satria mantsy raha ity nofoko ity de tsy mety ho hafapo mintsy, te hanana izay tsy eo ampelantanana foana ,
fa Atra mantsy manova ny toe-po sy toe-tsaina ahazaka ny zavamisy rehetra sy ahay hionina @ izay misy eo aminao , ary manome fahasalamana sy fifaliana foana , de izay le fiadanana fa mitoetra ao aminao e,
izay aloha no mba fantatro fa mahereza daholo e!

9. Fiffi
(
01/09/2006 08:34)
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana no anareo; tahaka ny nanirahan' ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
11. boubounezy
(
01/09/2006 10:07)
le bonheur est dans le pré, cours y vite2, le bonheur est dans le pré, cours y vite il va filer...:-D:-D:-D
12. boubounezy
(
01/09/2006 10:08)
ny fiadanana zany alou @ ko dé l'amour et la paix, zay ny anah manokana(l):D
13. mandrindra
(
01/09/2006 10:41)
herimiafina, dia samy tery saina izany isika roalahy satria izaho efa mahatsapa hoe ananako isan'andro isan'andro ilay fiadanana, nefa izaho mbola mikaroka zavatra hafa foana ihany koa.
14. volana1
(
01/09/2006 12:10)
Rehefa milamin-tsaina ianao dia izay ilay fiadanana, fa raha mbola misy zavatra na eritreritra manelingelina sy mampieritreritra be dia mbola tsy miadana, noho izany amiko dia ilay fahaiza-mionona io, tsy afaka hanana izay toe-tsaina izay anefa ny tsirairay raha tsy miaraka amin'Andriamanitra sy manam-pitiavana be dia be, ATAOVY BE DIA BE NY FITIAVANA ZARAINAO DIA HIADANA IANAO
15. Zina
(
01/09/2006 12:57)
Ny ahitana ny fiadanana dia manana an'i Jesosy ao am-po tsika, peace in mind 100% garantie
16. Herimiafina
(
03/09/2006 05:33)
Misaotra ry zareo fa dia manana namana tokoa. ianareo izao no anisan'ny fiadanako!!!!!:roll::-w:-*
17. mpaoly
(
03/09/2006 12:16)
hi hi hi Dia efa zahay zany no fiadananareo fa dia mateza ny aina hifandriridriritra eto, rehefa mahatsapa an'izay ianao dia mety io, dia maniry fiadanana ho an'ny rehetra
18. tsoupou
(
04/09/2006 15:34)
D'accord aminao ao Ra-Hery.
Io ny loha no maha-sambatra sy tsia ny olona tsi-1-1. Rehefa izy no tsy hanaiky mitsy hoe mahasambatra ahy ireto, tsy ho sambatra mitsy izy.
Na tsy manana ny ampy aza nefa atao maha-sambatra iny, dia sambatra (miadana) foana, izany anefa tsy tokony hanakana an'ilay olona hitady ny metimety kokoa mba hampitombo ilay efa fiadanana kely eo aminy

19. Fiffi
(
04/09/2006 16:25)
Ny zavatra kely mba fantatro ny @ io de rehefa mino an'Andriamanitra hiany hoa no ahazahoana io fiadanana io .
20. prime
(
05/09/2006 13:39)
fiffi> =D
mandridra:dia mankanesa any amin-drakaroka e... oops... beidiny ah zao...:°)
herimiafina, dia samy tery saina izany isika roalahy satria izaho efa mahatsapa hoe ananako isan'andro isan'andro ilay fiadanana, nefa izaho mbola mikaroka zavatra hafa foana ihany koa.