Fitafiana nentin-drazana!

1. kitjo ( 30/08/2006 07:13)
salama aby!

zao e!
Mba inona sy manakory no tena akanjo sy fitafiana nentin-drazana?
Ny an' ny lehilahy aloha iny mba hita hoe malabary fa ny an'ny vehivavy tena tsy hitako hoe ahoana.

Mitafy lamba kanefa ny ho atao anatiny toa tsy hay hoe vazaha sa sinoa sa karana. Inona ny tena fomba fitafy nentin-drazana ho an'ny vehivavy?

efa ho 4 taona aho izay taty isaky ny misy fety dia hoe manao fitafiana nentin-drazana daholo. Ny ahy irery no akanjo tsotra fa saromana lamba landy fts.

Mijery ilay sary "Idole de Madagascar" aho, manao akanjo nentin-drazana ry zareo, ny an' ny faritra hafa ivelan' Antananarivo tena hita mazava daholo fa ny avy ao Analamanga toa lobaka asiana sous pull d lambaoany...dia tena izay marina ve no izy e?

Misaotra e!
répondu par kitjo le 02/09/2006 11:23
2. Fiffi ( 30/08/2006 08:25)
kitjo:
efa ho 4 taona aho izay taty isaky ny misy fety dia hoe manao fitafiana nentin-drazana daholo. Ny ahy irery no akanjo tsotra fa saromana lamba landy fts.
de nahita zany enao hoe inona ireo akanjo nentin-drazana ? de inona no hitanao tao ? ankoatran'ny ny anao mitafy lamba landy ?


3. kitjo ( 30/08/2006 14:53)
k zay tsy fahitako zay mitsy no anontaniako ange e!

satria amiko ilay lamba tsy tena hoe ofmba fitafy fa fanampiny fts.

inona ary no tena akanjo fampiaraka @ lay lamba? ny tena nentindrazana, isika manko manao de costume na tailleur ihany d asiana lamba.

DIa izay ve no tena fitafy malagasy?

raha aty manko manao an' ilay lamba fts dia oh olona mitafy chale fts fahitan ol azy.na ohatra le sari karana reny
fa hoe ny fomba fitafy mihitsy no anontaniko oe karazana lamba na didin'akanjo , ohatra ny an' ny lehilahy oe malabary!
4. cutie ( 30/08/2006 19:50)
tsy lamba landy ve le izy, ho an'ny vhv??
5. pissoa ( 30/08/2006 20:07)
Tsy haiko raha tena gasy Analamanga, fa ilay hira vako-drazana izay no miteny hoe

# "robe" (tohi-tena) ny an'ny vehivavy,
# mitafy lamba (tsy misy ilay hira hoe tsy maintsy landy - ka tsy haiko raha tsy maintsy :roll: )
# ny lamba ny havanana no asampy miankavia.

Ny haiko koa (ahitsio raha diso), ny vehivavy "tanora" rehefa mitafy lamba dia atao kelikely ny sakany, fa rehefa vavy somary nahazo taona dia atao lehibe ny sakany.
6. pissoa ( 30/08/2006 20:09)
Hadinoko ...

Tsy niresaka pôketra ilay hira fa elo no entina :roll:
7. naritsimba ( 31/08/2006 05:19)
pissoa> ary mahay ianao izany an, fanampiny no ataoko: tokony ho tanaivoho ny volon'ny vehivavy, ary akanjo lava no anaovana misy ny sampi-kavia na sampi-kavanana rehefa mitafy lamba fa arakaraky ny mahazatra ilay olona io fa ny sampi-kavia no tena fanaon'ireo vehivavy efa lehibe satria io no manendrika sady mihaja.
8. tywa68 ( 31/08/2006 15:10)
ny fihetsikao sy ny fiteninao no tena hahitàna hoe "gasy" sa tsia, na dia lamba fotsiny ny hitan'olona !:wink:
9. pissoa ( 31/08/2006 15:49)
Hahafantarana iny fa ny fomba fitafy no nanontaniana ka :roll:
10. kitjo ( 31/08/2006 16:29)
pissoa, naritsimba> misaotra betsaka

fa za tsy nahalala zao oe misy dikany kay ve ilay havia iny e, noheveriko fa oe satria havanana ilay olona dia mahazatra fts oe tanana havanana no manambotra ilay lamba zay no mahatonga azy misadika havia kay misy dikany!:P

fa ilay hoe mety karazana lamba (tissu) na ny tokotaniny na ny didiny izany tsy dia misy voasoritra mazava.

fa rehefa tafaraka aloha ilay volo tananivoho sy lamba mba hafa kosa
11. tywa68 ( 31/08/2006 16:29)
ka ny fitondràna ilay lamba koa anie dia hahafantarana hoe tena gasy ry !! ny fihetsikao sns :wink: fa tsy ampianao mini-jupe sy talons avo kosa aloha ê !
12. kitjo ( 31/08/2006 18:00)
raha miaraka amin' olona bdb ianao samy manao akanjo nentin-drazana daholo ka hanao tailleur ianao dia hoe asiana lamba fotsiny dia ampy ahitana anao hoe akanjo sy fitafiana nentin-drazana ve izay?

tsy azonao angamba ilay tena fanontaniana!:(

nytena marina samy tsy mahita valiny tena izy isika angamba!
13. tywa68 ( 31/08/2006 18:20)
tsy vitan'ny déguisement anie fa ny attitude koa ê (efa mazava fa tsy misy afatsy ny lamba sy akanjo (lava), miampy ny fibango volo (raha ny eo afovoantany). Mbola afaka ampiana poketra gasy raha tianao ê (sady be ny tsra an)

14. pissoa ( 01/09/2006 07:05)
Kitjo - tsy haiko hoe inona no lamba tsy maintsy atao ... fa ohatra fotsiny hoe ny chatain izao dia efa tsy izy e, na jeans, sns. Izany hoe aza atao an'ireny lambam-bazaha taty aoriana ireny fotsiny e :)

Ny didiny indray dia ireny tailleur na droite droite rehetra ireny angamba tsy mety, fa tokony plus ou moins evasee ilay ambany (ilay jupe izany). Ny halavany efa notenenin'i Naritsimba io hoe atao lava, manasa-dranjo (eo ho eo) farafaharatsiny.

(Ahitsio zah raha diso)
15. tywa68 ( 01/09/2006 09:30)
fiakanjon'ny mpihira gasy ireny zany ê :wink:
16. kitjo ( 02/09/2006 11:23)
pissoa> marina izany! hihi

tywa> tsy resaka deguisement zany fa realite mhitsy no anontaniko,
izao vao fantatro io lazainao io oe "efa mazava fa tsy misy afatsy ny lamba sy akanjo (lava), miampy ny fibango volo (raha ny eo afovoantany"...zay zany valiny le fanontaniako :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4853