Ratsirahonana sy Ravalomanana.

1. Fiffi ( 12/08/2006 06:21)

Horaisiko ny andraikitra fa nihaino aho ka nandre”, hoy ny filohan'ny antoko Avi Norbert Lala Ratsirahonana, omaly, taorian'ny fangatahan'ireo mpikambana maro azy ho filohan'ny repoblika. Vita ny fihaonambem-paritra tamin'ny fivondronana 19 amin'ny 22, ka ny lanin'ny maro dia ny hoe : aleo manolotra toy izay manohana.
“Tao anatin'ny enim-bolana no nihainoako ny feon'ny vahoaka, hoy ingahy Norbert Lala Ratsirahonana, ary hitako fa mila ahy ny vahoaka, dia tapaka ny hevitro rehefa niera tamin'ny fianakaviako aho fa vonona hanasoa ny firenena.”

Ny fampiakarana ny fari-piainan'ny vahoaka tsy ankanavaka no tarigetra, aorina ny trano fonenan'ny mpiasam-panjakana, ezahana ny tsy handoavan'ny Malagasy vola ny mitsabo tena any amin'ny hopitalim-panjakana. Atao isam-bolana ny fisotroan-dronon'ny olon-dehibe, ary atao izay ahafahantsika mifehy ny harena eto an-toerana.

Tsy midika akory izany fa tsy hiara-hiasa amin'ny mpamatsy vola ivelany, fa aoka kosa isika no hametraka ny fepetra rehetra.
Nohamafisiny tao fa tsy nisy fiangonana nikatona, mpanao politika nigadra, vahoaka voasakana andalam-be raha nanao fihetsiketsehana sns...
Hametram-pialana tsy ho masoivoho "Itinérant" mba tsy hanelingelina ny filatsahany. Toky no nomeny ny vahoaka fa tsy hisy intsony hahasakana ny diany amin'izao fotoana, ary “izay mivadika aloha kely ila”. Vita hatreo izany ny divorsa eo amin'ny filoha Ravalomanana sy ingahy Ratsirahonana Norbert.
Naivo kely Madagascar Tribune
répondu par prime le 12/10/2006 14:13
2. miangalyandria ( 12/08/2006 07:07)
ho hita eo ny tohiny fa izany moa izany tsy afaka mifidy ka atao akory re :?
3. Fiffi ( 12/08/2006 07:29)
iza teo @ ireo olona nilatsaka nefa no tsy nampanantena ny volana ? saingy...
4. betay78 ( 12/08/2006 07:53)
aleo mba ho cotier indray no ho eo @pouvoire!!
5. lemenakely ( 12/08/2006 08:38)
FILM efa fahita in1 raha ny momba izao kah !t@ izany andro i MONJA JAONA sy RATSIRAKA mifanenjika sahala @ ireny inona ireny refa fifidianana fa rehefa avy eo miaraka sahala @ ireny mpifankatia ireny!
6. Fiffi ( 12/08/2006 09:01)
lemenakely: sady hitoetra mandrakizay ao an-tsaina ireo vono olona rehetra ireny !:evil:
7. betay78 ( 12/08/2006 09:14)
misy ohabolana frantsay miteny hoe"il ne faut pas mettre tout le monde dans le meme sac"tsy tiako hadika @ teny gasy io ohabolana io mazava tsara ny heviny @ teny vazaha.
8. betay78 ( 12/08/2006 09:23)
raha izao no mifidy @ratsirahonana na i ravalo aleoko mivaoty an'i ravalo efa feno tsara ny paosiny tsy hafaka ny mbola ameno mihoatranèizay efa ni-ramasena izy.i ratsirahonana raha izy no lany eo tsy maintsy mbola hameno paosy aloha izy ,izay vao mieritreritra ny hampandroso ny firenena dia ho very 5 taona indray ny econmia gasy?
9. betay78 ( 12/08/2006 09:28)
tsy aleo ve i elia ravelomanantsoa no fidiana e?aleo mba eo am-pelatanan'ny vehivavy indray ny firenena,ny lehilahy hatramin'izay toa be taim-bava fotsiny tsy hita akory izay fandrosoan'ny firenena.
10. betay78 ( 12/08/2006 09:33)
ary i jean marie le pen angaha tsy mba hilatsaka?
11. Fiffi ( 12/08/2006 10:40)
koh maninona no miteny hoe tsy aleo ho cotier indray no ho eo @ pouvoir ?
12. toovs ( 12/08/2006 11:39)
Fiffi:

iza teo @ ireo olona nilatsaka nefa no tsy nampanantena ny volana ? saingy...


maina izany fa saingy to mbola tadidiko ihany ny nampiakaran'i ratsirahonana ny karaman'ny mpiasa tamin'ny androny. iza no mpiasampanjakana hanadino an'izany!!!
au moins izy iny mba nanao zavatra tokoa ka probable kokoa ny hanatanterahany ny teny nomeny miohatra amin'ny rehetra e.

Ny sasany moa de manao promesse fotsiny fa saingy refa tonga eo de vao maika miha-mihena ny fahefa-mividin'ny vahoaka. ny vary lasa mitombo firy heny ny vidiny (ohatra fotsiny io)
erantany samy miaina amn'ny vidin-tsolika miaktra fa tsy misy fiakaram-bidy midangana be (raha atao ny isanjaton'ny fiakaram-bidy any am firenena hafa) toy ny eto gasikara.

aleo kosa aloha "Asa vita no ifampitsarana " toy izay "Minoa fotsiny ihany e". le voalohany io toa mahavelompanantenana fa ny faharoa mananihany fotsiny


13. Fiffi ( 12/08/2006 11:43)
ka samy mba nanao zay azony natao kosa kah! Mba misy hiany koh ange ny zava-bitan'i Ra8 eh!
14. miangalyandria ( 12/08/2006 13:03)
betay78 : :-D, ohatran'ny mifanaraka amin'ny psn'i toi ilay fomba fiteny frantsay nofidian'i toi : "il ne faut pas mettre tout le monde dans le même sac" fa ry zareo anie "certains veulent mettre tout le monde ou quelques uns dans un sac ..... en papier" : betay a !!! :-D:-D
15. Fiffi ( 12/08/2006 13:07)
:-D:-D:-D:-D tsy ratsy indray iny ! sa ahoana ry bet..iravy ? :-D:-D:-D:-D
16. miangalyandria ( 12/08/2006 13:42)
aoka lesy fiffi a ! mety mandinika be mihitsy anie i betay78 izao vao manoratra e ! :-D:-D
17. Bida2006 ( 12/08/2006 16:23)
Asa aloha e fa ny avi ange milatsaka dia miala indray :lol:
18. Fiffi ( 12/08/2006 19:55)
miangalyandria: tena mandinika lalina de lalina tokoa sur zah @ io an! sa tsy zany ry bet.. ? :)

Bida2006: tsy tamana ? sa naninona ? tsy nahavita ny tanjona nampanantenana ve ? sa ...? tena misy manko io an! rehefa mba hoe hitany sy tsapany fa tsy ho vita de aleo miala?
19. miangalyandria ( 12/08/2006 20:14)
hihihi andraso aho mba handinika koa : bida2006 : "manao tsobo-dranon-dRamiangaly ve ny avi ?" r'ise !!!! :°) betay a !!!! ahoana i toi amin'io ??? :-D:-P
20. Fiffi ( 13/08/2006 12:41)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0989