Voambolana

1. Andriambelo ( 08/08/2006 10:57)
Nanokatra ny takelaka aho. Eo amin'ny hoe "dinika mandeha" dia misy resaka hoe "misy namako izay nympho". Dia lasa ny saiko hoe ahoana moa izany no azo ilazana ny hoe "nympho" amin'ny teny malagasy madio ? Rehefa nieritreritra aho dia indreto misy sosonkevitra roa :
1- Mateti-pila
2- Tsy afa-kanina
répondu par Andriambelo le 26/09/2006 10:36
2. miangalyandria ( 08/08/2006 16:59)
ny fahalalako azy, ny vehivavy nympho dia ilay antsoin'ny malagasy hoe vehivavy misy foza kely ! raha tsy diso aho an
3. Fiffi ( 08/08/2006 19:01)
:roll:
4. miangalyandria ( 08/08/2006 19:08)
o ry fiffi a sao dia mba vizana eo any io masonao io e
5. soanja ( 09/08/2006 03:11)
Io tokoa ny fandikana azy ka "Misy foza" saingy tsy misy foza ao anatiny (izay noheviriko fa io tokoa tany Diego satria be no misy an'io any)fa aretina ao anaty atidoha ilay izy, zany hoe ny atidoha no misy fozakely.:D
6. Fiffi ( 09/08/2006 04:54)
miangalyandria: ka tsy aiko hoe inona ireo koh!
7. Andriambelo ( 09/08/2006 08:35)
Efa faheno ange ilay hoe "misy foza kely" e, fa mba mikaroka dikanteny vaovao, "maotina" sy mifanaraka amin'ny fombam-pitenenana malagasy. Nahita aho izao tamin-na mpanoratra iray : Vilgera loatra ny hoe "Mafanafana hianao izany", sy ny hoe "te-hanao hianao izany", fa hoy izy : "ny tenanao nofo toa mila famangiana".
8. miangalyandria ( 09/08/2006 17:40)
hoy aho hoe ny teny mivoatra ka raha ohatra hoe misy iray mahalaza ny dikan'io any dia mipoitra ho azy eny izy, toy ny hoe diso fotoana voasolon'ny tara io koa ! izany tara izany anie hono ka tsy voambolana malagasy taloha e
9. prime ( 11/08/2006 12:06)
Misy hainoko miteny an'io hoe "mafàna rà" iny jôba iny... (nymphe izy 'zay)
10. soanja ( 11/08/2006 12:48)
An'i Prime ve io voambolana io sa nindramina?
11. miangalyandria ( 11/08/2006 15:36)
hay, tena marina tokoa io lazain'i prime io fa izany hoe mitombina koa io ho an'ny olona foizina
12. prime ( 17/08/2006 11:41)
soanja> nindramina kah...:lol:
13. xxx ( 24/08/2006 15:02)
Tsara ampidirina mpikambana ao @ akademia i Andriambelo izany, toa manakaiky izao fomba famaritanao izao mantsy ny fanaovan-drizareo ilay dikan-teny

Raha izaho no mifidy dia ilay hoe "mateti-pila" no hitako mety kokoa

Vao tsy ela aho no nahita ny dikan-teny vaovao momba ny informatika navoakan-dreo , toy ny hoe "efi-jery" = fenêtre ... hitako tena @ ilay lojikan-drizareo mihintsy ity lazain'i Andriambelo ity :-)
14. soanja ( 25/08/2006 05:05)
"Mateti-pila" inona? Mahateny azy ve izany? Satria ohatra hoe ny "Fimailo" dia mazava be.
-Ohatra: "Azafady apetaho ny fimailo"
Fa ilay iray toa voatery tsy maintsy mametraka fanontaniana ihany.
-Iny ramatoa iny dia "mateti-pila".
- F'angaha ianao "mateti-pila" sa maisatra?
-Raha mahatsiaro fa "Mateti-pila" ianao dia tongava aty na manorata aty amiko, dokotera aho.


15. naritsimba ( 25/08/2006 07:20)
ny hoe "misy foza kely" dia tenin-jatovo io ( argo)
fa ny azo ilazana azy ihany koa dia hoe: fotsy varavarana,
soanja> hay ve enao dokotera eh! fa zà aloha tsy io no anatonako anao e! izaho tsy mateti-pila akory hihihi!
16. lapino ( 25/08/2006 07:23)
soanja:
Satria ohatra hoe ny "Fimailo" dia mazava be.
Rah za anefa aleoko kokoa "Ramalina" :wink:


17. prime ( 25/08/2006 11:31)
soanja:
- F'angaha ianao "mateti-pila" sa maisatra?
:-D:-D:-D
soanja:
-Raha mahatsiaro fa "Mateti-pila" ianao dia tongava aty na manorata aty amiko, dokotera aho.
f'angaha aretina izany e???:roll::-D:-D
18. xxx ( 25/08/2006 11:39)
naritsimba:

ny hoe "misy foza kely" dia tenin-jatovo io ( argo)
fa ny azo ilazana azy ihany koa dia hoe: fotsy varavarana,
soanja> hay ve enao dokotera eh! fa zà aloha tsy io no anatonako anao e! izaho tsy mateti-pila akory hihihi!



Tsy voatery no "fotsy varavarana" ny mateti-pila ka ! ny fotsy varavarana mantsy dia efa mivoaka any ivelany mihintsy, fa ny mateti-pila mbola mety afaka mionona @ ao an-trano . Mety ho lasa ihany izy aloha raha toa ka tsy maharaka ny ao an-trano e
19. soanja ( 25/08/2006 14:23)
Hay, tena mifangaro amiko izany ilay hoe "Nympho" sy ny misy foza kely. Ity iray faharoa ity dia tena mivoaka ny trano matetika ary rehefa mahita lehilahy n'iza n'iza dia tonga dia mangataka an'ilay izy n'aiza n'aiza ary tsy misy fetrany fa mila mila mila. Zany hoe aretina toy ny hoe " faingan-tanana sns" no fahitako an'io. Na koa hoe vokatry ny fazahoana tsirony be loatra dia lasa adala ka lasa miankina amin'io ny fiainana toy ny sigara sy ny toaka ary drouge ka tsy milamina ny saina raha tsy mahazo kely.
Naritsimba> tsy dokotera akory aho fa ohatra fotsiny io rehefa hampiasa ilay voambolana ianao. Enga anie ka tsy hampiasa an'ilay voambolana ianao e.
Ilay fotsy varavarana kosa anagmba dia resaka hafa mihitsy. Fa ny vehivavy ve aminareo dia tsy mba hivoaka ny trano mihitsy fa lanin'ny trano?
20. lapino ( 25/08/2006 15:11)
soanja:
Zany hoe aretina toy ny hoe " faingan-tanana sns" no fahitako an'io.

Saingy tsy tanana fotsiny no faingana ... ka sao dia izay ary no voambolana mety e? :roll::-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3932