Matory am-pitoerana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo

1. rabaradaka ( 13/07/2006 03:55)
Fako etsy, loto eroa, làlana sy lalan-kely simba tsy azo aleha, aretin-kibo mamely ny zaza, fivarotan-kena voretra, mpitsindroka fako mameno ny fanariam-pako, sy ny sisa tsy voatanisa no hita eto Antananarivo renivohitra. Be resaka fotsiny ingahy Maire hoy dadatoanay izay fa tsy mahavita azy mihitsy. Hoy indray nenitoanay hoe io indray dia tsy ho lany eo intsony. Ny tiako ambara dia izao : raha milaza ny Ben'ny tanàna na ianareo mpomba azy hoe ka tsy vita indray mandeha anie izany e, dia izao lazaina aminy hoe efa firy taona ianao no teo. Nanenina mantsy izahay nifidy azy hoy ny maro eto Iarivo fa toa lasan-ko vavany toa haro-mitabebaka fotsiny. Zy ndray ny fiarahamonontsika anio
répondu par prime le 03/08/2006 13:50
2. stephane197 ( 13/07/2006 06:03)
efa nisy ihany kosa ny vita fa mbola maro no tokony atao ê! ny hilaza hoe tena tsy nanao kosa tsy marina ê! izany lazainao rehetra izany anie ka misy naiza naiza ê! aza manenjika b fahatany!!!
3. dadabe ( 13/07/2006 06:09)
rabaradaka a> tsy niombokevitra t@ ise aho tamin'iny ,eto aminay eto chine dia tsy ny maire no mandio ny tanana fa ny vahoka manodidina ny toerana no manadio ny toerana

ny tiko ambara dia hoe , efa nanao izay ho afany ny ben'ny tanana nanamboatra lalana , sy nanome paompy , nanangana hopitaly sns...., tsy efa vita ve ny anjarany ?? sao dia mba efa anjaran'ny vahoka amizay no mikolokolo izay efa najoro ? sa...ve sanatria dia mbola hiandrasana vola avy any andanitra indray fa handroka ny fako eo antokotany ..??? hummm samy hafa mihitsy ny hoe tsy misy lalana , sy ny hoe misy lalana fa maloto , misy hopitaly sy ny tsy misy hopitaly, ary tsy ho hisy kosa aloha izany hoe hopitaly baojy e, de ny dokotera ve izany dia hiasa maimaimpoana??ny ben'tanana dia tsy afaka ny hiasa raha tsy ianao io no mandoa hetra ho azy , jereo aloha ny zava-bita , dia alefao amizay ny fisainana hoe atao ahoan ny fikolokoloana ireo zava -bita

amiko vita ny anjarany , fa anjarako sy anjaranao ny mikolokolo , efa aty amintsika ny baolina fa tsy any aminy (patrick Ramiaramanana) intsony
4. lapino ( 13/07/2006 06:20)
dadabe:
rabaradaka a> tsy niombokevitra t@ ise aho tamin'iny ,eto aminay eto chine dia tsy ny maire no mandio ny tanana fa ny vahoka manodidina ny toerana no manadio ny toerana
Miombon-kevitra tanteraka amin'i dadabe za amin'io.
5. pissoa ( 13/07/2006 07:35)
Miombon-kevitra amin'i bedada.
6. sipagasy ( 13/07/2006 07:51)
eny aza ekeko daholo izany fa iza ny tokony hanala ny fako ao @ toerana efa natokana ho an'izany?? tsy ny commune ve??? dia eo koa izany misy lesoka keeeely e!!!
7. MTN ( 13/07/2006 08:27)
rabaradaka:

Fako etsy, loto eroa,

Tsy ny fako etsy sy eroa no andraikitry ny commune fa efa misy toerana tokony hanariana an'izany
rabaradaka:

làlana sy lalan-kely simba tsy azo aleha,

misy fahamarinany
rabaradaka:

aretin-kibo mamely ny zaza,

tsy ny ben'ny tanàna no tokony hitsabo izany,
rabaradaka:

fivarotan-kena voretra,

anontanio ilay mpivaro-kena hoe ny ben'ny tanàna ve no nahavotra ny fivarotany
rabaradaka:

mpitsindroka fako mameno ny fanariam-pako,

anontanio izy hoe ny ben'ny tanàna ve no naniraka azy ireo hitsindroka
;-)
8. rabaradaka ( 13/07/2006 09:09)
Ekeko daholo zay voalazanareo (na dia ireo mpomba ny Ben'ny tanàna)fa izao ny voierie ange ka eo ambany fifehezan'ny Ben'ny tanàna e, zay mihitsy lay tsy mampandroso satria mifanilaka. Fa rehefa hitokana pompe na lalan-kely dia dedaka ery radadatoa Ben'ny tanàna fa rehefa lazaina hoe misavovona ny fako dia mibotsin'orona. Angaha tsy hitanareo lay teny Andralanitra, raha tsy nilaza i Père Pedro dia angamba aretina no vokany, dia tonga teny mihitsy anie dadatoa Ben'ny tanàna tamin'izay e ! Amikory dadabe dia mpanilika andraikitra ny dadatoanareo io fa ilazao. Ohatra farany dia lasa aho fa sao tara taksiborosy, angamba henon'ny dadatoa Mosé le Maire ilay tamin'ny Karajia sy Kidona maraina tamin'ny fako sy lalitra nanoloana ny sekoly iray teto Iarivo dia nikoropaka nesorina haingana lay izy. Dia lazao indray fa mahavita zavatra dadatoa Ben'ny tanàna nefa dia miesona an-toerana.
9. MTN ( 13/07/2006 09:29)
Iny aloha raha ny fahitako azy tsy mahavoa eh. Fa saingy "stabilité politique" no tena nahalany azy. Raha ampihoarina ny vitany sy ny vitan-dra8 tamin'izy ben'ny tanàna dia tsy ao mihitsy. Na i pomme d'adam koa aza tsy nahavoa an-dra8 fa zay eh. Vokatry ny politika daholo izany
10. xxx ( 13/07/2006 18:40)
marina tanteraka ny an' i dadabe ... ... tsy tokony hanadio ny eo anoloan' ny tranony daholo ve é .... sa handrasana voirie koa izany.....
ny eazka anie tsy vetivety é .... ary matory ahoana izy .. nefa toa be asa ranamana atramin' izay ... asa aloha ny nataon' ny olona teo tamin' ny taona 80 tany ho any .... mora ny mitsikera ô !
11. dadabe ( 14/07/2006 10:34)
rabaradaka : izao indray aza e, omeko ohatra anakiray ianao

any Mahabo (toerana iray miala 45 km morondava ) tsy mba misy voirie izany , fa ny sekoly manamboatra lavaka lehibe dia ao no dorana ny fako , ny mponina manmboatra lavaka lehibe dia ao no dorana ny fako . dia mila vola avy @ ben-ny tanana ve izany ??

raha toa ka hoe any iarivo indray dia ekeko fa tsy mety tsy misy toeraka lavahana intsony handorona fako satria efa vita siment ny akamaroan'ny tanety.fa hoy aho hoe ireo olona rehetra izay manary fako ao anaty fanari-pako ireo moa raha toa ka mba hangalana sarany isaky ny manary fako ao , dia mety hanome ve ??:-w , satria raha olona iray manary fako 1 sobika manko no taxer-na ariary 50 (250 fmg/sobika) dia zah mino fa hisy famoronana asa tampoka eo ary hisy olona mpanary fako no asany , saingy indrisy....tsy vitany efa firenena mahantra i madagasikara , no tsy mbola misy vola hetra miditra , no mbola gratuit ny fanarina fako eo @ toeram-panariana zy .

tiko mba hisy olona makaty chine mijery ny nfandrosoan'ny tanana , ny antony dia satria andoavambola daholo (fa kely) izay rehetra atao , eny fa na ny manary fako avy any antranony ao anaty barika lehibe an'i kominina aza

mba ampiaro hoe izany rabaradaka , na mba ilazao ilay dadatoanay ao.:@
12. MTN ( 14/07/2006 11:09)
karazan'ny impossible izany dadabe.

Ilay fako etsy sy eroa nge ry dadabe tsy ny fako ao anaty daban'ny komune fa ny fako (sase sy hoditr'akondro...) eny an'arabe e.

Izao aza gratos ny manary fako ao anaty daban'ny komune mbola tsy any ihany no anarian'ny olona ny fakony fa eo antokotaninao. Vao maika haloto io tanàna io raha izany hevitrao izany.
13. dadabe ( 15/07/2006 14:40)
donk ny toetsaina mihitsy anie izany no mila miova fa tsy ny ben'ny tanan no ratsy e
14. MTN ( 15/07/2006 16:12)
na izy roa
15. Solitikabe ( 15/07/2006 23:38)
Oh Rabaradaka
Io ilay lazaina hoe ilaina fandaminana ara-piaraha-monina Antananarivo mba hisin'ny fifanajana. Fa tsy izay mandeha rehetra dia manipy fako daholo. Dia rehefa avy eo tsy maharaka ny Commune, izay tsy tompon'andraikitra amin'ny fanariana Po any antokatranon'ny tsirairay akory.
Izaho mino fa na ianao mba mpanipy fonon-javatra eny amin'ny arabe koa. Ka na asiana mpandroaka sy mpamafa lalana 10 isaky ny kilaometatra aza tsy aharaka raha toa izany foana ny fiainana.
Jereo ilay hoe toerana tsy manana fivoahana raha tsy nanamboaran'ny commune tamin'ny tetik'asa niarahana tamin'olon-kafa. Asa aloha na ahoana no fijerinao izany na ahoana, fa io ilay lazaiko hoe tsy very Po raha tsy misy commune angamba eh.
16. rabaradaka ( 17/07/2006 10:48)
Ekeko daholo ny an'ny dadabe, solitikabe, MTN sy ireo dadatoa rehetra naneho hevitra fa izao : na ny fanariam-pako aza ange tsy misy e. Ilay toetsaina hovaina angamba hitovizantsika hevitra fa ilay hoe tsy araky ny commune kosa aloha tsy ekeko dadatoa a. Mba jereo ange e, feno fako indray izao i Iarivo mirehitra jiro, tena feno daholo ny bac à ordure, partout mihitsy (mampiteny vazaha mihitsy marina), dia iza no omen'ny Ben'ny tanàna tsiny, ilay société privée manao ny asa. Maninona no tsy soloina hafa raha tsy arak'io société io e ? Maninona ? Mandehana jereo ny zaridain'ny 13 May, manao ahoana izy ao ? Zay aloha fa dia aleo hovana hafa ny resaka. Tinareo ve ilay titre tamin'ny gazety hoe "manao tsinontsinona ny FFKM ingahy Ramiaramanana Patrick". Efa fantako ny valiny e, tsy tinareo zany satria nareo mantsy mpomba ny ben'ny tanàna. Mba e
17. sakaizakely ( 17/07/2006 11:09)
Io ndray rabaradaka sy ne resaka betsabetsa'ny^^^^
18. rapala ( 17/07/2006 11:53)
sakaizakely::-D:-D
solitikabe:=D
ny toetsaina mihitsy anie izany no mila miova fa tsy ny ben'ny tanan no ratsy e

dadabe: sura wa é:wink:
19. xxx ( 17/07/2006 19:00)
f'ahoana marina izy ity é ry rabaradaka ,
fa naninona anao ingahy lehiben' ny tanana , sa manana olona hasolo azy ianao io é ... halatsaho ny candidature rehefa tsy nahavita azy ny eo sy ny talohany fa hotoanana ianao raha mahavita azy
20. sakaizakely ( 18/07/2006 07:36)
Rabaradaka hoa dia mitsikera foana hatr@izay nahatongavany teto ! Lazainy fa mirefarefa hono ny resaka eto @ serasera nefa jerevo izy tonga eto ihany, sady @zay nga valiny akory ny oul mamaly azy fa lasa mamorona sizé vaovao foana no ataony. Izy ihany hono izany no misaina fa ny sisan'izay kely fofona daholo kou tsy hitako hoe inn ihany no tadiaviny eto. Raha te ho lany ben'ny tanana, il faut avoir plus de charisme rabaradaka a ! dia andana matory kely fa toa tsy ampy tory ny fahitako anao izany:evil::evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.482