Matory am-pitoerana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo

21. prime ( 18/07/2006 13:08)
:-D:-D
22. Herimiafina ( 18/07/2006 14:31)
rabaradaka:

Fako etsy, loto eroa, làlana sy lalan-kely simba tsy azo aleha, aretin-kibo mamely ny zaza, fivarotan-kena voretra, mpitsindroka fako mameno ny fanariam-pako, sy ny sisa tsy voatanisa no hita eto Antananarivo renivohitra. Be resaka fotsiny ingahy Maire hoy dadatoanay izay fa tsy mahavita azy mihitsy. Hoy indray nenitoanay hoe io indray dia tsy ho lany eo intsony. Ny tiako ambara dia izao : raha milaza ny Ben'ny tanàna na ianareo mpomba azy hoe ka tsy vita indray mandeha anie izany e, dia izao lazaina aminy hoe efa firy taona ianao no teo. Nanenina mantsy izahay nifidy azy hoy ny maro eto Iarivo fa toa lasan-ko vavany toa haro-mitabebaka fotsiny. Zy ndray ny fiarahamonontsika anio

Mora ny mandoto ary mora toa izany koa ny hiteny ny ben'ny tanàna hoe tsimpony io, saingy sarotra kosa ny handoa hetra sy handoa ny cotisation any amin'ny fokontany hahafahan,ny ben'ny tanàna mividy lasantsy hampiasana ny camion hitsimpona ny fako.

Torak'izany koa, mora ny mihinana ny ranon'ny jirama, fa saingy sarotra be ny handoa hetra hikojakojana ny fitaovana mba tsy hisondrotan'ny vidiny!

23. prime ( 21/07/2006 10:14)
Herimiafina:
Torak'izany koa, mora ny mihinana ny ranon'ny jirama, fa saingy sarotra be ny handoa hetra hikojakojana ny fitaovana mba tsy hisondrotan'ny vidiny!
Raha io indray ry Herimiafina tena
24. prime ( 21/07/2006 10:16)
Miala tsin fa tapaka tampoka...
Rah io indray ry HM tena size hafa mihitsy... :lol:
25. rabaradaka ( 24/07/2006 06:13)
Zao kosa ange, mila jerena tsara amin'ny saina tsy miangatra ny toedraharaha fa tsy faly hiaro be fahatany fotsiny. Ianareo mantsy tsy mahatanty tsikera mihitsy fa dia miaritra ny fofona maimbon'antananarivo. Raha mitsikera an'ingahy Patrick aho dia ny hanatsarana zavatra no tian-katao fa tsy hoe hanala azy. Izaho rabaradaka tantsaha kely ery ve hanala azy, zahay mba nifidy azy koa ange saingy tsy misy tsy mandeha amin'ny laoniny dia milaza ny tsy mety. Sa aminareo na dia efa ranom-potaka maloto aza no andehananareo dia hioafiana foana ? Tsy rabarada izany dadatoa, izahay tsy maintsy milaza ny tsy mety. Izay fihatsarambelatsiny izay no hitanay fa nanimba an-dRatsiraka dia mbola tinareo hiainana ve ? Azafady tsy rabaradaka izany.
26. dadabe ( 25/07/2006 04:39)
tsy ratsiraka irery fa na i ravalomanana koa aza mitady ho tratran'io
27. rabaradaka ( 25/07/2006 08:35)
Ianao indray dadabe aza mitompo teny fantatra loatra fa sao tezitra eo ry zalahy sy zavavy mpomba an'ny Ben'ny tanàna ! Manahirana ihany ity raharaha ity e ! Diso lambolamboina loatra ny mpitondra dia na efa mikatso aza dia lazaina foana hoe mety io. Mba tokony hahay haka lesona ami'ny Nosy Morisy anie isika fa ireto mpila ranondranony ireto no mahatsiravina e
28. Fiffi ( 01/08/2006 04:37)
xxx:

f'ahoana marina izy ity é ry rabaradaka ,
fa naninona anao ingahy lehiben' ny tanana , sa manana olona hasolo azy ianao io é ... halatsaho ny candidature rehefa tsy nahavita azy ny eo sy ny talohany fa hotoanana ianao raha mahavita azy
zay indrindra ! :-D:-D:-D


29. prime ( 01/08/2006 11:45)
rabaradaka> alaviro ny resaka morisy fa tsy misy ifandraisany mihitsy amintsika... tena mifanalavitra be... (azo amoronana size hafa: fampitahàna an'ny dago sy morisy):°)
30. Fiffi ( 01/08/2006 13:24)
prime: zany ange hoa eh!
31. prime ( 03/08/2006 13:50)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4963