phytoline

1. adidy ( 12/07/2006 15:27)
Iza amintsika no efa nampiasa produit phytoline?
Aiza no misy centre de massage amincissant tsara ao Tana ka mifanahantsahana ny sarany sy ny vidiny?
répondu par adidy le 15/07/2006 07:14
2. ja ( 12/07/2006 18:29)
izaho aloha tsy mbola nampiasa e!
fa inon ny gamme proposeny hono?
humm raha zany massage amincissant izany aloha ry adidy dia tena tsoriko fa tsy efficace!tsy izany massage massage izany no hampihena!
ny manao sport ihany no efficace dia mihinakanina in3 isan'andro fa tsy mitsaingoka
3. fijo ( 12/07/2006 20:04)
adidy,za koa dia milaza,fa aza mandany vola manao izany massage izany,fa mikotrana,dia mihotra avy eo manala vonkona,fa izay no hampiena
4. tisera ( 13/07/2006 04:26)
:? arakaraky ilay tiana hihena io kosa é! Marina fa ny fanatanjahan-tena sy ny fifehazana @ sakafo no mampihena voalohany fa tena mba mety kosa ( @ cellulites ohatra ) aloha ireny massages ireny é! Raffermissants tsara : Izaho t@ 2005 nandeha vacances tany Dago dia nihotra 2 semaines tao @ Homeopharma Antsakaviro fa tena afa-po : ny phytoline amidy ao @ Hilton ve io tenen'i adidy io sa ilay produit phytoline avy aty Eoropa ? Andramo aloha ilay homeopharma raha tian'i adidy: sady misy dokotera mijery alohan'ny hanaovana ny otra fa sady manala havizanana koa etsy andaniny . Izaho aloha afa-po é!:)
5. adidy ( 13/07/2006 07:53)
Marina ange fa ny mitandrina sakafo sy ny fanatanjahan-tena no tena mety! Fa kosa ilay remodelage rehefa orina manala cellulite tena tsara !
Sady izaho koa tia otra be fa manala havizanana!!
Ilay phytoline any Dago no tiako handramana ka! Hitako tao @ site internet!
Dia inona ny produit ampiasain'ny ao @ homeopharma ry Tisera? Dia ohatrinona kay?
6. MTN ( 13/07/2006 08:41)
in zany phytoline? mody sipa lo za androany
7. rapala ( 13/07/2006 09:04)
eny wa ry MTN, inn io?hihihi
8. tisera ( 13/07/2006 09:08)
ny menaka na baume ao @ndrizareo ihany ; ny ahy nampiana citron fa somary mahery ny fofon'ilay menaka (tsy hoe ratsy akory) , dia misy exercices -na gymnastique tsotsotra hatao ihany koa ; t@ heintaona :25000fmg (5000ariary) raha massage vatana manontolo fa misy prix ho an'ny hotra localisé : fe-kibo- ets.... fa tsara be hoa! Aty Eoropa anie tena lafo be loatra ny mihotra é! Fa ilay cure any Antsirabe koa aloha an : tena mampihena , mampahazo aina moa vacances vita .
9. nambina ( 13/07/2006 09:48)
tisera: aiza ao antsirabe nge io?
10. ja ( 13/07/2006 09:51)
tisera>zany ve tsy arnaque kle
11. papala ( 13/07/2006 11:16)
O ry adidy a! mihinana anamadinika hatao laoka, ranon-dasopy fotsiny hanina dia aza mihinana vetiny, dia voankazo koa hanina betsaka, misotroa rano 1litatra sy tapany isan'andro, fa ao anatin'ny 1 volana dia ihintsana ianao. dia androraty aho rehefa mihena! ha! ha! fa izany massage massage izany mandany aina be fotsiny.Avy eo mandeha antongotra foana.
12. adidy ( 13/07/2006 18:43)
Isika sy Tisera mihintsy izany no mpinamana!!:-*
Izaho koa mantsy efa nanandrana ilay tany Antsirabe fa tena tsara be mihintsy!!! Ao @ ranomafana io: atomboka @ ilay milona aloha, dia avy eo asiana tanimanga mafana ny lamosina, dia avy eo tifirina @ jet d'eau, dia faranana @ otra @ savony!
phytoline izany anarana gamme de ^produit any DAgo e!
Papala a, aty akia tsisy anamadinika ! Fa raha mahita aza aho dia tiako be dia tsy maintsy ho ritina @ hena kisoa dia miam miam indray a!
Izaho tsy mahavita mifehy tenda hoe ranon-dasopy fotsiny izany ny alina ary tsy hahavita bikana mannequin izany fa mba ilay antonintoniny e!
Sady ilay otra ilaina fa reraka be ny vatana! Andramo ange e , tonga dia dodo be avy eo!
13. ja ( 13/07/2006 20:14)
papala>hihihiihih
14. mamzelkely ( 14/07/2006 07:04)
za klou ts mampiasa fa bdb milaza fa tsara io produit an homeopharma io mais bon za ts mbola nanandrana sady ts te hanandrana :°)
15. MTN ( 14/07/2006 11:35)
inona wa ilay phytoline, ilay menaka hoe mampahia ve?
16. nenipita ( 14/07/2006 14:05)
ry Adidy a, saina ihany akia io a na de hanao massage sy zao rehetra izao aza iandry nefa milamintsaina de tsy hihitsnana firy eonefa na tsy mlanao inona inona aza ka mikorontantsaina de tena very kilos mihitsy , koa aza mba maniry ny hihintsana izany fa isory ny Tompo fa mbola omeny filaminantsaina
17. adidy ( 15/07/2006 07:14)
nenipita: izaho tsy hoe milamin-tsaina be na mikorontana be fa miaina ohatra ny olona rehetra matetika moa @ hazakaza-dava aty! Ary tsy ilay hoe hihintsana be no tanjoko satria na izaho na ramose tsy tia mahia(matory @ tany hoy izy), fa ilay entretien (fermeté de la peau), sy relaxation no tadiaviko, dia izay no mahatonga ahy tia otra! Na ilay otra aza anie misy karazany e: misy relaxant, misy manao drainage lymphatique, misy reflexothérapie, misy amincissant @ ilay palper-rouler! Atsy @ lohahevitra atsy ambadika momba ny tongotra mivonto, ankoatra ny sport, misotro rano ets... ilay drainage lymphatique tena mahomby mihintsy! Za mantsy efa nanandrana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1633